Ny tarika 13 Mai no tsy manaiky referendum fa aza avadika

1. penguin ( 16/03/2009 09:27)
Betsaka no mamadika resaka. Ny tarika 13 Mai no milaza hoe efa tsy tia an-DRavalomanana intsony ny vahoaka ka tokony miala izy. Avadika indray ny resaka satria matahotra ry zalhy ary tsy mahatoky tena fa ny vahoaka Malagasy manontolo tokoa no leo izao fitondrana izao ary izay no tsy hanekeny ny fisian'izany fitsapana hevi-bahoaka izany. Dia i Ra8 indray no lazaina fa matahotra izany fitsapana izany. Asahotaka tanteraka ny sain'olona tsy ho tompon'ny tenany intsony fa hanaraka izay saim-pantany. SOKAFY TSARA HATRANY NY SAINA AMAM-PANAHY ARY AZA MANAIKY TARITIN'NY SASANY AMIN'NY TSY IZY SY TSY HIRONANAO;
novalian'i penguin ny 16/03/2009 10:32
2. tsoraka ( 16/03/2009 09:38)
Tafaraka taxi-be tamin'ny mpitolona 13 mai mihintsy aho vao teo ary io no ambetin-dresany hoe: inona no anaovana fitsapa-kevi-bahoaka sa mbola tia hividy vola ka hilaza fa mbola lanim-bahoaka ary hijanona eo amin'ny fitondrana ? Tsy misy manaiky izany hoy leiry fa miala fotsiny izy ary Andry TGV no mitantana ny tetezamita. Tena tsy mankasitraka izany ny 13 mai.
3. andrywai ( 16/03/2009 09:46)
Mazavabe io ary izay no tsy hiandrasana izany 2012 izany mihintsy. Maro ny zavatra vitan'ny fitondrana raha mbola miasa eo izy noho izany dia tapahana manomboka izao izany. Tsy ilain'ny TGV ny reférendum fa avy dia miala Ra8 hiasan'ny governemanta tetezamita. Efa voazara ny seza hoy ireo.
4. Noue ( 16/03/2009 10:02)
12:45 - Andry Rajoelina refuse le référendum
5. penguin ( 16/03/2009 10:19)
Ireo anie ka hafa ny tondroin'ny tanàny ary hafa ny halehan'ny molony ka asakasak'izay mahatoky ireo.
6. xxx ( 16/03/2009 10:20)
lojika be izany,fantany ve fa ho resy izy dia mbola hanao an'izany referendum izany ihany
7. penguin ( 16/03/2009 10:32)
Fa tsy efa mankahala an'ny Filoha Ra8 indray vé ny vahoaka koa tsy hirohotra hanala azy izy sa terena fotsiny izao ny olona é ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0507