FIOMBONAM-BAVAKA ERAN-TANY AN'I MADAGASIKARA

1. niryna ( 14/03/2009 03:23)
FIOMBONAM-BAVAKA ERAN-TANY HO AN'I MADAGASIKARA


Miarahaba antsika rehetra tsy ankanavaka aho.Miangavy ihany koa na inona finoana misy anao na inona ary na aiza no misy anao na aiza mba hivavaka ny tanindrazantsika.Andriamanitra dia mamaly vavaka ary ny vavaky ny maro mahataka-danitra

Jereo izay toerana misy anao ary afaka mizara eto koa izay firenena manana fandaharana amin'izany satria samy manana ny fotoana sy toerana misy azy avy e.Entanina ny rehetra tsy hitsahatra hivavaka ny tanindrazantsika manomboka androany raha mbola tsy nanao izany hianao fa mila antsika tsirairay avy ny firenentsika,ny tanindrazantsika


Efa nandefa hafatra aho taloha "Ho sitranin'Atra ny tany raha hanetry tena ny vahoaka"


Mpandefa : niryna [ Valio ] 22-02-2009 22:02:49
Lohateny : Ho sitranin'Atra ny tany raha hanetry tena ny vahoaka
Izaho ho rainy, ary izy ho zanako. Raha manao izay meloka izy, dia hanariko amin'ny tsorakazon'ny olona sy ny kapoky ny zanak'olombelona;
nefa ny famindram-poko tsy mba hiala aminy, tahaka ny nanesorako izany tamin'i Saoly, izay nesoriko teo alohanao. II Samoela 7 14-15


14 raha ny oloko izay nantsoina tamin'ny anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin'ny ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hanasitrana ny taniny.

15 Ary izao dia hihiratra ny masoko, ary ny sofiko hihaino ny vavaka izay atao amin'ity fitoerana ity; II Tantara 7:14-15

ahoana ny hevitrao fa io no mahazo izao tontolo izao ankehitriny
(l) niryna

_____________________________________________________________________
Tsy mijery isika hoe iza no diso na iza no marina fa ny hiangaviana antsika rehetra dia ny hivavaka ny firenentsika

Ity misy hafatra ka mba ampitaiko sy zaraiko ho antsika rehetra

Miarahaba antsika rehetra
Manaraka ny toedraharaha misy any antanindrazana isika rehetra na dia aty antany lavitra aza.
Manavesatra ny tsirairay tokoa izany , mitaintaina, mitady izay hilaminan'i Madagasikara.
Koa manentana anao MALAGASY, tsy misy ankanavaka, na fihaviana , na finoana, hiaraka hitrotro ambavaka ny firenentsika.
Ka asaina ianao hiaraka HIVAVAKA isaky ny Asabotsy
Ka hatomboka ny Asabotsy 14 Marsa ho avy izao
Amin'ny 7 ora hariva (19H)
Ao amin'ny Fiangoanana, EGLISE PROTESTANTE EVANGELIQUE
21 Av, PASTEUR 74100 ANNEMASSE
Ny Fotoana dia hotarihin'ny Fikambana Mpiara mamaky ny Baiboly eto Leman (Ligue pour la Lecture de la Bible section malgache du Léman)
Tsy manavaka finoana, fa asaina ny finagonana rehetra sy ny malagasy rehetra eto Frantsa sy Suisse.
Tsy misy resaka politika. tsy misy fitongilanana sy fanohanana fotonkevitra.
Hilazao ny namana rehetra
« raha ny oloko izay nantsoina amin'ny anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin'ny ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hahasitrana ny taniny. » (2 Tantara 7:14)

Raha mila fanazavana fanampiny
Tel: 04 50 32 25 64/ 06 28 20 10 82
Mail: llbmgleman@gmail.com

---------------------------------------------------
Ity koa misy iray ary mety mbola ahazo avy any an-kafa ihany koa ny hafa
FANENTANANA FIOMBONAM-BAVAKA ERAN-TANY HO AN’I MADAGASIKARA

ALAHADY 22 MARTSA 2009



Ho an’ny Malagasy hava-malala rehetra maneran-tany.

Manoloana ny fisavorovoroana sy ny filatsahan’ny nosy malalantsika an-katerena dia manainga ny Malagasy rehetra eran-tany izay mino ny fitahian’Andriamanitra mba hanokana fotoana iarahantsika rehetra miaraka, hitodika sy hifona ary hitalaho amin’ny Tompo Andriamanitsika, hiarovany ny vahoaka Malagasy mandrakariva.

Mila fanetrentena sy fahatsoram-po ary hetaheta ny fahasoavan’Andriamanitra izao fotoan-tsarotra izao. Tsy afaka ny hipetra-potsiny amin’izao indrindra isika Kristianina fa manery antsika hitodika bebe kokoa amin’Izy Tompo sy Mpamonjy antsika izao, handinihantsika tena sy itadiavantsika marina tokoa ny fitsilovan’ny Fanahy Masina amin’izay lalana tokony hizorantsika.

Taranaka maritiora ny vahoaka Malagasy ary hihaino antsika tokoa Andriamanitra raha mitady Azy amin’ny fontsika rehetra sy ny fanahintsika manontolo isika. Tandremo anefa ny manao diso fangataka, fa ny “fo torotoro sy mangorakoraka ihany no tsy mba ataon’Andriamanitra tsinontsinona” (Salamo 51:17)

Ny fotoana ifanomezantsika rehetra eran-tany, hatrany Madagasikara ka hatraty am-pitan’ny ranomasina rehetra na aiza na aiza àry dia ny Alahady 22 Martsa 2009 ho avy izao. Vorio ny fianakaviana, entano ny fiangonana, ilazao ny mpiray vodirindrina, ampandreneso ny mpiara-miasa sy mpiara-mianatra: hanokana ny andro Alahady 22 Martsa 2009 isika rehetra hiandrandra an’Andriamanitra Andriananahary, Tompo tia antsika Malagasy tsirairay tsy misy avakavaka, Andriamanitry ny filaminana sy ny fandriampahalemana. Aoka ny fiombonam-bavaka mba haharitra 30 minitra raha kely.

Ho aminareo rehetra anie ny Fiadanan’i Jesoa Kristy izay tia dia tia an’i Madagasikara.

Rev. Dr. Samoela Andriani

(samoela_andriani@ juno.com)

Fiangonana Kristianina Malagasy , New York , Alakamisy 12 Martsa 2009 – USA -



Miangavy anareo izay mandray ity hafatra ity mba hanely izany amin’ny olom-pantatra rehetra. Dia manasa anareo koa hanoratra etsy ambany ny toerana sy fotoana hiarahanareo mivavaka amin’io Alahady 22 Martsa 2009 io.

TOERANA SY FOTOANA:

1- hatomboka ny Asabotsy 14 Marsa ho avy izao
Amin'ny 7 ora hariva (19H)
Ao amin'ny Fiangoanana, EGLISE PROTESTANTE EVANGELIQUE
21 Av, PASTEUR 74100 ANNEMASSE
Ny Fotoana dia hotarihin'ny Fikambana Mpiara mamaky ny Baiboly eto Leman (Ligue pour la Lecture de la Bible section malgache du
Léman)
Tsy manavaka finoana, fa asaina ny finagonana rehetra sy ny malagasy
rehetra eto Frantsa sy Suisse.
---------- Alahady 22 Martsa 2009-------------

2-MAHAZOARIVO: FJKM-Mahazoarivo, Fotoampivavahana 8 ora sy 11 ora maraina

3-NEW YORK: FKM-NY, Second Presbyterian Church, Elizabeth, NJ, 3 ora sy sasany tolakandro


4-



Tsy misy resaka politika. tsy misy fitongilanana sy fanohanana fotonkevitra.

Mpandefa hafatra sy mizara izany

(l) niryna

novalian'i niryna ny 18/03/2009 02:57
2. xxx ( 14/03/2009 05:48)
ALLAH OUHAKBAR! ALLAH KARIM, MISHMILEH. ALLAH OUHAKBAR
3. rakaroka ( 15/03/2009 06:14)
Efa misy "chaine de prière" koa iraisan'ny afa-manao izany isaky ny @ 20h30
ora aty Frantsa , (afaka ampiarahana @ ity hira)
http://www.youtube.com/watch?v=5Xbv5GiqHPA
4. niryna ( 18/03/2009 02:57)
rakaroka:

Efa misy "chaine de prière" koa iraisan'ny afa-manao izany isaky ny @ 20h30
ora aty Frantsa , (afaka ampiarahana @ ity hira)
http://www.youtube.com/watch?v=5Xbv5GiqHPA


misaotra rakorako a
:-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.055