Dia misy ny faly sy misaotra an'A/tra, Mahonena

1. tovolahy007 ( 11/03/2009 21:17)
Miarahaba ny rehetra izay mbola mahatsiaro fa Malagasy!
Amin'ny alahelo lehibe no ahenohina sy ahitana ny zava-misy eto @ Tanindrazana. Mampalahelo ny mahazo ny firenena Malagasy sy ny vahoaka ao aminy satria dia tsy misy tena mba vonona ny hikatsaka izany atao hoe SOA HO AN'NY MADAGASIKARA izay mitsy. Faly ny andaniny mpanohitra fa toa ho tafita iany ilay fanoherana, nefa fandresena @ fomba feno henatra sy tsy mendrika izany atao hoe fandresena izany satria dia fanapotehana sy fangalarana ary fampiorohorona no nentina nakana azy. Potika i Madagasikara, tsy i Tana iany no potika @ zao fa aoka hazava tsara fa ny Nosy iray manontolo mihintsy. Etsy andaniny indray ny eo @ fitondrana dia manahy mafy @ zay hiseho. May volo tratra ka toa tsy mahita izay tokony ho ataony tsony @ izao. Betsaka ny zavatra tsy nety nataon'izireo ka nahatonga izao korontana izao.
Ny tiko ho lazaina dia zavatra tsotra. Efa voahozona ve isika sa ahoana? Andeha atao hoe iny fa nametra-pialana ny filoha Ravalomanana, de iny i Andry fa lasa filoha, de ahoana?? Satria dradradradraina izao fa hoe ny atao no miverina e, satry izao no natao t@ 2002, de hoy aho hoe, AFAKA 2 NA 3 TAONA KO VE ZANY DE HISY NDRAY NY KORONTANA TOY IZAO? SATRIA IZAY NO NATAON'I ANDRY MBA AHAZAHOANA TOERANA.
Amaranako azy de izao, MISY NY TENA FALY SY MISAOTRA AN'A/TRA MIHINTSY @ZAO FAHAPOTEHINA SY HOROHORO IZAO SATRIA IO ILAY APINGA AHAZAHONA SEZA.
RAHA MBOLA MAHATSIARO FA MALAGASY KA FALY @ ZAO ZAVA-MISY IZAO DE AO NY RAZANA SY NY HASIN'NY TANY HANAFAY AZY FA TSY HO ZAKANY AKORY NY VALINY ZAO.
Misaotra antsika de aoka mba samy handinika lalina izay vao manao zavatra isika rehetra.
novalian'i pikatti ny 11/03/2009 23:49
2. fijo ( 11/03/2009 21:24)
indrisy,tsy ny rejhetra no hafaka hisaina izanya
3. tovolahy007 ( 11/03/2009 21:28)
Tena efa tsy Malagasy tsony ny sasany ra fijo a!
4. fijo ( 11/03/2009 21:33)
ka io le fankahalana e,tsy mahay mijery izay soa hiraisana fa ny tsy hafaliana mahita ny hafa manana no aseo
5. tovolahy007 ( 11/03/2009 21:38)
Mahay manova zavatra NY VOLA, ary tena zava-mahadomelina ambony noho ny zava-mahadomelina izay lazaina fa mahery indrindra izy.
6. fijo ( 11/03/2009 21:45)
andriamanitra ny vola,ka tandremo fa hery lehibe io,na hoamin'ny tsara ,na hoamin'ny ratsy
7. tafondro ( 11/03/2009 22:12)
Ho an'izay tsy mino an' A/tra ary ,ary tsy te hino ny hherin' ny vola dia atao ahoana ny hieritreretana ny zavatra mety ho ataon 'izy ireny ? an !!!
8. TEGEVE ( 11/03/2009 22:53)
anaka isany atsharo ny fitiavan-tena sy ny filam-boninahitra ,mifanaraha ianareo mpianaka (l) (l)
9. ndenn ( 11/03/2009 23:23)
"Anaka isany atsharo ny fitiavan-tena sy ny filam-boninahitra ,mifanaraha ianareo mpianaka ":
Lasa resaka matavy izany ity resaka ity no hiafarany ! :oops:
10. xxx ( 11/03/2009 23:29)
Ataovy resaka mahia lesy fa nareo ve hanaran-drenirano e :lol:
11. pikatti ( 11/03/2009 23:49)
dodo daholo fa tsy mahay n'inon'inona :-D :-D :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0638