Miarahaba ny namana rehetra ô
Izaho ry zareo mba mitady mpanao volo Malagasy mipetraka eto Champigny sur Marne, na ireo tanàna manodidina : Joinville le Pont, Nogent sur Marne, Saint Maur.
Raha ankoatr'ireo ahiako ho lavitra loatra.
Tsy sahy miditra salon de coiffure vazaha aho sao lafo loatra satria sady lavabe no matevina ny voloko, no tsy azoko antoka hoe ho vitany tsara toy ny ataon'ny Malagasy koa ilay izy.
Nanana mpanao volo ihany aho fa saingy mipetraka any Vitry sy Cachan ka tena tsy tratrako intsony dia izay no itadiavako akaikikaiky.
20€ no fandoako t@ izany nefa efa avy manasa loha any an-trano aho ary misintona fotsiny sisa ilay olona (eo @ 20-30mn eo no ahavitany azy).
Koa raha mba misy mpanao volo ianareo, ny tena tiako dia raha manana lave-tête ianao, izaho efa zatra miantoka ny produits-ko fa leon'ilay mitondra volo lena eny @ arabe. Na misy mpanao volo fantatrareo, na tsy Gasy aza fa Tavaratra, dia mba ampio aho eh!!!! Raha afa-po aho dia entiko any koa ny vady aman-janako.
Misaotra indrindra