Bonbo Gasy- Hazavao hoe ny dikan'io hira io?

1. soanja ( 09/03/2009 00:45)
Misy an'ity hiran'i Lolo sy ny Tariny ity. Mihaino aho fa tsy azoko ny tiany tenenina. Azafady anie mba azavao zay mba mahalala. Raha teny ratsy dia aza soratana fa ataovy hoe teboteboka sns... miezaka tsy kopy mihitsy. Misaotra mialoha. Raha possible dia dikateny malalaka na mifangaro izay mahamety azy. Bilakarenjy ooooo!!! Ampio aho sao azonao io hira io!!

Bonbo Gasy

Tsy tany am-parihin'Itasy aho omaly
Tsy nahita ilay voninkazo tianao
Ka indro nitondra ireo bonbo gasy
(Porofom-pitiavako anao) ka ny mamy omeko anao!

Bonbo mantsy
Misy loko maro
Ho entina mahatsiaro ireo zava-maro nataonao taloha
Bonbo mantsy
Mba voninkazoko

Ariary tokony hahazahoako sigara
Naleko nihafy tsy nifoka akory
Naleko nividy ireo bonbo gasy
Eo anilanao aho mihafy

bonbo mantsy
Maharitra am-bava
Mora mampisavava (ireo zava-maro nataonao taloha) ny gidin'ny fiainana
fa mankalao!
Bonbo mantsy
No solon-tsigara

Sendra an-dry zalahy aho voatery nitsoaka
Naleoko nihafy tsy nisotro toaka
Naleoko nividy ireo bonbo gasy
eo anilanao aho mihafy

Bonbo mantsy
(Eo anilanao) zaraina aminao
Toa tsy mankalao fa mamy daholo izao tontolo izao
Bonbo mantsy
Mba fifaliana koa

Fa maiky ny hamonjy ny anilanao
Ka indro solafak'ity havanao
Indreo nianjera ireo bonbo gasy
Tomany aho, nagasihasy

Bonbo mantsy
Raha sendra ka very
Tsy maha-te-hijery ireo masonao efa nanantena
Bonbo mantsy
Mba fahoriana koa

Lolo sy ny Tariny.
novalian'i soanja ny 01/09/2009 00:53
2. ari.malala ( 09/03/2009 07:23)
Ny fahazoako azy @ ankapobeny dia hoe refa tia dia mahavita mihafy. Ohatra azo tsapain-tanana ilay hoe ariary no ahazoana sigara de aleo tsy mifoka fa mividy bômbô gasy hoan'ilay olon-tiana, aleo mitsoaka tsy misotro toaka famividy bômbô gasy hoan'ilay olon-tiana, ilay hoe ts mahita voninkazo tian'ilay olon-tiana de mividy bombô gasy...
3. Samoana ( 09/03/2009 16:40)
Hira tsy maty am-bavanay tany amin'ny lycée izy io raha vao nivoaka tany amin'ny taona 80 tany ho any; Tsy dia hoe nifono hevitra ambadika le hira taminay fa noraisinay fanomezan'ny tarika Lôlô hasina (mettre à l'honneur) ny bonbon gasy (bonbô lava, bonbô saina sy ny bonbô kanety feno loko samihafa). Hira maromaro tokoa no navaokany tamin'izany fotoan'andro izany entina mitantara toe-javatra na fiainana andavan'andro. Ohatra
- ny "Fibata" nahafantaran-tsika gasy voalohany an'izany hoe bus misy sonnerie sy famoahana varavarana éléctrique izany
-"Joseph Remy", anara-tsambo malagasy izay mirakitra tantarana tatsambo iray
-"Benoro": miresaka mombana ray aman-dreny hajaina, sady mpanao didi-poitra (sambatra) no tsy maintsy miantoka ny ara-pivelomany amin'ny alalan'ny jono an-dranomasina koa
-"Dimbaka": hommage ho an'i Jesoa mizara fitiavana ho an'izao tontolo izao no sady misedra ny fanenjehan'ny manam-pahefana azy
-etsetra etsetra...itiavanay ny hiran'io tarika mahay manao takariva amorom-patana an-kira io

Raha hiverina amin'ny "Bonbô" isika izany dia izao: tsapan'i Lôlô fa tsy nisy tsy nitia izany vatomamy izany ny Malagasy. Tsy ahitana ngidiny na kely aza fa mamy hatrany no trandrahina avy aminy.Ary tsy hoe mamy fandalovana fa maharitra, izany hoe mitoetra aminao ny hamaminy raha nofinidinao izy. Passe-partout mahafa-po ho an'ny tena no azo zaraina ho an'ny hafa koa. Fony izahay nihira izany dia azonay an-tsary mihintsy ny fipitrapitrana amin'ilay tonony farany: mba saika hizara amin'ilay olon-tiana kanefa dia sendra solafaka. Tsy ampy ny hafaliana satria nampanantena anefa tsy tanteraka izany noho ny antony tsy miankina amin'ny tena akory.

Lavabe ny resake-ko fa namerina ahy tamin'ny hatanorana ny fanontanian'i Soanja. Misaotra anao :wink:
4. ikaretsaka ( 10/03/2009 01:56)
adinon'i samoina ny nilaza le hoe vita kabary

ary samoina hatrany bira nefa ry lolo no revesana

tadidiko ry radadafaranay taloha le miady mahaleo sy lolo rehefa le mitaingi tamboho mitendry gitara ... tssss, ny tena mao mbola tany @ kalesa sy ny kapisily t@ zany ka tsy nahalala loatra
fa marina io fanazavan'i samoina io ka...

5. soanja ( 10/03/2009 03:00)
Samoana:

Woooawww!!! Misaotra indrindra nanome fanazavana. Mahafinaritra ahy tokoa ny hiran'io tarika io na dia tsy lehibe tamin'ny hirany aza ny tenako. Zany hoe tany anindrana aho no lehibe dia efa aty an-dafy vao miezaka manafantatra ireo hira Malagasy izay mampiavaka antsika sady miezaka mianatra ny dikany.
Miteny foana ny vadiko rehefa mihaino hira aho hoe aza eritreretina hoe izay voalaza eo no tiany resahina fa misy hevitra ambadika foana, indindra hono ny hiran'i Mahaleo sy ry Lolo sy ny Tariny. De eo mihaino fa tsy azoko daholo izay tiany ambara fa dia ny hira kosa dia variana dia variana ny tenako. Malahelo aho fa tsy mba nahalala firy ny vazon'ny fireneko izay feno hanitra sy harena tokoa. Anisan'ny hira henoako foana dia ilay Baomijijy. Zany ka tena hira! Mampalahelo nefa tena nisy tokoa izany fiainana izany. Ny tsindry hazo lena sy ny fahantrana ary ny fanekena fa vita matavy eo ampitsanganana. Ntshoohh RaMALAGASY e! Ny soavalim-boatiry sns... Fiainana tokoa anie izany1 Mafy nefa mamy. mbola hitohy!

6. soanja ( 10/03/2009 03:25)
Misaotra Ari. malala nanazava koa a!
Soa fa misy ny serasera afaka manome toky ireo rohin'ny ela , nilaozana nefa tsy hadino! :-* :-* :-* :-* (l) (l) (l)
7. soanja ( 10/03/2009 03:28)
ikaretsaka:

adinon'i samoina ny nilaza le hoe vita kabary

ary samoina hatrany bira nefa ry lolo no revesana

tadidiko ry radadafaranay taloha le miady mahaleo sy lolo rehefa le mitaingi tamboho mitendry gitara ... tssss, ny tena mao mbola tany @ kalesa sy ny kapisily t@ zany ka tsy nahalala loatra
fa marina io fanazavan'i samoina io ka...

Ny an'Ika ve zany dia ny hiran'ny mpitsoka ireo ovy vao mafana ihany no tianao??

:-D :-D :-D :-* :-* :-* Tsary fantatro abyy ro mpivazo ahatanyyy!!!
8. fahamarinana ( 10/03/2009 04:16)
:arrow: humm ! isan'ny ilay hira fihiraina teny ambony tamboho sy teny amoron-dranomasina miaraka amin'ny glita fahiny tokoa zany !!! nitamberina ny fahatsiarovana,ela hany zany !!!..
merci soanja sady tsy tsaroako tsony ny tonony rehetra. :-* (l)
9. RATOVOARY ( 10/03/2009 05:38)
Ny ahy ndray ry zokinay mihira ny hiran'i Mahaleo sy ry Lolo sy n tariny miaraka @ gitara sy ny flûte no tonga de tsaroako rah vao Lolo sy Mahaleo no resahina ( tamin'izany ry zareo nanao S.N de manao andiany mankao antranonay fa fety be mitsy) , taty aoriana mba nihira ny hiran-dry zareo ihany fa tsy dia hay ny tonony (ny accord-ny gitara koa sarotra )de tsy naharoboka loatra fa efa lasan-dry Tsiakoraka sy ry Rebika ny feeling. Fa hafa ihany aloha le hira malagasy e! sady ny hira taloha tsy manaonao foana zany raha tononkira fa mipetrapetraka tsara.
10. Samoana ( 10/03/2009 09:07)
[quote=ikaretsaka]
ary samoina hatrany bira nefa ry lolo no revesana
[/quote]

(izay no naha-samoina ahy hihi)
Zandrin'ny tarika Mahaleo tokoa ry Lôlô ary fantatra fa nangala-tahaka (inspiré) ny fombafomban'ireo zoky tokoa rizareo. Saingy tsy nampaninona an-dry Dama izany fa hoy izy raha nanontanian'ny mpanao gazety hoe tsy tezitra ve ianareo?: " Soa fianatra e he he he!)
Reviko koa Mahaleo kah! Saingy Lôlô jeune dimbadimbaka kokoa ny tonony dia mora nandaitra taminay ny hirany tamin'izany. Izahay tsinona tena niaina ny fibata, ny baomijijy (nifoha fitiavana de mifandrangitra @ fikaotina sipa,...)
Hira fanevanay SN Bira 82 ilay "dimbaka avy an Nazareta" iny. Tsy maintsy hiraina vao mifoha tao Andranomadio tao :wink:
11. soanja ( 10/03/2009 10:41)
fahamarinana:

:arrow: humm ! isan'ny ilay hira fihiraina teny ambony tamboho sy teny amoron-dranomasina miaraka amin'ny glita fahiny tokoa zany !!! nitamberina ny fahatsiarovana,ela hany zany !!!..
merci soanja sady tsy tsaroako tsony ny tonony rehetra. :-* (l)

Sambatra indry mba afaka nihira sy ny nivazo ireo hira ireo na dia tsy tao Iarivo aza. Tadidiko ny nahita andry Mahaleo voalohany, asa na 15 taona angamba aho fa tena zany ka nidanaka, ny tanora amin'io tsy hitandry zareo mihisty ny asiany ny tenany. Tao amin'ny Gymnazy tao Diego io an. Hipoka ny ilay toerana sady tamin'izany ny mpijery efa maharaka hira daholo. De gaga ilay kely tiaraha hoe fa taiza aho no nipoitra no tsy arako ny fikorian'izany kolontsaina feno hetsika sy fanantenana izany.

Tsy misy fisaorana aky Faha o!

:-* (l)
12. soanja ( 10/03/2009 10:45)
RATOVOARY:

Ny ahy ndray ry zokinay mihira ny hiran'i Mahaleo sy ry Lolo sy n tariny miaraka @ gitara sy ny flûte no tonga de tsaroako rah vao Lolo sy Mahaleo no resahina ( tamin'izany ry zareo nanao S.N de manao andiany mankao antranonay fa fety be mitsy) , taty aoriana mba nihira ny hiran-dry zareo ihany fa tsy dia hay ny tonony (ny accord-ny gitara koa sarotra )de tsy naharoboka loatra fa efa lasan-dry Tsiakoraka sy ry Rebika ny feeling. Fa hafa ihany aloha le hira malagasy e! sady ny hira taloha tsy manaonao foana zany raha tononkira fa mipetrapetraka tsara.

Ry Ifanihy, Tsiakoraka sy ry Rebika koa aloha dia samy manana ny mahaizy azy avy sady mahavelombolo avokoa rehefa hihaino azy. Ny Mpihira tena ankafiziko tanteraka raha samy avy ao ampovoan-tany ka ny taloha tsy tontan'ny ela dia ny tarika LEVELO! Aia aiieee Kanto dia tena kanto tokoa! Misaotra nizara!

:-* :-* :-* :-*
13. soanja ( 10/03/2009 10:48)
Samoana:

[quote=ikaretsaka]
ary samoina hatrany bira nefa ry lolo no revesana

Hira fanevanay SN Bira 82 ilay "dimbaka avy an Nazareta" iny. Tsy maintsy hiraina vao mifoha tao Andranomadio tao :wink:
[/quote]

Ny anay indray tamin'ny SN dia le hoe " Niainga vao maraina be ..... " tsy tadidiko intsony ny tohiny. Asa na ahoana tokoa ny tonon'iny?

14. fahamarinana ( 10/03/2009 11:04)
:arrow: soanja : Angamba akia ilay izaho nipetraka tany toamasina ihany koa no nahafahako nanao izay fa raha tao tana mety ho hafa tanteraka ny nitranga.
Ny tena tsaroako,asa taona firy mba nijery izany concert ny Mahaleo zany tao amin'ny Palais des jeunes (toamasina )fa filaharana lava be...Isan'ny ankafiziko be ilay hira hoe "isekely" iny sady lasa sioka fampiasan'ny troupe tamin'izany koa.Nandeha ilay hira dia i Faha no nivazavaza be hoe "isekely ihany e ".
Menatra be ny ampitso tonga tany am-pianarana fa nanalan'ny olona rehetra,za nihevitra fa tao antin'ny aizina tanteraka ka tsy nisy mpahalala... :oops: .
Samoana :niarakaraka tamin'ny lolo koa ry tsialonina ,mbola nisy any Hanitra sy i Manana mbola tao anatiny LSNT tamin'izany fa tsy nisaraka.Ery Ambohimanoro ambony ery no fahitana andry zalahy tamin'izany..hummmm efa ela zany an,na za aza mbola kely fa tadidiko tsara.
soanja:
Ny anay indray tamin'ny SN dia le hoe " Niainga vao maraina be ..... " tsy tadidiko intsony ny tohiny. Asa na ahoana tokoa ny tonon'iny?

:arrow: Tsaroako koa,tamin'izany za tany fianara....hummm!
" Niainga vao maraina be
Ho any andakira ,hihira
Hanao dia rodobe ..."
hatreo ihany no mbola tsaroako fa mila manao formatage-na memoire kely ! (l)
15. soanja ( 10/03/2009 11:12)

Mampitovitovy ihany isika sy indry . Ny hira nankafiziko tamin'izany tamle vao nahita an'i Mahaleo dia Ry Bozy o!!!! sy ilay resaka taxi brousse iny.

:D :D

Misaotra indrindra nanome ilay tononkira ny SN. Mampatsiahy ny ela tokoa. :-* :-* :-* (l)
16. ikaretsaka ( 10/03/2009 16:39)
ny ahy ny tadidiko le t@ mbola 5 na 6 taona angamba t@ izany dia entin-dry rabainina mitaingina soavaly tany @ parc de l'Est tany Bira .. ry Dama sns.. teny no manao repet..
LSNT aho tena tsary tany mihitsy.. raha tsy efa tany Tana
nony lehibebe nanomboka nitaingina tamboho sy nandray gitara niaraka t@ ndry dadafaranay de le nipetraka tany Tana de miaraka mitendry @ ndry zalahy mpiara mipetraka de mody tany Bira isaky ny week end dia ny atsy mirevy MHL de ny tarokatra nirevy LSNT dia lasa naka 2
fa ny fianarana ba gasy na levelo sy Tselonina koa tsy laitra mihitsy an... ny fianarana ilay "nahazo repos iny aoka fotsiny!
17. ni81 ( 10/03/2009 16:43)
aleo ary henoina mihitsy aloha i bonbon gasy e
http://www.dailymotion.com/search/bonbon+gasy/video/x3ke0w_bonbon-gasy_music
:lol: :lol:
18. soanja ( 11/03/2009 00:14)
ni81:

aleo ary henoina mihitsy aloha i bonbon gasy e
http://www.dailymotion.com/search/bonbon+gasy/video/x3ke0w_bonbon-gasy_music
:lol: :lol:

Misaotra Ni81 nizara. Aleo any an-trano aho vao mihaino azy sao mitsoka matanjaka eto ny manodidina hoe teny inona izany??? Bonbo kosa ve moa tsy ho hainy hoe le raha mamy maditidity ireny!

:-* :-* :-*
19. fahamarinana ( 11/03/2009 04:53)
:arrow: ni81 tsy foiko : hi!hi! iny izy fa niala any !merci akia a! fahatsiarovana marina sisa o !zara aza moa misy an'izay !!
soanja : :-D :-D karaha hitako ! (l)
20. soanja ( 11/03/2009 13:38)
fahamarinana:

:arrow: ni81 tsy foiko : hi!hi! iny izy fa niala any !merci akia a! fahatsiarovana marina sisa o !zara aza moa misy an'izay !!
soanja : :-D :-D karaha hitako ! (l)

Ry zareo mihevitra ahy ho Mexicanina foana mantsy. De rehefa mandeha ilay teny hafahafa dia misokatra be ny maso no manongilana be ny sofina. Dia mihomehy aho satria mba miana-javatra indray aloha zany izy iny andro iny.

:-D :-D :-* :-* :-* :-* (l)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3522