Bonbo Gasy- Hazavao hoe ny dikan'io hira io?
21. bilakarenjy
(
12/03/2009 14:08)
Mahafinaritra fa mirevy LSNT ianao .Ireo no tarika akafiziko voalohany ankoatran'i Mahaleo sy ny sisa .
Manana tononkira mifono zava-dalina zany ry zalahy fa tsy le mana-be moral ireny .Tena hiverimberenana le hira vao manomboka miditra sy azo le tiany hampitaina .
Aleo ianao omeko ny http://www.lolosynytariny.com/ mba handinihanao azy tsara aloha .
De mankafiza sy maka tsirony e!

22. soanja
(
12/03/2009 14:24)
bilakarenjy:
Mahafinaritra fa mirevy LSNT ianao .Ireo no tarika akafiziko voalohany ankoatran'i Mahaleo sy ny sisa .
Manana tononkira mifono zava-dalina zany ry zalahy fa tsy le mana-be moral ireny .Tena hiverimberenana le hira vao manomboka miditra sy azo le tiany hampitaina .
Aleo ianao omeko ny http://www.lolosynytariny.com/ mba handinihanao azy tsara aloha .
De mankafiza sy maka tsirony e!
Misaotra indrindra Bila. Ary zah tsy nahalala hoe i Erick Manana koa isan'ny tarika Mahaleo. Mahay mihira ry zareo ka sady mampandefa fisainana ny hirany no milaza ny mahaGasy.
:-* :-* :-* (l) (l) (l)
23. ravonjison
(
12/03/2009 15:44)
Soanja : misaotra ireo namana etsy ambony nanazava.
Izaho dia nitombo tanteraka tao anatin\' ny fotoana nampalaza io hira io, tao afovoantany. Ny tsikaritro anefa dia arakaraky ny taonako no nahazoako izay voalazan¨ilay hira. Oh: fony mbola classe de T5 aho dia ilay bombon foana no ao antsaiko, rehefa classe de 3 eme aho dia ilay fitiavana indray no nifantoka tao antsaiko ( efa hitako fa misy porofom-pitiavana ao ), rehefa teny @ université aho dia tsapako fa mety mbola misy hevitra miafina ao antin\' io hira io. Ny tiako ho lazaina dia izao : ankoatr \' ireo fanazavana ara-bakiteny voalazan\' ny namana etsy ambony dia mbola mety misy hevitra lehibe miafiana ao, toy ny hiran¨i MAHALEO, SARERAKA na LEVELO.Omeko ohatra ianao.Misy hiran\' i Levelo itý :
..tapatapaka moza , nanaovana fefy hiaro tanána.....
...vero kely hitoeram-pody , milefotra ambany tsy folaka akory...
Ka tsy fantatro ny tian\' i Levelo lazaina , mety hoe :
- vero kely = vahoaka malagasy
- fody = olona mpanao politika, na mpitsentsitra
- milefotra ambany tsy folaka akory = mody mangina nefa tsy resy akory
, izany hoe misy olona mitsentsitra ny vahoaka malagasy, ny vahoaka malagasy anefa na mody somary mangina aza, tsy maty akory na very tanteraka.
Ohatra io, ka i Levelo ihany no mety hahalala izay voarakitra ao, na prof de malagasy no afaka hamelabelatra aminao ny voalazan\' io hira io.
Noho izany , mino aho fa mety mbola misy dikany hafa io hira io.Isika malagasy mantsy dia malaza fa rehefa maneo hevitra isika dia fampiharana no ampiasaintsika, ka matetika ny hevitra ara-bakiteny tsy voatery mifanaraka @ votoatiny ( toetra mampiavaka antsika malagasy izany)
Izaho dia afaka mieritreritra sy mamorona ny tian\' ilay hira ho lazaina, kanefa mety zavatra hafa mihitsy no tian\' ilay mpamorona azy ho ambara.
Izay ilay famelabelaran-kevitra natahoran\' ny sasany t@ heure de malagasy tany ampianarana e.

24. ari.malala
(
13/03/2009 07:47)
famelabelaran-kevitra isan'ny natahorako tokoa satria ts d mahay maneho hevitra loatra moa ny tena marina kamo hanakatra ny hevitra ambadika tian'ilay tononkira na tononkalo ambara.
Fa raha iverenana ny fitiavana ny tarika dia marina fa samy manana ny hanitra hoazy ireo tarika tanisainareo rehetra ireo, fa ny tena ankafiziko manokana d Mahaleo, zay vao Lolo :)

25. bilakarenjy
(
20/03/2009 07:24)
Za tia ny tarika Mahaleo mihitsy sady nankafia azy tokoa saingy nony namoaka ilay hira Tablier manga ry LSNT de tonga de maty be za . Nidoboka tao aorinan\'ny LSNT ny fitiavako an\'i Mahaleo .
Rehefa le mirevy gitara iny anefa za de tena mampirevy ny hiran-dry zalahy rehetra ireo ,

26. ikaretsaka
(
20/03/2009 15:52)
le izy koa arakaraky ny filinina e.... na samy mahaleo sy lolo aza de arakarak'ilay hira koa raha resaka tendry gitara io
samy manana hira tsotra ry zalahy dia misy koa ny sarotra be na tonony na feony
ohatra hoe avy manao ilay aza tsahoan'ialahy iny ohatra no mivadika razazavavy na ferapara dia misy fotoana misambodika kely aloha ny tanana :-D

27. samue11
(
26/03/2009 15:52)
zany bobon gasy zany letsy mamparary nify an fa mba ovay hafa ohatra hoe hira RNB atao fa foko ho anao na hafa de tiako ny mamaly azyjavascript:emoticon(':D')
Very Happy :x :oops: sangisangiko io fa ny teny tonga eo hoe tsy azo soloina fa ny dinika antsika no tohizo .Ny tena marina dia tsy tia hira ny lolo sy mahaleo za fa rnb ny ahyn no tiako

28. Ratoa
(
28/08/2009 15:54)
Eny iky!
Tantara (histoire) tokoa ho anareo izay novakiako teny teto tokoa ny voalazan-dry Mahaleo, Lolo ets....Aminay indray dia zavaniainana ary tao ariana kelin\'ny fotoana nanaovanay Bac ... Ontsa ery ny fo tami\'izany satria ireo hiran\'i Mahaleo voalohany, izay mbola mpianatra teny @ université tamin\'izany, dia mitantara ny tolona sy fahoriana nianjady tamin\'ny vahoaka malagasy indrindra nanomboka tamin\'ny 1972. Izahay koa tamin\'izany mpianatra tao Lyon. Teny mifono zava-dalina izay tsy nolazaina mivantana daholo no nampiasainy satria mafy dia mafy ny fanenjehana sy ny \"arbitraire\" mianjady amin\'ireo mpanohitra. Fanoherana izany ny hiran\'i Mahaleo ary \"critique sociale sy politique\" ny ankamaroany.
Fa ny ankabetsahan\'ny mpanao zava kanto malagasy dia mandika an-kira na mampiasa ny hira anoherana ny fitondrana jadona. Satria raha atao an-kira ny fanoerana dia misary ho vazivazy anefa manandanja be koa eo amin\'ny mpihaino izay afaka miara mientana amin\'ny mpamorana ka amaly hoe: \"hira ihany izany\" raha misy ny fanenjehana ....
Eny ary ka mba henoy ny vakoka niely nanodidina ny 1947, ny 1958- 1960. Ny hiran\'i Barijaona: ilay \"vorona ô , mba ivilio ilay ankaniko any\" dia tsy hira sentimental fotsiny, malahelo ireo havan-tsy hita, fa mitomany ireo mahery fo sy ny mpanjaka nasesy tany...Aoka aloha ijanona eto.

29. soanja
(
28/08/2009 22:41)
Enga anie mba hisy hira hivoaka koa ho feon'i vahoaka avy amin'ny gtt sy ny tgv sns izay matanjaka amin'izao. Tsy andriko ery ny hahaino izany saingy maniry aho raha tsy avy amin'ny feon'ny Rossy no hiventso azy. Asa anefa tsy misy mangidy tsy andramana.... Aia anao Rasareraka e!!!! Manigna anao agnay!
30. ni81
(
29/08/2009 06:15)
Enga anie mba hisy hira hivoaka koa ho feon'i vahoaka avy amin'ny gtt sy ny tgv sns izay matanjaka amin'izao. Tsy andriko ery ny hahaino izany saingy maniry aho raha tsy avy amin'ny feon'ny Rossy no hiventso azy. Asa anefa tsy misy mangidy tsy andramana.... Aia anao Rasareraka e!!!! Manigna anao agnay!fa maninona ny feon'i Rossy? :lol:
31. soanja
(
01/09/2009 00:53)
ni81:

Tiako ny hiranys aingy namalan-kira izy tao ho ato izay!!!
:lol: :lol: :lol: