refa mampinono ve normal misy mamatovato

1. xxx ( 28/02/2009 14:20)
za mba saika hanontany hoe ,hianareo zay efa nampinono ve t@ nampinono nisy mamatovato eo ambanimbany ny elika ; de mety ho afaka ho azy ve refa tsy mampinono tsony; 6mois zao ny zanako ; de 2mois teo no nahitako io;
novalian'i arialy ny 12/03/2009 08:27
2. xxx ( 28/02/2009 14:49)
rehefa miakatra na mitohaka be ny nono de misy mivonto eo ambany elika , omeo nono matetika ny zaza na refa be lotra ny nononao de asaivo nonon'ny vadinao , de afaka io
3. sipagasy ( 01/03/2009 09:01)
euuhh sao kosa dia ganglion izany mivonto² izany fa manantona dokotera haingana, izaho mantsy efa tratra talooooha e!!! fa tonga dia nomena fanafody dia tsy azo nomena zaza ny nono, fa sintomina à tire-lait dia ariana avy eo.
Tsaboy aloha e!! sao hanahirana anao eo!
4. Rafahafahana ( 02/03/2009 09:24)
Makà torohevitra @ mpitsabo fa saro-pady ny nono.
5. xxx ( 02/03/2009 12:51)
efa nandeha dokotera fa hoe enao mbola mampinono fa aleo refa tsy mampinono tsony efa nanao echo fa tsisy n'inona n'inona
6. belakely ( 03/03/2009 01:36)
dia vita izany kabary koa inona indray?
Tamin'izaho nampinono aloha tsy nisy namatovato izany e!
7. xxx ( 06/03/2009 12:29)
Mitranga matetika ireny rehefa mampinono. Ronono izy ireny matetika, izay no tsy nampisy inoninona ny écho.

Tsara ho fantatra koa fa raha misy mivonto amin'ny nono ka marary na sensible, dia tsy cancer izy izay.
8. arialy ( 12/03/2009 08:27)
refa misy mamatovato otry ny reny araka ny teniny namana etsy ambony de ronono , azo atao koa ny manala ireny am rano mafana , jet d'eau chaude zany, tondrahana lay faritra de poretina ny nono de mivoaka, andramo ra mety fa nety tamiko alony e .
de mazotoa mapnono fa soa hoan'i zzkl io e :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.181