Raha hofaty ianao tsy ho ela.....

1. soanja ( 23/02/2009 01:06)
Inona avy ny tianao atao alohan'ny hitrangan'izany??? Nofinofy?? sy ny hafa maro? Izy Atra nilaza taminao fa tsy handeha ianao hiala eto antany ny vola anananao tokoa amin'io?
novalian'i belakely ny 03/03/2009 01:33
2. ikaretsaka ( 23/02/2009 01:48)
soanja.. mampatsiaro ahy ny nosoratako tary @ blaogy fahiny( t@ izao le nanao chemio be ireny) izy ity


Nobody seems to be grappling with the problem of: Is there a life before death? Yet my experience is that it's precisely the ones who don't know what to do with this life who are all hot and bothered about what they are going to do with another life. One sign that you're awakened is that you don't give a damn about what's going to happen in the next life. You're not bothered about it; you don't care. You are not interested, period.



Do you know what eternal life is? You think it's everlasting life. But your own theologians will tell you that that is crazy, because everlasting is still within time. It is time perduring forever. Eternal means timeless-- no time.

The human mind cannot understand that. The human mind can understand time and can deny time. What is timeless is beyond our comprehension. Yet the mystics tell us that eternity is right now.

How's that for good news? It is right now. People are so distressed when I tell them to forget their past. They're crazy! Just drop it! When you hear "Repent for your past," realize it's a great religious distraction from waking up. Wake up! That's what repent means. Not "weep for your sins.": Wake up! understand, stop all the crying. Understand! Wake up!
3. soanja ( 23/02/2009 04:10)
Any Ika> Fa angaha najanonao ny Blogy mahafinaritra?

Misaotra indrindra nizara izay tao an-tsainao sy tao am-ponao. Ontsa tokoa aho mamaky azy. Tahian'Andriamanitra anie ianao!

Ny tena tiako havoitra amin'ity indray mitoraka ity dia tsy ilay any ankoatra fa ny fotoana sisa tavela tiana asiana lanja. Inona no ataontsika raha fantantsika izany? Raha toa ka ananantsika ohatra ny vola, ny fahasalamana sns... Ndeha hoteneniko ohatra hoe hitan'ny mpahalala ny resaka lanitra sy ny siansa fa hifandona ny planeta tany asa na asteroid goavana iray. Mety hifarana ny andro ohatra dia inona no tianao atao alohan'io???Efa fantatra mialoha ilay andro sy ny ora ary ny segondra? Na hoe tsy maintsy handeha hanao ilay Kamikazy ianao satria io no safidinao ho an'ny firenana, ndeha tsy eritreretina hoe nogiazana ianao hanao izany??? inona no tianao atao alohan'io?? Na hoe hanao Jihady goavana be aho ka hanolotra ny aiko ho an'ilay Nahary sy ny momba azy??

Inona no faraparany???
4. xxx ( 23/02/2009 05:18)
Mibebaka de mivavaka fa zava-poana ny vola sy ny harena fa ny fiadanam-po no tadiaviko dieny ety an-tany!
5. sipagasy ( 23/02/2009 09:11)
mmhhh hafa kely ny fanontaniana ra Soanja, fa ho ezahiko valiako @ izay hitiavako azy, sy izay tiako hatao tokoa mandritry ny andro vitsy -1semaines sisa hiainako, Raha efa tendrena ho ahy aza ny daty 1 natokana hialako aina, dia ireto no ezahiko hatao aloha, misaotra ny nahitako masoandro, raha mbola velona eo ry zareo, ny mpiray tampo amiko, ny havako, akaiky ahy eo, raha omena andro maro² aho ohatra hoe amam-bolana mialoha dia haiko ilay andro farany, dia afaka mba miomana mamela ny mamy @ mpiara-belona aho, raha tsy izany, dia ny akaiky ahy no ezahiko amelana ny mamy rehetra tamiko, amelako toro-marika ihany koa izy ireo ohatra mba tsy handeha ny lalan-dratsy nodiaviko, fa omeko karazana 'guide' de la vie izy mba niainako ka hitako fa mety hahasoa azy ireo.

izay e!!! :-* (l) :-* foona
6. simplex ( 23/02/2009 10:06)

hihi
za efa manana lisitry ny zavatra tsy maintsy hataoko/vitako/hitako alohan'ny 30 taona, 60 taona ary alohan'ny hafatesana (@ antitra io)... mbola tsy mikatona ny lisitra :P

fa ra ilay hoe maty any @ fahanterako aho dia ny tena tiako hatao indrindra rehefa retirety dia ny TDM (tour du monde fa sao dia misy lava fisainana eo ndray an :-P)

Ultimately, ny faniriako dia ny hahita hoe lasa firenana mandroso i Dago... tsy mena mitaha @ any ivelany :P

Zany hoe mety sarotsarotra ihany moa izay sady tsy hay izay fotoana ialana ety... En tt cas, ny tena tsy maintsy atao imperativement alohan'ny hafatesana na anio na rampitso na @ elabe aloha dia ny miteraka ee. Enfin, manamboatra ny tena marina... satria faniriana no antsika fa A/tra no tompon'ny teny farany :)

;-)
7. mmmhh ( 23/02/2009 12:29)
mitovitovy @ sipagasy ny ahy,
ah fantattro hoe @ iry za no ho faty, de andehanako daholo izay heveriko fa manana na ananako alahelo, fa hifamela heloka izahay,
De manao soa olona maro @ ze kely ananako, mizara fitiavana (fitiavana madio an... sao de .....)...
De mibebaka e,

Fa maninona tokoa moa no manakana ny tsy hanaovako an'zany e, hiandry daty tsy ho fantatro izany? iza no mahalala na ho faty zah reefa avy eo? na eny an-dalana mande mody (domin'ny tomobil?) na rapitso?

Misaotra soanja nampandinin-tena. :-* (l)
8. anjaro ( 23/02/2009 12:55)
Aleo dieny zao dia efa miomana kah.....
9. Mirananirina ( 23/02/2009 15:56)
Raha ho faty ihany tsy aleo manao soa sy manampy ny hafa izay no hitako fa mety amiko .
10. ikaretsaka ( 23/02/2009 16:50)
ho anay aloha d'efa ao anaty examen de consciernce foana izany ry soanja.. ireny le voan'ny aretina hoe cancer sy andrasam-potsiny ireny ange efa izany ny fiainany e.. fa de arakarak'olona tokoa io fa ny ay manokana dia tsy de misy fanararaotana special izany na misy nenina special izany.. rehefa tonga ny fin de miakatra ny soratra de mihidy ny rideau hoy i Mark Twain izay!
11. Papoose ( 23/02/2009 22:14)
ahatsiarovako an'i le movie "bucket list" ty hvt ty
12. soanja ( 23/02/2009 23:36)
Misaotra antsika rehetra nandray anjara sy nizara ireo ventsoventso ao ampo.

Ny antony nanoratako an'ity dia nisy izay namanay izay mantsy somary efa antitra ihany nefa tsy tena antitra fa saingy nanana aretina dia nanapakevitra izy mianakavy fa halefa hody any amin'ny Ray izy. Tsy nahalala izany anefa izahay fa raha namangy azy dia toy ny isanandro ihany izy. Nony hoe ny ampitso no anaovana ilay zavatra dia nantsoiny tamin'ny tel tsiraidray izahay rehetra olona nifanerasea sy nifandray ampo sy akaiky taminy dia niresaka tsotra izy . Tamin'ny anjarako dia hoy izy hoe "Soanja, mahavariana ahy ny rehetra momba anao. Misaotra anao ninamana tamiko sy nanome ny fitiavanao tsy nisalasala na dia tsy tena fantatrao aza izahay tamin'ireny fotoana ireny. Sambatra aho fa nahalala anao." Nony ampitso dia nantsoina daholo izahay hoe lasa izy ary efa voaomana izany fotoana izany ka tsy tokony hisy halahelo sy hitomany ny momba azy loatra. Ontsa ny foko! Raha mba fantatro mantsy!!!! Faly anefa aho fa nandalo teo amin'ny fiainako izy.

Misy ity hira ity no ahatsarovako ireo nandao ary nametraka tombokase tamin'ny fiainako tamin'ny fandalovany teto an-tany.
http://www.google.com/search?hl=en&q=living+year+lyrics&aq=0&oq=Living+year+

Tamin'izay fotoana izay no nahatsapako fa tsy hiandry fotoana fantatra ny tenako hoe oviana no handeha toa azy fa ny isanandro dia ezahako hanolorana ny mamy sy ny soa ary fitiavana ho an'ny hafa. Izay azo apetraka ho lovasoa maharitra dia zay no tanjoko indrindra.

Fa raha mbola omen'Atra tombonandro kosa aho ny faniriako alohan'y hialako eto an-tany ka fantatro ny fotoana dia ny hianika ity tendrombohitra ity no tiako atao miaraka amin'ny vady aman-janako dia vonona aho hiala eto an-tany.
http://en.wikipedia.org/wiki/Mount_Everest ka na dia hanitsaka ny fanambaniny- ny tongony- ny fotony dia ho faly tanteraka ny foko.
13. fahamarinana ( 24/02/2009 11:27)
:arrow: soanja : maha-ontsa be ilay tantara nolazainjy...Mafy tokoa zany an !
Za manokana tena mbola tsy mana-kambara raha ny mety ho ataoko satria toa maro be ka na omena 20 andro aza toa tsy ho ampy...fa iombonako hvtr tanteraka io voalazan'ny soanja io:
soanja:
ezahako hanolorana ny mamy sy ny soa ary fitiavana ho an'ny hafa. Izay azo apetraka ho lovasoa maharitra dia zay no tanjoko indrindra.

eny na dia ezaka isan'andro aza no hanatanterahana an'izay...ny tena moa olombelona ihany miaraka amin'ny faiblesses isan-karazany mamehy ny tena . :? (l)
14. niryna ( 24/02/2009 14:37)
xxx:

Mibebaka de mivavaka fa zava-poana ny vola sy ny harena fa ny fiadanam-po no tadiaviko dieny ety an-tany!

marina izany ry xxx a misaotra anao nizara izany sy nampahatsiahy anay koa

Efa noresahiko tao amin'ny fivavahana ity ka dia zaraiko izay mba kely fantatro

...dia mizara ny tenin'Atra ho an'ireo izay mbola tsy nandray an'i kristy tao am-pony.Tena zava-poana tokoa izao rehetra izao raha tsy manana an' i kristy isika satria fandalovana ity tany ity ka ny fanahin'olona no tian'Atra ho vonjetsika voalohany indrindra(isika no mamafy ny voa ,ny hafa no manondraka ary Atra no mampiroborobo raha manaiky andray ny Zanany isika sy mino Azy) .. ary dia mifona sy mangataka famelan-keloka ireny olona nanao ratsy na nanaovan-tsika ratsy ireny satria tsy mamela antsika Andriamanitra raha tsy mamela ny tenantsika isika aloha ary mangataka famelan-keloka sy mamela heloka ireny nanao ratsy tamintsika ireny

MIfona koa mba anana fo madio amin'izay ka hitodi-doha amin'Atra ,ametraka ny fiainana eo am-pelantanany ary iverin=dalana hiala amin'ny ota rehetra ,ny toetra izay mendrika tadiaviny ,tsy mora fa raha mino azy sy manaiky azy anova ilay toertra dia tsy misy sarotra amin'Atra izany , ireo izay noferany tsy ataontsika,isika ihany dia mahafantatra izany .
Dia mampiseho ilay jiro izay fahazavana manazava ireo mbola maizina ,mbola tsy manana ilay jiro ka ny toetra ,ny fiteny,ny finoana azy eny fa na ny fanoratra sy ny fihetsika ary ny fitafy aza dia ahitana taratra fa tena zanak'Atra tokoa isika ary dia mitia ireny olona mbola tsy manana an'Atra ireny ary manasa azy ireny mba ho tonga zanak'Atra ,tsy mora fa rehefa mino dia omeny ny teniNy koa

Dia averimberina ny fanontaniana hoe mahafaly an'Atra ve izao fianana ataoko izao,manome voninahitra azy ve aho sa manao izay mampalahelo azy,mitondra ahy ho any amin'ny fiainana mandrakizay ve ny fiainana izay hianako sa manohitra ny teniNy ?

Ankehitriny raha toa aho ka antsoiny amin'izao fotoana itenenako izao aho ,nomeny fahendrena aho izara ny tenin'ATra koa moa ve aho nizara ,nandray sa nanohitra izany teniny izany ?

Dia mifona raha mbola tsy nahatanteraka izany isika fa na dia minitra fohy alohan'ny hialana eto fotsiny aza ka manaiky azy ho tompo sy mpamonjy dia ho vonjeny isika rehefa mibebaka ka mangataka famelankeloka aminy ary dia ho sasany ny fahotantsika rehetra ary dioviny toy ny oram-panala ary tsy ho tadidiny intsony fa dia mairaka aminy ho mandrakizay isika(io no fiainana faharoa fa izao fiainana izao dia tete-za mita fotsiny)
vita tompoko


(l) niryna
15. ikaretsaka ( 24/02/2009 17:09)
ny atao hoe mibebaka?
When you hear "Repent for your past," realize it's a great religious distraction from waking up. Wake up! That's what repent means. Not "weep for your sins.": Wake up! understand, stop all the crying. Understand! Wake up!

16. sitlo ( 24/02/2009 17:35)
Raha maty aho matesa rahavako ...
17. soanja ( 25/02/2009 02:00)
sitlo:

Raha maty aho matesa rahavako ...


Fakafakao anie io fehezan-teny io, azafady.

Ilay rahavako io ve izany ilay hoe rahavako= malala sa hoe ny rahavako= longoko aby?


:lol: :lol: :lol:
18. ikaretsaka ( 25/02/2009 04:25)
matesa ze olom-patako aby :°)
19. fahamarinana ( 25/02/2009 04:40)
:arrow: ary sitlo sy ika nama tsary mamelyyyyyy !!! Ho faty mbakany havana sy olo-pantara ve , :( (l)
20. ikaretsaka ( 25/02/2009 05:57)
ohabolana malagasy aza izany ko... raha maty aho matesa rahavako, raha maty rahavana matesa ny omby matavy! :°)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1971