Aleo tsy mihaino feon-dakolosy tokana!.....

1. lemenakely ( 21/02/2009 16:30)
Nivoaka t@ fahanginana ny mpomba ny fitondràna anakiray , tsy ho lazaiko ny anarany fa dia aleo ho henoina aloha ny lazainy

http://www.tvmada.net/webreportages/TIM_Raharinaivo_21022009.html

2. Noue ( 21/02/2009 17:09)
tsy misokatra re eee ! ahoana no hihainona an'io ???
3. lemenakely ( 21/02/2009 17:11)
Noue:

tsy misokatra re eee ! ahoana no hihainona an'io ???



mila realplayer ilay izy

téléchargéo raha tsy misy sinon sao dia tsy misy source sonore (casque na haut parleur )
4. xxx ( 21/02/2009 17:22)
Tena mazava ny fanambarany fa ny fanjakana dia nahita ary nahatsapa fa ny fiantombohan'ny grevy dia ny fitakian'ny ol ny fanamorana ny fiainana , ny fanofana ny tany dewoo , ka tena nahavory ol maro tokoa izany , ka dia vonona tanteraka izany izy hamaha ny olana , fa ry TGV dia ny hanala ny fitondrana izay nefa dia tsy heken'ny fitondrampanjakana na oviana2 ka ho hita eo izay nifanarahana androany na inona ndray no notakian'ny TGVendrana fa izay manana de mba mandefasa e!
5. litika ( 21/02/2009 18:01)
Hay ve ilay nivoaka ny fahanginanana ilay AREMA nivadika palitao ê! Noheveriko mba olom-baovao.
Tamin'ny fifidianana depiote tao amin'ny faritra misy azy aza, niady izy samy TIM, naleon,ilay iray nandefitra niova indépendant.

SEZA, SEZA, SEZA !!!!!
6. lemenakely ( 21/02/2009 18:11)
litika:

Hay ve ilay nivoaka ny fahanginanana ilay AREMA nivadika palitao ê! Noheveriko mba olom-baovao.
Tamin'ny fifidianana depiote tao amin'ny faritra misy azy aza, niady izy samy TIM, naleon,ilay iray nandefitra niova indépendant.

SEZA, SEZA, SEZA !!!!!



Eny e atao akory moa fa izay no pollitika eto MADAGASIKARA nefa eketsika mianakavy ?

Rahoviana ka rahoviana ingahy CLINTON no lasa ho republicain tampoka rehefa misy zavatra tsy ifankazahoana , na koa ingahy SARKO lasa gauche tampoka :?:
7. ifiona ( 21/02/2009 19:40)
tena tsisy realplayer ato leaza a! AREMA nivadika TIM oe? sa inn tsy azoko! sao d mba misy transcript de video ho an'ireo zay tsy manana realplayer oo
8. patrick2002 ( 21/02/2009 20:13)
Rahoviana ka rahoviana ingahy CLINTON no lasa ho republicain tampoka rehefa misy zavatra tsy ifankazahoana , na koa ingahy SARKO lasa gauche tampoka

Ka io ra lemenakely ,rehefa tsy misy rafitra mifehy ny fahefany iray dia tsy maintsy izay no izy ah! ,Clinton tsy hivadika Republicain mihintsy satria manana ny liberte tsara izy mijanona democrate ,fa raha io no hatao hoe raha mbola mijanona democrate ialahy dia ho gadrainay fa havoakanay ny afera Lewinsky ohatra ,miteny anao izaho fa mivadika io ,
Izay no hataoko hoe hesory teo Ravalo fa tsy manaja ny liberte ny olom-pirenena ,ny operateur tsy mahazo mitady izay lalam-barotra efa nataony ary mbola hataony, ny mpanao politika tsy mahazo mamoaka hevitra tsy mifanaraka @ heviny. Nefa dia zo fototra izany
9. lemenakely ( 21/02/2009 21:31)
Mba jereo fotsiny ao @ Nosy Maurice e , mba nosy eto @ océan indien fa mba mazava ihany ny andry zareo ny atao hoe règle du jeu !

Ka ny antsika tokony jerena io regle du jeu io.

Ny mahagaga anie mba misy olona ihany eto mba misaina , raisiko ohatra Atoa Pascal Rakotomavo , izy dia Arema ary tsy mba namadika palitao , rehefa voky izy dia nipetraka tsara !..
10. xxx ( 21/02/2009 23:08)
mazava lé izy é!raha mitaky zavatra iray enao ninoninona io na mikasika fiainam-bahoaka,na antoko-politika,na olo-tokana na fikambanana na misy zavatra tsy mety ataony mpitondra d tokony zay no takina fa tsy havadika any fanonganam-panjakana, ho any mpanohitra d hita mihitsy lé fisainana te haka ny fahefana! ka zara aza misy zavatra kely mitsanga hanararaotany azy! tokony efa hiova zay fisainana zay!
11. diana ( 21/02/2009 23:30)
Madagascar a besoin d’une vraie révolution qui part maintenant du terrain, des besoins. Le pays dispose d’une classe d’intelligentsia. A part gueuler, je me demande, ces gens là travaillent pour quoi ? Est-ce que les intellectuels malgaches ont-ils travaillé pour autres choses à part leurs satisfactions personnelles et leurs besoins, c'est-à-dire leur fierté nationale ? Je pense que non, leur monde est restreint et ne dépasse pas la famille, les cercles d’amis et la profession.
Et donc la résolution doit se baser par un besoin d'assouvissement, de réalisation pour le pays quelque son domaine mais ce dont a besoin c'est une action individuelle menant à une synergie d'ensemble. Pour l'instant, ce besoin est inoui et même s'il y a ce n'est pas encore éminent.
Il faut juste qu'il soit orchestré par une structure bien établie et composée de ressources humaines connaissant théoriquement et pratiquement le terrain, les textes et les pratiques coutumières. Sûrement le parfait n’existe pas mais qu’on essaie de mettre en place une structure bien organisée.

Amzay tsy mivadika palitao amzao!
12. xxx ( 22/02/2009 00:34)
diana:

Madagascar a besoin d’une vraie révolution qui part maintenant du terrain, des besoins. Le pays dispose d’une classe d’intelligentsia. A part gueuler, je me demande, ces gens là travaillent pour quoi ? Est-ce que les intellectuels malgaches ont-ils travaillé pour autres choses à part leurs satisfactions personnelles et leurs besoins, c'est-à-dire leur fierté nationale ? Je pense que non, leur monde est restreint et ne dépasse pas la famille, les cercles d’amis et la profession.
Et donc la résolution doit se baser par un besoin d'assouvissement, de réalisation pour le pays quelque son domaine mais ce dont a besoin c'est une action individuelle menant à une synergie d'ensemble. Pour l'instant, ce besoin est inoui et même s'il y a ce n'est pas encore éminent.
Il faut juste qu'il soit orchestré par une structure bien établie et composée de ressources humaines connaissant théoriquement et pratiquement le terrain, les textes et les pratiques coutumières. Sûrement le parfait n’existe pas mais qu’on essaie de mettre en place une structure bien organisée.

Amzay tsy mivadika palitao amzao!

on est prêt pour les débilités de tout espèce ,
qui qu'ils soient quoi qu'ils soient et ou qu'ils soient ,chacun aura le sort qu'il mérite c'est la règle
13. ravonjison ( 22/02/2009 13:01)
@ izay aloha dia miombokevitra @ xxx aho, tsy ekeko mihitsy ilay fomba fisainana hoe: te-haka seza sy te hanongana fanjakana aho, dia ny fahantran' ny vahoaka no dradradradraiko, fanararaotana izany. Raha misy zavatra tsy mety ataon' i Ravalo dia asio ny porofo, ataovy ny critique, manomeza vahaolana, dia mirotsaha ho candidat, fa ny fanonganam-panjakana kosa dia laviko.
Ny somary mahagaga ahy kely dia izao : betsaka ny gasy no mbola meritreritra foana fa tsy fanonganam-panjakana io ataon' i Andry io ( somary jamba angamba izy ireo).
Ka raha ny zavatra toy io no eken' i gasy fa lalana tsara entina mamaha olana, dia ho avy hanongam-panjakana daholo izao jiolahim-boto rehetra izao any aoriana any, satria ny fahantran' ny gasy dia mbola haharitra ela.
Ka ilay fomba fisainana mihitsy e ( na ireo mpitady seza, na ireo mora ambakaina).
14. patrick2002 ( 22/02/2009 13:17)
@ izay aloha dia miombokevitra @ xxx aho, tsy ekeko mihitsy ilay fomba fisainana hoe: te-haka seza sy te hanongana fanjakana aho, dia ny fahantran' ny vahoaka no dradradradraiko, fanararaotana izany. Raha misy zavatra tsy mety ataon' i Ravalo dia asio ny porofo, ataovy ny critique, manomeza vahaolana, dia mirotsaha ho candidat, fa ny fanonganam-panjakana kosa dia laviko.

Tsy hoe olona mpanohana ny ara-dalana ny tena raha milaza fa ekena ny fanalana ny mpitondra @ ara-dalana raha ohatra ka tsy nampiarina ara-drariny ny fahefana eo am-pelatanany ,mbola mamerina aminao izaho fa tsy niala teo Ratsiraka raha tsy nikorontanina sahala amin'ireny ,mbola sahiko koa ny milaza fa tsy hiala teo Ravalo raha tsy korontanina ,porofo inona no homena anao efa hita fa tsy nohajaina ny safidiny vahoaka t@ fifidianana depute sy Maire farany teo ,fanerena ny olom-boafidy tsy miankina hiditra TIM, Ny fifidianana boeing tsy fantatra hoe vola avy aiza ,ny fanaovana raha matahora ny tompon''andraikitra isan-jokajiny .
Ary farany ny tsy mba fanajany izay rehetra mitondra eo ,izany hatao hoe fahamarinana @ fitantanana, sy ny fahamarinana @ fifidianana ,izay rehetra nitondra hatramin'ny AREMA, TIM, PSD.
Ohatra iray ity nangataka ny senateur AREMA mba atao bulletin unique ny fifidianana ,tsy nanaiky ny TIM ,fa sahiko ny milaza aminao fa ny TIM indray no hangataka anizay mpitondra eo atsy ho atsy hoe ataovy bulletin unique ny fifidianana dia tsy hanaiky indray izay mitondra eo ,dia tsy hisy olom-boafidy TIM intsony ao @ fitondrana ,dia ho eny @ 13 mai indray ny TIM .
Raha jerena anefa tena hita fa hahitana ny marina ilay bulletin unique fa ireo mpitondra tsy hiraharaha an'izany mihintsy.
15. ravonjison ( 22/02/2009 14:31)
Patrick2002 : alohan\' ny anohizako ny discussion dia manontany anao aho : fanonganam-panjakana ve io ataon\' i Andry ?
Manarak\'izany dia ianao ihany no nilaza fa raha tsy nikorontanina dia sy niala Ratsiraka, raha tsy korontana dia tsy hiala Ravalo, ..raha tsy korontana dia tsy hiala izay filoha manaraka eo. Ka izay mihitsy ilay efa nahiako fa hiverimberina eo, dia korontana foana izany no hataontsika fiakarana eo @ fitondrana , izay mihitsy no tsy mety, izay mihitsy no tokony esorina. Tokony esorina ao antsain\' ny pays africains fa tsy fanonganam-panjakana no tokony tokony ahazoana toerana, fa kosa fifidianana.
Asiako fanamarihana fa i Ratsiraka dia efa ela be no teo @ fitondrana ( mihoatra ny 8 taona, i Ravalo kosa ny mandat faharoany aza mbola tsy lany.
Amiko indroa ihany ny filoha no tokony hitondra, ny fanintelony dia efa tsy mety. Toy izany daholo ny an\' ny firenena mandroso rehetra.

Ny resaka bulletin unique dia izao no azoko lazaina : rehefa misy fifidianana dia samy manana ny strategie-ny ny tsirairay. Ka raha izay no hitan\' i TIM fa ahazoany olona dia nataony, rehefa eo @ fitondrana indray AREMA dia mety hanao izay koa izy, dia mandeha eny @ 13 Mai indray TIM, tsy mamapninona ahy izany, fa aza asiana ra mandriaka fotsiny e, aza asiana fanonganam-panjakana.
Betsaka ireo exemple nomenao, ho lava loatra raha ho valiako daholo izany , fa misy exemple iray itý mba tiako ho valiana : Avion Air force 1.
Avion Air Force 1 :
1- fananam-pirenena ve izy io sa an\' i filoha manokana ? Raha an\' i filoha izy io dia tsy voatery izy hilaza ny vidiny. Raha an\' i firenena izy io dia tokony ho lazainy ny depense rehetra mikasika izany ( vidiny , entretien sns...).
2- tena ilaina ve izy io sa resaka fisekosekoana fotsiny. Izay fanontaniana izay dia ny manam-pahaizana no tokony hamaly azy.
Izao dia mandeha ny feo sasany atý Eoropa hoe : ny pays africains hono toa tsy atokisana ny avion- ny satria tsy manambola ry zareo ka avion efa tsy tokony ampiasaina dia mbola ampiasaina foana, ary tsy ara-dalána koa ny fikarakarana ireo avion ampiasaina.
Sao dia mba izay no antony nividianana io avion io? Ny avion- tsika sasany mety efa tranainy.



16. patrick2002 ( 22/02/2009 20:14)
Patrick2002 : alohan' ny anohizako ny discussion dia manontany anao aho : fanonganam-panjakana ve io ataon' i Andry ?

ENY ,Fanonganam-panjakana io hataony Andry io ,Fanonganam-panjakana koa no nataony Ravalo t@ 2002 ,hiverenako ny tantara t@ 2002 ,rehefa nanisa ny TIM dia 48,3% ny azy no isany vatony ,vokatra ofisialy teny @ coupole Ampefiloha Ravalo 43,6% .Fantatry ny AREMA izany ka efa niomana ny 2 eme tour ry zareo ,nalaina ny vola tao @ Banque central ,hanaovana fifidianana ,fa dia hivonona ,@ rehetra eo ny fanomezana ny vola ny mpifidy @ andro Handatsahana vato ,ka omena 5000 Fmg izay olona mampiseho ny vatony Ravalo rehefa avy mivoaka ny birao ,ara-dalana tanteraka izany hoy ny AREMA ,nahita an'iny ry Ravalo dia nitarika olona teny @ 13 mai ,ary tsy te hanao fifidianana ,nalefa ny tsaho 52 % ny azonay ,1er TOUR DIA VITA, tsy nanaiky ny AREMA tsy maintsy misy ny 2 eme tour ,nalefa ny DAKAR 2 ,niteny Ratsiraka fa ,tsy maintsy misy 2 eme tour izay izy vao hanao sonia ,nanontaniana Ravalo tsy matahotra 2 eme tour izy fa kosa tsy ekeny ny HCC izay tamin'izany Ratsirakiste daholo 100% ,nangatahana Ratsiraka mba hanova ny HCC ka haverina ireo HCC taloha izay misy ny ekipany Ratsiraka ,Zafy ,ary Guy Willy Razanamasi, nanaiky Ratsiraka ,rehefa nandeha ny proclamation dia declarer Nandresy Ravalo 51% , tsy nety Ratsiraka teo no nisy anilay hoe nisy Accord secret fa tsy maintsy misy ny 2 eme tour , na ny Communaute international aza tsy ny reconnaitre an'i Ravalomanana t@ voalohany ,Io no antony .
Ny resaka bulletin unique dia izao no azoko lazaina : rehefa misy fifidianana dia samy manana ny strategie-ny ny tsirairay. Ka raha izay no hitan' i TIM fa ahazoany olona dia nataony, rehefa eo @ fitondrana indray AREMA dia mety hanao izay koa izy, dia mandeha eny @ 13 Mai indray TIM,

Ka eo indrindra anie ilay tsy hifanarahana ,izay mpitondra rehetra samy manao strategie nefa strategie tsy hisiany mangarahara fa hamotehana ny mpifanadrina ,tsy ekena izany,
ohatra izaho manana station TV ,ianao manana Entreprise de confection ,samy hilatsaka hofidiana isika sy ianao ,izaho mpitondra ,havoakako ny lalana hoe tsy mahazo manao tee-shirt misy ny sarina candidat , tsy handeha ho eny @ 13 mai ve ianao ?
Rehefa ianao indray ny mpitondra ,dia hamoaka lalana ianao @ fifidianana ,10 minitra isan'andro ihany no azo hiresahana fifidianana @ fotoanan'ny fampieleza-kevitra ,izaho nefa manana station TV ,mazava ho azy fa korontaniko ianao.
Izay ilay mahavoa ny tany afrikanina ,izay mpitondra manapatra ny fahefany ,@ fanaovana ny lalana hifanaraka @ tombotsoany ,dia tsy maintsy hisy foana ny fanonganana ,ka raha tsy ataonao ho an'i firenena ny lalana fa hataonao hamotehana ny afa na ho @ tombotsoanao dia tsy maintsy hikorontana foana izay mahatsiaro tene voatsindry.
17. xxx ( 22/02/2009 20:53)
2002 aloha raha tsy diso aho dia niteny kosa ny TIM hoe andao hanao confrontation ny procès verbal , izany hoe ampitoviana ny an ny coupole sy ny résultat TIM dia tsy nety i Deba , dia iny crise 2002 iny!
18. patrick2002 ( 23/02/2009 13:43)
xxx:

2002 aloha raha tsy diso aho dia niteny kosa ny TIM hoe andao hanao confrontation ny procès verbal , izany hoe ampitoviana ny an ny coupole sy ny résultat TIM dia tsy nety i Deba , dia iny crise 2002 iny!



Marina anie izany eh! fa tsy nahazo 50% i Ravalo t@ 1er tour ,raha dinihanao ny 2002 ,nangataka confrontation de PV ny TIM ,tsy nety ny deba satria tsy voasoratra ao @ lalam-pifidianana hoy izy ,rehefa nahazo olona ny tao @ 13 mai dia niteny ny TIM fa 1er tour dia vita satria nahazo 51% izy ,tsy marina izany hoy ny AREMA .
Ary naha ny KMF CNOE Tarihiny Madelaine Ramaholimihaso aza dia nilaza fa 45 % ny an'i Ravalo izay ny PV eo ampelatanany ry zareo ,nefa nanipika izy fa 85 % ny birao fandatsaham-bato ihany no nahazahoany PV izany hoe ny 15% ambiny dia misy mpifidy eo @ 20 000 eo ho eo ka naha mahazo 100 % aza Ravalo amin'ireo birao sisa tsy haazo +50 % mihintsy.
19. ravonjison ( 23/02/2009 15:19)
Patrick2002 : voalohany indrindra. Samy nanaraka ny fifidianana daholo isika, izaho anefa dia tsy hiditra @ antsipiriany mikasiksa ny dfifidianana 2002, satria izay zavatra sasany lazainao eto dia ny fomba fijerinao na koa ny zavatra irinao, izaho anefa tsy afaka manamarina izany, noho izany tsy hovoavahatsika eto izany. Inona no notenin\' i TIM na AREMA t@ izany, izay dia tsy vitatsika eto.Noho izany resaka en general no holazaiko eto, avy eo dia hiverenako ireo exemples roa nomenao.

1- I Ratsiraka dia tsy tokony nilatsaka candidat mihitsy t@ 2002 ( raha olona misaina sy tia tanindrazana ). Amiko indroa ihany ny filoha no tokony hitondra. Iny no hitako fa olana lehibe mihitsy ( fa tsy ilay resaka bulletin akory). Iny firotsahan\' i Ratsiraka ho candidat iny dia milaza sy manome vahana ny olona sasany fa azo atao ny manao ho filoha na im-polo aza atý aoriana, ohatra ratsy nomena ny malagasy iny. Raha nieritreritra tsara isika malagasy t@ 2002, dia tokony nanao manifestation contre-ny ny candidature-n\'i Ratsiraka, ny AREMA mihitsy aza no tokony hanakana an\' i Ratsiraka. Tsy nisy nanao anefa izany. Manambara izany fa i Ratsiraka dia tia tena ny tia seza, ary ny AREMA sy ireo manodidina azy koa dia torak\' izany, satria nanantena hahazo saosaosiny.
Io ilay lazaiko hoe ny fanomezana exemple ratsy dia mampiverina foana ny olana. Raha omen\' i Andry exemple ratsy ny gasy fa lalana ara- dalána ny fanonganam-panjakana, dia hiverina koa izany atsy aoriana kely.

2- Ny olana mantsy dia izao , ahoana no fomba anavahana fa ny fahantran\' ny gasy tokoa no tian\' i Andry ho vahana sy ny hoe te haka seza fotsiny izy, na koa misy olona manakaráma azy any ambadika any , na koa ny olana personel- n\' izy sa Ravalo no tiany ho vahana. Izay dia tsy fantatsika. Raha tsy manana ny valin\' io fanontaniana io ny vahoaka malagasy dia tsy tikony hanaiky ny fifidianana vaovao sy tetezamita, satria ataon\' ny sasany tohatra fiakarana fotsiny. Tsy tokony hasiana fifiadianana , na tetezamota na fanonganam-panjakana, @ izay dia miala maina izay olona miafina ao ambadimbadik\' izao, manantena ny haka saosiny fotsiny.
Ny fomba fanakaramána olona sy ny fakana seza toy io dia fomba fampiasaina matetika atsy afrika, satria ny ankamaroan\' ny sarambabem-bahoaka dia tsy ampy fahalalána sy tsy nandia fianarana, noho izany mora ambakaina sy manipuler-na izy ireo.
Mety hoe ny olona sasany angamba no azon\' i Andry hadalaina toy izao , fa raha izaho kosa dia andraso eo paoly.

3- Raha ampitahaina tsotra dia toy izao : ao anatin\' ny 8 taona raha misy fanonganam-panjakana telo dia misy olona maty , ary misy zavatra simba tsy maintsy arenina. Raha fifidianana roa ara-dalána kosa no natao, dia mba efa misy zavatra kely mitsangana, ary tsy misy olona maty. Misy difference be ireo lalana roa ireo.

4- Mikasika ireo exemple nomenao :
- Famoahana lalána fa 10 min ihany no afaka miteny @ telé: tsy mampaninona ahy izany raha toa ka ny roa tonta samy manaraka izany , mitovy izany ny conditons. Raha toa kosa ny iray afaka miteny 1h, ny faharoa anefa 10min fotsiny, dia izay no tsy mety.
- toy izany koa ilay resaka tee-shirt : raha ilay lalána mihatra @ rehetra, izany hoe ny rehetra no tsy mahazo manamboatra tee-shirt-na fifidianana, dia mitovy izany ny conditons, dia tsy mampaninona ahy izany. Fa raha iray afaka manamboatra , ary ny iray tsy afaka, dia izay no ratsy sy tsy mety.
20. patrick2002 ( 23/02/2009 19:59)
Patrick2002 : voalohany indrindra. Samy nanaraka ny fifidianana daholo isika, izaho anefa dia tsy hiditra @ antsipiriany mikasiksa ny dfifidianana 2002, satria izay zavatra sasany lazainao eto dia ny fomba fijerinao na koa ny zavatra irinao,

Fanadihadiana no hataoko ,fanadihadiana koa no hataonao ,samy milaza ny mahamety na ny tsy mahamety azy na izaho na ianao ,Zo fototra izany @ maha-olom-pirenena atsika sahala @ nao miteny hoe :
I Ratsiraka dia tsy tokony nilatsaka candidat mihitsy t@ 2002 ( raha olona misaina sy tia tanindrazana ). Amiko indroa ihany ny filoha no tokony hitondra. Iny no hitako fa olana lehibe mihitsy ( fa tsy ilay resaka bulletin akory). Iny firotsahan\' i Ratsiraka ho candidat iny dia milaza sy manome vahana ny olona sasany fa azo atao ny manao ho filoha na im-polo aza atý aoriana, ohatra ratsy nomena ny malagasy iny.

Io izao no mba fanirianao ary io no mba hetahetanao ,Izaho koa mitovy fisainana aminao aminio ,nefa tsy izay mihintsy no lazainy constitution ,afaka milatsaka fidiana indroa ny filoha iray izay no voalazany constitution apres ny 1991 io.Ratsiraka mbola 1er mandat iny ,zon\'ny tanteraka no milatsaka .
Io ilay lalana teneninao etsy ambony hoe tokony harahina.
Ny fomba fanakaramána olona sy ny fakana seza toy io dia fomba fampiasaina matetika atsy afrika, satria ny ankamaroan\' ny sarambabem-bahoaka dia tsy ampy fahalalána sy tsy nandia fianarana, noho izany mora ambakaina sy manipuler-na izy ireo.
Mety hoe ny olona sasany angamba no azon\' i Andry hadalaina toy izao , fa raha izaho kosa dia andraso eo paoly.

Ka eo mihintsy ny olana kah tsy mahafantatra isika hoe inona no ao anatiny lohan\'ny izay olona milatsaka eo ,Fa iza no no nahalala an\'i Ravalo hoe hampitombo ny hareny no hilatsahy teo ,samy nifidy azy ny gasy satria ,izy efa manana ,izy olona mivavaka ,avy eo inona no nataony ? mangala -bato ,manao didy jadona ,managadra izay tsy mitovy hevitra aminy ,eto no tsy hitovizantsika ny anao dia ny hoe aleo izy hamita ny mandat ny ,ny ahy dia haleo izy haongana amin\'izay mba ho exemple tsara hoan\'izay mbola hitondra eo ,hoe tsy mety anie izany mangalatra izany ,fa tsy maintsy hikorontana ny vahoaka.
4- Mikasika ireo exemple nomenao :
- Famoahana lalána fa 10 min ihany no afaka miteny @ telé: tsy mampaninona ahy izany raha toa ka ny roa tonta samy manaraka izany , mitovy izany ny conditons. Raha toa kosa ny iray afaka miteny 1h, ny faharoa anefa 10min fotsiny, dia izay no tsy mety.
- toy izany koa ilay resaka tee-shirt : raha ilay lalána mihatra @ rehetra, izany hoe ny rehetra no tsy mahazo manamboatra tee-shirt-na fifidianana, dia mitovy izany ny conditons, dia tsy mampaninona ahy izany. Fa raha iray afaka manamboatra , ary ny iray tsy afaka, dia izay no ratsy sy tsy mety.

Ka ianao miresaka strategie kou ,ny hilatsaka ho fidiana izany anie mba mila strategie eh! ary homanina antaonany maro fa tsy herinandro na 1 taona eh! ka raha izaho hanomana strategie fa hilatsaka @ 2012 nefa 2011 manova lalana ny mpitondra contre an\'iny strategie ko iny ,mazava loatra fa tsy ho lany izaho ,dia ahoana inona no hataoko ,ianao ve dia milaza fa i Andry na i Ravalo no tena mana-tsaina hitondra an\'ity gasikara ity ,betsaka any ny malagasy fa ao ny sasany tsy manana strategie , dia tsy ho mpitondra na hoviana na hoviana
Ka ny ahy Ravonjison ,dia tongotra vaky ka maharary no mahamenatra ,izao miseho an\'i madagasikara izao , kanefa aoka isika gasy tsy hijery harina an-tava , mahamenatra io hataony Ravalo io tsy tokony hitaza-potsiny isika ka hiandry 2012 hanala an\'i Ravalo teo ,aleo izy hesorina mba hanome lesona ho an\'izay mitondra eo .
Raha izao no hanontanianao hoe Azonao antoka ve i Andry fa tsy hangalatra rehefa tonga eo ,dia tsia no valiny ,fa kosa manohana azu izaho noho izy tsy manaiky fa sahy mijoro manohitra ny tsy rariny hataony Ravalo .
Ianao aza miandry an\'i Paoly ,fa izahay miandry an\'i Andry .
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1554