Ny mandreraka amin'ity sehatra fivavahana sy finoana ity
1. klitika
(
20/02/2009 19:21)
Dia misy efa vita lasitra, ka raha vao tsy nivoaka tamin'io lasitra io ianao dia diso izay.
Ny hafa indray efa mandrakitra "Formule" raikitra araka izay lasitra nidirany ka rehefa tsy io na tsy mahazava an'io dia diso izay. Dia entina eto daholo ity rakibolam-bazaha tsy fahita ity ilazana fa izaho no mahay an'io Atra sy fivavahana io. Dia hoy ilay akamako hoe, fa kay l'ty Atra vazaha an.
Toa tsy fantany fa Atra tsy mbola nisy nahita, ka tsy misy afaka mitompo teny fantatra ny aminy. Toa adinony ilay hoe tsy iray akory Atra, fa ny Arabika sy ny Israelita fotsiny no nandratra fa ny Andriamaniny no Atry ny Atra

novalian'i coopsal ny 06/03/2009 14:47
2. ikaretsaka
(
20/02/2009 19:31)
Toa tsy fantany fa Atra tsy mbola nisy nahita
fa izany ve mahasakana ny tsy handalina momba Azy
3. klitika
(
20/02/2009 19:39)
Ikaretsaka : "fa izany ve mahasakana ny tsy handalina momba Azy "
Nga izany no dikan'ilay lazaiko? Fa hoy aho hoe aza manao ohatran'i Balita fotsiny
Nga izany no dikan'ilay lazaiko? Fa hoy aho hoe aza manao ohatran'i Balita fotsiny
4. ikaretsaka
(
20/02/2009 19:46)
ka raha vao manao le hoe izao sy izao ary izao ihany tokoa aloha no hamaritana an'Atra dia tsy poinsa e
8. klitika
(
21/02/2009 13:55)
aikon:
fa fiiry kay ny Atra aza fady eee ????????
:?:
Tokkony mba misy manao statistika an'io marina tokoa
9. klitika
(
21/02/2009 13:57)
Saingy manao fanontanian'ny efa vita lasitra i aikon, fa mody haka fanahy fotsiny fa ho asesiny eto ny valiny efa any an-dohany any miaraka amin'ny formila maro be efa vita tsianjery
10. soanja
(
21/02/2009 14:24)
Ny fivavahana sy finoana dia natao tsy hitovizan-kevitra foana ka! satria samy manana ny fomba entiny hanompoana izay heveriny avy koa hoe Andriamananiny avy.
Io resaka isa io dia tena zavamahaliana tokoa rehefa hiresaka Zanahary. Dia samy mihevitra ny azy ho tena izy avy. Fombany aby izany. Soa aza fa misy ny tsy fitovizana amin'izay mba mianadraha isika. Sa ahoana?

12. rakaroka
(
21/02/2009 20:00)
A 'zalahy e :-D :-D :-w :-$ maro ny sinemà @ fivavahana sy finoana ity e;
Ilay izy tsino tsy ka raha volano ny baiboly heo hoe "mivavaha ao amin'ny mangingina". Ary zary "blem" lay fanaovan'ny mpino sasany anefa maro
"clientelisme" hanaraka ny finoany: hafanam-po 'gné 'zany : " mila mibebaka..."
ilay 'ndaty namako 'raika niboaka avy ao @ Sud ao moa dia nanano hoe "aia Rakaroka no hahitana akoholahy mena 'zany hovonona hatao fanatitra".
Ka eto amin'ny tanàna misy ahy tsy misy akoho velona 'zany. Novaliako araka ny resaka fanao eto hoe "efa vitan'izany Jesoa 'zany hono wa ny famonjena fa minoa fotsiny ihany! :^) :^) :^)
Aky va re hoy izy dia "on croise le bras sisa 'tsika?...
toa mbola mpiampy hatao batisa vao voavonjy hono.
Dia lasa mbô niangona...manaraka tsy fidiny ity namana mafana fo.
Izy "ravo aok'izany tsy mahatsapa hoe "adin-tsaina anie no mianjady hoe 'ndeha hampandohalehako hanaraka ny fombany ve 'ty tongotro sa 'ndeha hivoaka ny varavarana , dia "alao aloha manao mise au point aty ivelany...
Ary tsa hainy koa we efa vita batisa koa, ka dia saika hatao batisa fanindroany
:?: :roll: 8O 8O

14. soanja
(
21/02/2009 21:46)
rakaroka:

Aoka marina re!!!! Ataontsika lamozika koa kony zalahy koragna zagnahary io.
:-D :-D :-D
Ny akoholahy lany najedaka, ny rakitra tsy maintsy tatazana, ho aiza ianao ra-Olombelona e, maka ary voa maka eroa masaka! Tiantsika tokoa ny atao hoe Fanahy ka!
15. ZoRajoela
(
22/02/2009 20:38)
Ny mandreraka amin' ny resaka finoana dia izao: ny finoana. Na ianao mino, na ianao tsy mino. Maro ny andriamanitra. Nefa iray ihany Ilay Namorona ny tany sy ny lanitra, ny rivotra sy ny vitsika, ny akoholahy mena sy ny olona. Jehovah Andriamanitra no anarany. Tsy manana nationalite Izy. Ary Jesoa Kristy no endrika nisehoany ara nofo teto antany. Ny jiosy no firenena nofidiny hisehoany tamin' izany. Ny nahatongavany teto antany dia tsy hanome harena, na fahasalamana, na fahafinaretana,sns..fa hilaza ny marina: fandalovana ny eto an-tany, ary fijaliana, aretina, fitaka, fahantrana, sns.. no betsaka, fa misy fiainana maharitra mandrakizay izay tsy hisy ranomaso intsony any amin' ny tany vaovao sy lanitra vaovao izay haoriny aorian' ny handravany ity tany ratsy sy feno alahelo ity. Ka izay mino, eny izay mino, ( tsy izay manao asa soa, na ilaina tokoa aza izany, na mamono akoho lahy mena,sns..) fa Jesoa no Mpamonjy no ahazo maimaim- poana io fiainana mandrakizay io. Ny sarotra dia ny mino fa izany tokoa no marina. Andriamanitra no nilaza izany. Ka anao ny safidy. Izaho dia nifidy ny hino. Ary tsy manenina aho. Hitako eo amin' ny fiainako ny taratr' izany finoana izany.
17. soanja
(
23/02/2009 04:16)
ZoRajoela:
Ny jiosy no firenena nofidiny hisehoany tamin' izany.
Nazavainy ve hoe nahoana no io firenena io no nosafidiany? Tsy mahatsiaro voa be ve zany ny firenena hafa amin'izany??? Miangatra ve Andriamanitra ilay resahinao io satria ny hafa tsy mba nomeny Zanak'Andriamanitra na Mpaminany hafa??? Mba miresaka ny momba antsika Afrikanina ve ny baiboly?
18. klitika
(
23/02/2009 04:51)
soanja:
Mba miresaka ny momba antsika Afrikanina ve ny baiboly?
Saingy ry zareo ihany no milaza fa ny anjely dia fotsy ary ny demony dia mainty, ary feno menarana ny tananany. Dia mety avy amin'io no mahatonga ny olona mipetraka amin'ny tany arabika, tena manambany mainty fatratra mihintsy ary manindrahindra ny fotsy hoditra.
Dia na ny Eraopeanina aza dia nilaza antsika hoe tanin'ny haizina ihany koa tamin'ny taonjato faha-18 sy 19
Na isika aza dia mihevitra ny demony dia mainty, mampitahotra, misy rambo, ...ao daholo ilay teny mpanoritra ratsy rehetra eh.
Ny anjely dia fotsy botsiaka, mamirapiratra, mitsiky lava, misy elany,... Izay rehetra tian'ny olona hilazana ny hatsarana ao aminy daholo.
Ary na ny fitaovana ampiasainy aza dia toa izao: Ny an'ny anjely dia sabatra, ny an'ny demony dia lefona maroloha, na lelan-dragona.
Dia hoy ilay namako hoe: "Ary isika mihintsy leity no lazain-dry zalahy fa demony satria isika mampiasa lefona, fa ny an-dry zalahy sabatra no fampiasany taloha an"
Dia hoy aho taminy hoe lasitra daholo l'ty ireo an
19. Fody
(
23/02/2009 09:18)
klitika:
Dia misy efa vita lasitra, ka raha vao tsy nivoaka tamin'io lasitra io ianao dia diso izay.
Tsy misy ny eo anelanelany raha resaka finoana sy Fivavahana. Izany hoe: na diso, na marina. Ny ankoatra an'izay dia tsy izy. Ohatra: I Kristy dia tena Andriamanitra sady tena olombelona, amin'ny finoana kristiana. Ny filazana fa olombelona fotsiny izy na Andriamanitra fotsiny dia diso.
klitika:
Ny hafa indray efa mandrakitra "Formule" raikitra araka izay lasitra nidirany ka rehefa tsy io na tsy mahazava an'io dia diso izay. Dia entina eto daholo ity rakibolam-bazaha tsy fahita ity ilazana fa izaho no mahay an'io Atra sy fivavahana io. Dia hoy ilay akamako hoe, fa kay l'ty Atra vazaha an.
Raha nisy Malagasy nandalina sy nanoratra momba an'Andriamanitra ry namana dia nentin'ny namana teto koa izany. Aza adino fa Andriamanitra dia efa nisy, mbola misy, ary mbola hisy mandrakizay. Ny soratra napetrak'ireo vavolombelona dia manampy ny tsirairay hahalala azy bebe kokoa. Noho izany raha misy ny namana mizara izay hitany tany ho any, inona no mahadiso azy amin'izany? Mba valio azafady!
klitika:
Toa tsy fantany fa Atra tsy mbola nisy nahita, ka tsy misy afaka mitompo teny fantatra ny aminy
I Jesoa ry namana dia Andriamanitra, ary tena Andriamanitra. Raha tsy mino azy ianao, tsy terena.
klitika:
Toa adinony ilay hoe tsy iray akory Atra, fa ny Arabika sy ny Israelita fotsiny no nandratra fa ny Andriamaniny no Atry ny Atra
Amin'ny maha kristiana anay dia tokana Andrimanitra, ary tsy misy andriamanitra mahery noho io Andriamanitra inoako io. Raha manana betsaka ianao tsy olana izany. Tsy terena ianao hino izay inoako, izay tokana ihany fa tsy misy hafa akoatra an'azy.
Ho an'i klitika ihany:
Ny resaka farany nataonao eo ambony io mikasika ny sary dia izao no azoko lazaina: mandehana aloha mianatra kely momba ny sary izay vao miverina eto manao commentaire momba izany.
Angamba adinonao fa tany amin'ny taonjato faha 11 tany ho any dia efa nisy ilay sarin'i Maria sy Jesoa mainty? Ary tsy tambo isaina ny statues de la Vierge noire nanerana an'i Europe.
Am-pitiavana be
20. ari.malala
(
23/02/2009 13:02)
Dia misy efa vita lasitra, ka raha vao tsy nivoaka tamin'io lasitra io ianao dia diso izayio aloha d marina mintsy ary tsy vitsy no manao anizany eto e! de refa manohitra ny zavatra lazainy enao de lazainy fa manohitra an'Andriamanitra...:roll: