Ny mandreraka amin'ity sehatra fivavahana sy finoana ity
21. coopsal
(
23/02/2009 14:21)
klitika:
Tokkony mba misy manao statistika an\'io marina tokoa
==> Izaho nianatra mathématiques informatique et statistika appliquées! Fa tsy mbola nanao statistika ny isan\'izay hoe Andriamanitra aho.
Henoko fotsiny fa tao Athènes t@ andro izay nitorian\'i Paoly Apostoly dia nisy 3000 ny Andriamanitra notompoina, ary nisy iray tamin\'ireo tsy nisy sary vongana fa nisy soratra hoe \"ho an\'izay Andriamanitra tsy fantatra\", sao ka misy Andriamanitra tsy voatanisa ka ho tezitra.
Izaho nino ny fisian\'ny Andriamanitra Nahary izao rehetra izao hatrizay, fa tsy nahafantatra na iza na firy io Andriamanitra io. Nampianarina ny fivavahana kristiana aho, fa nisalasala raha marina tokoa ny nambaran\'ny Baiboly na tsia.
Indray alina kosa raha tao anaty ranomaso lalina aho namoy fo, dia tonga tao anatiko izao vavaka izao : \"raha misy marina ianao Jesosy dia lazao amiko ny anton\'izao fahoriako rehetra izao\", vao vita ny vavaka mangina nataoko dia tonga tao anatiko ny valin-teny hoe \"raha tsy nisy an\'izao ianao tsy ho nitodika tamiko\".
Mety misy betsaka tokoa angamba ny andriamanitra! Saingy ho ahy, dia tsy nisy namaly ahy afa-tsy Jesosy, ka ho ahy dia izay lazaiNy irery no Andriamanitra.
klitika:
Toa tsy fantany fa Atra tsy mbola nisy nahita
==> Izay tsy mbola nahita dia tsy maninona raha milaza fa tsy mbola nisy nahita Andriamanitra.
Izaho tsy mbola nahita an\'izany Japon izany, ka azoko atao tokoa ny manambara fa tsy misy an\'izany japon izany ... na misy japon anaki 5, na koa tsy nisy nahita anzany japon izany fa samy mba mamariparitra izay nampianarina azy fotsiny.
Izany anefa tsy hampiova velively ny marina dia izao : misy Japon anakiray, fitambarana nosy volkanika vitsivitsy...
Kristy kosa nilaza tamin\'ny mpianany hoe :
- \"Tsy nisy nahita an\' Andriamanitra afa-tsy ny Zanaka. Tsy misy mahafantatra ny Zanaka afa-tsy ny Ray, ary tsy misy mahalala ny Ray afa-tsy ny Zanaka, sy izay tian\'ny Zanaka ampahafantarina Azy\"
- \"Efa nahita ny Ray ianareo ary mahafantatra Azy ... Izaho sy ny Ray dia iray ihany ... Izay nahita ahy dia nahita ny Ray\".
Koa afaka hahita an\' Andriamanitra amin\'ny alalan\'i KRISTY izay mino. Izay tsy mino atao ahoana ? Izaho nandre an\'i KRISTY niteny tamiko ka mino, ary mandre Azy foana! Mahita azy @ alalan\'ny teniNy aho, satria Izy Fanahy, ary ny teniNy dia Fanahy sy Fiainana. Fa ho vy ny fotoana, samy hifankahita ny rehetra ary samy hahita Azy.
22. xxx
(
23/02/2009 16:30)
Misy ramatoa mpiandry (dekona)izay:mananatra dia mitsikera izao olona rehetra izao izy,nefa aza izy nangalatra vadin'olona miteraka 6 hadinony.
23. klitika
(
23/02/2009 17:38)
Iza no afaka milaza fa efa nahita an'Atra?
Hay ve i Kristy no niteny eh, dia ahoana raha i Boudah, na ilay ombiasa eto akaikinay eto?
Hay ve i Kristy no niteny eh, dia ahoana raha i Boudah, na ilay ombiasa eto akaikinay eto?
24. klitika
(
23/02/2009 17:53)
O ry xxx, nahoana no diakona no lazaina fa tsy ilay mopera manan-janaka eran'i Mada ohatra?
25. Fody
(
23/02/2009 18:19)
Misy moa ny olona tsy hiady hevitra no atao eto fa hanaratsy ny hafa fotsiny. Mampalahelo!! oups...
Bouddah ve Andriamanitra ry klitika?
Ny ombiasa ve Andriamanitra koa?
Ary Kristy, Andriamanitra sa tsia?
Izay ihany!
Am-pitiavana be!
26. ari.malala
(
24/02/2009 05:59)
Fody:io koa d tena misy!
Misy moa ny olona tsy hiady hevitra no atao eto fa hanaratsy ny hafa fotsiny
xxx, aza ilaozana mijery ny fiainan'ny hafa fa ny anao jerena izay hahatsara azy!
klitika, enao mintsy ve no nahita ny naha zanak'ilay mopera izany zaza eran'i Mada izany? anananao porofo mintsy?
27. coopsal
(
24/02/2009 11:23)
klitika:
Iza no afaka milaza fa efa nahita an'Atra?
==> Ny masoko tsy mbola nahita Azy, ary ny sofiko tsy mbola nandre Azy. Kristy no efa reko, Ary tsy tamin'ny sofiko, fa tamin'ny foko. KRISTY nilaza hoe "Izaho sy ny Ray dia iray ihany".
Tamin'ny Oktobra 2005 aho nitady asa. Nisy vazaha iray mipetraka tany La Réunion niantso ahy raha manaiky hiasa ao @ aho. Herin-taona sy tapany io vazaha io no nampiasa ahy, nefa tsy mbola hitako na indray mandeha aza! Nandefa ny karamako sy izay vola hafa nilaina rehetra t@ western union izy ary voaraiko tsara daholo.
Amin'ny olona aza azo atao ny mandray soa sy mifampiresaka na dia tsy nifankahita maso mihitsy. Rehefa misy ilay moyen nifandraisana dia afaka nifandray.
Koa KRISTY no moyen ifandraisako amin' Andriamanitra, marina ny lazaiNy hoe "Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana"
klitika:
Hay ve i Kristy no niteny eh, dia ahoana raha i Boudah, na ilay ombiasa eto akaikinay eto?
==> Ilay indray Alakamisy izay, raha nivavaka aho hoe : "raha misy ianao Jesosy dia lazao amiko ny anton'izao", izay namaly ny fanontaniako tsy nilaza fa izy no bouddha na iray amin'ireo ombiasa na mpisikidy izy. Koa amiko dia Jesoa izy.
I Jesoa no henoko, nifampiresaka tamiko nanomboka teo. Ary tsy indray mandeha fa isanandro, na amiko irery na rehefa tafaraka amina rahalahy aho.
Ary hatrizay ka hatramin'izao tsy mbola nisy boudha na mpisikidy niresaka tamiko tao am-po. Koa ny feon'i Jesosy no ekeko ho marina. Izay ambony na mahery noho Izy aoka hanambara ny tenaNy ary hanome porofo fa ambony.
Teo akaikinay dia misy mpanandro izay. Efa imbetsaka aho no nanan-kevitra hanatona an'io mpanandro io, tsy hiteny hoe "mialà @ anaran'i Jesosy" akory, fa ny hanontany tsotra hoe : "Afaka ampahafantarinao ahy ve hoe mety ho andro Talata sa andro Alarobia ny fitsaràn' Andriamanitra ? Mety ho tsara ve ny tonon' andronao amin'io ? Raha ratsy, mety afaka amboarina ho tsara ve ?".
Raha tia hahafantatra ny fisian' Andriamanitra ianao na ny momba Azy, dia mitadiava azy @ fonao. Katsaho dia handre Azy ianao.
28. klitika
(
24/02/2009 15:30)
coopsal:
==> Ny masoko tsy mbola nahita Azy, ary ny sofiko tsy mbola nandre Azy. Kristy no efa reko, Ary tsy tamin'ny sofiko, fa tamin'ny foko. KRISTY nilaza hoe "Izaho sy ny Ray dia iray ihany".
Sao dia ilay filazana isanandro anao anio teny io no mampatsiahy anao amin'ny heritreritra dia lazainao fa izy no mibitsika taminao? Io ange fanasana ati-doha, miala tsiny amin'ny fitenenana. Jereo ireny manao Jihady ireny, asaina averiny fa raha maty amin'iny baomba iny izy dia ho any an-danitra. ilay toerana misy vehivavy virjiny 70 sy reniranon-divay tsy ritra. Dia rehefa naverimberiny iny, dia farany raikitr ao an-tsainy. Ka io ohatry ny bandy manetika koa misy tamberina.
coopsal:
Tamin'ny Oktobra 2005 aho ... tany La Réunion ... Nandefa ny karamako sy izay vola hafa nilaina rehetra t@ western union izy ary voaraiko tsara daholo.
Amin'ny olona aza azo atao ny mandray soa sy mifampiresaka na dia tsy nifankahita maso mihitsy. Rehefa misy ilay moyen nifandraisana dia afaka nifandray.
Koa KRISTY no moyen ifandraisako amin' Andriamanitra, marina ny lazaiNy hoe "Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana"
Inona moa no maha samihafa an'io fanambarana io amin'ny tenin'ireo mpanao politka hoe :"Izaho no afaka mamaha anareo sy ny tany amin'ny fahantrana, fa manaraha ahy" Ka raha izany dia Kristikely koa i TGV
coopsal:
Ilay indray Alakamisy izay, raha nivavaka aho hoe : "raha misy ianao Jesosy dia lazao amiko ny anton'izao"... I Jesoa no henoko, nifampiresaka tamiko nanomboka teo. Ary tsy indray mandeha fa isanandro, na amiko irery na rehefa tafaraka amina rahalahy aho.
Misaotra anao amin'ny fijoroana ho vavolombelona. Ary maromaroa ny toa anao.
fa ny hanontany tsotra hoe : "Afaka ampahafantarinao ahy ve hoe mety ho andro Talata sa andro Alarobia ny fitsaràn' Andriamanitra ? Mety ho tsara ve ny tonon' andronao amin'io ? Raha ratsy, mety afaka amboarina ho tsara ve ?".
coopsal:
Raha tia hahafantatra ny fisian' Andriamanitra ianao na ny momba Azy, dia mitadiava azy @ fonao. Katsaho dia handre Azy ianao.
Izaho ange mbola tsy nahita an'Atra no sady mbola tsy niresaka taminy hoy aho eh. koa ahoana no ahafantarako izany? Ny ahy ny razako no hajaiko fa izy no hinoako fa mampifandray ny velona amin'i Zanahary. Miala tsiny tompoko.
Fa ny fandroana indray no lazainao dia hoy aho hoe aleo atoro anao tsotra, fa tsy mbola nisy namboly vary tamin'ny andro ririnina na nijinja volo fahavaratra.
29. coopsal
(
25/02/2009 15:18)
klitika:
Sao dia ilay filazana isanandro anao anio teny io no mampatsiahy anao amin'ny heritreritra dia lazainao fa izy no mibitsika taminao?
==> Hoy aho nivavaka hoe "Raha misy ianao Jesosy dia lazao amiko ny anton'izao".
Hoy ny valin-teny azoko avy hatrany hoe "Raha tsy nisy an'izao ianao tsy ho nitodika tamiko". Tsy io ihany, fa nahazo fanazavana ny olako rehetra aho, izay fanontaniako rehetra dia voavaly avant même que j'ais pu poser les questions.
Tsy mbola nahita an'ireo valin-teny ireo tao anaty baiboly na boky hafa aho, koa tsy zavatra haiko tsianjery ireo fa zavatra nomena ahy t@ fotoana nampangetaheta ahy fahamarinana.
Mampahatsiaro ahy ny tenin'ny mpianatra hoe "Ankehitriny dia fantatray fa mahalala ny zavatra rehetra Hianao ka tsy mitady olona hanontany Anao; izany no inoanay fa nivoaka avy tamin'Andriamanitra Hianao".[Jaona 16:30]
Ny hitanisako an'ireny verset biblique ireny dia hanehoako fotsiny hoe : tena niainako ilay teny ary azoko amin'izay izany.
Izaho tsy afaka hanazava betsaka aminao ny zavatra ara-panahy sy ny vérité divine izay nampafantarin'i KRISTY ahy. Afaka manome fanoharana maro amin'ny zavatra iainantsika andavanandro aho, ary mijoro ho vavolombelona no farany azoko atao. Na Andriamanitra aza tsy afaka hanao na inona na inona ho anao rehefa ianao no tsy mety hitady Azy amin'ny fonao.
klitika:
Inona moa no maha samihafa an'io fanambarana io amin'ny tenin'ireo mpanao politka hoe :"Izaho no afaka mamaha anareo sy ny tany amin'ny fahantrana, fa manaraha ahy" Ka raha izany dia Kristikely koa i TGV
==> Tsy azoko ny mahatonga ny fanontanianao amin'io zavatra nosoratako teo io. Fanoharana fotsiny (kanefa zavatra niainako) iny nentiko nanambara fa afaka mifandray amin' Andriamanitra (mandray message sy fahasoavana, manao compte-rendu ... sns) ny olombelona na dia tsy mahita Azy aza, satria misy ny moyen de communication, ary KRISTY izany. Raha tsy mitady an' Andriamanitra amin'ny fony ny olona dia tsy afaka hahita na handre na hanatona an'i KRISTY anefa, ary na iza na iza mitady ny marina amin'ny fony ka hiaiky rehefa hasehon' Andriamanitra aminy fahadisoany, dia tsy maintsy hahita an'i KRISTY izy, ary hahafantatra an' Andriamanitra.
Izaho tsy mitaona olona hanaraka ahy velively. Ary tsy mbola niteny tamin'olona hoe inona no fomba ialàna amin'ny krizy, tsy ananako rahateo izany. Mampita izay noraisiko tamin'i KRISTY sy asain' Andriamanitra teneniko aho dia izay.
klitika:
Izaho ange mbola tsy nahita an'Atra no sady mbola tsy niresaka taminy hoy aho eh. koa ahoana no ahafantarako izany?
==> Tsy izaho velively no nahafantatra an' Andriamanitra na i Jesoa hatrany am-boalohany, ary tsy nihevitra ny hitady Azy akory aza aho. Fa rehefa tao anaty désespoir aho no nangetaheta ny fahamarinana.
Fanoharana 1 : Raha mbola afaka miaina (mifoka rivotra mahavelona) aho isanandro dia tsy ao an-tsaiko mihitsy hoe raha toa anie ka tsy misy rivotra dia maty aho. Fa rehefa tonga ny fotoana izay mahasempotra ahy, asa hoe voahidy tao an'efitrano na toy izany, eo vao tsapako ary irian'ny foko fatratra ny hahazo rivotra madio.
Toy izany Andriamanitra. Eo izy isanandro, avy amiNy ny fofonaina mahavelona, ny force na ny énergie hoy ny fizisiana ahafahan'ny olona sy ny zava-mananaina rehetra manao mouvements, ny rivotra, ny rano, ... sns. Rehefa nahatsiaro maizina ny fanahiko dia nanomboka nikatsaka azy aho, tsy tonga dia nahafantatra Azy aho akory, fa tena hoe "à taton", nitsapatsapa. Fa rehefa nahatsapa Azy kosa aho dia tsy navelako tamin'izao fa nofikiriko ary indro aho miroso amin'ny fahafantarana Azy. Ary tamin'izany no nahafantarako, fa Izy no nanatona voalohany ny olombelona, Izy no manatona sy miresaka aminao isanandro isanandro, koa mba hahafantaranao Azy dia mila mitsapatsapa ny fonao.
Fanoharana 2 : Ny zaza manomboka ao an-kibo no efa iresahan'ny Rainy sy ny Reniny! Rehefa teraka dia iresahan'ireo ray aman-dreniny izy ... saingy tsy afaka tonga dia hahafantatra izay lazain'ireo Ray aman-dReniny ireo izy, fa na ny anarany aza dia tsy mbola hainy, fa ny manazatra azy tsikelikely amin'izany dia :
1- Ireo ray aman-dreniny ireo no mifanerasera aminy be indrindra, hitany isanandro ary henony isanandro, ary miantso azy amin'ny anarany.
2- rehefa mitomany izy noho ny zavatra mahazo azy, dia ireo ray aman-dreniny ireo no manome azy izay ilainy.
Rehefa miha lehibebe izy dia miha mahafantatra ny ray aman-dreniny, miha mahazo ny resak'olombelona.
Ka tsy maintsy mandalo amin'ny toy izany daholo vao afaka handre sy hahita ary hahafantatra an' Andriamanitra. Tsy maintsy haterak' Andriamanitra izy, mifanerasera amin' Andriamanitra, ary mandray izay atolotr' Andriamanitra.
Ho ahy izay nandalo izany ary mbola ao anaty fitomboana, dia mampahafantatra ny maro ... Fa ho avy ny fotoana dia tsy maintsy hiala ato amin'ity nofo ity, ary hihaona amin' Andriamanitra sy ... ireo razana.
Io KRISTY izay niresaka tamiko ary miresaka amiko io no nampahafantatra ahy fa ho avy ny fotoana hisehoaNy amin'ny rehetra, hitsara ny olona rehetra araka ny asany avy.
klitika:
Ny ahy ny razako no hajaiko fa izy no hinoako fa mampifandray ny velona amin'i Zanahary. Miala tsiny tompoko.
==> Hoy neninay izay hoe "ny ahy ny fanajako ny raiko (izay efa maty), dia amin'ny fitazonako ny anatra nataony sy ny hitondrako tena tsara ka tsy hanala baraka azy".
Ho ahy koa, ny fanajana ny razana dia ny fandraisana am-po ireo fahendrena sy ny foto-pinoany :
- Andriamanitra Zanahary : namorona izao rehetra izao, izay masina sy Mahatahotra.
- Ny fanahy no olona.
Ary ny fampiharana an'ireo amin'ny fiainana :
- Tsongoa fon-tena, tsongoa fon'olona (== tiava ny namanao tahaka ny tenanao).
Ny tsifankatoavana ireo dia nampianarin'ireo razantsika fa ahazoana tsiny (fanamelohana) eo anatrehan' Andriamanitry ny razana.
Ny fahatsapan'ireo razana koa anefa fa tsy nahavita nankatoa an'ireo izy no niandrandrany ny : "zandry hanafaka olana ny entana" sy ny "zoky hanafaka olana ny teny" ... eo anatrehan' i Zanahary.
Io entana tsy hay zakaina io dia ny tsiny, ary ny teny mila entina eo anatrehan'ny Zanahary dia ny fialan-tsiny noho ny ota.
Ka moa ve tsy ireo razana no nampita tamintsika fa :
- manan-tsiny eo anatrehan' Andriamanitra isika rehetra (tsy misy marina na iray aza koa voaheloka daholo)
- mila olona hilanja ny tsiny (hanala ny vesatry ny heloka) sy hisolo vava eo anatrehan' Andriamanitra (hifona ho antsika).
Tsy fantatro ny fomba fanajanao ireo razana an! Fa izaho mahafantatra olona milaza fa manaja sy manome hasina ny razana kanefa tsy manaja ny teny napetrak'ilay razana akory.
I dadabenay nialoha ny nahafatesany dia efa nametrapetraka teny noraiketiny tanaty diary, mikasika ny niainany, ny zavatra iriany rehefa maty izy, ary voasoratra tao izao :
"Any Ambondromamy aho alevina rehefa maty, toy izao sy toy izao no endriky ny fasako, sy ny fomba hanamboarana azy ... Tsy avadika aho raha tsy efa lehibe ry coopsal ka mahatsapa tena hanao izany izy". Lazaiko anao fa namadika an'i dadabenay ihany ireo havany, na dia efa nandà mafy aza izahay!
na dia ny razana izay inoan'ny malagasy fa inoany aza tsy arahiny teny akory!
Miombona ary mamporisika anao aho, hajao ireo razana, araka izay tena tenin'izy ireo sy ny fampianarany.
Raha miteny ny razana hoe : ny fanahy no olona, dia aza variana amin'ny fombafomba ara-nofo ho fanajana azy ireo, fa ny fanekena sy fankatoavana ireo teny feno fahendrem-panahy no ataovy. Fa raha tsy izany, rehefa hifankahita amin'izy ireo sy Zanahary any ankoatra ianao dia ho feno ny tsiny rehetra! Satria ireo razana no efa nanambara ny momba an' Andriamanitra sy ny olona.
30. klitika
(
26/02/2009 00:59)
coopsal:
Raha miteny ny razana hoe : ny fanahy no olona, dia aza variana amin'ny fombafomba ara-nofo ho fanajana azy ireo, fa ny fanekena sy fankatoavana ireo teny feno fahendrem-panahy no ataovy. rehefa hifankahita amin'izy ireo sy Zanahary any ankoatra ianao dia ho feno ny tsiny rehetra! Satria ireo razana no efa nanambara ny momba an' Andriamanitra sy ny olona
"Ny fanahy no olona", lesona tamin'ny fomba Malagasy io ary tamin'ny filozofia ka tsy hitariko fa hoy aho hoe ny fisainana no mampiavaka ny olona amin'ny biby.
Ilay "ho feno tsiny rehetra". Aoka aloha fa izaho anie tsy mpanangona tsiny no asako e. Koa nahoana no lazainao fa ho feno tsiny rehefa hahita Zanahary. Fa raha ohatra ka mavesatra loatra ny tsiny any aminao ka mila mpanampy ianao dia karama hafa koa izay, ka izay ifanarahana tsy maninona akory, fa hitady entana ho entina aza atao.
31. klitika
(
27/02/2009 16:03)
Miala tsiny raha tara ilay valiny eh
Izaho tsy mandiso izay lazainy, fa ny napetrako fotsiny dia hoe aza asiana lasitra Atra eh sy ny finoana, toa izay no novoiziko.
Hitako tokoa fa maro ny sarin'i Jesosy sy Maria mainty, saingy tsy nisy nivoy an'io tranga io raha tsy efa tena sahirana ny misiona katolika ny nandresy lahatra ny olona aty Afrika ho katolika, fa aoka hazava aloha. Fa ny novoizina hatr'izay dia tanin'ny haizina Afrika, ary ny anjely dia mamirapiratra fotsy botsiaka toa oram-panala. Lazao aho raha diso io filazako io
Fody:
Raha nisy Malagasy nandalina sy nanoratra momba an'Andriamanitra ry namana dia nentin'ny namana teto koa izany. Aza adino fa Andriamanitra dia efa nisy, mbola misy, ary mbola hisy mandrakizay. Ny soratra napetrak'ireo vavolombelona dia manampy ny tsirairay hahalala azy bebe kokoa. Noho izany raha misy ny namana mizara izay hitany tany ho any, inona no mahadiso azy amin'izany? Mba valio azafady!
Izaho tsy mandiso izay lazainy, fa ny napetrako fotsiny dia hoe aza asiana lasitra Atra eh sy ny finoana, toa izay no novoiziko.
Fody:
Angamba adinonao fa tany amin'ny taonjato faha 11 tany ho any dia efa nisy ilay sarin'i Maria sy Jesoa mainty? Ary tsy tambo isaina ny statues de la Vierge noire nanerana an'i Europe.
Hitako tokoa fa maro ny sarin'i Jesosy sy Maria mainty, saingy tsy nisy nivoy an'io tranga io raha tsy efa tena sahirana ny misiona katolika ny nandresy lahatra ny olona aty Afrika ho katolika, fa aoka hazava aloha. Fa ny novoizina hatr'izay dia tanin'ny haizina Afrika, ary ny anjely dia mamirapiratra fotsy botsiaka toa oram-panala. Lazao aho raha diso io filazako io
32. ikaretsaka
(
27/02/2009 18:33)
Hitako tokoa fa maro ny sarin'i Jesosy sy Maria mainty, saingy tsy nisy nivoy an'io tranga io raha tsy efa tena sahirana ny misiona katolika ny nandresy lahatra ny olona aty Afrika ho katolika, fa aoka hazava aloha. Fa ny novoizina hatr'izay dia tanin'ny haizina Afrika, ary ny anjely dia mamirapiratra fotsy botsiaka toa oram-panala. Lazao aho raha diso io filazako io
Diso io filazanao io... tsy mbola nisy evangelization des africais t@ taonjato faha 11
http://fr.wikipedia.org/wiki/Vierge_noire ny tantaran'ny vierge noire
33. klitika
(
27/02/2009 20:24)
Za kosa ange ry Ikaretsaka tsy niteny hoe nisy fampielezana fivavahana Kristianina taty Afrika tamin'ny taon-jato faha-11 eh.
Fa ilay nolazaiko dia hoe, na nahita an'io fahitana io aza ny tany amin'ny taon-jato faha-11 araky ny voalazan'i Fody, dia ny zavatra novoizina taloha dia hoe ny demony dia maity, ary rehefa tonga ny misiona tamin'ny taonjato 18-19 dia mbola nitondra io fisainana io ihany, fa hoe tanin'ny helo Afrika.
Raha mijery ilay rohy aho dia milaza ny rohy fa mbola mandeha foana ny fifanazavana mikasika ny naha-maity an'io Maria io. Satria mbola betsaka no mankasitraka fa tokony fotsy ny taratry ny faha-masinana ary mamirapiratra.
Fa ilay nolazaiko dia hoe, na nahita an'io fahitana io aza ny tany amin'ny taon-jato faha-11 araky ny voalazan'i Fody, dia ny zavatra novoizina taloha dia hoe ny demony dia maity, ary rehefa tonga ny misiona tamin'ny taonjato 18-19 dia mbola nitondra io fisainana io ihany, fa hoe tanin'ny helo Afrika.
Raha mijery ilay rohy aho dia milaza ny rohy fa mbola mandeha foana ny fifanazavana mikasika ny naha-maity an'io Maria io. Satria mbola betsaka no mankasitraka fa tokony fotsy ny taratry ny faha-masinana ary mamirapiratra.
34. ikaretsaka
(
27/02/2009 20:53)
Misy koa ny hoe "devoly fotsy "ka... fa tsy misy idirany t@ resaka afrikanina mihitsy io
36. coopsal
(
06/03/2009 14:47)
klitika:
Aoka aloha fa izaho anie tsy mpanangona tsiny no asako e. Koa nahoana no lazainao fa ho feno tsiny rehefa hahita Zanahary. Fa raha ohatra ka mavesatra loatra ny tsiny any aminao ka mila mpanampy ianao dia karama hafa koa izay, ka izay ifanarahana tsy maninona akory, fa hitady entana ho entina aza atao.
==> Zava-panahy ny tsiny fa tsy entana ara-nofo.
Izaho koa fony mbola tsy nino an'i KRISTY tsy nieritreritra ny tenako ho nanana tsiny izany. Fa rehefa nanomboka nifankahita t@ KRISTY aho dia vao nahafantatra fa kay ny olombelona nateraky ny nofo mpanangona tsiny (= mpanota).
Ny hoe itondra ny tsiny, ho ahy dia fantatro izao fa i KRISTY no efa nitondra ny tsiny vokatry ny fahotako rehetra.
