vahona sy tantely

1. flodine ( 15/02/2009 16:59)
Inona daholo no aretina mety hoafak'io rehefa avy nampifangaroina iny? Dia manao ahoana ny fomba fihinana azy?
Mety @olona bevoka koa ve ny mihinana azy?
Misaotr mialoha @ zay handray anjara tompoko.
novalian'i niryna ny 24/02/2009 14:52
2. vale ( 15/02/2009 18:53)
Ny fantatro aloha dia fitsaboana vavony koa izy io, dia atao otran'ny sirop ireny ny fihinanana azy am sotro lebé.
3. Lejoba ( 18/02/2009 16:09)
be dia be ny zavatra vitan\'ny vahona. ilay tantely anaromana ilay tsiro mangidy be an\'ny vahona no tena asany. Ny fatrany mahazatra dia 1 sy 8, izany hoe raha vahona 1 sotro dia tampohina tantely 8 sotro.
Ny vahona dia mampitombo ny défenses immunitaires @ ankapobeny, mitsabo fery anaty indrindra koa. Izay no mahatonga ny olona rehefa vizabizana dia misotro vahona, marary vavony, misy aretina any anaty any. Gouttes ets.
Cancer aza misy sitrany. Misy manao azy @ tarehy koa,
Arakaraky ny tanjona tratrarina ny fihinana azy. misy 1 sotro isan\'andro, misy in-3 isan\'andro. ilay cancer toa 1l mihitsy atao toy ny rano fisotro mandritry ny 1 volana. Misy misotro 3 sem dia mijanona 3 semaines sns. Misy toa mandra-maty iny toa misotro kely foana isaky ny alohan\'ny sakafo
Ny fahafantarako azy, tsy azo sotroin\'ny bevohoka. Nisy vhvv mantsy nitsabo tena t@ vahona dia nilazan\'ny dokotera mihitsy hoe tsy mahazo manao bevohoka mandritry ny traitement fa maha-sampona zaza.
Fa toa tsy afaka tehirizina ela ilay izy fa atao anaty frigo dia 1 volana eo ihany dia mila manao vaovao indray
4. flodine ( 19/02/2009 15:51)
lasa matahotra be zah ,satri zah io bevoka 2mois,kanefa nihinana foana hatramin'zay, ,,,,,,,,,,,,,,,,,,,,,,,,,,,,,,,,inone re no hataoko?
5. hana ( 19/02/2009 16:35)
miarahaba anao flodine,
na ny rivotra fohana aza mety hisy mampidi-doza ny bevohoka nefa tsy voatery ho fantatra. Alamino ny saina dia ento am-bavaka fa tsy maninona izany io. Ny risques be dia be eo @ fiainana fa probabilités daholo ihany. Hitanao @ échographie eo raha sanatria misy olana
Izaho mino fa tsy maninona izany io, indrindra raha efa zatra ny tenanao. Fa izany hoe ajanony @ izay ilay vahona. Toy ny vehivavy misotro toaka sy mifoka sigara no fijeriko an'io. Ajanona ilay izy raha hita fa mitondra vohoka satria tsy tsara ho an'ny zaza, fa izay vita tany ve moa haverina @ fomba ahoana.

Mahereza eh
6. flodine ( 20/02/2009 12:48)
hana:

eny akia, misaotra anao nankahery, fa na dia zany aza moa mitaitaina ihany mandrampivoak'ilay zaza.

7. belakely ( 20/02/2009 13:43)
o ry flodine a! angaha zaza voalohany io?
rehefa bevohoka ohatran'io akia dia ataovy positif foana ny saina a! na dia nisy zavatra tsy niniana natao aza dia fadio ny manamelo-tena fa ataovy izay hihoarana an'iny.(surmonter)
azo antoka 100% mantsy fa voarain'ilay zaza daholo ny fihetsikao rehetra eny fa na dia eritreritra fotsiny aza.
izaho aloha tamin'ny bevohoka an dia tsy mba nihinan-tsiramamy izany fa tantely no nasoloko azy, vokany madio be ilay zaza mivoaka avy eo, misy teny nataoko azy fony izy tao an-kibo fa averiny amin'ny fotoana tsy ampoizina.
anontaniako izy fa taiza no nahalalan-dry an'izany? dia hoy izy tsy taitra efa tao an-dohako tao ka! :lol: :lol:
8. flodine ( 20/02/2009 14:39)
belakely:

ie, zaza voalohany le izy de zay no tena mampivoraka ahy io,,,,,,,,,,,,,,,

9. niryna ( 24/02/2009 14:52)
flodine:

lasa matahotra be zah ,satri zah io bevoka 2mois,kanefa nihinana foana hatramin'zay, ,,,,,,,,,,,,,,,,,,,,,,,,,,,,,,,,inone re no hataoko?

hoy hianao hoe zaza voalohany io,fomban-javatra tokao ny mitaintaina sy somebiseby ary mitotorebika fa zaza voalohany.Na izany aza dia mila mitandrina koa fa izay ataonao rehetra aminao bevohoka io no ahazo ny zaza rehefa teraka hianao koa mila tonena kely aloha ny fo,hianao ihany koa dia mahafantatra hoe tena ilaiko ve io aloha amin'izao fotoana izao ? mila manontany ny dokotera koa fa tsy manaonao foana na mihaino ny torohevitra etsy sy eroa
raha resaka vahona sy tantely dia maro tokoa ny tombotsoa azo avy aminy ,ilay mangidy aloha dia mety afangaron'ny olona amin'ny odiny ilay izy fa ny anay dia esorina ny odiny fa somary madity fotsiny dia izay no antony asiana tantely azy fa tsy tena hoe mangidy be akory ,izaho mihinana tsy misy tantely ary voateliko ihany . Manasitra fery koa ny vahona toy ny vitamine E ,misy milaza aza fa raha sola dia osorana an'iny ka mampaniry volo,mbola tsy nanandrana aloha aho fa toy ny vitamina sy ny calcium ihany io tsy misy fihovana ny vatanao fa mety hoe itanao matanjaka fotsiny hianao na maniriy ny hoho ohatra ,dia toy izany koa ny vahona sy ny tantely

jereo fa misy hatramin'ny zava-pisotro vita amin'ny vahona,fanatsarana ny tarehy,vahona sy tantely afangaro dia osorana isaky ny maraina sy hariva rehefa avy sasany madio ny tarehy , misy shampoo koa fanasana loha sns izay vita avy amin'ny vahona

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1407