Tsy nandray ny fitiavana ny fahamarinana izay hamonjena azy

1. niryna ( 12/02/2009 06:30)
Ary dia haseho ilay tena mpandika lalàna, izay holevonin'i Jesosy Tompo amin'ny fofonain'ny vavany ary hofoanany amin'ny fisehoan'ny fihaviany;

9 ny fihavin'ilehiny dia araka ny fiàsan'i Satana amin'ny hery sy ny famantarana sy ny fahagagana mandainga rehetra

10 ary ny famitahana momba ny tsi-fahamarinana amin'izay ho very
, satria tsy nandray ny fitiavana ny fahamarinana izay hamonjena azy izy.

11 Koa izany no ampanateran'Andriamanitra fiàsan'ny fahadisoan-kevitra aminy hinoany ny lainga,
[/b]
12 mba hohelohina avokoa izay rehetra tsy nino ny marina, fa nankasitraka ny tsy marina.

15 Koa tomoera tsara, ry rahalahy, ka hazony ny fampianarana natolotra izay nampianarina anareo, na tamin'ny teninay, na tamin'ny epistilinay.

16 Ary Jesosy Kristy Tompontsika sy Andriamanitra Raintsika, Izay efa tia antsika ka nanome antsika fampiononana mandrakizay sy fanantenana tsara amin'ny fahasoavana,

17 no hampionona ny fonareo anie sy hampahery anareo amin'ny asa sy ny teny tsara rehetra.II Tesaloniana 2: 8-12


http://baiboly.org/toko.asp?boky=IITESALONIANA&toko=2&andininy=8-17&dika=asv

Inona no hevitra tiana ho fantantsika eto ?

(l) niryna
novalian'i niryna ny 22/02/2009 20:56
2. soanja ( 12/02/2009 07:44)
Mahafinaritra ahy sady inoako ity farany ity:

17 no hampionona ny fonareo anie sy hampahery anareo amin'ny asa sy ny teny tsara rehetra.

Ireo teny tsara ireo dia mitondra fanantenana ho an'ireo manam-pinoana ary manampy azy amin'ny fihoarana ny herin'ny ratsy izay mianjady amintsika manana ny nofo.
Andriamanitra dia tia antsika ary miezaka lalandava manoro antsika ny lala-mahitsy tsara arahina na avy amin'ny teniny na avy amin'ny zavatra tsapa andavanandro hitantsika sy hianantsika ary atrehantsika. Anjarantsika ny mahalala sy mamantatra fa misy ny safidy ary io safidy io no mitondra ny fiainatsika hiorohotra amin'ny tsara na ny ratsy. Ny Fanahin'Izy Tompo manohana sy manilo antsika amin'izany raha toa ka misy ny tahotra sy ny fisalasalana.

Enga anie ka arahin'asa ny fitiavan'Andriamanitra izay mafonja tokoa nomeny antsika rehetra.

"Ny fahazavan'i Kristy dia mamirapiratra manoloana ny masoko ary ny heriny mirindra mitantana ahy ao anaty haizina -ka na orambe mivatravatra na onja misamboaravoara aza tsy hahafolaka ny finoana mahery tsy hay tohaina mameno ahy -satria tiany aho. Sambatra aho manana ny Tompo fa tsy misy tahotra ny fiainako" Soanja
(l) (l) (l) (l)
3. xxx ( 12/02/2009 18:22)
niryna:

Ary dia haseho ilay tena mpandika lalàna, izay holevonin'i Jesosy Tompo amin'ny fofonain'ny vavany ary hofoanany amin'ny fisehoan'ny fihaviany;

9 ny fihavin'ilehiny dia araka ny fiàsan'i Satana amin'ny hery sy ny famantarana sy ny fahagagana mandainga rehetra

10 ary ny famitahana momba ny tsi-fahamarinana amin'izay ho very
, satria tsy nandray ny fitiavana ny fahamarinana izay hamonjena azy izy.

11 Koa izany no ampanateran'Andriamanitra fiàsan'ny fahadisoan-kevitra aminy hinoany ny lainga,
[/b]
12 mba hohelohina avokoa izay rehetra tsy nino ny marina, fa nankasitraka ny tsy marina.

15 Koa tomoera tsara, ry rahalahy, ka hazony ny fampianarana natolotra izay nampianarina anareo, na tamin'ny teninay, na tamin'ny epistilinay.

16 Ary Jesosy Kristy Tompontsika sy Andriamanitra Raintsika, Izay efa tia antsika ka nanome antsika fampiononana mandrakizay sy fanantenana tsara amin'ny fahasoavana,

17 no hampionona ny fonareo anie sy hampahery anareo amin'ny asa sy ny teny tsara rehetra.II Tesaloniana 2: 8-12


http://baiboly.org/toko.asp?boky=IITESALONIANA&toko=2&andininy=8-17&dika=asv

Inona no hevitra tiana ho fantantsika eto ?

(l) niryna

Tsy haiko aloha hoe inona ary no antony namoahan'i Nyrina io loahevitra io faraha amiko aloha ny fandraisana io dia somary mavesatra ihany izy io fa raha @ fahazoako azy dia iza @ ilay faha 8 aloha dia oe haseo ilay mpandika lalàna izay ahazo fanasaziana goavana de raha @ko manokana aolha araky ny fisian'ny mpitory tenin'ATRA maro dia izao maro @ izy ireny no milaza fa efa foana ny lalana tsy ilaina intsony izany efa t@ testameta taloha izany nefa ny filazany faminaniana dia ho fohanana izy ireny ka sakireo izay milaza fa foana na miova ny lalana , ny manaraka izany eo @ ilay faha 9 oe ny fiavin'ilay iny dia hery sy ny famantarana fahagagana mandainga , @ izao fotoana izao firy ny fiangonana milaza fa ato misy fanasitranana , famoahana devoly , faminaniana , etsetra moa ve ao anatin'ireo fiangonana na fikambanana ireo mba misogadina ary toriana ao ny lalan'ATRA feno tsisy miova ary tsisy banga izzy zao efa famantarana iray ary @ faha 10 dia mazava fa ho very izany olona sy izay voafitaka izany satria tsy ao ilay tena fahamarinana , ary @ faha 11 no tena enjana satria dia ATRA mihitsy no hampiditra fahadisoankevitra @ hinoany lainga rehefa tsy mino ny marina nambara t@ ary ho voaheloka izy satria tsy nety nino ny marina de diniho ilay faha 15 fa hoy izy hoe mitora tsra ianareo ka tazomy izay fampianarana natolotra anareo na t@ teninay na t@ epistilinay , maro ny epistily voasoratra ao @ bbl ohatra ny nosoratan'i Paoly izay somary sarotra nefa mila fandinihana tsara ka raha mamaky azy ianao dia ataovy tsinotsinona aloha ny tenanao fa ATRA jerena izy no avo indrindra ary teniny io vakiantsika io ary ny fanahiny no nirahiny hampanoratra ny mpanompony ary ny faha 16 dia milaza izy fa i Jesosy Kristy izay tiantsika izay nanome fampiononana sy fampanantenana zavatra tsara dia ny fiainana mandrakizay valisoa lehibe izany koa mahereza ary ô!

:wink: de ampy
4. Fody ( 14/02/2009 23:21)
xxx:
Tsy haiko aloha hoe inona ary no antony namoahan'i Nyrina io loahevitra io faraha amiko aloha ny fandraisana io dia somary mavesatra ihany izy io fa raha @ fahazoako azy dia.....

xxx avy eo:
maro ny epistily voasoratra ao @ bbl ohatra ny nosoratan'i Paoly izay somary sarotra nefa mila fandinihana tsara ka raha mamaky azy ianao dia ataovy tsinotsinona aloha ny tenanao fa ATRA jerena izy no avo indrindra ary teniny io vakiantsika io

Ianao ihany angamba ry xxx dia efa mahita fa manohitra izay voalazanao ianao.


Efa foana tokoa ny lalana mangenja sy manandevo ary niteraka tahotra ho an'ny olona. Efa noravain'i Kristy izany fa ny lalan'ny Fitiavana, izay manafaka ny tsirairay, no napetrany. Io lalana io dia tsy inona fa ny fampianaran'ny Hazofijaliana. Ary araka izay efa voalazan'i Soanja dia isany zava-dehibe amin'izany ny Fanantenana.

Raha te hahazo ny taratasin'i Md Paoly ianao dia ny misterin'ny hazofijalian'i Kristy dinihina.

Am-pitiavana be.
5. xxx ( 15/02/2009 15:47)
Fody a! hono hoa ireo apostoly ohatrandry paoly sy ry petera ve tsy nitondra ny hazofijalian'iKristy , ary aminao inona moa izany hazofijalian'i Kristy izany ary mba omeo aho hoe inona ary aiza no misy milaza fa foana ny lalana izany nomena ny mpino Kristiana :wink: de ampy
6. ikaretsaka ( 16/02/2009 00:00)
raha nitondra i ny hazofijalian'i Kty i Md Paoly sy Md Piera de tsy midika akory nge zany fa hhoe ho azonao ny misiteriny e
7. soanja ( 16/02/2009 00:59)
Manasa anareo aho hamaky ity Toko iray manontolo ity mba ho fanambarana fa sambatra isika manana an'i Kristy (ilay lalana sy fahamarinana ary fiainana) ho loharanom-panantenana, fanavotana ary fandresena. Miseho amin'ny alalan'ny Fanahy ny fisiany eo amintsika, eo ampovoantsika avy.
Ny mariky ny fitiavany sy ny fifanekeny dia nataony tombokase ao am-pontsika sy ao an-tsaintsika.
Ny lalana vaovao nomen'Andriamanitra antsika dia ny fanekentsika ny ran'ny Zanak'ondry ho mpanavotra antsika sy ho fitiavana tsy manam-petra.
Io no ny ran'ny fanekena vaovao.
Taloha ny fiaran'ny Fanekena no nisy ny lalana sy ny fomba entina hisehoan'Andriamanitra teo amintsika. Amin'izao kosa dia nalefany ho antsika ny Zanany lahitokana ary io no nitondra ny lalana vaovao dia ny fifankatiavantsika eo aminy.

Mifankatiava ao amin'ny Tompo fa Izy no fanilo hanoro anao ny fahamarinana mandrakizay.

http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=ROMANA&toko=8&dika=
8. Fody ( 16/02/2009 07:11)


xxx: Ny hazofijaliana ry xxx dia tsy inona fa FITAOVANA iray nentin'i Kristy namonjena antsika. Raha mibanjina an'io ianao dia hahazo ny dikan'ny hoe: FITIAVANA, FARA FITIAVANA... Io hazofijaliana io koa dia manampy anao hahalala fa tsy ny fahafatesana no tompon'ny teny farany fa ny FIAINANA.

Ilay toko sy andininy nangatahanao dia maro be ao anatin'ny baiboly ao, fa ity misy iray notsongaiko: http://baiboly.katolika.org/boky/Joany%20I/4:18
Aza adino fa ny lalana dia miteraka ny sazy sy tahotra, izany hoe: mangeja ny olona tsy ho afaka. Ny fitiavana kosa dia manome azy ny fahafahana tanteraka... " Mitiava marina tokoa dia ataovy izay tianao atao"...
9. ikaretsaka ( 16/02/2009 15:10)
io :wink:mbon-kevitra @ fody...
Fody>ary tianao mihitsy ny citation an'ilay rangahy avy any hippo iny a :}
10. xxx ( 16/02/2009 18:01)
Ka zany ne tsy diso ry fody e fa hoe fitiavana e ny fitiavana no hiantonan'ny didy rehetra ka io didy tazomin'ny fitiavana io inona io didy io , aery tsika moa eto miresaka ny momba ny lalana ka i Kristy dia nilaza any @ matio hoe tsy tonga aho hanafoana ny lalana fa hanatanteraka , ary tsy misy na tendrotsoratra iray aza ho foana @ lalana mandrampahatanterany , ny lanitra sy ny tany dia ho levona fa ny teniko tsy mba ho foana , ka tsy haiko hoe ahoana indray ary zany no hevitrao @ io sy ny fahazoanao azy
11. ikaretsaka ( 16/02/2009 18:23)
tsika moa eto miresaka ny momba ny lalana ka i Kristy dia nilaza any @ matio hoe tsy tonga aho hanafoana ny lalana fa hanatanteraka
ka @ alalan'ny inona sy ny fomba ahoana no nanatanterahany an'io?
-Amin'ny fitiavana :wink:
12. niryna ( 22/02/2009 20:56)
niryna:

Ary dia haseho ilay tena mpandika lalàna, izay holevonin'i Jesosy Tompo amin'ny fofonain'ny vavany ary hofoanany amin'ny fisehoan'ny fihaviany;

9 ny fihavin'ilehiny dia araka ny fiàsan'i Satana amin'ny hery sy ny famantarana sy ny fahagagana mandainga rehetra

satria tsy nety nandray ny fahamarinana izy dia omen'Atra fahefana satana ka ampiseho ny heriny amin'ny famantarana sy ny fahagagana rehetra izay lainga
niryna:



10 ary ny famitahana momba ny tsi-fahamarinana amin'izay ho very, satria tsy nandray ny fitiavana ny fahamarinana izay hamonjena azy izy.

11 Koa izany no ampanateran'Andriamanitra fiàsan'ny fahadisoan-kevitra aminy hinoany ny lainga,
ho an'ireo izay tsy mety mandray dia ho hamafisin'Atra ny fony ary dia fanantenam-poakaty no asehony amin'ny fahadisoan-kevitra diso sy lainga ary dia hino izany ireo
niryna:

12 mba hohelohina avokoa izay rehetra tsy nino ny marina, fa nankasitraka ny tsy marina.
dia io mivandravandra io ny fanazavany fa ireo izany tsy mino ny marina dia hoheloin'Atra avokoa .hmmm loza izany raha manamafy ny fontsika isika ka tsy mety mandray ilay tenin'Atra dia ny famonjena izay nomena antsika avy amin'ilay Zanany malalany Jesosy kristy
niryna:

15 Koa tomoera tsara, ry rahalahy, ka hazony ny fampianarana natolotra izay nampianarina anareo, na tamin'ny teninay, na tamin'ny epistilinay.
dia aza kivy na ketra na miahiahy ,mino fotsiny ihany an'ilay kristy,sokafy ny fonao mba hidirany ,manatona azy ary dia anatona anao koa izy,tazony hatrany ny fampianara izay nomena antsika,ataovy ny fandalinana ,vakio ny baiboly fa io no ampinga lehibe mampianatra antsika andeha amin'ny fahamarinana sy hivily tsy andeha ho any amin'ny maizina,ny fanontaniana dia hoe moa ve manaiky an'i kristy ho tompo sy mpamonjy aho ?
niryna:

16[b] Ary Jesosy Kristy Tompontsika sy Andriamanitra Raintsika, Izay efa tia antsika ka nanome antsika fampiononana mandrakizay sy fanantenana tsara amin'ny fahasoavana,

17 no hampionona ny fonareo anie sy hampahery anareo amin'ny asa sy ny teny tsara rehetra.II Tesaloniana 2: 8-12

aleloia ,ho derana mandrakizay anie ny anarany masina

http://baiboly.org/toko.asp?boky=IITESALONIANA&toko=2&andininy=8-17&dika=asv




© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.092