ny fanodikodinana zaza tsy ampy taona

1. mimihani ( 10/02/2009 06:01)
slt.mba te hahazo information ny @detournement de mineurs azafady oe inona avy no mety ho causes,consequences d solutions possibles @ankapobeny.
merçi d'avanS :D
novalian'i mion ny 06/03/2009 13:34
2. mamanzain ( 10/02/2009 23:27)
betsaka ny antony mahatonga ny olona hanodina zaza tsy ampy taona. ao ny filana ara-nofo, ao koa ny ara-bola, ao koa ny diso fidirana loatra amin'ny fiainana iainan'ilay zaza tsy ampy taona ka lasa mampirisi-dratsy azy amin'ny zvt tsy dia tsara ho fantatra. amin'ny fahafantarako azy manko tsy ny misipa sy miara-mandry amin-jaza tsy ampy taona ihany no manodina azy fa na dia mamporisi-dratsy azy koa aza dia efa izy.
ny voka-dratsy amin'io tranga io dia maro, santionany amin'izany ny fahasimban'ilay zaza, ny fiatahany tanteraka amin'ireo radniny sy ny fiheverany fa mety hahavita azy ilay olona manodikodina ny sainy, fifamaliana eo aminy sy ny radniny, fialana eny antenantenam-pianarana, fitorian'ny rad ny zanany ka mampisara-bazana tanteraka ny andaniny sy ny ankilany,fiterahana aloha loatra, fahadisoam-panantenana ho an'ilay zaza raha tsy mifanaraka amin'izay nandrandrainy ho vokany no mitranga, famonoan-tena... betsaka tsy ho hary voatanisa e!
ny fiarovana ireo tsy hitranga dia ny fanaraha-maso ny zanaka tsy hibirioka ary ezahana ny mba hiarahana aminy rehefa malalaka, tena mila manamboatra fotoana manokana iarahana aminy. ezaka tena tsara atao koa ny mamantatra ny namany, ny fombany, izay zvt tiany na ny film jereny. ny tena marina ny zaza tsy ampy taona matetika miala sakana ka sarotra ny mitondra azy. eo amin'ilay fotoana mahamafy loha azy manko izy eo ka tsy mahafehy tena sy tsy mahalala izay hahavoa azy.ary na izay teny marina atoronao azy aza indraindray rehefa sendra ny ankizy adala ataony toy ny tsy marina. aleo misoroka toy izay mitsabo e. dieny mbola kely ny zaza dia tezao tsara fa rehefa tsara taizanao sy tsy mirohoroho saina amin'olon-kafa izy tsy hahafoy anao sy ny hevitrao ka ho sarotra amin'ny olona avy any ivelany ny hanodikodina ny sainy. tsy dia tsara ihany koa ny mametraka ny zanaka aman'olon-kafa ary raha tsy maintsy hanao izany dia mba tena olona azo antoka no ametrahana azy.
3. mion ( 06/03/2009 13:34)
Gadra 10 taona miampy lamandy 20 millions d'ariary ny sazy mafy indrindra raha tratra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6862