Ny kiakiakam-poko

1. rabilabila ( 09/02/2009 21:07)
Lavitra ny tenako , eny tena lavitra ;na izany aza dia:

Marary ahy ny Taniko !! Malahelo anareo aho ry mpiray Tanindrazana amiko!!

-Ianareo namoy ny ainy nohon'ny fahantrany ara-tsaina nohon'ny tsy fianarana sy ara-batana ka nataon'ny sasany ,izay manamanana sy tany an-tsekoly ,saribakoly nampiasaina tamin'ny fahavelony ,ary mbola ampiasaina amin'ny fahafatesany .Indrisy!!

-Ianareo maro an'isa izay feno fahatezerana ( fa tsy fankahalàna ) noho ny zavatra nitranga , ka miandrandra ny hitsaharan'ny horohoro .

-Ianareo maro an'isa tena efa niandrandra ny taona 2012 hanehoany ny heviny amin'ny alàlan'ny fifidianana.

-Ianareo mahantra niandrandra marina , tam-boalohany , ny fitakiana ny "demokrasia" amin'ny alàlan'ny fihetsehana an-dalambe kanefa dia nahodin'ny sasany ny feony nikiakiaka ny fijaliany ho fitadiavan-toerana .

-Ianareo mpianatra , mpampianatra , olontsotra ,zaza amam-behivavy manantena fihovana amin'ny hoaviny amin'ny ady amin'ny fiainana isan'andro ,kanefa dia nokapain'ireo mpitondra sy ireo te-hitondra izany fanantenana izany nohon'ny ambon'izy ireo diso toerana loatra .

-Ianareo izay mba te-hanorina ny harenany amin'ny alàlan'ny sandriny kanefa dia nobahanana nohon'ny fitiavan-kelin'ny sàsany ( monopole).

-Ianareo tsy mba nangalàna hevitra akory amin'ny mety sandry ho-enti-mangady sy mamboly ,kanefa dia tsikombakombaina mangingina ny harenany fa mitady holovain'ny hafa .

-Ianareo izay miady mafy tsy hahavery ny tanin-dRazanareo, ny tany nandevenana ny tavoninareo , ny tany ilevenan'ireo Razanareo ,...................

-Ianareo izay lavitra renivohitra ,ka tsy mba mahafantatra akory ny tena marina ,ary ampiasaina nohon'ny fahabadoanareo ( izay iniana tazomina ),satria ianareo no maro an'isa.

-Ianareo ................................................................................

Ezahiko ho baikon'ny saiko ny foko mba tsy hiala ny hatezerako , ary hisinda ny alaheloko fa marary aho , MARARY AHY NY TANIKO .

Rabilabila
novalian'i andrywui ny 10/02/2009 09:54
2. Andribe ( 09/02/2009 21:23)
aoka aoka rabilabila fa efa be loatra izay ranomaso raraka izay fa dia samy mionononompoana eny isika ee :cry: :cry: :cry:
3. tsiafoi1 ( 10/02/2009 07:26)
Vahotra ny tanako
Mijohy ny ranomaso....
Malahelo aho ry taniko
Ka te hitroatra, te hikiaka!
Nahoana loatra re?
Endrey izato ianao,
Ry Iarivoko, tsy foiko
Zary rotika sy potika!!

Noho ny ady politika,
Noho ny ady seza ihany,
Tsy fitiavan-tena ve izany?
Mahavaka zany fo
Ny mibanjina anao
Feno hadalana
Miady, mifandrotika!!

Etsy andaniny ny hafa,
Milofo sy mikendry,
Ireo harena miavosa
an-kibonao ry taniko;
Tsy tsapantsika akory
Ilaozantsika miady,
Miady, mifandramatra!

Ny iray milofo hanangana!
Ny iray milofo handrava!
Mahantra enao ry taniko
Tsy ekeko enao ho rava!
Tsy EKEKO!
F\'aleo aho hiankohoka
Hiantso an\'Andriamanitra
\'Lay HERY izay TSITOHA
JEHOVAH Andriamanitra...

Ray ô! Mitalaho, Mifona
Mifona eh! Mifona re ry Ray,
Ho an\'ireo Mpitondranay...,
Ho anay vahoakanao...,
Mitalaho FAMINDRAMPO,
Ny Herinao Tsitoha,
No irinay hampitsahatra,
\'Reto Rivotra mpandrava....
4. xxx ( 10/02/2009 09:00)
REHEFA NY FILOHA …


Rehefa ny Filoha mitondra Firenena
no hita fa maranitra
sy manam-pahendrena …
isaorana Andriamanitra !

Fa azo sokajina tsy an-kiambatrambatra
ho Firenena sambatra
izay Firenena izay
fa manan-tsolon-dRay.

Satria dia tsy hihahaka
fa manana mpitarika azo alaina tahaka
izay vahoaka entiny
mahita ny firentin’
ny fanetreny tena
sy ny herim-po asehony anaty Fahendrena…

Satria ny Fahendrena
finiavana hietry mba hitomboan’ny hafa ;
Satria ny Fahendrena
fetezana hihaino, fetezana hitafa ;
Satria ny Fahendrena
fahaiza-mankatelina ny ezaky ny namana ;
Satria ny Fahendrena
fahaiza-mitsinjara ny kely am-pelatanana ;
Satria ny Fahendrena
fiainana isan’andro ny androm-pamafazana ;
Satria ny Fahendrena
Fitiavan-Tanindrazana.

Rehefa ny Filoha no manana Fitiavana
fa nahavoatra fo handraisana ho Havana
ny olona rehetra,
ho namany hitsetra
amin’izay hitserany,
hiarahany hisetra
ny onja tsy anerany,
ho namany hijaly
amin’ny fijaliany,
ho namany hifaly



amin’ny fifaliany…
dia tsy hanana fandavana
fa hanana finiavana
hiasa ny vahoakany,
ny dininy ho voafaokany
tsy an-kiferinaina
na lavitra ezaka aza ny tanjona andrandraina.

Fa…
rehefa ny Filoha no ambonina loatra
na manambony tena,
adalam-pahefana ka dia mampiasa mihoatran’
izay nifanekena,
dia mihamitombo harena
“satria” ny Firenena
dia “hoe” an-katerena,
rehefa ny Filoha
no mihinana isan’andro ireo hanim-pito loha,
kanefa ny vahoakany dia zara raha mihinana,
izay mba mahita hohanina,
mahantra fitsimbinana,
manao sangodim-panina
anaty tsy fisiana,
domelim-pahoriana
ary efa ivongadian’ny kitrom-pandohalihana,
tsy manan-kitodihana,

rehefa ny Filoha no tsy mihaino intsony,
manentsina tadiny
n’iza n’iza hamoaka ny hetahetam-pony
sy izay mba faniriany,
ka tsy mahita intsony
ny fahorian’ny hafa,
dia tsy ho hita intsony
hiarahana mitafa

dia hanahoana ny aminy ?...

Fa hanandrify rahona ny làlana halehany
satria tsy ho voalaminy
ireo karazan-tsampona hameno izay hiherehany…
Dia tsy ho tafandry mandry
satria tsy maintsy miandry
ny ora sy minitra
hipoiran’izay hery, ambiny tsy ritra,
tsy laitran’ny tsy fidy izay nampipitrapitra
ny mason’ny vahoakany,
rehefa injay hitobaka ny fatran’ny kapoakany…
ka asa izay havoakany !!...

Rehefa ny Filoha sy ny eritreri-dreriny
no alaim-panahy hanampatra ny herin’
ny afom-pisafoakany
sy ny hamafisam-pony
amin’ny vahoakany
manjary tsy azy intsony,
dia azo vinanina ny zavatra hitranga
tsy maintsy ho fiarafan’izay tia milangalanga
kanefa ratsy tohana,
rehefa an-tanan-dany ny hery niantohan’
ny olona voavidiny
ny hoavin’ny safidiny,
na, sanatria, miofo…

Dia mbola ho voaporofo
indray sy soa aman-tsara
ny marina efa marina voamarin’ny tantara
hatramin’ny taloha,
isaky ny misy vahoaka tafafoha :

“FANOLO NY FILOHA” !

NARY Njato ( na R.H.A. NARY)
Mey 1991

5. andrywui ( 10/02/2009 09:11)
angaha tsy nanao versets biblik tsony ra Tsyafoi mpamono olona ?? lasa nivadika tonokalo ndray ?? mpivavaka masirasira !! mahafinaritra azy hono ny mahita ny olona miala aina !!!
6. tsiafoi1 ( 10/02/2009 09:28)
Andrywui a! : Aza miampanga
Fa tsy hitondra fifaliana
Ny aina zay milatsaka!....

Fa saingy izao kosa,
Tsy ho nisy toy ireny...
Raha toa nihaino anatra,....
Razandry TGV!

Aleo ny Tompo no hitsara e!
F'aza lany andro miampanga!
7. andrywui ( 10/02/2009 09:54)
tsy miapanga anao aho ry Tsyafoi fa vao nitranga le vono olona de ny nankasitraka andra8 no nataonao nefa tsy doctrine ny fijerinao tato hatramzay ny famonoana olona sy rà latsaka de gaga aho oe !! ankasitrahanao ve zany ireny !! fa izao enao vao nanao neutre ! n c p
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0451