Ny firenena eran-tany mihitsy no mijaly

1. niryna ( 03/02/2009 17:37)
Raha mihaino vaovao isika dia saika feno fahantrana ,fahabibiana,fahoriana,mosarena ny firenena eran-tany:firifiry no tsy manana asa? firifiry no mihamahantra? firifiry no mamoifoa fa tsy mahazaka ny onjam-piainana? firifiry ny trano no atao la vente fa tsy mahatakatra ny mortgage andoavana ny trosam-panjakana hanefana ny trano ?
Zaraiko ireto vaovao ireto

1- orin'asa iray ihany no niasan'izy telo mianaka ary dia niaraka voaroaka izy ireo rehefa tonga ny fandroahana mpiasa ...ndryy

2- noho ny onjam-piainana dia novonoiny ny zanany telo mianadahy ,dia notofiriny ny vadiny ary dia namone tena koa izy,nivavaka ho an'io fianakaviana io izahay tao am-piangonana tamin'ny alahady lasa teo

3- allaivo ny zanakay hoy izy mivady fa tsy velonay intsony: zaza enina no nalain'ny fanjakana ho tazaina sy omena sakafo fa tsy miasa izy mivady

4- milahatra adin'ny roa mahery ireo olona tsy an'asa mangataka fanampiana amin'ny fanjakana isan'andro isan'andro ary nitombo ho 50 % izay olona mitady fanampiana izany

5- nanala mpiasa ity orin'asa,ny namany nandao azy,ny dadany marary tsy afa-miasa,ny tranony amidy fa tsy voaloha intsony ny vidiny izay natao traite,ny reniny sisa no miasa kanefa tsy maharaka ilay karama kely ...ndry ,namana tonga tato an-tranonay izany omaly ....ary tena mampalahelo ny mijery azy ,tsy nisy azo natao fa dia mivavaka ho azy sisa sy mampahery azy mba anankina ny fiainana amin'Atra ary mba itady asa,soa ihany fa mba afaka manampy ny fanjakana

Ireo rehetra ireo dia mianjady ny firenena rehetra ihany koa ,mety tsy mitovy fa samy hiaran'ny fahoriana sy tebiteby avokoa isika rehetra .

Ankino amin'i Jehovah ny lalanao,aza manankina ny fiainanao ny fahalalanao amin'ny tenanao irery ihany,amin'izay rehetra ataonao dia mahatsiarova aza ary maneke fa Izy no loharanon'ny fiainanao,mino Azy ,apetraho eo am-pelantanany ny ho avinao rehetra ary maneke Azy ho mpitantana ny fiainanao.Fa izay rehetra miankina aminy dia ahita fanantenana tokoa.Mety mijaly isika,mety matahotra kanefa hoy izy hoe "tsy ahafoy anao aho ary tsy amela anao ho irery " Enga anie ka samy anantona azy avokoa isika rehetra,ny firenena izay mbola tsy nametraka azy ho tantanany .


**** hafatra : na dia mafy toa inona aza ny fiainana dia fadio ny manary toky ***
Mba afaka mizara koa ve hianao ?

(l) niryna
2. ikaretsaka ( 03/02/2009 17:50)
Avy namaky wachtower indray madama fa notongavan ilay 2 mitety varavarana ireny :^)
3. lemenakely ( 03/02/2009 19:40)
ikaretsaka:

Avy namaky wachtower indray madama fa notongavan ilay 2 mitety varavarana ireny :^)



ha ha ha! :-D
4. xxx ( 03/02/2009 19:51)
Za klou raha resaka kàly dé tsy mizara mihintsy aho satria tsy fantatro ny toe-pahasalaman'ny olona mangataka , lo! 8O 8O
5. bor2lais ( 04/02/2009 17:58)
Misaotra an\'i Niryna nizara ...

Hoy ianao hoe :

\"2- noho ny onjam-piainana dia novonoiny ny zanany telo mianadahy ,dia notofiriny ny vadiny ary dia namone tena koa izy,nivavaka ho an\'io fianakaviana io izahay tao am-piangonana tamin\'ny alahady lasa teo\"

-> Io toe-javatra io amiko no hitako mbola mampiavaka ny olona manana an\'i Kristy ! Manana ilay fiadanana tsy hain\'izao tontolo izao omena !
6. niryna ( 09/02/2009 18:21)
ikaretsaka:

Avy namaky wachtower indray madama fa notongavan ilay 2 mitety varavarana ireny :^)

o ry toi a,sao dia lazain'i toi fa dondrona daholo aza ny olona no tsy ahalala ny wachtower ? ha,ha, angaha aho mamaky kristal miaraka aminao ? fa toa tsy fantatrao fa an'i temoin de jehovah anie ny wachtower e,sa rehefa tsy mahita havaly sy lany lainga amin'ny maha anti-chist anao hianao dia izay no fara-teny =))=)) dia ny tena no menatra hoy aho
Aleo aloha averiko indray mba ahatadidy toi fa toa efa very fitadidiana sahady =))

Re : Iza Atra ? Ireo finoana 17 samy manana ny ATra-ny
Ireto avy ary izany ary Izay mba mahalala dia afaka mizara e


Ireto avy ary ireo finoana samy hafa : mety ho hafa koa angamba no filaza azy @ teny hafa ..

Jehovah witness na Temoin de Jehovah - Mormonism - Unification Church- Christian Science- Unity School of Christianity- Islam na Silamo-Nation of Islam- Baha'i World Faith- Judaism-Hinduism-Hare krishna-Transcendental Meditation-Buddhism-Nichiren Shoshu Buddhism--Wicca-Scientology - New Age ...raha mbola mahita moa dia raisina an-tanandroa .


Iza no namorona azy ,oviana izany ?
Inona no boky am-piasainy na ny anarany hoentiny ?
Aminy Izy Atra ?
Iza i kristy ?
Iza na mino ny Fanahy masina ve izy ?
Inona no atao mba ahazoana famonjena sa tsy mino izany ?
Inona no mitranga aorian'ny fahafatesana sa tsy mino an'izany ?
Dia ahoana no fampiharana izany finoana izany @ fiainana andavan'andro ?

ka mbola ho tohizako ireo karazana fivavahana sa matahotra ny ipoitra ny marina dia tapenana foana ny domy ?
na inona indray ataonao na inona anakanana ahy ijoro ilaza ny fitiavan'ilay kristy dia tsy mahasakana ahy na oviana na oviana hianao ...God is with me,with us ... You can not steal our joy =))=))
na inona ataona na inona .miaraka amiko Atra ,miaraka ireo mpizara ny tenin'Atra izy ka tsy afaka ny angalatra ny fifalianay sy ny fahasoavanay hianao,tadidio mandrakariva izany ,fahaizana ,mety manana angamba fa fahendre 0 ooops fahendrena inona moa izany ?
fa ny fatahorana an'Atra no voaloham-pahendrena ,raha matahotra an'Atra tsy ananga-tsaho sy itarika ny olona ho mpanakorontana ny fanjakan'Atra
Sorry ra havako fa ny marina hoy aho mandratra ho an'izay tsy te aheno ilay fahamarinana dia ilay fitiavan'i kristy ho an'izao rehetra izao izany ,ilay kristy izay Atra ,ilay kristy izay loharanom-pamonjena ary ilay kristy izay toriko eto foana ka enjehinao Izy ,tsy izaho anie ry toi no enjehin'i toi e,efa aty amiko daholo ireo zaraiko ireo fa ilay teniNy mihitsy no mitady ho sintomin'i toi any anaty lavaka hiaraka rendrika amin'i toi
sorry ra ika
7. niryna ( 09/02/2009 18:36)
ikaretsaka:

Avy namaky wachtower indray madama fa notongavan ilay 2 mitety varavarana ireny :^)

ary toy hianao mamaky crystal io aza manana Atra hafa kanefa hianao milaza fa Jesusist toa teny avy amin'ny Jesus no nalainao kanefa fanenjehana azy no feno ato amin'ny sera ? ireo izay mitory Azy dia toy ny liona mierona hianao ka mitady izay arapaka ....... dia mamaky ny crystal ,teninao io , miaraka ny dadarabe sy ny mpisikidy ha,ha ... tsy misy hidirako fa miteniteny foana hianao dia averiko aminao ny teninao
raha ataonao hoe namaky wachtower aho inona moa no olana amin'izany ? fa ilay filazanao hoe temoin de jehovah aho dia diso tanteraka tompoko ka averino any aminao ny eritreritrao fa 0 mana-tody
http://forum.serasera.org/index.php?rub=dinika/message&msgid=m4924607893953
dia averiko indray fa tsy temoin de jehovah ary ry ika ary averiko aminao eto indray ireo finoan'io temoin de jehovah io ka aza manendrikendry raha tsy manana porofo fa porofo amin'ny fivavahana omena fa raha zavatra tsy misy angamba na hianao iteniteny foana aza mba omena ihany hmmm

Tato anatin'ity sujet ity io no nalaiko ary averiko indray a

Ireto aza no mba zavatra fantatro mikasika ireo temoin de jehovah
voalohany indrindra aloha dia izaho mino an'i kristy ho Atra ,ry zareo tsy mino Azy ho Atra ...... tsy ho voatery hanamporofo an'i kristy ho tompoko sy ho mpamonjiko aminao koa aho anefa fa mizara fotsiny, mandray hianao arahaba soa tsy mandray moa dia efa ela tokoa izay ka anjaranao sisa mmmmmmm

Jehovah's witnesses na Temoin de Jehovah



Iza no namorona azy ,oviana izany ?

Charles Taze Russell ( 1852-1916) taty aoriana Joseph Rutherford ( 1869-1942) dia nanomboka 1879 no nanomboka Pennsylvania ..ny foibe dia any Brooklyn ,New York .

Aminy iza ATra ?
Atra dia iray ihany (one person God) Jehovah . fa tsy trinity na Atra telo izay iray. Kristy no olona nataon'i Jehovah voalohany indrindra



Inona no boky ampiasainy na ny anarany hoentiny ?


Ny boky aeliny dia ny watchtower ary manana baiboy izay (New World Trasnlation ihany ) ,Reasoning from the Sriptures,You can live forever in Paradise on Earth .Watchtower and Awake! ireo no karazana magazines z arainy.


Iza i kristy ?
Kristy dia tsy Atra .Talohany niainany tety an-tany dia anjely Michael.Atra na Jehovah dia namorona ity tontolo ity avy aminy. Tety an-tany dia olona niaina tao anatin'ny fahamarinana izy ( he was a man who lived a perfect life) .
Rehefa maty izy izay tsy teo amin'ny hazofijaliana fa teo amin'ny tsato-kazo na (stake not on the cross) dia nitsangana tamin'ny maty ary ny vatany dia potika (his body was destroy) .Kristy dia tsy ho avy izany satria efa tonga tety an-tany izy ary tsy nisy nahita (invisible) tamin'ny taona 1914 ary ara-panahy fa tsy ara-batana. Tsy ho ela ihany hoy ireo Temoin de Jehovah a dia ho avy izy hiaraka ny anjeliny ary dia andripaka ireo rehetra tsy Temoin de Jehovah .

Averiko indray fa ireo no filazan'io finoana io an

Iza na mino ny Fanahy masina ve izy ?
Tsy manana toetra mahaolona ny Fanahy masina (impersonal) amindry zareo ary tsy Atra ihany koa (not God) fa kosa dia tsy hita maso ary manana hery avy amin'ny alalan'i Jehovah

Inona no atao mba ahazoana famonjena sa tsy mino izany ?

Atao batisa toy ny hoe ao amin'ny Temoin de Jehovah ohatra.Ireo olona mpanaradia io fivavahana io dia tsy maintsy miasa amin'Atra mandritra ny fiainany ary mitety varavarana (door-to -door) Ny famonjena dia voafetra ka ireo 144,000 dia ireo izay namasinina (anointed ones) .Ary efa tratra ireo isa ireo

Inona no mitranga aorian'ny fahafatesana sa tsy mino an'izany ?
Ireo 144,000 dia hipetraka any an-danitra (heaven) ary ireo Temoin de Jehovah ireo olona ireo.Ny rehetra kosa dia hijanona ety an-tany ihany dia ireo olo-marina hafa izany ary tsy maintsy manaja sy manaraka ny sitrapon'Atra mandritra ny 1,000 taona

Dia ahoana no fampiharana izany finoana izany @ fiainana andavan'andro ?

Mamaky ireo ireo baiboly na magazines maro na tracts maro eo ambony ireo (watchtower bible ) ary dia mihaona ao amin'ny kingdom Hall fa tsy any am-piangonana.Mila mandray anjara amin'ny fizarana ireo tract ,mitety varavarana mizara ny tenin'Atra .Mandray kominio na ny fandraisana ny fanasan'ny tompo indray mandeha ao anatin'ny herintaona ary ireo olona izay olona efa voafidin'Atra ihany (anointed ones) .
Tsy mankalaza ny karazam-pety rehetra izy (do not observe holidays) na ny fankalazana ny andro nahaterahana (birthday) tsy mahazo mifidy (do not vote) ary tsy mitoraka salut ny sainam-pirenena (not salute the flag) ,tsy mandeha manao miaramila ary tsy manome ra rehefa misy olona marary ka mila transfusion ..

izay no mba fantatro ka zaraiko anareo
mbola hitohy
8. ikaretsaka ( 09/02/2009 19:35)
ary tao izy matoha nahalala an 8)
9. niryna ( 11/02/2009 17:28)
ikaretsaka:

ary tao izy matoha nahalala an 8)

=))=)) hi,hi

10. ikaretsaka ( 12/02/2009 01:03)
Momba ilay mamaky cristal sy manandro...
Inona moa ny nojeren'ny majy ry niryna? Ary inona no nambaran'i jesoa ao @ lioka 21:25 ao?
Mba valio azafady
11. niryna ( 26/02/2009 15:23)
ikaretsaka:

Momba ilay mamaky cristal sy manandro...
Inona moa ny nojeren'ny majy ry niryna? Ary inona no nambaran'i jesoa ao @ lioka 21:25 ao?
Mba valio azafady

voalaza ao anaty baiboly angaha ny cristal ry ika tss rehefa diso dia diso ry toi a,rehefa miteny Atra hoe aza manana andriamantry hafa dia tsy mila cristal sy dadaRabe izany fa aza be kirina ,tsy izaho anie hoy aho mantsy anao foana no toherinao fa Atra e. Ny ahy vita ihany ka II Tes 2
9 ny fihavin'ilehiny dia araka ny fiàsan'i Satana amin'ny hery sy ny famantarana sy ny fahagagana mandainga rehetra


10 ary ny famitahana momba ny tsi-fahamarinana amin'izay ho very, satria tsy nandray ny fitiavana ny fahamarinana izay hamonjena azy izy.


11 Koa izany no ampanateran'Andriamanitra fiàsan'ny fahadisoan-kevitra aminy hinoany ny lainga,
12 mba hohelohina avokoa izay rehetra tsy nino ny marina, fa nankasitraka ny tsy marina.


Ary hoy ny soratra masina koa hoe
14 raha ny oloko izay nantsoina tamin'ny anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin'ny ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hanasitrana ny taniny.

ary dia mitaona anao amin'izay ary aho ,miverena fa miandry anao Kristy
Enga anie mba ho fantatrao amin'izay ny tiako ho tenenina :-* :-*
12. ikaretsaka ( 26/02/2009 16:01)
ny crystal dia part an'ny astrology ..jereo ny momban'ny Mazaroth ao anaty baibolinao..

aza ze tsimpona mahafinaritra i sy izay metimety @ tenanao sy ny fisainanao hany hoa no tsimponina fa manjary tsy Atra intsony no inoanao fa ny tenanao
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0793