Efa Président mibaiko vé ahagaga raha tsy Maire ?

1. penguin ( 03/02/2009 15:06)
Izaho no mibaiko ny Ministera rehetra hoy ny TGVé koa misy Maire hibaiko firenena iray manontolo vé ééé ? Madagasikara no tanjony ka tsy mahagaga raha tsy ho Maire-n'Antananarivo ny lehilahy.
novalian'i penguin ny 04/02/2009 06:04
2. tataka ( 03/02/2009 15:08)
Kay mbola maire izy ka. NyHasina koa mbola ao @ Mairie izay avy niasan'ny dadany. Hehehehehe =)) =)) =))
3. Noue ( 03/02/2009 15:19)
tokony mba nisaina kely oa izy eee! nandefitra be taminy i ravalo hatramy voalohany nefa dia mbola notohizany ihany ny redirediny tssssss ! firenena misy mpitondra ara-dalana io fa tsy fanjakan'ny baroa akory eee
4. tsiafoi1 ( 03/02/2009 16:13)
Mailo ihany aloa na izany aza, fa sao oditr'akondro zany! Diniho lalina fa ny fahavalo anie tafiditra an-trano e!
5. MANAKASINA ( 03/02/2009 17:40)
mbola iteny koa io tgv io hoe "ranomasina ny valapariko " nefa mety eo @ ranon'anosy izy no mikabary , aleo iteniteny foana eo e!
6. penguin ( 04/02/2009 06:04)
Efa io no dikan'ny filazan'ny TGVéndrana hoe "Izaho no mibaiko ny rehetra". Mamporisika ny olona hifamono no endrika handravana fitondrana ka rehefa manaiky hifamono sy hifanenjika moa ny vahoaka Malagasy dia ny vahoaka ihany no hifandimby handevina satria mbola ny vahoaka aloha no halevina hatramin'izao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0493