Mila compromis vitsivitsy hamahana ny olana.

1. xxx ( 31/01/2009 16:47)
Tokony handray fanapahan-kevitra i Ra8 ,ny @ mandat n'i Andry @ maha maire azy , tokony ho alatsaka senateur temporaire izy ,ary handravina ny zavatra hitany fa tsy nety sy tsy nampandeha ny toe-karena malagasy .Asaina manao epreuves de bonne foi et de bonne gouvernance izy mandritra io periode io .Dia ho hita eo ny vokany. Izay angamba no tena tadiaviny.
2. Herimiafina ( 31/01/2009 16:49)
Raha ny fijery azy tsy izay no tadiaviny fa tena korontana mihintsy, ny rapport ny attaché à la defense-ny ambassady amerikana fotsiny no teneniko anao hoe mi-juger an'i TGV ho tsy manana bonne foi amin'ny négoce. (source confidentielle). :^)
3. xxx ( 31/01/2009 17:01)
Ka mbola mety miandry moment propice angamba ilery fa raha ny fijeriko azy dia sady tsy an-tany tsy am-parafara izy izao ,ka tsy maintsy miaro tena @ ambaidainy rehetra.Meteza eo @ toerany dia meteza koa eo @ toeran' ny Pr. R8 .
4. badboy ( 31/01/2009 17:06)
F'angaha moramora izany manongana mpitondra izany!! Tsy maintsy mitandrina izy satria efa hitany ny nitranga t@ Lecacheur sy ny hafa maro tsy voatanisa!!

Tsisy vahaolana ho an'i Andry ankoatry ny tetezamita satria raha miova hevitra @ izay izy dia tsy ho lasa lavitra ary ho potehindRavalomanana tahaka ireo maro teo aloha!! :-* :-* :-*
5. xxx ( 31/01/2009 17:11)
Betsaka ny azo atao @ situation ohatr'izao ka ,maninona moa raha alefa any ivelany mandritry ny fotoana vitsivitsy izy handinihany ny zavatra niseho ? na alefa manao mission protocolaire atsy afrika ohatra ?
6. badboy ( 31/01/2009 17:14)
Izy ange maire fa tsy azo @ fitondrana eh!! Samihafa be!! Ary ny tanjony dia ny hanova io fitondrana io!! Raha vao hoe miala ao Dago ao izany dia exil pôlitique ny dikany!! Noho izany efa tongotra mby andakana ny azy ka tsy afamiverina intsony fa dia tsy maintsy manatanteraka ny heviny hatr@ farany!!! :-* :-* :-*
7. Herimiafina ( 31/01/2009 17:24)
Raha ny fijeriko ny zavatra teneninareo eto izany dia tena tia tena mafy sy tsy miheritreritra afatsy ny tenany ileiry ka tsy raharahany izay hanjo izay miaraka aminy fa ny rambony ihany aloha no harovany, sa tsy izay? :-D
8. xxx ( 31/01/2009 17:25)
Raha tena manampinoana ny @ izany tanjona izany izy dia tokony ahafantatra sy hahay ny @ atao hoe diplomatie internationale .Tokony hihaina izany izy aloha ,primordial io.fa sao dia lasa ohatr'i ny empereur bokassa no hiafarany .Ary raha alefa atao ambassadeur indray ary izy dia ahoana ?
9. Herimiafina ( 31/01/2009 17:29)
Fa inona no tena olana izao e? Ny revin'ny vahoaka sa ny revin'i TGV? :^)
10. xxx ( 31/01/2009 17:36)
Herimiafina ,tsy azoko ny tianao ho ambara @ izany ,ny olana dia ny firenena .Tsy resaky ny didin'ny matanjaka akory no handraisana fahefana fa ny fahametrehan-tena sy fahatsapana ny zava-manahirana manoloana ny olana rehetra tsy ankanavaka.
11. Herimiafina ( 31/01/2009 17:42)
Izao izahny no tiako hiaviana e!
Be loatra ilay principes tsy amin'ny toerany amintsika malagasy.
Safidin'ny vahoaka no dradradradraina etsy sy eroa, vahoaka etsy vahoaka aroa, kanefa mbola eo ihany ilay hoe, maty aho raha izao no ataoko, tsy hanao an'ity aho fa sao voa-dravalo, sns. Oainina be aho raha hanao negociation, sns.
Donky, tsy safidimbahoaka fa safidin'ny tenany irery ihany ny tsy hanao negoce.
Ny negoce anie tsy midika koa hoe tsy hangataka tetezamita izy na hijanona ny hetsika rehetra nataony e.
Fa ny fahitako azy tsy siora à 100% amin'ny zavatra ataony izy, tsy convaincu tsara. Izay mbola mety hanamarina ilay théorie de complot aparitaka ohatry ny intox amin'izao io hoe misy olona ao ambadik'izao! Speculation ihany io :^)
12. xxx ( 31/01/2009 17:53)
Azo atao tsara ny maminavina izany situation rehetra izany ,saingy raha resaka complexe d'oedipe personalisé no hitsarana ny mpanao politika rehetra dia tsy hahavita firy @ izany ianao satria maro be loatra izy ireo ra herimiafina .Tsy maintsy manadio tena @ kilemany manokana miafina ny olona tsi11 eo anatrehan'ny manodidina azy , ary indrindra raha mpanao politika dia tsy maintsy expiation mihintsy aza no atao hanalany ny ota vitany teo @ fiainana andavanandro.
13. Herimiafina ( 31/01/2009 17:59)
Culture nationale izany izy io raha fanadiovantena daholo no hanaovana ny zavatra rehetra.
Hitako taratra ihany amin'ny communauté gasy aty ivelany izay 80% nitsoaka tanindrazana fa very fihinanana na pro gouvernemanta mpangalatra, ancien businessman dechus, lasa mamafa gaboné-mbazaha, ary miaro fatratra ny image hoe izaho miasa amin'ny izato orin'asa lehibe izato na izato. :-D
14. badboy ( 31/01/2009 18:03)
Ka izay ihany koa nge no nolazaindRavalomanana hoe safidimbahoaka ny hametraka azy eo, saingy tsy ny vahoaka avy eo no mitondra fa izy eh!! Ary dia nasehony tokoa hoe izy no mitondra fa tsy miraharaha izany vahoaka izany!!

Ilay gidraka @ izao dia efa ela no niotrika satria tsy nitsahatra ny hitan'ny maro ny herisetrampahefana nisy!! Izao ny vokany rehefa tsy mihaino ny fahoriambahoaka!! Ary niandry olona 1 afaka ny hitondra ilay hetsika fotsiny sisa ny malagasy!! Ary i Ravalomanana no nanome kobay hivelezana ny tenany rehefa nanempotra an'i Tana tao aorian'ny tsy nahalany an'i Rafalimanana, ka dia mitaty ny vokany izy satria nitsipadoha lakanitana!!!! :-* :-* :-*
15. Herimiafina ( 31/01/2009 18:09)
Io indray resaka rafitra mihintsy, regime semi parlementaire maquiller-na regime presidentielle 100%.
Misy ny parlemanta, afaka mi-empeché ny exces ataon'ny prezida. Kanefa rehefa tsy miteny dia bonaika iray trano koa.
Ny manao ny ratsy eo ihany fa ny mamela ny mpanao ratsy koa mbola meloka lavitra noho izy. Saingy tsy midika koa izany hoe ratsy iry ka tsy maintsy TGV koa no hasolo azy, mbola ratsy ihany koa izy fanapahankevitra izay! :^)
16. badboy ( 31/01/2009 18:19)
Ka iza ary no afaka hasolo azy ankoatran'i TGV?? Ratsiraka ve??? Zafy ve?? Dia ho rariny ve izany nefa i Andry TGV no manao ny ainy tsy ho zavatra manongana io fitondrana io???

Ary raha tsy nihetsika i Andr TGV dia ho tsy hisy opposition fiable mihintsy ho antsika malagasy satria ry dinosaure mianakavy efa hita koa ny nataony!!!

Tsy hay hoe inona no ho avoakan'i TGV rehefa eo @ fitondrana izy, fa aleoko miaina mandritra ny 2 ans maxi @ tetezamita dia afaka manova ilay mpitondra raha tsy bonne ny ataony toy izay mifidy olona hampinanema ny Malagasy sy hampiadana ny tenany fotsiny!! Ary ilay tetezamita dia fanadianana afaka ahitana ny tena fahaizan'i TGV mitondra na tsia ka ahafahana mifidy azy ho filoha avy eo na tsia!! :-* :-* :-*
17. xxx ( 31/01/2009 18:25)
O raherimiafina ,izaho izao dia aty ivelany efa ho 20 taona mahery izao , ary mahagaga ahy ny fomba fijerinao ny olona mitady ravinahitra any an-kafa izany ,amiko dia ny tsi11 no tompon-teny @ ny ho aviny ,l'existence est un choix ,ary samy manana ny lahatra nametrahan'ny natiora azy ny olona rehetra eto antany .Ary ny @ hoe hevitra ikambanan'ny daholobe no nanosika an'ilay tary kely io hanao ny nataony dia mino aho fa diso be izany .Raisiko ho mpanararaotra ny olona mitsikera ny zavatra ataony sy teneniny ,ary manararaotra ny tombontsoa mety ho azony @ fi-exploitater-na an'i Andry ny tena fototr'ireo zava-niseho rehetra ireo.
18. xxx ( 31/01/2009 18:39)
Raha tsy diso aho dia misy ny partie opposante officielle ,ary tsy nandray ny andraikiny mba hisorohana izay zavatra nety hiseho ,amiko dia lâcheté izany tsy fihetsehany izany .Ny @ aventure politika tiana ho andrakandramana indray dia tsy pour an'izany mihitsy aho (de la part de Andry ) . Ny @ hoe iza no hitondra hasolo ny filoha ,ny hevitro dia efa eo aloha i ra 8 ka inona indray no mbola ametrahana olana @ fitadiavana hafa ? Rehefa tsy eo intsony izy dia mino ahy fotsiny ,fa tsy ny olona hitarika no tsy misy .
19. Herimiafina ( 31/01/2009 18:46)
xxx:

O raherimiafina ,izaho izao dia aty ivelany efa ho 20 taona mahery izao , ary mahagaga ahy ny fomba fijerinao ny olona mitady ravinahitra any an-kafa izany ,amiko dia ny tsi11 no tompon-teny @ ny ho aviny.

Samy mitady ravinahitra daholo ihany fa ny fomba nahatongavana taty no mahasamihafa azy.
Milaza ny firenendehibe fa ny immigration dia fandraisana ireo refugiés environnementaux amin'ny tany mahantra, iza moa no tokony ho refugié environnementaux tsy ilay tantsaha mpamboly vomanga victime ny rafitra isankarazany tsy nety nifanesisesy teo. Kanefa efa nahita tantsaha avy any Ambovombe ve ianao tao New-York ohatra na tao Frantsa, sns? :^)
Fa izay eo ihany fa resaka changement de mentalité hatrany ampotony no tokony hitondrana azy amin'izao!
20. xxx ( 31/01/2009 18:56)
Betsaka ny mpamboly gasy no nifindra monina any frantsa ohatra , @ izao fotoana hiresahantsika izao ,tsy hoe ny mpianatra boursiers sy ny sasany ihany no afaka manao izany,diso lavitra be ianao ra herimiafina ny @ izay.Na any amerika koa aza mbola be lavitra ny mpamboly malagasy no nifindra monina any miohatra ny any frantsa .Tsy hitako ny hanaporofoana anao izany fa dia teneniko anao fa manana fianankaviana any USA aho izao ary manao ferme no ataony any,fambolena sy fiompiana ets ..
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7716