Mila compromis vitsivitsy hamahana ny olana.
21. Jackychan
(
31/01/2009 19:02)
Herimiafina:
Raha ny fijery azy tsy izay no tadiaviny fa tena korontana mihintsy, ny rapport ny attaché à la defense-ny ambassady amerikana fotsiny no teneniko anao hoe mi-juger an'i TGV ho tsy manana bonne foi amin'ny négoce. (source confidentielle). :^)
Ny hita mibaribary kosa aloha dia TSY MANANA BONNE FOI Ra-TGV, fa mivoy ny hitohizan izao korontana izao :
1- Olona tia tena loatra izy io fa ny antenne tv viva nalaina taminy noho ny tsy fanarahan dalana nataony no anisan ny anetsehany izao korontana sy doro trano zao, fa tsy raharahany ny taom-pianarana sy fotoam-piasana very ho an ny malagasy rehetra, ary ny mosarena ho avy
2- Mpandainga sy mpamita bahoaka : demokrasia sy fahafahana miteny no fintana hanjonoany ny vahoaka : moa tsy efa ananana amin izao fotoana zao ve ary tafahoatra aza ny teniteny foana ataony ? moa nisy nandrava tamin ny bombe lacrymogène ve ny fihetsehany ?
3-Tsy fantany ny atao hoe demokrasia matoa izy tsy manaja ny atao hoe fifidianana fa mikiry biby manandra tena ho filoha, na fantany zao aza fa tsy zay mikiakiaka mitsoka sifflet manaraka azy ihany akory ny malagasy, ary tsy ireo politisiana efa naloam-bahoaka ao an damosiny
4-Mpanao tsinontsinona ny vakoka malagasy : firifiry amin ireo archive an 'ny tvm sy rnm harem pirenena maha malagasy no tsy ho hita intsony ? moa voasolon'ny kapilan ny DJ ve ireny ? TSIA TOMPOKO
5-Tsy misy fitsinjovana ny ho avi'ny vahoaka rehefa avy nopotehina ny magro, zay mpamatsy ny hanin-kohanina, fa misaina hoe poteho aloha fahatany : maika haka ny marché ppn anolo ny toeran-dRa8 fotsiny ?
22. Herimiafina
(
01/02/2009 01:54)
xxx:
Betsaka ny mpamboly gasy no nifindra monina any frantsa ohatra , @ izao fotoana hiresahantsika izao ,tsy hoe ny mpianatra boursiers sy ny sasany ihany no afaka manao izany,diso lavitra be ianao ra herimiafina ny @ izay.Na any amerika koa aza mbola be lavitra ny mpamboly malagasy no nifindra monina any miohatra ny any frantsa .Tsy hitako ny hanaporofoana anao izany fa dia teneniko anao fa manana fianankaviana any USA aho izao ary manao ferme no ataony any,fambolena sy fiompiana ets ..
Tsara mihintsy izany raha efa misy mpamboly gasy tonga any, fa ny sasany tsy mpamboly gasy kosa ary mba manao ahoana? tsy miresaka ireo boursiers aho na ireo mba niezaka nanatsara fiainana nanangona ny karama-mpiasampanjakana tsy mihoatra ny 3000euros akory isantaona; fa miresaka ireo izay tsy hita tableau rehefa mba misy fetifety sns, variana mikononkonona hoe raha tafa ra-TGV dia hisokatra indray ny afera maizina isankarazany!
:^)