ANDRY TGV SY NY MPANIRAKA AZY HANIMBA

1. nalison ( 30/01/2009 11:03)
Izaho vao vita herinandro ny fifidianana ben'ny tanana farany teo dia nahazo msge hoe "LATSAKA AO ANATY VOVO MAIMBO FOTAKA IARVO"
ts nino aho satria nifidy TGV .NY hamotika an'IARIVO no tanjony hoy ilay msge
tanteraka ny ampahany voalohany .Ny manaraka mbola goavana noho izao
Andry tgv no atao fitaovana amin'izany rehetra zany
fanontaniiana mipetraka dia ny hoe "vola sa ny maha izy azy ny tena no ambony" sa kosa ts zanak 'IARIVO i tgv dia mahavita izany?
2. Noue ( 30/01/2009 11:14)
teo Rafalimanana nadio ny tanana!! zao inona no vokany ???? na natao fitaovana aza izy dia tokony nisaina alohan'ny hihedivana seza eee! maninona nefa no tsy ninadry ho tapitra ny mandat vao nihetsika???zao firy ny olona namohy ny ainy ry tgvendrana aaa?????
3. tsiafoi1 ( 30/01/2009 13:21)
Za vao niainga io de efa tsikarotro,
Fa kakanjila hanjonona ny trondro
Antananarivo moa mora jonona
Fa amalon-dambana sady malama
Lery koa moa bogosy no sady tanora
De tonga de babon'ny reto tanora.

Indrisy ry Iarivo! F'izao re no vokany
Rehefa sarotra atoro, tsy laitra toroana
Mizaka ny tsierany, mibaby ny vokany
Rava sy potika izay nisasarana!....
Tojo ty Tary Gasy sy Vendrana!
4. xxx ( 30/01/2009 16:25)
Manatona an'i JESOSY dieny mbola hita IZY


Am-panetren-tena tanteraka no ilazana izao ho an'i Andry amin'ny maha-tovolahy tanora fanahy azy ka mety tsy mahalala izay miandry azy sy ireo ao ambadiny. Dieny mbola misokatra ny fon'i Jesosy hanatonanao Azy dia fotoanany izao. Ny fanahinao no mahatonga ahy rahalahinao iray RA aminao mananatra. Adinina amiko izao raha tsy miteny aho.

Vetin-dresaka entina hatrany hamolivolena vahoaka ny hoe hotsarain'ny tantara. Nefa iza no tokana afaka hitsara? Jehovah no hitsara fa tsy ny tantara. Miantso ankehitriny ny ran'ireo maritioran'ity atao hoe tolona lavabe tsy mety vita eto Madagasikara ity (tamin'ny andron'ny maritiora krisitiana ka hatramin'izao). Efa tamin'ny herin-taona no mitaraina ny ran'ity tany ity satria fantatra izao ny mamono azy fa ny Devoly. Ny Malagasy nomen'Andriamanitra fanomezam-pahasoavana no afaka mahatsapa io antson'ny RA io. Vita izao ny fitokisana amin'ny ody sy ny sampy ry zareo mikotrika korontana ankehitriny. Fantatrareo ny miandry anareo satria ny devoly no nanaovanareo fanekena. Devoly efa resy no mbola mitady arangaranga eto amin'ity tany ity. Hananatra anareo anie Jehovah! Tsy manome tsiny ny nofo malemy aho sanatria satria nofo malemy koa aho sady mpanota tsy mendrika ny hiteny sy hitsara saingy ny maha-rahalahy iray RA no tsy maintsy hitenenana fa tsy mandry ny fanahin'ny tena.

Samy mahalala ny tontolon'ny fanahy fa Jesosy no Mpanjaka ary hotsofiny amin'ny fofon'ain'ny vavany Satana ho any amin'ny helo maharitra mandrakizay. Ankehitriny aza afenina izany. Aza mbola apetrakareo eo amin'ny 13 Mai eo hatrany ny mariky ny ota entina hanota fady ny FAHAMASINANA mampijoro ity FIRENENA VOAFIDIN'ANDRIAMANITRA ITY. Io faty eo io dia isan'ny fanotana fady an'Andriamanitra Tokana sady Marina. Lazaina fa tovolahy be fitiavana nefa natao maritioran'ilay devolinareo. Efa ela ny hoe apoahy ny sarom-bilany mbola afenina ihany ankehitriny. Andron'ny Fahazavana anie izao ary tsy misy takona izay tsy hita. Mihiratra ve ny masom-panahinao ry Andry TGV sa tsia ankehitriny? Sa hatao sorona koa ianao? Ho lasa SG an'ilay Devoly fo roa ve ianao? Io no paradisa nampanantenainy anao? Tsarovy fa "tsy misy afaka hanompo tompo roa dia Andriamanitra sy ny vola". Niditra tamintsika ny ota ry olombelona satria ny hafatr'Andriamanitra Ray namorona antsika tsy hihinanana ny voankazo fahalalàna ny tsara sy ny ratsy no voahitsakitsaka noho ny fitak'i Satana. Mbola tsy fotoana tokony hihinanana izany i Adama sy Eva no nofitahin'i Satana amin'ny fakam-panahy hitovy amin'Andriamanitra. Dia izao ataon'ny olona te-hanandrantena izao tsy misy valaka. Toy izao tsy fankatoavana raiamandreny izao tsy misy valaka. Filoham-pirenena anie voahosotr'Andriamanitra e! na boka io na madio ahafahany hatrany mitsapa ny vahoakany e! Miangavy anareo hanaja azy.

Ankehitriny miangavy anao aho handanjalanja izay lazainao rahampitso sy ny rehefa avy eo. Miangavy anao aho hivavaka sy handohalika eo am-pototry ny Hazo Fijaliana hibebaka. Harato misokatra ho anao izao lazaina izao mba hiverina fa tsy hatao intsony izao mpirahalahy mifamono izao. Jehovah anie mahita anao e! Mbola tia anao Izy matoa misokatra izao teny izao. Aza raviravizana amin'ny vola sy harena ny fanahin'ny olona fa izao efa manjo azy izao aza efa mampalahelo. Ireo izay maty mbola tsy mahalala an'Andriamanitra sy Jesosy Kristy izao efa tsy fidiny satria efa fantatra fa any amin'ny Helo avy hatrany.

Nolazainao hatrany hatrany moa fa ianao sy ny sainao, fa tsy misy politisiana no anaovanao izao tolona izao. Koa raha mbola tonga ny feon'ny fieritreretana ao aminao dia mbola tsy tara izao. Miangavy anao hivavaka amin'Ilay Andriamanitra Tokana sady Marina sy Jesoa Kristy efa nirahiny hamonjy ny fanahintsika olombelona.

Miangavy anao hamaky ny Mpanjaka Faharoa toko faha-5 sy ireo Teny tamin'ny programa nivavahana tao amin'ny Kianja mitafo. Hananatra anao anie Jehovah ary hiaro anao. Amen.

Ialana tsiny ialàna fondro raha taratasy misokatra no atao satria entina manarato ireo izay mbola manamafy fo koa izao. Dia ireo olona rehetra nivavaka ny Rainay izay Any an-danitra tsy tamin'ny fony sy ny fanahiny manontolo tamin'ity fiandohan'ny taona ity.

Aoka hovahana hatramin'ny fakany ity zava-mitranga ity ry Firenena Malagasy.

Misaotra tompoko.

Ilay mpanota tsy mendrika no mitondra ny hafatra ary mbola ialana tsiny raha misy mahatafintohina ny teny.

Miala tsiny koa raha tsy mitonona anarana satria tsy izaho no tokony hatonina fa Jesosy Mpanjakan'ny mpanjaka sy Tompon'ny tompo. Amen
5. ikaretsaka ( 30/01/2009 17:26)
Ny bizna sekta vanjo alika ko mandeha ihany an

Ary ny mahagaga dia rehefa krizy ohatr izao ry zalahy no miafina ambadiky ny rideau de wawawa...
Karaha tany sri lanka sy asie du sud est t@ tsunami.... jesosy tsy jesosy izany le
6. Belami ( 30/01/2009 22:11)
nalison:

sa kosa ts zanak 'IARIVO i tgv dia mahavita izany?



tsy resaka IARIVO irery io ry nalison a! resaka firenena iray manontolo mihitsy, vizaka daholo nge izay ville nolalovany Tsunami TGV e!!!
7. gabidemony ( 09/02/2009 11:51)
Mila mianatra pòlitika ra Andry alo fa tsy vitan'ny manao mixage ny hevitry ny sasany ity raharaha manga ity,any @boaty no fanaovana ireny ary hira no azo ataon'ny DJ mixage fa tsy ny vahoaka.

....Ary tò lasa marionnette eo refa tsy mahay raha FA IZA KAY NO TENA MPANORO KREPOKA AO AFARAN'ELAH AO ZAO EH??!!!

ovao malaky ny strategie fa sao de hiala maina eo ty enao.
Ary ra lehilahy de mba rehefa misy toerana tafina reny de mba mandehana
eny @ loha-laharana eny mba ho hitan'ny olona hoe tena zany ka lehilahy
fa tsy vitan'ny mibaiko fotsiny be vava ety @ sisiny.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2165