fomba fivavaka

1. ikaretsaka ( 27/01/2009 19:17)
tsetsatsetra kely fotsiny:
raha mamaky ny atsy ambadika aho dia tsy naharitra fa mba hanao remarque kely fotsiny.
ny betsaka hita ao @ le toram-po dia ny hoe "Mifona... "
Tsara ny mifona nefa inona moa no hifonana raha tsy fantatra aloha ny tsy mety natao? mainka miverina miverina foana le hadisoana.
ary io matetika no hitako erreur!
Midona fa diso nefa le izy mifona aza tsy mahalala akory hoe taiza no diso

asa! Heritreritry mpikonfesy angamba ny ahy fa mba tsy tanako iny de natsefotro!
2. mia ( 27/01/2009 19:27)
Mifona fa tsy nihaino ny volonté an'Atra ry ikaretsaka a; ny hevitra manokana no nalefa nialaoha ny volonté sy ny fihevitry ny Tompo
Ahoana moa no ilazanao fa tsy tsy mahalala akory hoe taiza no diso ny olona mifona ao???
3. ikaretsaka ( 27/01/2009 19:35)
ka le volonten'Atra aza tsy hainy sy tsy fantany akory ohatra izao koa (ilazao 1 aho ohatra hoe inona ny volonte an'Atra tsy nohenoiny sy tsy nataony?) , dia nony may Ambondrona (fomba fiteny fa tsy misy ambondrona may aloha hatr@ zao ouf...) vo hoe ...
eo nyo tsy mazava amiko.

Fony izahay mbola mpianatry ry mopre tao amparibe tao dia misy hoe "fahatsiarovan-tena" ao anaty carnet de corres.. dia ianao ihany no nasaina nanoratra ny heverinao fa tsy nety nataon'ny tenanao tao...

amiko de le mila mahatsiaro tena aloha hoe taiza no nisy tsy nety... vao mifona..
fa toa manjary manao fifonan'ny mpikatry hoe "d'efa hifonako anio izay hamamoako radem e!"
4. mia ( 27/01/2009 20:15)
Ohatran'ny samihafa ny zavatra resahantsika!! ny olona mifona izany dia mazava ho azy fa olona mahatsiaro tena fa nanao hadisoana, mibebaka ary miova!! inona no ifonana raha tsy mahatsiaro nanao hadisoana koa moa e!! ary betsaka no mihevitra fa halemena izany nefa tena contraire-n'izay ny tena marina.

Ny fomba fivavahana indray tsy ianao anie no ivavahany ka tsy dia maninona loatra koa angmba raha tsy azonao ilay vavaka ataony :lol:
5. ikaretsaka ( 27/01/2009 20:20)
ka aiza le hadisoana ifonana ary ho'a?
io ange no anontaniako anao e!
sa hoe mifona mifona milela paladiiiii... nefa tsary ahy akory hoe inona no nahatonga ilay filelafam-paladiii

Ny fomba fivavahana indray tsy ianao anie no ivavahany ka tsy dia maninona loatra koa angmba raha tsy azonao ilay vavaka ataony

ekena.. fa rehefa avy eo tsy mivaly araka ny notadiaviny le vavaka de... wawawa ndray...
tsy ny vavaka no tsy nivaly fa ianareo no diso fangataka
6. mia ( 27/01/2009 20:38)
Fa hadisoan'iza aloha no tena tianao ho fantatra e? Za anie efa nilaza teo ambony fa rehefa ny hevitra manokana no nalefa mialoha ny volonté sy ny fihevitry ny Tompo dia manota e! satriao ny tokony atao, faire Sa volonté et non la notre et prier pour cela satria izay no mahasambatra antsika sy mahasoa!

Mety tsy ilay hadisoan'ilay mpivavaka angamba no tena tianao ho fantatra fa zavatra hafa mihitsy???

Ny hoe tsy mivaly araka ny notadiaviny le vavaka, fa angaha moa ny sitraponao no atao??Ny sitrapon'Ilay Ray angatahanao no ivavahanao fa tsy ny anao ary matoa Izy tsy mihaino dia efa nolazainy fa ny ota no efitra mampisaraka antsika Aminy ka dia tsy mihaino IZY raha tsy mifona sy miverina Aminy ary manaiky ho tarihiny.
7. ikaretsaka ( 27/01/2009 20:45)
Ny hoe tsy mivaly araka ny notadiaviny le vavaka, fa angaha moa ny sitraponao no atao??
tsy ny sitrapoko.. tsy za rahateo no nangataka ny vavaka...

Ny sitrapon'Ilay Ray angatahanao

io indrindra nefa tsy io no atao priorite (jereo ny resaka ao ambadika)

matoa Izy tsy mihaino dia efa nolazainy fa ny ota no efitra mampisaraka antsika Aminy


iza no niteny anao fa tsy nihaino Izy? iza no niteny anao fa tsy mamaly izy?

Mihaino sy mamaly tokoa Izy fa saingy tsy votery araka ilay tadiavintsika no namaliany azy!
ary tsy hoe rehefa manota ianao dia tsy ho henoim-bavaka...NON! maninona ohatra izao le JIOLAHY nifantsika teo akaikiny no nekeny?

NB: aza zavatra any @ testamenta taloha no anamarinanao zavatra any @ testamenta vaovao
8. bichette ( 28/01/2009 12:35)
Raha miverina amin'ny ilay hoe MIFONA aho dia isika dia manota hatrany, isan'andro ary tsy indray na roa fa tena in'maro anatin'ny iray andro, misy zavatra tsitandritandrintsika akory anefa efa ota eo imason'Andriamanitra.

ohatra : Matio 5 : 21 - 22

Vous avez entendu qu'il a été dit aux anciens: Tu ne tueras point; celui qui tuera mérite d'être puni par les juges.
5.22
Mais moi, je vous dis que quiconque se met en colère contre son frère mérite d'être puni par les juges; que celui qui dira à son frère: Raca! mérite d'être puni par le sanhédrin; et que celui qui lui dira: Insensé! mérite d'être puni par le feu de la géhenne.


isika matetika manamavo ny namana ary tsy hitantsika izay tena hoe maharatsy izany, anefa dia ota mihitsy eo imason'Antra.

Azo atao ny mifona amin'ny zavatra tsy hay, mifona amin'Andriamanitra fa manota ary manao zavatra tsy mifanaraka amin'ny sitrapony, mifona amin'ny zavatra fanahy iniana sy ny tsy fanahiniana, zavatra fantatra sy ny zavatra tsy fantatra, ny tena zava-dehibe dia ny fahatsiarovan-tena hoe MPANOTA, tsy tanteraka

:-*

9. ikaretsaka ( 28/01/2009 13:59)
isika matetika manamavo ny namana ary tsy hitantsika izay tena hoe maharatsy izany, anefa dia ota mihitsy eo imason'Antra.

izay... saingy le manamavo matetika de efa voamavon'olona voamavon'olona voamavo sy efa mavo n'ny voamavo
10. diamondra27 ( 29/01/2009 12:50)
momba ilay vavaka fifonana amiko dia izao

misy fifonana satria fantatrao ny ratsy vitanao ary koa misy zavatra ifonana satria ny hafa no nanao azy.

ohatra hoe: mifona aminao aho Atra o amin'izao zava-mitranga amin'ny firenenay izao ka mba mangataka aminao mba hisian'ny filaminana sy fanetren-tena sy firaisaisan-kevitra sns

Jesosy dia nifona tamin'Atra hoe Atra o mamela ny helony fa tsy fantany izay ataony dia tahaka izany koa isika raha mivavaka ilaina hoe inona ny zavatra ratsy vitanao mba tsy hanotanao intsony amin'ny manaraka na koa hoe mila hery mba hanafahana izany tanteraka ary koa mifona sy mivavaka ho an'ny hafa

Misy koa izao hoe sujet de prière ataon'ny kristiana, mitrotro ambavaka ny zavatra ataon'ny hafa sy ho an'ny hafa
11. diamondra27 ( 29/01/2009 12:51)
nisy fotoana Jesosy niataka tamin'ny mpianany ary nivavaka. Izy anefa tsy nanota sy tsy nanao ratsy nefa dia nivavaka ho an'ny hafa
12. ikaretsaka ( 29/01/2009 16:13)
Fa ny an'i jesoa anoe ka fantany ny hadisoan'ny olona hivavahany. Sy havelany heloka e... toy izany koa ireo apostoly...
Fa le cas ao ambadika tsy hay hoe iza no diso izao de taiza no nahadiso
13. xxx ( 29/01/2009 17:09)
Rehefa hivavaka dia miresaka amin'Andriamanitra izay fantatra izay. Koa katsaho aloha ny fahamarinany ary angataho lalandava izany. Ny ota fototra dia ny tsy fankatoavana an'Andriamanitra tamin'ny andron'i Adama sy Eva. Raha notazoniny ny Tenin'Andriamanitra nandrara azy tsy hihinana ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy satria ho faty izy raha hihinana io amin'ny fotoana tsy voatendrin"Andriamanitra dia Andriamanitra no nandray tanana tanteraka ny planina rehetra nanaovany ny olombelona. Saingy nofitahin'i Satana ny olona ka nilazany fa tsy ho faty raha mihinana fa hitovy amin'Andriamanitra. Dia niroboka tokoa fa tsy nitana ny Teny, dia io hitantsika mandà lava ny ray aman-dreny io no vokany satria mihevitra fa dadany rehefa mba mahazo fahalalàna kely. Ny ota fototra izany dia ny fandavana Ilay Mahery namorona antsika.
Io ota io dia iainana andavanandro ka mila fantatra dia ifonana satria mety hiverimberina matetika eo amin'ny fiainan'ny nofonao noho ny fakam-panahy ara-nofo.
14. niryna ( 29/01/2009 18:48)
mia:

Mifona fa tsy nihaino ny volonté an'Atra ry ikaretsaka a; ny hevitra manokana no nalefa nialaoha ny volonté sy ny fihevitry ny Tompo
Ahoana moa no ilazanao fa tsy tsy mahalala akory hoe taiza no diso ny olona mifona ao???

yes, aleloia
Ny atao hoe mivavaka ry ika dia miresaka amin'Atra ,miresaka toy izaho sy hianao izao,maka toerana na aiza io na rahoviana,ny fo no miresaka azy ,fo madio ,fo mandefitra,fo mahalala fa diso ,fo mahay mamela na mivavaka mba ahay hamela,tsy misy formule arahina io hoe manisa etsy folo dia miditra indray ny efatra dia manao izao sy izao.
Ny ao anatin'ny fo no mivoaka ny vava,toy ny hoe olona tsy mety mandray an'Atra ohatra,izy mihitsy no efa tsy manaiky an'Atra ho tompo sy mpanjaka dia mivoaka eny daholo ny fisitomana ny olona anaraka azy .

MIvavaka aho satria olona meloka teo anatrehan'Atra .,tsy nanao ny sitrapony ary dia mifona amin'izany ,tsy fantatro ny nataoko ? hmm ,eny angamba tsy angamba raha tsy mahafantatra dia mivavaka aminy hoe nanota teo anatrehanao aho ka tsy mendrika akory hiantso ny anaranao ,ohatra ny ahy io an koa ifonako re Atra ny ratsy rehetra vitako e" Izy irery ihany no mahalala ny ao am-po miafina rehetra ,mety mieritreritra isika hoe tsy itany ,oops ,fantany na dia ny olona mizara ny tenin'Atra eto aza ary fantany koa na dia ny olona manohitra ny tenin'Atra eto foana koa aza,fantany koa na dia tsy mahalala an'Atra aza ilay olona fa nomena azy ny teny dia nandray izy ,fantany ,fantany avokoa izany .
Isika ,ny vavantsika no iandrasany iteny ,hanetry tena
Ny mpitorintenin'Atra dia mitory no asany,mizara no asany ,izay mandray dia isaorana Atra ,izay tsy mandray dia efa nafafy ny voa koa dia anjarantsika no mizara izany ,anjarantsika no mamafy voa tsara fa tsy ho lany andro itsingoloka ny etsy sy eroa akory" aza omena ny kisoa hono ny vatosoa fa raha mivadika izy dia isika ihany no ifoterany eo " misaotra tompoko

Ahoana no fomba atao raha hivavaka? eo no tokony izara izay mahasoa
Fo madio ,fo torotoro,arindrino ny trano dia miresaha aminy mangina ,mifona aminy raha misy sy fantatra fa tsy mety ny natao

15. ikaretsaka ( 29/01/2009 19:21)
ka azavao le tsy mihaino ny volonte an'Atra.

Ny atao hoe mivavaka ry ika dia miresaka amin'Atra ,miresaka toy izaho sy hianao izao,maka toerana na aiza io na rahoviana,ny fo no miresaka azy ,fo madio ,fo mandefitra,fo mahalala fa diso ,fo mahay mamela na mivavaka mba ahay hamela,tsy misy formule arahina io hoe manisa etsy folo dia miditra indray ny efatra dia manao izao sy izao.

ny hoe mivavaka dia tolona fa tsy sento.. asa fa tsy resaka!
16. diamondra27 ( 29/01/2009 19:58)
Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 29-01-2009 17:13:10
Lohateny : Re : fomba fivavaka
Fa ny an'i jesoa anoe ka fantany ny hadisoan'ny olona hivavahany. Sy havelany heloka e... toy izany koa ireo apostoly...
Fa le cas ao ambadika tsy hay hoe iza no diso izao de taiza no nahadiso
_______________________

ka ny diso efa samy mahalala am zao fa izay manimba zavatr'olona sy mandroba sy mamono olona koa

dia mivavaka ihany koa mbahanana hery fa tsy mora ny miaritra izao zava_miseho izao ka hahatonga ny olona hangalatra ny fiafarana na dia tsy nanana izany toetra izany aza na hamono olona satria mila bourse , tsy hay e
17. ikaretsaka ( 29/01/2009 22:55)
diamondra27:

Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 29-01-2009 17:13:10
Lohateny : Re : fomba fivavaka
Fa ny an'i jesoa anoe ka fantany ny hadisoan'ny olona hivavahany. Sy havelany heloka e... toy izany koa ireo apostoly...
Fa le cas ao ambadika tsy hay hoe iza no diso izao de taiza no nahadiso
_______________________

ka ny diso efa samy mahalala am zao fa izay manimba zavatr'olona sy mandroba sy mamono olona koa

dia mivavaka ihany koa mbahanana hery fa tsy mora ny miaritra izao zava_miseho izao ka hahatonga ny olona hangalatra ny fiafarana na dia tsy nanana izany toetra izany aza na hamono olona satria mila bourse , tsy hay e


no no no! i Jesoa ange ka nandrava niorina tao anatin'ny tsy tokony hanorenana (jereo ilay tantaran'ny tsenan'ny Jiosy naripany tao an-tempoly ohatra) nefa tsy diso izy teo na nanimba zavatr'olona aza raha version mpomban'i jesoa ianao, moa diso izy raha version am'ireo rava fananana ....

18. mia ( 30/01/2009 17:51)
ikaretsaka:

no no no! i Jesoa ange ka nandrava niorina tao anatin'ny tsy tokony hanorenana (jereo ilay tantaran'ny tsenan'ny Jiosy naripany tao an-tempoly ohatra) nefa tsy diso izy teo na nanimba zavatr'olona aza raha version mpomban'i jesoa ianao, moa diso izy raha version am'ireo rava fananana ....




Tsy azoko mihitsy ny fisainanao ity ka!! diso ahoana ndray jesoa e???
Version'ny rava fananana ahoana e?? Efa fantatra fa tempoly koa mbola ao ihany no mivarotra e!!natao ivavahana ao fa tsy ivarotana!!

dia maninona koa no manome tsiny ny zanak'ATRA e!nefa kay moa mety tsy mino an'izany ianao?

19. ikaretsaka ( 30/01/2009 18:26)
Arakaraky ny version io...@ jiosy nivarotra tao de diso I jesoa ary noraisin ireo ho mpandrava tsena.
Ho an'i jesoa sy ny mpanaraka azy dia tsy diso izy.

Io de arakaraky ny tombotsoa azo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0531