Nanenina sa .....???

1. akamatiana ( 27/01/2009 04:58)
Efa ela ny Filoha no niantso fifanantonana niseho nilay i TGV efa vitany aby ny fandrobana sy ny sisa zay vao we ifanantona a ifanantona , izany izy no miseho itondra firenena ?? vahoaka keliny reo aza tsy voafehiny zay vo mibaradaka masay tssss , zao mbola miala zigla iany we andian'olona voakarama ireo mandroba ireo , iza indray no heveriny anakarama ireo ??? refa tsy izy de reo dinozoro zany , tssssssssssssss
novalian'i aikon ny 31/01/2009 08:01
2. bozyboleta ( 27/01/2009 05:20)
Ka izy no nilaza halina hoe ireo Masoivoho sy ireo mpamatsy vola marobe hono no niantso azy mba hanao ny fifampidinihina. De nanaiky ny hihaona eo anoloan'ny latabatra boribory izy.

Fa ny vahiny izany no miangavy izay izy vao hanaiky??? Fa raha tsisy niantso ireo de mbola niziriziry teo ihany izy??? Efa hoe hanao io fifanatonana io aza mbola nantsointsoina impiry t@ radio ny olona ho avy eny @ 13 mai anio.

Tena mbola zaza saina ka miteniteny foana.
Nilaza fa tsy fikasany sy ny mpanaradia azy mihitsy ny hisian'ny korontana fa tolona ampilaminana no natao. Kanefa nahoana no nobaikoana ny mpianatra tsy hianatra ary ny mpiasa tsy hiasa??? Baiko mihitsy ange no nomena t@ Sabotsy tetsy @ 13 mai e! Ary ireo izay nianatra de notabaina tany ampianarana hivoaka toy ny nitranga t@ sekoly maro tetsy Antanimena, eny fa na de ny ankizy madinika aza.

Ary ny tena nahavariana de ny filazany halina ihany t@ radio hoe, " atsaharo "aloha" ilay fandrobana sy fanimban-javatra. :roll:
Fa maninn no hoe "aloha" fa tsy hoe "mihitsy" na hoe "tanteraka"??? Amiko tsy lapsus mitsy io. Satria nahoana??? Raha nisy ny fanimbana teny @ RNM, MBS, Magro, Tiko sns, izy nga niteny?? Fa rehefa nihitatra t@ fananan'ny vahiny toy ny Courts sy Zoom, sns ny fanimbana vao may volo-tratra.

Tsy misy hoeritreretina intsony f'efa miharihary toy ny vay ankandrina.
3. xxx ( 27/01/2009 05:28)
Mbola misy sahy miteny ihany ve fa mety ny taon-dra8, ireo izay tsy niharan'ny tsy rariny no mahita izany fa ho anay efa niharany aloha dia aleo ho fay ra8 e! nankaiza daholo ireoolona nitsena azy t@ alahady no tsy nanohana azy? sa tena marina fa ireny no voakarama sy notaomina t@ fiara?
Dia ho hita eo ny tohiny, maninona raha mbola nanao be marenina ihany Ra8 ka nampiasa ny hery eo am-pelatanany araka ny teny nolazainy hoe, mbola tsy ary elatra akory dia te hanidina, mampalahelo ary dia tadidio fa rehefa romotra ny vahoaka tsy hisy ahasakana azy mihitsy eo.
4. lupe ( 27/01/2009 05:30)
Tsy hisy indray hono ny fihaonana raha tsy: asaina mody ny mercenaire, tsy maintsy tsaraina ilay miaramila nitifitra teny @ MBS,

5. xxx ( 27/01/2009 05:32)
Ka ny courts sy ny Zoom zany anie ka ny mpanararaotra no nanao azy e, matoa izy niteny, rah MBS sy MAGRO zany aleo may any daholo, fa maninona azy ny courts no horavany? mbola be de be fananan-dRa8 azo ravana any koa... :-D :-D
6. akamatiana ( 27/01/2009 05:37)
bozyleta:
Ka izy no nilaza halina hoe ireo Masoivoho sy ireo mpamatsy vola marobe hono no niantso azy mba hanao ny fifampidinihina. De nanaiky ny hihaona eo anoloan'ny latabatra boribory izy.

Fa ny vahiny izany no miangavy izay izy vao hanaiky??? Fa raha tsisy niantso ireo de mbola niziriziry teo ihany izy??? Efa hoe hanao io fifanatonana io aza mbola nantsointsoina impiry t@ radio ny olona ho avy eny @ 13 mai anio.

Tena mbola zaza saina ka miteniteny foana.
Nilaza fa tsy fikasany sy ny mpanaradia azy mihitsy ny hisian'ny korontana fa tolona ampilaminana no natao. Kanefa nahoana no nobaikoana ny mpianatra tsy hianatra ary ny mpiasa tsy hiasa??? Baiko mihitsy ange no nomena t@ Sabotsy tetsy @ 13 mai e! Ary ireo izay nianatra de notabaina tany ampianarana hivoaka toy ny nitranga t@ sekoly maro tetsy Antanimena, eny fa na de ny ankizy madinika aza.

Ary ny tena nahavariana de ny filazany halina ihany t@ radio hoe, " atsaharo "aloha" ilay fandrobana sy fanimban-javatra.
Fa maninn no hoe "aloha" fa tsy hoe "mihitsy" na hoe "tanteraka"??? Amiko tsy lapsus mitsy io. Satria nahoana??? Raha nisy ny fanimbana teny @ RNM, MBS, Magro, Tiko sns, izy nga niteny?? Fa rehefa nihitatra t@ fananan'ny vahiny toy ny Courts sy Zoom, sns ny fanimbana vao may volo-tratra.

Tsy misy hoeritreretina intsony f'efa miharihary toy ny vay ankandrina.


Eka ouzzz , mpianatra mianatra kou kotabaisina oo , zao izy mbola miantso ao am antsiva ndray mbola mahay man-daha teny iany tssss , za klou sady tsy naka ny ray na ny ray fa ny nahazo anay nataon'ireo andian'oul TGV no tena maharangitra ahy e , tena olonkolom-poana mitsy

7. tsiafoi1 ( 27/01/2009 05:38)
Ny Afo rehefa nirehitra tsy maintsy lemana ho faty...
8. akamatiana ( 27/01/2009 05:41)
lupe:
Tsy hisy indray hono ny fihaonana raha tsy: asaina mody ny mercenaire, tsy maintsy tsaraina ilay miaramila nitifitra teny @ MBS,


de aona ndray le oul 11 maty tam fifanosehana tam fandrobana sy ny fandorana ny magro teny tanjombato iza ndray no tsaraina tssssss , mampalahelo mitsy wa le toe-tsaina
9. zandikely ( 27/01/2009 05:49)
Ohatrinona isan'olona indray hono ny karaman'ireo Mercenaires Sud Africains ireo? Angaha na miaramila Madagascar no any maka e, sa efa tsy azo antoka intsony?
10. bozyboleta ( 27/01/2009 05:53)
Ka io ndray izy zao ao @ antsiva milaza fa tsy hanaiky le fifanatonana hono.
Nahazo coup de fil avy any andafy indray anga??
De hoe manana porofo fa misy manamboninahitra hono nanao ireny hetsika ireny e, de nankaiza hono ny miaramila t@ ireo fotoana ireo fa navela hiraviravy tanana ny vahoaka, de tsy nitarika ny olona ho eny @ MBS hono e ,sns

Vao omaly nefa izy ihany no niteny fa ny ampahany t@ olona teo @ 13 mai no nandeha teny @ MBS fa izy niverina teo @ 13 mai ihany. Fantany izany ary fantany ny antondian'ireo olona ireo koa naninn no tsy nosakanany??
Ary tsy izy ihany koa moa ve no nidradradradra fa misy ireo manamboninahitra no miaraka ary manohana ny tolona ataony? Ka ireo manamboninahitra lazaina indray fa tompon'antoka t@ fanakorontanana ireo, le miaraka aminy sa iza indray? Sa i Dolin ihany?
11. nyavo2000 ( 27/01/2009 05:55)
Voalazan'i andry tamin'ANTSIVA teo fa tsy avy aminy ny andian'olona nandoro ny RNM, MBS etc... fa olona voakarama manokana

Raha atao hoe marina izany, nahoana ary izy no miaro sy miantso fa tsy maintsy tsaraina ilay miaramila nahafaty olona teny amin'ny MBS. Ny olona maty ange dia azo antoka fa teny aloha be teny e! azo antoka fa tao amin'ireo lazaina fa voakarama sy mpandroba, tsy olona aty aoriana be mihintsy no ho faty, koa avy aiza marina ary io olona maty io:

ka raha miaro io izy dia isan'ny ny manaiky f'izy mihintsy no naniraka ny olona hanao asan-jiolahy....

Ny marina dia izao te-hiala andraikitra i Andry fa tsy mahefehy ny olona taritiny,
isan'ny fepetra takiana amin'ny mpanao politika mitarika olona izany, ny mpanao
politika rehetra mahalala izany fa tsy maintsy misy foana ireo mahery fihetsika
ao anaty vahoaka taritina , koa anjaranao ny manao izay tsy hisian'ny fihoaram-pefy....

tsy mino ny tenanay ho tsy mahatakatra izany i Andry ka mbola hitondra vahoaka eny amin'ny Anosy izay fantatra fa zone stratégique ny toerana misy ny radio sns...fanahiniana natao izany...

Rehefa niseho ny teo amin'ny RNM nahoana moa no tsy nanao antso avo avy hatrany izy hampiverina ny olona eny @ 13 mai ? fa navela hanao action ireo olona....raha tena te hampiseho fa tena olona voakarama ireo olona nandroba ireo ? sa voakaramany kosa ary ny marina?

Ankehitriny dia matahotra i Andry satria izy no ho tompon'andraikitra amin'ny zavatra simba rehetra satria ireo mahery fihetsika amin'ny olona entiny dia hanao OPK, hanapoaka ny tobin-dasantsy sns....dia mody miala bala.
12. ts6afa ( 27/01/2009 05:57)
akamatiana:

Efa ela ny Filoha no niantso fifanantonana niseho nilay i TGV efa vitany aby ny fandrobana sy ny sisa zay vao we ifanantona a ifanantona , izany izy no miseho itondra firenena ?? vahoaka keliny reo aza tsy voafehiny zay vo mibaradaka masay tssss , zao mbola miala zigla iany we andian'olona voakarama ireo mandroba ireo , iza indray no heveriny anakarama ireo ??? refa tsy izy de reo dinozoro zany , tssssssssssssss


marina ny andrangahy, nefa indro kely, matoa zao zavatr zao no niseho dia noho io tsy fandraisana anaikitra tsirairho toponanrikitra amin'ny asa avy:
-andraikitrin'ny filoh R8 ny mitondra ny firenena zany hoe RAR, equilibre regionale + égalité detous sur l même pieds d'égalité, fa tsy ho ty mahazo ary itsy tsy mahazo,
-andraikitry ny filoha ny maorona asa ho an'ny vahoaka satra aok ho fantany fa tsy izy iery no natao isakafo fa noana ianykoa ireo vahoaka ireo, ary satria tsy maamorona asa izy dia mora avory ny olona satria tsy misy atao far manana asa izy saota ny hiantso greve generale,
- ary tsy mormorany hitondra vahoaka ka hoe entina @ popularité fa saina ny miasa ary ny tsy fananan'ny anday sy nykilany programme maty paika ary bien préci diamitarika @zao fôna satriatsy voafaritra mialoha ny vala famarina na ny "domaine de définition" zay tokony iasany,
Ny tena mamalahelo anefa dia ireto vahoaka mijaly tsy misy hohanina, tsy misy asa ivelomana dia mbola iditra @ inflation indray ny firenena, satria nho ny adalan'olo tokana s ny fitiava tenany R8 dia tsy hisy menaka sakafo sy beurre indray eny @ mpivarotra zany satria noferany ho izy irery iany no mahazo io filière, dia ny vahoaka fôna ny mandoh ny adalan'izy 2 lah zay entin'ny fo mafan ka mifitra @ lame
Mivavaha ho an'ny firenentsika leroa
13. ifiona ( 27/01/2009 06:00)
rehefa misy anie ny tsy fifankazahoan-kevitra toy izao dia miandry top fotsiny ireo mpigaffy, ireo anefa tsy ho voatery hoe pro RAVALO na pro TGV fa amiko ny hakamaroany dia olona efa naniry ny higaffy hatry ny ela, sauvage mihitsy ny gasy tsss inona anefa zao ny intéret hanaovana an'izao, ny vahoaka tsy tokony atao ho sorona, ny migreve ts maninona fa rehefa atao an-kamono olona kosa dia efa tsy mety e.
14. tsinjo ( 27/01/2009 06:12)
voalazany TGV tao aminy radio antsiva fa tsy hanao ilay fifampidinihina izy raha tsy voatsara ilay miaramila namono olona teny MBS fa maninona kou ra ampiana we ra tsy azo daolo ireo olona nandroba teo @ MBS sy MAGRO tsy hanao fifampidinihina ?
amiko alou tena tsy voafehiny tsony ny olona ho entiny de miala pa le TGV ,ny DINOZORO politique kou tsy sahy miseho sehatra fa matahotra ialany olona TGV
15. mmmhh ( 27/01/2009 06:17)
ifiona:
rehefa misy anie ny tsy fifankazahoan-kevitra toy izao dia miandry top fotsiny ireo mpigaffy, ireo anefa tsy ho voatery hoe pro RAVALO na pro TGV fa amiko ny hakamaroany dia olona efa naniry ny higaffy hatry ny ela, sauvage mihitsy ny gasy tsss inona anefa zao ny intéret hanaovana an'izao, ny vahoaka tsy tokony atao ho sorona, ny migreve ts maninona fa rehefa atao an-kamono olona kosa dia efa tsy mety e.

Tena marina izany, ny mpanararaotra feno foana, ny jiolahim-boto manararaotra foana ary tsy Pro Ra8 na pro TGV ireo oul ireo .
16. akamatiana ( 27/01/2009 06:21)
ts6afa:
marina ny andrangahy, nefa indro kely, matoa zao zavatr zao no niseho dia noho io tsy fandraisana anaikitra tsirairho toponanrikitra amin'ny asa avy:
-andraikitrin'ny filoh R8 ny mitondra ny firenena zany hoe RAR, equilibre regionale + égalité detous sur l même pieds d'égalité, fa tsy ho ty mahazo ary itsy tsy mahazo,
-andraikitry ny filoha ny maorona asa ho an'ny vahoaka satra aok ho fantany fa tsy izy iery no natao isakafo fa noana ianykoa ireo vahoaka ireo, ary satria tsy maamorona asa izy dia mora avory ny olona satria tsy misy atao far manana asa izy saota ny hiantso greve generale,
- ary tsy mormorany hitondra vahoaka ka hoe entina @ popularité fa saina ny miasa ary ny tsy fananan'ny anday sy nykilany programme maty paika ary bien préci diamitarika @zao fôna satriatsy voafaritra mialoha ny vala famarina na ny "domaine de définition" zay tokony iasany,
Ny tena mamalahelo anefa dia ireto vahoaka mijaly tsy misy hohanina, tsy misy asa ivelomana dia mbola iditra @ inflation indray ny firenena, satria nho ny adalan'olo tokana s ny fitiava tenany R8 dia tsy hisy menaka sakafo sy beurre indray eny @ mpivarotra zany satria noferany ho izy irery iany no mahazo io filière, dia ny vahoaka fôna ny mandoh ny adalan'izy 2 lah zay entin'ny fo mafan ka mifitra @ lame
Mivavaha ho an'ny firenentsika leroa


Misy ny asa fa maro ny gasy mifidy izany , ary maro koa ireo kamo , ohatra amizany ireo mpangataka eny an-dalambe refa teneninao oe ndao iasa na andao amboly de miala sy manao valin-teny anavona no azonao , aleony iany mangataka fa izany miasaasa zany tsy milay. ka inona iany ary no atao an-dramalagasy ?? omena fotsiny sa miandry mirakila ??
17. hery ( 27/01/2009 06:33)
FA aiza ilay andrimasom-pokonolona e?

Nolazain'i Andry fa vitany ny mitondra fanjakana ka maninona no tsy voafehiny ny vahoaka nantsoiny hikorontana?

Efa an'i Andry daholo ny vahoaka koa maninona no tsy arovana?

Fa angaha tsy efa nasaina nametra-pialana daholo ny minisitra? Manana alternative izy matoa niteny hoe mametraha fialàna.

xxx> Tsy misy ary tsy nisy niteny mihitsy hoe mety daholo ny ataon-dRavalo fa efa nolazaina foana hoe esory @ fifidianana izy satria nareo ihany no nametraka azy teo t@ fifidianana.

Andry no tomponandraikitra voalohany amin'izao mitranga izao. Nandrehitra afo izy dia nieritreritra hoe hamaly Ravalo dia amin'izay izy victime. Tsy namaly Ravalo fa tsy te hampiady Malagasy samy Malagasy dia izao no niafarany.

Raiso ny andraikitra ry "vahoaka" mpanimba tanàna... izahay tamin'ny nikomy tamin'ny 1991 dia izahay ihany no niantoka ny fiambenana ny ministera sy ny RNM tsy hisy handrava. Izao toa ianareo indray no nandrava ny RNM... na raha tsy nareo no nandrava ny RNM dia tsy voaaronareo ny RNM kanefa ianareo milaza fa vahoaka maro be tssss.
18. xxx ( 27/01/2009 06:33)
VOALAVO
Mpandrava laka sy mpandavo
ny biby antsoina hoe VOALAVO
VOAHOZONA Hampirefarefa
ka indro fa mandrava efa

Potehiny tsy misy antra
Izay mba fananan'ny taranany
Ny biby tsy hino an'Andriamanitra
fa mbola misy anie ny Farany


Irony fanalam-baraka
No tadiaviny ikevohany
Mitombo isa ireo mahantra
Izay voalefony ao ivohony

Sanatria ny ho lasa avo
Ireo misaina toa voalavo
Voahozona hampirefarefa
Finaritra mandrava efa .

Ny Eja, 26 janvier 2009 amin'ny 4.10 maraina.



19. xxx ( 27/01/2009 06:40)
Mba omeo asa ary zahay e, mba mametraka demande etsy sy eroa fa de eeeeeeeeeeeeee voaray izy ty e, zay foana no valiny, zao lasa mi-forum eto sisa,
- Efa ato ny contacte-nao? (efa tsy hivaly izy zay)
Somary HS kely .
entiko hanamafisana tsisy ny asa, mahantra ny vahoaka.
20. tsinjo ( 27/01/2009 06:50)
ny asa omena anao alou ry xxx de tsy misy fa refa tsy mitady ho any tenanao ianao de aleo ho eo , ny zvt vita tsra ary ravanareo kou inn najy ny anao
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1008