Pasipaoro biometrika

1. ni81 ( 26/01/2009 21:27)
Faly miarahaba antsika namana mpiserasera rehetra indray ary dia mirary taona vaovao mahafinaritra ho antsika.
Ho an'ireo liana hanao ilay pasipaoro biometrika dia ireto avy ny zavatra ilaina:
- CIN malagasy: atao photocopie dia avy eo certifiée-na
- Livret de famille: atao photocopie fotsiny fa tsy certifié-na
- titre de séjour: atao photocopie dia certifié-na
- ilay pasipaoro taloha
- sary tapaka telo
- vola 60.000ariary na 300.000fmg
- raha miasa ianao dia ento ny ttasy fanamarinana izany asanao izany
Ny maraina ihany ry zareo no mandray ireo ttasy ireo ary iray andro fotsiny dia vita.
novalian'i Tazana ny 13/02/2009 19:00
2. fahamarinana ( 27/01/2009 07:29)
:arrow: tongasoa ny namako..ela hany zany !!!! Misaotra nizara akia,izay ilay tsy hafoizako azy an.. :-* :-* (l)
3. diamondra27 ( 27/01/2009 07:50)
salut ni81

sao de mila certificat de residence koa
4. ni81 ( 27/01/2009 08:19)
tongasoa ny namako..ela hany zany !!!! Misaotra nizara akia,izay ilay tsy hafoizako azy an..
salut faha! misaotra fa kely fotsiny dia saiky tavela tany e! Soa ihany!
salut ni81

sao de mila certificat de residence koa
salut diamondra27.
Ireo ihany akia no notadiaviny a!
Zà tsy nahalala hoe ilaina ny attestation d'emploi dia rehefa nanontaniany hoe inona no asanao, dia nolazaiko, dia hoy ry zareo hoe nitondra attestation ve, dia novaliako hoe tsy nitondra fa tsy nisy nilaza izany, dia nataony hoe : atao hoe ménagère izany. Tsy olana hoy aho fa izay ataonareo ao mety aby . :)
5. fahamarinana ( 27/01/2009 08:36)
:arrow: fa efa tsara kosa ilay hoe vita 1 andro,efa mahafinaritra..
diams : angamba satria mipetraka aty ivelany dia tsy nangatahana certificat de residence satria efa nampiseho titre de sejour ihany manamafy rahateo fa tsy any no mitoetra.Angamba hoy aho an!
N ahafahana manamboatra ao am ambassade sisa no andrasana dia ok daholo !:) (l)
6. Lejoba ( 27/01/2009 12:57)
Any Dago io ry ni81 sa aty ivelany?
Mahasosotra be ilay ao fanaovana pass any Dago, tsy menatra akory ilay rangahy miteny : 150.000 Fmg par personne io zoky dia mivoaka androany ihany ah. Dia aveziveziny tsotra izao ianao rehefa tsy milatsaka ilay "zavatra"
7. ni81 ( 27/01/2009 13:05)
Any Dago io ry ni81 sa aty ivelany?
Mahasosotra be ilay ao fanaovana pass any Dago, tsy menatra akory ilay rangahy miteny : 150.000 Fmg par personne io zoky dia mivoaka androany ihany ah. Dia aveziveziny tsotra izao ianao rehefa tsy milatsaka ilay "zavatra"

Tany dago io e! Ny maraina no napetraka ny ttasy rehetra tadiaviny, dia avy eo nasaina miandry kely, dia mandoa ilay vola 300.000fmg, dia avy eo milahatra miandry ny famenoany ny momba² anao sy maka sary avy eo. Izany hoe: ireo sary telo dia apetany anaty boky, fa ilay sary alainy eo no ho eo no apetany @ pasipaoro.
8. Lejoba ( 27/01/2009 13:31)
ni81 : babon'ny tsikin'i toi angamba izy dia novitainy mailamailaka ery fa raha lehilahy no mankany tonga dia otra be tsy tahotra tsy henatra.
Sa natakalo tononkira?
aza tezitra ianao fa somonga re ny ahy eeeeee, tsy mandry re ny salanitra ô
:-* :-* :-*
9. ni81 ( 27/01/2009 17:22)
ni81 : babon'ny tsikin'i toi angamba izy dia novitainy mailamailaka ery fa raha lehilahy no mankany tonga dia otra be tsy tahotra tsy henatra.
Sa natakalo tononkira?
aza tezitra ianao fa somonga re ny ahy eeeeee, tsy mandry re ny salanitra ô
:-D :-D Toa saika hangataka vola mihitsy izy fa nodiako fanina tanteraka e! Rehefa misy resaka hazavainy dia antsoiny ery @ zoronjorony ery aho fa tsy eo anoloan'ireo mpiara-miasa rehetra aminy. Dia nony efa t@ 11h tany ho any, efa vita ny famenoana ny mombamomba tao anaty ordi, dia nivoaka ary nantsoiny indray nilazàny hoe: nalefa sonia ka rahariva @ 4 no vita ka izay ataonao raha hiverina anio ianao na hiverina rahampitso maraina :)
Dia niverina aho ny hariva dia efa vita teo ary dia nisaotra aho dia lasa.
10. diamondra27 ( 29/01/2009 12:27)
ni81 de firy taona akia hono ny dureé de validité le pasy io
11. sipagasy ( 01/02/2009 18:56)
ary raha atao ao @ ambassade gasy ao Paris kay dia maharitra firy andro vao vita e!??

Misaotra e!
12. ni81 ( 01/02/2009 19:05)
ni81 de firy taona akia hono ny dureé de validité le pasy io
Dimy taona fotsiny fa tsy folo tahaka ny teo aloha!
ary raha atao ao @ ambassade gasy ao Paris kay dia maharitra firy andro vao vita e!??

Misaotra e!
aleo angamba miantso an-tariby azy ireo no mety na asa raha nisy namana efa namboatra tao koa?
13. xxx ( 05/02/2009 23:41)
sipagasy:

ary raha atao ao @ ambassade gasy ao Paris kay dia maharitra firy andro vao vita e!??

Misaotra e!



Amin ny herin andro ambany (fa tsy ambony)...

Andraso eo Paoly e! Efa ho 1 an izao mbola tsy misy fitaovana , patati patata...
14. Lejoba ( 09/02/2009 13:32)
Efa tonga ila fitaovana ao @ ambassady. 70€ "fotsiny" ny sarany.
http://www.ambassade-madagascar.fr/
15. booboo ( 09/02/2009 13:51)
Lejoba > misaotra
16. ni81 ( 09/02/2009 13:53)
Efa tonga ila fitaovana ao @ ambassady. 70€ "fotsiny" ny sarany
Fotsiny ve izany e? :lol:
17. Tazana ( 13/02/2009 19:00)
Ary hono hoy aho: ilay pasipaoro taloha ve hahatafidirana any Frantsa zao na europe raha avy aty amerique du Nord? Aty manko tsy misy machine. Saika hoe hody hanao pass vaovao raha mila vaovao vao tafiditra europe manko nefa dia vola be sady any amintsika zao korontana!!! Raha mba afaka miditra mampiasa pass taloha tsinona mba antsasaka ny frais satria misy zavatra tokony aleha any Allemagne. Ankoatra izay afaka manao pass any France ve raha tsy mipetraka any Europe??? Misaotra izay mahay ny valiny! 70 euros tokoa ve??? Ary any Mada toa hoe 500.000 Fmg sa efa ela koa zany...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5497