RIVO-PANDRAVA

1. DadaRabe ( 26/01/2009 21:12)
RIVO-PANDRAVA

Raha ny fandrobana sy ny fandravana,
Mitondra dinamita, manapaka tetezana,
No lasa ho filamatra, hitondra ny tanàna
Dia tena kivy aho fa sarim-pahaverezana,
Tantara efa naloa,
Nariana tany aloha
Kanefa dia izany
No hitantsika androany.

Raha ny fandoroana sy ny fahamamoana,
Midoroka rongony, mitondra antsy lava,
Raha toa ka izany no mbola itompoana…
Asa hanao ahoana ? Ny ampitso ve hazava ?
Fa haizina no hita
Sy koa lalovantsika,
Tarazon’ny fahiny
No hita ankehitriny.

Raha toa ka izany no lasa fomba fiaina,
Raha toa ka izany no apetraka ho tantara,
Raha toa ka izany no hameno ny toe-tsaina,
Raha toa ka izany no ataontsika anjara,
Ahoana re ny ho avy ?
Fa tena mampanavy
Mahangoly koa ny tava
Ilay…Rivo-pandrava !

DadaRabe
2. kidoropamba ( 26/01/2009 21:34)
Miaro seza nareo e. hin!hin!hin!hin!
iray andro monja de kombat d'efa mifona nareo. Tssssssss!!!!!!
Tsy mandraharaha izay tonokalo hoandravalo izahay vahoaka e.

Nodoranay dolidoly ny MBS, sy ny RNM ary TVM ka haninona indray e?

Rivo-mpandrava nareo avy aiza, ARY ILAY VAROTRA TANINDRAZANA ADINONAO?????????

tsssss. Mila gadraina koa ianao ty.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.007