Farasisa

1. ari.malala ( 15/01/2009 06:40)
Miarahaba ny rehetra indray,

Hono hoa e, ohatran'ny ahoana kay ny fisehon'izany farasisa? Dia misy miteny hoe raha mpisotro toaka be lay rangahy dia mety ho voan'ny farasisa ny zanany, mitombina ve izany? dia mety ahoana ny fisehony? Misaotra mialoha
2. vahiny2004 ( 15/01/2009 15:54)
Ohatran'ny efa nandeha teto io dinika io

Ny antsika gasy toa raha vao feno boutons ety ivelany dia voalaza hoe farasisa, na inona na inona antony .
Angamba eczéma izy eto @ ity lazain'i ari.malala ity : mety misy pbm de foie ilay zaza satria nisotro toaka be ny dadany ... angamba hoy aho
3. Zozoro ( 15/01/2009 18:54)
Ny farasisa dia antsoina amin'ny teny frantsay hoe ECZEMA, ny zaza vao teraka dia mety ho voan'izy io, na ny olon-dehibe koa aza. Ny fiaviany dia tsy hoe voafaritra amin'ny fisotroana alcool akory, na avy amin'ny rainy na avy amin-dreniny (na zaza na lehibe) fa hareti-koditra io, an'ny tsirairay. Mety maify dia manify ny derme (hoditra ambony) ka tsy mahatanty ny fiavian'ny setra ety ivelany : polition, air trop frais ou trop chaud ho an'ilay oditra manify na ny nono tsy dia ampy vitamine E sy C dia manjary vakivaky ny oditra manify ka ny lalan-drà kely ao amin'ny épiderme (hoditra faharoa) dia manampiharovana firy ka mihatra any amin'ny nofo. Rehefa tonga ny fahalotoana mipetaka eo amin'ny fery dia manjary mihitatra ary vetivety dia mamoa nana. Ny dokotera matetika dia manome cortisone ho fanampin'ny fanafody izay atorony. Raha olon-dehibe dia mitovitovy amin'izany koa, eo indray dia manoro hevitra amin'ny régime ny dokotera, atao betsaka ny légumes verts sy fruits ary ny trondro, miampy n y fanafodin'ny dokotera. Tsy question na alcool izany raha tsy diso aho satria, be ny zaza naterakin'ny mpifady alcool nefa voan'io, be ny olon-dehibe tsy mpisotro alcool anefa voan'io. Aza dia be hosotrosotra koa e! Ny zaza sasao amin'ny rano madio ny tavany na ny rano-nono. Aza adino ny manoso-menaka ny zaza (taloha dia jaboran'omby mafana no ahosotrin'ny reny ny zaza, sady hanorany azy: eo ilay misy fitenenana hoe : samy nosoran-dreniny menaka) Izamoa no hihosotra jaboran'omby amin'nizao androm-pandrosoana izao ! Ny farasisa dia hareti-koditra. Raha diso aho ahitsio.
4. ari.malala ( 16/01/2009 05:25)
Misaotra nitondra fanazavana. Ilay zaza aloha dia tsy ny tareiny no misy boutons fa eny @ tongony ary ilay izy ohatry ny bontsindrano izany... tsy mbola nohosorana inon'inona fa rehefa mangidihidy azy dia hôtrôriny dia mivoaka tao ireo rano ary mangirifiry azy! mahonena be ny mahita azy! zaza 2taona sy tapany :( izaho tsy mino hoe varicelle satria ny varicelle mazàna eny @ tarehy no fanombohany ary miaraka @ fanaviana izay izy matetika!
5. AnA ( 16/01/2009 06:59)
ari.malala:

Misaotra nitondra fanazavana. Ilay zaza aloha dia tsy ny tareiny no misy boutons fa eny @ tongony ary ilay izy ohatry ny bontsindrano izany... tsy mbola nohosorana inon'inona fa rehefa mangidihidy azy dia hôtrôriny dia mivoaka tao ireo rano ary mangirifiry azy! mahonena be ny mahita azy! zaza 2taona sy tapany :( izaho tsy mino hoe varicelle satria ny varicelle mazàna eny @ tarehy no fanombohany ary miaraka @ fanaviana izay izy matetika!
sao d lagaly -la gale) io? raha zao filazany arimalala zao d tena lagaly zany
Des démangeaisons souvent féroces, la nuit surtout, de petites traînées et vésicules, sur la peau des mains et des pieds principalement, des lésions de grattage. Le diagnostic de gale sarcoptique est établi.


6. ari.malala ( 16/01/2009 10:34)
tsy inoako aloha ilay hoe lagaly e! satria ny lagaly midindra, ka raha izy efa ela izahay mianakavy no voa! refa mankany @ dokotera de lazaiy fa allergie satria izaho terrain allergique, nefa izahay tsy mihinana zavatra tokony haha allergie izany! vary ve, anana, ovy, karoty, izany no haninay, sa ve tsy tokony hihinana ireo intsony fa mampivoaka bontsindrano ireo sanatria? :-D :-D :-D tsy dia mihinana trondro sy patsa izahay noho io antony voalaza io hoe izaho dia terrain allergique ary efa nanao analyse daolo izahay telo mianaka dia hita fa terrain allergique iany koa ny zanako, tsy haiko intsony! :cry:
7. ikaretsaka ( 17/01/2009 16:16)
Nga tsy MST moa ny farasisa... toa sifilisy no ataon ny gasy hoe farasisa ko
8. ari.malala ( 19/01/2009 06:36)
ika, tsy haiko intsony .... misy miteny hoe rehefa misotro toaka be loatra hono ny iray @ RAD ny zaza dia misy izany farasisan-toaka izany... (tsy izaho akory no misotro toaka sanatria an :-P)
9. ikaretsaka ( 19/01/2009 14:03)
Ka le farasisantoaka mety dozy lery de nitifitra t@ olona misy mst tany koa ...fa amiko io tsy misy afa tsy ny tests ihany ro ahalalana anazy.

Momba ilay hoe allergie inray dia tsy vitan ny hoe terrain allergique fotsiny fa tokony fantarina hoe inona aby ny allergenes mampihetsika. Azy dia aiza aby ny faritra sensible aminy...
10. ari.malala ( 19/01/2009 14:28)
ika, misaotra @ fanazavana e! hoeritreretina io resaka analyse io ka! zany hoe efa nampanao anay i Dr Kiban le ao am Ratsimamanga t@ 2001 tany angamba, d ny resultat dia hoe allergie (générale b zany le resultat) na ny ahy na ny anilay lahimatoa. Ilay kely moa tsy mbola nanao analyse satria izao vao misy problème izy...
11. ikaretsaka ( 19/01/2009 14:53)
De manatona allergologue mi determine hoe aiza @ vatanareo sy inona no mampa allergique anareo fa tsy hoe terrain de zay fotsiny...terrain ana inona?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1527