Tantaran'ny vitsika sy ny valala

1. niryna ( 15/01/2009 06:35)
Nandritra ny mafana andro dia mandehandeha sy misiditsidina fotsiny ilay vavala ary dia mihirahira sy faliifaly tsy misy toa izany .Tsy lavitra azy kosa anefa ity vitsika kely dia mitondra sakafo kely hoentiny any anaty lavaka


Ahatsiarovako ilay tantara tsy mety ho lefy " ny saka sy ny totozy ity "

Dia nandeha ny resaka ka ilay valala no nitarika azy

-Hoy ilay valala tamin'ny vitsika :Rahaoviana hianao no mba hiala sasatra ?

Sady tsy mitsahatra mitondra ilay sakafo kosa izy no niteny hoe efa fanin-telony izao ity hoentiko ao an-davaka ity

- maninona raha miaraka mihira amiko fa tsy miasa mafy ?

Manampy ireo namako aho anangona ny sakafo amin'ny andro mangatsiaka sady mieritreritra ao anaty koa izy hoe tokony anao izany koa hianao ra -valala hi,hi

- maninona no mieritreritra izay andro mangatsiaka izany any ,betsaka anie ny sakafo amin'izao e !

Ary dia nanohy ny asany sy ny diany ihany ilay vitsika

Tsy ho ela dia ho tonga ny andro mangatsiaka ary ho difotry ny oram-panala avokoa izay sakafo na ilay valala koa aza dia mety tsy ho afaka ny andeha na anidina fa difotra ao koa ka tsy ho ela dia ho fatin'ny hanohanana izy .

Rehefa nanatona ilay toerana nisy ilay vitsika ilay valala dia nahatsampa fa feno sakafo teo aminy ary nanomboka teo dia nahatsiaro izy fa tsara ny mitsinjo ny ho avy

Toy izany koa isika ,raha mbola afaka manao zavatra dia ataovy fa aza mangataka andro,raha mbola afaka mianatra dia mianara fa tsy ho hisy nenina,izay zavatra tokony ho vitantsika anio dia ataovy fa aza miandry ny ampitso lava , fadio ny tondraka anio mananjara :D


(l) niryna
novalian'i niryna ny 22/01/2009 11:51
2. xxx ( 15/01/2009 14:49)
Marina tokoa izao zavatra lazainao izao.
Fa misy fanotaniana ity: Hiandry ho antitra ary ve vao hiaina???. Ny fahatanorana izany dia ho lanina amin'ny fitadiavana???
3. niryna ( 15/01/2009 15:47)
xxx:

Marina tokoa izao zavatra lazainao izao.
Fa misy fanotaniana ity: Hiandry ho antitra ary ve vao hiaina???. Ny fahatanorana izany dia ho lanina amin'ny fitadiavana???


asa aloha e,efa mba nieritreritra ny nametraka vola kely tao amin'ny ccp ihany kosa aloha na dia tanora aza e,tsy dia betsaka kanefa mba niezaka kely ihany e.
Ny miaina ahoana tokoa moa izany ry xxx ?
4. Noue ( 15/01/2009 15:51)
niryna:

Toy izany koa isika ,raha mbola afaka manao zavatra dia ataovy fa aza mangataka andro,raha mbola afaka mianatra dia mianara fa tsy ho hisy nenina,izay zavatra tokony ho vitantsika anio dia ataovy fa aza miandry ny ampitso lava , fadio ny tondraka anio mananjara :D
sady ahoana moa hoy ny fitenenana zay eee ??? izay zavatra tokony vita sa atao androany dia vitaina fa tsy handrasana rahampitso ! zay ve ee ????


5. xxx ( 15/01/2009 15:54)
Tsy izany mantsy fa mandalo ilay fiainana, ka mila profite-na koa e! Nefa rehefa tanora enao no mba tena afaka mi-profite ka izay no nahatonga ilay fanontaniako retsy an! Mba tsy ho lany amin'ny fitadiavana fotsiny ilay izy e! Rehefa antitra mantsy na be vola aza dia efa tsy mahavita zavatra maro intsony e!
6. Noue ( 15/01/2009 15:59)
xxx:

Tsy izany mantsy fa mandalo ilay fiainana, ka mila profite-na koa e! Nefa rehefa tanora enao no mba tena afaka mi-profite ka izay no nahatonga ilay fanontaniako retsy an!
marina retsy io aaa ! sady fandalovana fotsiny koa anie ity fiainana ity eee


7. kotobekibo ( 15/01/2009 17:05)
misy fitenenana izay hoe :
" mandehana dieny tanora fa ref antitra tsy afaka intsony "
mandehana mirevy v sa mandehana manangona ?

- raha hanangona koa kanefa maty radem , tena gravy fa tsy ahazaka ariary any ampasana an!
- raha hanao fandanidaniam-poana sy hirevy foana koa anefa toa sarotra b , satria mety ela velona kanefa tsy manana ariary ihainana intsony , vao maika looza .

Ny fandalanjana azy angamba no tena mety raha ny fandinihiko azy .
Fa miankina @ eo an-tànana koa aloha e! inn no angonina raha toa ka zara fa mahatonga h@ faran'ny volana ny vola azo ?
8. Koditra ( 15/01/2009 18:18)
Noue : lhl nge io manao xxx io eh!

Kotobekibo : Dé lé saika ho lazaiko mitsy letsy reo nosoratan'lah reo léeza. :-D
Marina letsy zany a.
9. kotobekibo ( 15/01/2009 19:06)
Koditra:

Noue : lhl nge io manao xxx io eh!

Kotobekibo : Dé lé saika ho lazaiko mitsy letsy reo nosoratan'lah reo léeza. :-D
Marina letsy zany a.



misy telepatia less tsika a! sa telefonn , sa televizaoro moa! :-D :-D :-D
10. Zozoro ( 15/01/2009 19:24)
Tantaran'ny JORERY sy NY VITSIKA

Hoy i Jean de la Fontaine:

LA CIGALE ET LA FOURMI

La cigale, ayant chanté
Tout l'été,
Se trova fort dépourvue :
Qua la bise fut venue :
Pas un seul petit morceau
De mouche ou de vermisseau.
Elle alla crier famine
Chez la fourmi sa voisine?
La priant de lui prêter
Quelque grain pour subsister
Jusqu'à la saison nouvelle
"Je vous paierai, lui dit-elle,
Avant l'Août, foi d'animal,
Intérêt et principal"
La fourmi n'est pas prêteuse :
C'est là son moindre défaut.
Que faisiez-vous au temps chaud ?
Dit-elle à cette emprunteuse.
- Nuit et jour à tout venat,
je chantais, ne vous deplaise.
Vous chantiez ? J'en suis fort aise.
Eh bien dansez maintenat.

Jean de la Fontaine.

Tsy mety kosa ny nataon'ilay vitsika ê! Teo ampitanterana ny hanin-kohaniny ry zareo mba voarotsirotsin'ny feony, nahazo fahafinaretana dia izany ve no tsy anomezana azy sombiny kely...

NY ANDRASO ANDRASO TOKOA MAHARIVA ANDRO... AOKA SAMY HANAO IZAY METY E !... :) :)
11. ikaretsaka ( 15/01/2009 21:37)
Valala be mandry Aby fa marenina eo fa za iresaka hozy lesareraka :-D
12. niryna ( 22/01/2009 11:49)
Noue:

niryna:

Toy izany koa isika ,raha mbola afaka manao zavatra dia ataovy fa aza mangataka andro,raha mbola afaka mianatra dia mianara fa tsy ho hisy nenina,izay zavatra tokony ho vitantsika anio dia ataovy fa aza miandry ny ampitso lava , fadio ny tondraka anio mananjara :D
sady ahoana moa hoy ny fitenenana zay eee ??? izay zavatra tokony vita sa atao androany dia vitaina fa tsy handrasana rahampitso ! zay ve ee ????



dia mbola manampy ihany koa ny tenintsika hoe mitsangana dieny mbola malaina fa rehefa mazoto tsy afaka intsony
efa henonin'i Noue ny olona antitra mamerimberina ny fahazazany ,fony izahay tanora ,tamin'ny fahatanoranay .... toa te hiteny zavatra maro izy saingy ny tena koa moa tsy nanontany hoe ahoana tsara a ,hi,hi


13. niryna ( 22/01/2009 11:51)
xxx:

Tsy izany mantsy fa mandalo ilay fiainana, ka mila profite-na koa e! Nefa rehefa tanora enao no mba tena afaka mi-profite ka izay no nahatonga ilay fanontaniako retsy an! Mba tsy ho lany amin'ny fitadiavana fotsiny ilay izy e! Rehefa antitra mantsy na be vola aza dia efa tsy mahavita zavatra maro intsony e!

dia lasa hoe antitra vao ratsy loaka e .ampifandanjana angamba ny fiainana no mety ka sa ahoana ? sa tsy misy mahalala izay avoakan'ny ampitso tokoa e ?

:D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.356