Tretrika

1. benasy ( 09/01/2009 09:28)
Malala a ! Tiako ho tretrika ianao mba hitretrehako koa….

Malala a ! Diso fantatrao aho, ka aza odiana tsy hita re ny amiko.
Tsapako anie fa te-homba ahy ianao ! Eny na tsy ianao ianao aza, saingy feno tahotra loatra ny ao anatinao ; satria raha mitovy isika, foana ny hasambaranareo, levona ny fiadananareo, potika ny hasoanareo. Eny hanjavona ny Paradisanareo ! Tsy hoe ho lasanay…. Fa ho lasantsika ! Ka ny « isika » indrindra no atahoranao !

Fantatrao ny hery azoko andrombahana ny eny am-pelatananao fe kely, àry zara raha misy, ka dia araraotinao ny hadalako mody maty manangona ny heriko mba hiatrehako anao. Nefa ny hasambaranao anie tsy hafa fa avy amiko ihany…

Malala a ! Tiako ho sambatra ianao mba hiasambarako, hoya ho. Ary raha tena sambatra ianao, tsy dia ahoako loatra akory ; fa ny hasambaran-disonao no mampiferinaina ahy.

Malala a ! Diso fantatrao ny amiko, nefa aleoko ambara farany hitiavanao ahy kokoa.
Natoniko ianao, nilako dinika mangina nefa nianjonanao aho !
Mbola nanoratra aho, nampitondraiko nefa tsy nisy valiny mihitsy !
Nanoratra ihany aho teny amin’ny vatan-drindrina, nefa tsy notohininao akory !
Nanoratra hatrany aho, nodradraiko an-dampihazo, nefa aiza ianao mba hoe rototra ? Nanoratra aho, àry nanoratra ho anao !
Nokiahiko an-kira, nefa aim-bery foana ny ahy !

Malala a ! Mbola hanoratra aho ho anao, noho ny alaheloko anao fa tsy alaheloko ny tenako.

Diso fantatrao aho, ka aza odiana tsy hita re ny amiko !


Décembre 1995

Sao mba misy mahafantatra ny amin'io hainteny io ianareo ???
novalian'i Zozoro ny 14/01/2009 19:12
2. andrywui ( 09/01/2009 09:48)
aza mi- pendu ny tenda fotsiny rehefa feno be eo ny fon'i toi ry benasy fa mitomania fotsiny a! fa mampalaelo ahy ty fivalovalonao__ozy lery---mbola hanoratra ho anao aho--__ny phon no haingana na email fa very any poste any kou ny taratasy vao maika toi mi-pendu eo
3. xxx ( 09/01/2009 10:05)
innn kou ary no idiranty resaky le benasy ty amin politik :roll: ^:^ =D>
4. eh ( 09/01/2009 10:47)
Izao izany ilay hoe politikan'i Malala! mahery ilay fitiavana ka! ataony miteniteny ,kanefa tsy fantatra hoe inona no tena dikany!!! politika io!!! :lol:
5. xxx ( 09/01/2009 10:50)
eh:
Izao izany ilay hoe politikan'i Malala! mahery ilay fitiavana ka! ataony miteniteny ,kanefa tsy fantatra hoe inona no tena dikany!!! politika io!!!
:lol: :D
6. benasy ( 14/01/2009 15:48)
Hain-teny io ho'ah fa tsy resaka Fitiavana izany;
Tena hain-teny Politika mazava be io ve dé tena tsitanareo lé
i Malala = Mpitondr fanjakana be drikina sy mafy loha !
Hira sy soratra = mpanao gazety sy mpanoratra ( zava-kanto )
Vatan-drindrina = grafitis
Ny mpanoratra ( izaho ) = vahoaka
Aiza ary 'nareo izany 8-) 8-) 8O
7. Zozoro ( 14/01/2009 19:12)
Tsy mety izany ilay hevitra nolazaiko ary amin'ny "Eritreritra mandalo "
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0079