lazaina ny ankizy ve ?

1. xxx ( 07/01/2009 21:27)
ny aretina gravy mahazo fianakaviana akaiky ? indrindra raha mifanerasera matetika sy tena tian'izy ireo ilay marary ? dia ahoana no fomba ilazana azy ? latsaky ny 10 taona ireo ankizy, fa hoatry ny mahatsikaritra sahady ny ambiansy matroka.
mila torohevitra dia misaotra mialoha
novalian'i mibalika ny 15/03/2009 12:30
2. benasy ( 08/01/2009 14:57)
Mety raha ilazanao ny ankizy, fa anjaranao kosa indray ny mifidy ny teny hampiasina @ izay. Tsy ilaina tampoka be, tsy fomba hentitra izany é! Tsara raha eo am-pisangiana aminy ianao no milaza tsikelikely....
Bonne chance !
3. ravakamalala ( 09/01/2009 23:24)
Na inona na inona zavatra mitranga dia tokony lazaina ny ankizy foana, tsy voatery hanome "details" ianao fa azavaina azy araka izay mety ahatakarany azy, ary ny ankizy tena mahatakatra fa isika lehibe indraindray no somary mi "souzy"

rehefa hitanao hoe vonona hiresaka, vonona hihaino anao iny izy resahina, ohatra hoe, eo ampisakafoanana, rehefa ilay miara mitsilanilany eo ampandriana iny, .....
4. jejojejo ( 19/01/2009 14:27)
xxx:

ny aretina gravy mahazo fianakaviana akaiky ? indrindra raha mifanerasera matetika sy tena tian'izy ireo ilay marary ? dia ahoana no fomba ilazana azy ? latsaky ny 10 taona ireo ankizy, fa hoatry ny mahatsikaritra sahady ny ambiansy matroka.
mila torohevitra dia misaotra mialoha





Manahoana,
Raha ny hevitro dia tsara ny ankizy mahalala ny zavamisy sady na ho ela na ho haingana dia tsy maintsy ho fatany ihany. Tia manampy ny ankizy raha olona tiany no marary, ka raha misy moa ny fahatsarana dia mba mahatsiaro ni-participer izy, ary raha sanatria mitombo ny aretina dia mba tsy tampoko aminy loatra ny zavamisy sady tsy mahatsiaro voafitaka izy. Gaga angamba aza ianao rehefa miteny aminy fa ho hitanao fa efa tsapany ilay ambiance, ka ny filazana ny marina tsy hampatahotra azy fa mety mi-rassurer aza satria mazava aminy ny zava-misy. Mahereza.
5. mibalika ( 15/03/2009 12:30)
miarahaba ny rehetra,
amiko d tsara raha lazaina ny ankizy am teny tsotra,ohatra tam mamako* nanomboka nanarary d efa nolazaiko ny zanako izany,soa ihany fa satria nony maty* izy ,izaho niasa fa izy ireo sy ny rainy no nahare ny vaovao ,aza matahotra ny miteny fa araky ny teny ny sasany etsy ambony,ny ankizy mahatsapa ny zava-misy.Mahereza
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1495