Iza koa no mbola mahita ?

1. niryna ( 23/12/2008 16:47)
Indraindray dia mahavariana ny fomba fitenintsika fa misy fanoharana foana a.
MIvandravandra toa mason-tanalahy. Medameda toy ny sarety. MIrimorimo toy ny angidina. Tsy mba mipitrapitra mampalahelo fa mivandravandra mampatahotra.Mivotirika toa masom-borindolo .Masiaka toy ny sakay kely rano oops tafiditra hatramin'ny ohabolana ity hi,hi
Iza koa no mbola mahita ?
(l) niryna
novalian'i lulah70 ny 21/01/2009 16:14
2. xxx ( 23/12/2008 20:53)
manao be fiavy tahaka ny pipy vao maraina
3. xxx ( 26/12/2008 01:57)
Lahy tahaka an-drainy
4. yonikafopl ( 26/12/2008 05:39)
Mivoaka miditra otran lelo
5. kotobekibo ( 26/12/2008 11:11)
miaka-midina toy ny kilaotin'ny makorelina . :-P
6. ikaretsaka ( 26/12/2008 20:31)
yoni> poika..
mivoaka miditra ohatran'ny l..ohan-tsokatra mihinana salady
7. kotobekibo ( 26/12/2008 22:10)
Manoro vilana tahaka ny mpitaribato vilambava .
8. apache ( 27/12/2008 08:06)
- mivindavinda ôtran'ny faty ampandroana
- mimenomenona ôtran'ny sinoa very entana
- kely veta ôtran'ny kisoa gasin' Ambohimanarina
- misavaombaona ôtran'ny ta.. entin'ny riaka
- mibitabitaka ôtran'ny akoho mahita rehoka
....
9. kotobekibo ( 27/12/2008 10:10)
- Ny teo aloha tsy levona , ny aoriana asesika ihany toy ny soron'afon'adala
- Manandrifindrify tahaka ny tenin'adala
- Miadan-dratsy ohatran'ny boka mitery omby
- Matimaty foana tahaka ny valàla samborim-boka
....
10. Zozoro ( 27/12/2008 10:40)
- Mimenomenona ohatran' ny loha tapaka
- Maika tsy faingana toa dian'ondry
- Miavo tsy feno ohatran' ny tain-delo
- Be famaritra ohatran'ny rambon'osy
- Miriorio ohatry ny angidina
- Madera tazanina tahakan'ny ny valalan'alika
- Mitabataba ohatran'ny kômoriana :lol:
11. Noue ( 27/12/2008 10:45)
Zozoro:

- Mitabataba ohatran'ny kômoriana :lol:



=)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =))
12. moi ( 27/12/2008 12:25)
- Mahita ny firenena ho mandroso toy ny TIM
- Tsy mahita mangirana toy ny tsy nahita sopapa (sujet)
noforoniko ireo an
13. Koditra ( 27/12/2008 18:55)
- Medameda ôtran'ny 2CV miakatra eny Anatirova
- tsy mifankafoy ôtran'ny salaka sy voly (ôtran'ny diso tsipelina zany voasoratro zany fa azafady)
14. booboo ( 27/12/2008 19:07)
- mitonatonana ohatra vinanto tsy mahare fosa
15. zoara ( 29/12/2008 19:07)
mahay roa sahala amin'ny vo..dn'akoho,sady anger...ena no anatodizana.
mahay manantsiny,tsy mahay manatsiny toy ny mpandihivavy lava volon-kelika
16. Zozoro ( 30/12/2008 17:05)
Koditra:

- Medameda ôtran'ny 2CV miakatra eny Anatirova
- tsy mifankafoy ôtran'ny salaka sy voly (ôtran'ny diso tsipelina zany voasoratro zany fa azafady)



Tsy mifankafoy ohatrin'ny salaka sy ravim-boly (ahitsio ny tsipelina) izay angamba no izy raha tsy diso aho.
(Misaotra tamin'ny firariantsoa Koditra an !)]
17. Koditra ( 30/12/2008 17:34)
zozoro : adinoko kay lé raviny fa tonga dé lé ventiny ray manontolo no voalazako :-D :-D
Misôtra nanitsy.
(tsy misy fisaorana aki a, dia mirary anao ho lasa bararàta ndray @ io taona vaovao andrandraitsika io)
18. booboo ( 30/12/2008 18:34)
:-D
19. kelly13 ( 30/12/2008 19:19)
maninn sy maninn sy maninn sahala @ vômasonjaza mou? tsy tadidiko tsony
20. Zozoro ( 31/12/2008 09:43)
kelly13:

maninn sy maninn sy maninn sahala @ vômasonjaza mou? tsy tadidiko tsony


Mipitrapitra ohatran'ny voamason-jaza (izay angamba)
Aza mijery voamason-jaza
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1867