fiangonana ty @ tany mandroso

1. 08051972 ( 20/12/2008 16:02)
manaôna daôl e! Tena sady nalahelo no kivy ratsy zà rà nahita omaly t@ France2 fa misy fiangonana lasa boite de nuit,bar,ary ny sasany aza mety harodana mihintsy fa tsy manambola hanamboaran'azy ny mpino! mba niresakat@ vadiko sy ny rafozako momba an'io zà fa hozy ry zareo t@ko woe: ka tsy aleo kosa ve mba hisy ol hikarakara ?
Kivy be t@ le hevitry ry zareo zà de mba manoratr'eto hoe rà mba misy ol manana version bublique manazava sy mampahery anà momban'io fivavahana sy fahamasinan'ny tranon'Atra io ary indrindra woe efa voasoratr'ao anaty aiboly ve fa hisy ny tranon'Atra hiova ho boite na bar de mba omeo woe zà mba hampahery!
novalian'i prime ny 08/01/2009 06:31
2. ikaretsaka ( 20/12/2008 17:21)
Arakaraky le famaritanao izay lazainao hoe "tany mandroso" io
3. fahamarinana ( 20/12/2008 17:48)
:arrow: ka rehefa tsy araka ve tsy aleo izay sa ho avela rava ho azy eo...mino aho fa efa notadiavina ny vaha-olana rehetra vao tonga eo amin'io situation io fa raha azo nialana dia mety tsy namidy..... (l)
4. ikaretsaka ( 20/12/2008 18:00)
Afaka avadika ho musee ohatra....
5. rakapy ( 20/12/2008 19:06)
Tsy ny tany mandroso ihany no efa nitrangan'izany fa na aty @ tany mahantra ohatra an'i Mada dia efa nitranga io oh tao Ilakaka.
Ika>Raha atao musee aloha dia hevitra tsara fa iza no hamatsy vola hiakarakarana azy? ny tompon'ny fiangonana aza efa niala nenina ko!


6. fahamarinana ( 21/12/2008 12:05)
:arrow: ika : hvtr mety fa araka ilay spons mividy azy ihany..ny hitako dia ataony loft,misy koa bars sns..fa ny tsy dia voako amin'ilay trano hipetrahana dia mbola eo an-tokotany koa ireny fasana taloha ireny...fa chacun son gout tokoa moa. (l)
7. 08051972 ( 21/12/2008 14:44)
Ka fiangonana anie no lazaiko anareo zany e!
8. rabingogilabanga ( 21/12/2008 20:43)
08051972:
Tena sady nalahelo no kivy ratsy zà rà nahita omaly t@ France2 fa misy fiangonana lasa boite de nuit,bar,ary ny sasany aza mety harodana mihintsy fa tsy manambola hanamboaran'azy ny mpino! mba niresakat@ vadiko sy ny rafozako momba an'io zà fa hozy ry zareo t@ko woe: ka tsy aleo kosa ve mba hisy ol hikarakara ?

Oui c'est triste, fa atao ahoana moa, ny politika no mahatonga an'io, ary ny adiady eo @ samy mpino, fa na izany aza tadidio fa niteny an'io ny tompo:

politika: Itony cas itony dia matetika any @ nation Laicard (Laicité à tout bout de champs): Pays-bas, France, belgique..., tsy ny mpino no tsy misy , miroborobo ny mpino, fa izay mihetsika dia na secte, na sao mahatezitra ny finoana sasany , na tsy fitiavana ny amerikanina tsotra izao, satria ny evangelique no mahazo ny fon'ny olona @izao (banlieu français, banlieu londonien, cf afrique, amerique latine , asie, ...) miohatra @ ireo finoana tranainy (catholique, protestant lutherien , reformiste ),ary raha vao evangelique dia amerikana izay , dia niet izay. Eny fa na ny chretien boudhisme aza dia lazaina fa amerikana

adiady eo @ mpino: raha alaina ohatra i lafrantsa sy i angleterre, dia feno evangelika any @ elakelantrano rehetra any, any @ garazy ry zareo no miangona; tsy manana trano hiangonana. Maninona tsy omen'ny katolika( izay tompon'ny fiangonana zara raha misy mpino) ireo evangelika ireny trano fiangonana ireny? ao raha! clientelisme religieux ve? va savoir

ceci dit ny FJKM koa manao toeran- tsy zaka @ katolika ao Madagasikara , ary ny catholique dia mizaka ny hetraketrakin'ny finoana sasany (ao Bosnie herzegovine ohatra)

ny lazain'ny baiboly:

matoa lasa bar na boite de nuit, koa ny eglizy dia satria, tsy misy olona firy , ny baiboly efa nilaza an'io:

(Matthieu 7:13-14)

Jésus dit "Entrez par la porte étroite. Car large est la porte, spacieux est le chemin qui mènent à la perdition, et il y en a beaucoup qui entrent par là.
Mais étroite est la porte, resserré le chemin qui mènent à la vie, et il y en a peu qui les trouvent."

9. Noue ( 21/12/2008 21:20)
08051972:

Ka fiangonana anie no lazaiko anareo zany e!
izaho aloha dia tsy gaga @ io eee ! tsy any dago ihany tsinona no ahitana fiangonana navadika zavatra hafa noho ny tsy fisian'ny vola hikarakarana azy eee !
mahafantara fiangonana ngezabeee izay aho dia olona particulier no nividy azy ary tena mbola eo ampanamboarana azy mahintsiny ry zareo fa tsy atao fiangonana intsony ilay izy ! ka tsy hitako loatra oe inona ny olana satria tsy aleo ve misy mikarakara hanaovana zavatra hafa toy zay avela simba eo dia hirodana eo fotsiny eee ????


10. ikaretsaka ( 21/12/2008 21:22)
Tsy hitako ny ifandraisan ny varavarana tery sy ny fiangonana... ny any @ boite de nuit aza taoko no kely kokoa ny varavarany mohohotra @ ny an'ny fiangonana (ho an izay efa mba niditra t@ ireny)!
Des faits rien que des faits ho'zy le akama
11. rabilabila ( 22/12/2008 00:01)
Tsy hitako koa izay idiran\'ny laicité amin\'ilay tantara ,matetika aza ny fiangonana avant 1905 (raha Frantsa )dia ny fanjakana no manome vola hanaovana ny entretien-ny , raha ny après indray dia ny mpiangona no manao izany .

Raha ny any Belgique ,Espagne , Italie ( Danemark koa raha tsy diso aho )dia ny fanjakana mihitsy no mandoa ny karaman\'ny pasitera , ny mopera , ny rabbin , ny imam .....sns....

Raha ny any Pays Bas indray dia toa mahazo vola ikambanana avy amin\'ny fanjakana ny religions rehetra dia ry zareo no mitsinjara izany arak\'izay hilavany azy .

Ka raha misy tsy mahavita ny tokony ataony dia samy omena tsiny amin\'izany tsy fikarakarana izany fa tsy ny laicité no ndeha hosoram-potaka .Na any Angleterre izay manana réligion d\'Etat aza tsy manome vola ny fiangonany dia ny laicité foana no atao bouc emissaire -n\'izay tsy fahaizanareo miara-miana .Andray !!!
12. hana ( 22/12/2008 13:21)
Manonona ny fiadanan'ny Tompo ho aminao 08051972
Matio 21:13 dia hoy Izy taminy: Efa voasoratra hoe: "Ny tranoko hatao hoe trano fivavahana " ( Isa.56.7); fa hianareo kosa manao azy ho "zohy fieren'ny jiolahy " (Jer.7 .11).
Betsaka ny teny avy ao amin'ny Soratra Masina azo anazavàna ny toe-javatra hita ankehitriny.
Tsy mandeha araka ny sitrapon'Andriamanitra intsony ny olona. Hita ohatra, @ izao fotoana izao, misy ireo fiangonana mandrara ny itondràna ankizy any am-piangonana, na mamoaka azy ireo mandritry ny toriteny na fampianarana ho an'ny lehibe. Antony voalaza : mitabataba na mipelipelika ka manelingelina ny concentration-n'ny olona hafa. Tsy voahaja ny hoe "avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza raràna". Sy ny hoe "zaro amin'izay lalana tokony halehany ny zaza"
Hany ka tsy misy intsony ny relève. Toy ny tanàna any ambanivohitra ilaozan'ny tanora.
Izao tontolo izao nefa manao izay ho afany andresena lahatra ny olona tsy ho any am-piangonana intsony.
Zavatra 2 ihany no ilàn'ny vazaha ny fiangonana eo @ fiainany, ho an'izay mbola manao izany : batemy sy fandevenana. Pour la tradition. Ka ny batemy azo atao ao @ baptistaire (efitra kely mifanila @ fiangonana), ny fandevenana tsy matetika loatra na koa azo atao any @ toerana malaza ets.
Tsy mankany am-piangonana intsony mihitsy ny olona dia mazava ho azy, tsy misy vola mihodina hikolokoloana azy ao eh. Ny fiveloman'ny mpitory Filazantsara aza tantara be.
Mahereza eh
13. prime ( 22/12/2008 14:29)
Tsy indray mandeha tokoa no efa nahitana izany any amin'ny tany mandroso... indray mandeha aho no nahita tany Netherlands trano fiangonana protestanta iray natao trano fiasàna orinasa ary dia voasokajy ho "créativité" izany tao amin'ny Guiness ka tonga faka tahaka tany amin'ny firenena maro...

Dia mampahery anao ry 08151972 fa mampalahelo ny toy izany satria faneho mazava izany fa tsy ilaina intsony Andriamanitra... na ny tranony aza dia azo foanana ka ampiasaina amin'ny zavatra hafa...

Ho fampaherezana anao dia, matokia, fa tsy ho foana akory ny fanantenanao fa ho velona satria hisy farany ny zavatra rehetra... (vakio ny ohabolana 23:17-18)...

Miorena tsara dia mahereza fa io Andriamanitra inoanao io dia velona ary mitahy ny zanany mandrakariva... mahereza mivavaka dia aza mierikerika foana fa Jesosy no henoy sy araho ary ankatoavy... fa tena miharatsy izao fiainana izao...

Homba anao anie Jesosy...
14. coopsal ( 22/12/2008 15:33)
08051972 a !!!
prime:
mahereza mivavaka dia aza mierikerika foana fa Jesosy no henoy sy araho ary ankatoavy... fa tena miharatsy izao fiainana izao...

==> Hitondra aminao valim-panontaniana ihany aho, fa mba te hitantara kely iray aminao aho, fanoharana nataon'ny sinoa kristiana iray nanazavany ny nahatonga azy hino an'i Kristy :
Nandeha aho indray andro ka latsaka tao anaty lavaka lalina.
Nisy lehilahy iray nandalo ary nilazalaza tamiko teo ny toe-java-nisy : ny halalin'ny lavaka, ny haben'ny vatako, ary nanao kajikajy teo ka nahita fa tena gravy tokoa ny mahazo ahy! Dia lasa, i Conficius izay lehilahy izay.
Nisy lehilahy iray faharoa nandalo ary nilaza tamiko fa mila miala ao amin'io lavaka io aho, ary dia nanipazany tady. Tena efa naharary loatra ahy ny rantsambatako rehetra fa angamba tapatapaka ny taolako ary ny ratra nahazo ahy efa be koa tsy afaka akory ny hitambesatra amin'ilay tady aho. Rehefa hitany aho fa tsy afaka dia lasa izy nandeha : i Bouddha iny.
Nisy lehilahy iray fahatelo, rehefa hitany fa nila vonjy aho dia nidina izy ary izy no namoaka ahy tao anatin'ilay lavaka : i Kristy izay.

Tahaka ny latsaka anaty lavaka angamba no tsapanao ao am-po izao! Ary dia mandalo eto daholo na i Conficius na i Bouddha na i Kristy.
15. coopsal ( 22/12/2008 15:59)
08051972 a:
Kivy be t@ le hevitry ry zareo zà de mba manoratr'eto hoe rà mba misy ol manana version bublique manazava sy mampahery anà momban'io fivavahana sy fahamasinan'ny tranon'Atra

==>
Ny tranon' Andriamanitra
"Démolissez ce Temple, leur répondit Jésus, et en trois jours, je le relèverai... Mais en parlant du « temple », Jésus faisait allusion à son propre corps." [Jean 2: 19-21]

Le corps du Christ
"... et ce Christ qui domine toutes choses, il l'a donné pour chef à l'Église qui est son corps"[Ephésien 1:22]

L'Eglise du Christ
"Et moi, je te déclare : Tu es Pierre, et sur cette pierre j'édifierai mon Église, contre laquelle la mort elle-même ne pourra rien. " [Matthieu 16:18]
---> Pierre était un homme et non un rocher! Ce que Jesus appellait Son Eglise n'est sûrement pas une édifice fait de mains d'hommes, il parlait d'Esprit

Le Temple de DIEU
"et puisque vous êtes vous aussi des pierres vivantes, édifiez-vous pour former un templen spirituel "[1 Pierre 2:5]

CONCLUSION : Ne t'inquiètes pas, ce qui va être détruit n'est pas ce que tu crois être!
Voyons, Est-ce que DIEU laisserait son Temple détruit? Je ne pense pas!
Le vrai temple de DIEU c'est l'ensemble de ceux qui croient dans leur coeur JESUS, et ce temple là ne sera jamais détruit, sois-en sûr. Et si tu crois de tout ton coeur à Jesus, je suis content de t'avoir rencontré ici (même si je ne te vois pas), et je serai plein de joie lorsque dans l'autre monde, nous nous rencontrerons avec tous les autres. Tu me diras : "C'étais moi dans le forum serasera"
16. bor2lais ( 22/12/2008 16:42)
Hoy i coopsal :
\"L\'Eglise du Christ
\"Et moi, je te déclare : Tu es Pierre, et sur cette pierre j\'édifierai mon Église, contre laquelle la mort elle-même ne pourra rien. \" [Matthieu 16:18]
---> Pierre était un homme et non un rocher! Ce que Jesus appellait Son Eglise n\'est sûrement pas une édifice fait de mains d\'hommes, il parlait d\'Esprit\"

->Iombonako hevitra tanteraka.

Fanampiny kely tiako lazaina fotsiny :

Amin\'izao fotoana izao, i Piera dia tsy iza akory fa izay rehetra mpanara-dia an\'i Kristy (mino sy mandray Azy) ...
17. niryna ( 23/12/2008 14:37)
08051972:

manaôna daôl e! Tena sady nalahelo no kivy ratsy zà rà nahita omaly t@ France2 fa misy fiangonana lasa boite de nuit,bar,ary ny sasany aza mety harodana mihintsy fa tsy manambola hanamboaran'azy ny mpino! mba niresakat@ vadiko sy ny rafozako momba an'io zà fa hozy ry zareo t@ko woe: ka tsy aleo kosa ve mba hisy ol hikarakara ?
Kivy be t@ le hevitry ry zareo zà de mba manoratr'eto hoe rà mba misy ol manana version bublique manazava sy mampahery anà momban'io fivavahana sy fahamasinan'ny tranon'Atra io ary indrindra woe efa voasoratr'ao anaty aiboly ve fa hisy ny tranon'Atra hiova ho boite na bar de mba omeo woe zà mba hampahery!


MIsy tantara iray izay nampiseho ny fahatezeran'i kristy satria matetika dia fanaovana fahagagana sy fanasitranana ary fandroahana devoly foana no niseho sy fantatra mikasika an'i kristy .Teto kosa dia fahatezerana no nasehony satria nataon'ireo olona ho toerana filokana,fivarotana,fiangonan'ny jiolahy ny tranon'Atra.Mazava ho azy fa tsy vao izao izany no nisy io zavatra nambaranao io.Fa efa nasehon'i kristy taloha.
Mikasika ny pasitera indray dia tsara raha tsy mitsikera ny olon'Atra isika.
Salamo 105: 14-15 Tsy nisy navelany hampahory azy, Ary nananatra mpanjaka Izy noho ny amin'ireo hoe:
Aza manendry ireo voahosotro, Ary aza manisy ratsy ireo mpaminaniko

18. ikaretsaka ( 23/12/2008 16:51)
any finland any misy fiangonana voanjo alika dia toy izao ny tantarany:
tsy idirako ny resaka hafa ankoatran'ilay maha trano azy aloha an
fa ny design sy ny nanaovan'ilay architectes azy no nahatalanjona ahy

rehefa maraina io dia fiangonana dia rehefa hariva io mmeme trano io dia lasa trano fanaovana billard sy karazana cafe sy resto.

Misy bokotra potserina dia lasa manao ohatran'ireny t@ "transformers" ireny ilay trano (miainga mankany @ plafonds ny alitara sy ny pilipitra ) dia misitrika any ambany gorodona ny dabilio dia mivoaka avy any ny latabatry ny hotely sy ny billadrs sy ny sisa

ny nahatonga iznay dia nifanila ireo toerana 2 ireo, hono taloha (le fanaovana billard sy fiangonana kely no teo) dia samy lasa be olona rehefa samy ni prosperer avy .... tonga tsy omby intsony dia samby naniry te hanitatra na i Pasitera na ny lehiben'ilay Club , dia nahazo marimaritra hiraisana hoe samy harodana ilay trano keliny dia nifanaraka fa hanangana trano 1 lehibe izy ireo izay antonona ny kil ny tsirairay avy! 'io koa moa dia misy fotoana ny hi frequenten'ny kil ilay toerana.. dia rehefa tsy ampiasain'i pasy de ampiasain'ilay tompona billard... dia rehefa maraina de mandeha ny bizna fivavahana dia rehefa hariva mandeha ny bizina billard...
rehefa sasakalina no tsy haiko....

fa ho ain'izay liana dia afaka mankany izy na mijery ilay hoe "kinetic architecture" (googlevo) fa feno karazany betsaka ao fa io fiangonana lasa fanaovana billard io no extreme sy nanaitra ahy indrindra

19. fahamarinana ( 23/12/2008 18:21)
:arrow: alaiko sary an-tsaina ilay lazain'ika fa sady sondriana no tapa-tsinay...nisy iraika izay aza sady fiangonana dia rehefa w-e dia lasa salle fanaovana boxe ao amin'ny cave (tsy tsaroako tsara fa toerana iray ao am-piangonana) ka zà manokana tsy hidirako lalina ny antony namarotana na tsy mety na ahoana fa ataoko fa matoa tonga amin'izay farany izay (varotra ) dia ao raha :na tsy nisy parata na tsy nisy sponsor afaka mandray azy sy mitazona azy ho Fiangonana ihany na antony hafa.
Mino aho fa n'aiza n'aiza toerana afaka hiangonana sy hivavahana rahatoa ka tena vavaka no atao indrindra moa raha voatery izay no hatao satria tsy misy trano vato Fiangonana.Na anaty Fiangonana ihany koa ka raha hanabe tarehy na raha fihatsaram-belatsihy dia tsy misy antony fa tahaka ny tsy misy dikany ho an'ny sasany koa ilay toerana.Hevitro moa izay..
Any dago koa misy mivarotra ve ? mbola tsy reko ndray izay raha tsy androany..raharaha marina ity fiainana miha-sarotra ity (l)
20. badboy ( 23/12/2008 19:17)
Tsy haiko na fohy fitadidiana na, aleo ataoko hoe ity faha2 no izy, tsy mahay tantara, fa ny eglizy dia efa t@ taonjato maro alohan'ny nahaterahan'ny rôle no efa nisy, ary ny jiosy no tompony izay nampitondrainy ny anarana hoe sinagoga, na koa tempoly!! Rehefa tonga ny fametrahan'i Théodose t@ faran'ny taonjato faha4 ny fivavahana kristianina ho fivavahan'ny "empire" dia nanomboka ho niely eraky ny tany tandrefana sy magrheb ny fiangonana!! Ka mtoa ry zareo manova ny fiangonana ho lasa "loft" na "boite de nuit" ... dia satia efa ny traikefa hitany har@ izay nisian'ny fiangonana teo aminy no ampiasainy!!

Ka ampitahao @ fahalalaika gasy ny fisian'izan Jeso, na koa ny nisian'ny fiangonana voalohany eran'ny fanjakana... dia ho hianao fa tsikera ratsy fipetraka ilay ataonao sy ireo namanao!!!

PS : Mba mamakia boky tantara nisy fa aza kofon'ilay baiboly izay efa novaina in3 farafahakeliny ny voalaza tao anatiny alohan'ny hahatongavany eny antananao!!! :twisted: :twisted: :twisted:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0574