skotisma

1. didimaso ( 01/12/2008 09:57)
Fanamabarana sy fijoroana vavolombelona amin'ny maha goavana ny fanabeazana skotisma izay nolovana tamin'i BADEN POWEL (B.P) mpanorina
afaka mitantara ny nahatongavany teto MADAGASIKARA, ny ANTILY, FANILO, TILY sy MPANAZAVA, KIADY, malakaka ny fifampizarana. Fa ny tena tiana asongadina dia ny soa vitan'i B.P SY FANKASITRAHANTSIKA AZY ; 101 taona sahady mantsy izay ny nanorenany azy.

BADEN POWELL anisan'i PEDAGOGY ngezalahy ! nanova ny Tanora ho amin'ny idealim-piainanana
novalian'i jgast ny 12/02/2009 14:23
2. booboo ( 01/12/2008 11:57)
eka ouz ! pedagogy ngezalahy tokoa !
3. karinah ( 01/12/2008 12:27)
...izahay koa moa izany azo lazaina hoe Fanilo tranainy ka dia manohana ny hevitr'i Radidimaso fa tena goavana mihintsy ny fanabeazana skotisma kah!!!
4. bimanoa ( 02/12/2008 11:14)
eka, fanabeazana ny olona manontolo, fanabeazana handray andraikitra, fa miankina @ le mandray azy kou io !
5. veromahefa ( 02/12/2008 11:18)
inn re no ambara e? tsara ny skotisma, tsy ho tsapan'izay tsy nandalo tao ny hamaminy; mampianatra ny ankizy sy ny tanora hahay handray andraikitra amin'ny tenany sy amin'ny manodidina azy ; afaka mampita ny momba an'Andriamanitra sy ny fahalalana Azy amin'ny fomba hafa (lalao, sns..), mba mivoaka amin'ny fianarana ambony latabatra.

Mampivelatra ara-tsaina, vatana, fanahy sy ny maha-olona manontolo.
Tsy natao ho an'ny tanora irery fa ho an'ny rehetra. Tao amin'ny faritany nisy anay dia nisy Tily efa hananika ny 80 taona izy zao, mbola am-perin'asa; misy efa lehibe anaka vao nirotsaka ho cheftaine, sns...
"Sekolin'ny fahaiza-miaina" hoy ny mpilaza. Ary moa va tsy izany tokoa ?
Zahay sy Bimanoa zao niara-niasa, izy hatramzao mbola am-perinasa fa za moa lasa aty an-tany lavitra dia tsy afa-manoatra.
Hoy BiPi "ny tiako lazaina amin'ny hoe fialan-tsasatra dia tsy fidonahanaham-poana, fa fiovàna zavatra atao"

Aleo ndray mba ho an'ny hafa ny ambiny.
6. nikah ( 02/12/2008 11:59)
Eeeee!Ny anay io dia ifandivan'ny taranaka rehetra e!Ry dadabe de avy eo ny RAD de avy eo zahay de ny zanakay kou zao @ zao!
Hita ho tena mampivelatra @ lafiny rehetra mihitsy ka!
Dia faly miarahaba ny scoute rehetra eto @ serasera zany kou! :* :* :*
7. xxx ( 04/12/2008 10:41)
Be dia be ny olona miteny ohatranareo ireo, fa izaho manokana dia cauchemar ho ahy ny skoto. Nanao skoto t@ kely tonga @ sampana maintso satria nasain'ny ray aman-dreny nandeha tany... Tsy nahita fifaliana na kely aza , asa na ny mpitarika no tsy tao na ahoana fa :
- ny ambiance aloha tsy tiako maizina : misy clans be tao @ ilay nisy ahy, izahay zanaky ny sahirana ka dia naka sisiny e ...
- leo be an'ireny "skotisma fototra" ianarana lava ireny nefa tsy hita hoe atao ahoana, toujours les mêmes truc, ianarana in-jato "vona", "morses" ... fa dia ny eo ihany no miverimberina eo e, tsy mba misy zava-baovao . Raha jerena ilay cahier kely dia mitovy daholo ny contenu sur 4 ans, na ny fisesiny aza, tsy maintsy manomboka @ ilay "skotisma fototra"
- ny activités dia tsy miova fa ny eo foana no eo, efa laniko tsianjery

Manontany tena foana hoe ny tena ve no zefa sa ahoana ?
Lasa tany @ gène angamba ilay izy fa ny zanako anontaniako hoe hanao skoto ve , dia mihivingivina be, nefa misy namany any dray tafiditra lalina mihintsy
8. booboo ( 04/12/2008 11:34)
hihihihihihihihi ireo mpiandraikitra mihitsy zany no " zefa " satria tsy mahafantatra ny besoins n'ireo ankizy beaziny, dia tsy mitady activités manintona...

Izahay alohan'ny taom-pitaizana rehefa hanao ny projet pédagogique dia fantarina aby klou hoe inona no tadiavin'ny ankizy @ ity taona ity : ny raha manintona an-dry zareo an-davan'andro ( mangas, playstation sns - zay tsisy arako mihitsy klou hihihihi ), dia adapter-na araka izay ny fitondra ny activités rehefa milalao.

Ny hitako indro be t@ zà mbola tsy mpiandraikitra koa dia ilay lasa ohatra mpampianatra sy mpianatra zany rehefa mivory : mipetraka aby anay, dia ry zareo mp mijoro manonona an'izao fototra 5 e, adikao ny hira e, sns. Dia lany @ fanoratana anaty cahier ny fotoana nefa tokony hilalaovana....
9. ikaretsaka ( 04/12/2008 16:30)
Io koa aloha tokony asiana fiovana arakaraky ny vanim-potoana e. Efa mba tsy mi morsa tsony izao efa mampiasa gps
10. veromahefa ( 04/12/2008 18:39)
Matoa marina ny ankizy tsy mahita fafiny dia ny mpiandraikitra no tsy nahay nitrandraka ny besoin-ny. Mila mifantoka tsara koa fa raha vao misy ankizy iray tsy voatonona eo fa hadino, dia simba be ny sainy hoe havakavahana izy; (fa tena misy tokoa ilay mpiandraikitra manavakavaka aloha e)

Skotisma fototra... ohatry ny tsy maintsy atao rehefa manomboka taom-pitaizana, fa ny fomba hampitàna azy kosa angamba no tokony hiova isan-taona.
Amin'izao efa misy sehatra marobe hivelaran'ny fanabeazana... tsy tokony hisy programa miverina izany intsony, fa tokony ho hita hoe misy fivoarany mihitsy ao anatin'ilay 4ans.
Tamin'izaho mpiandraikitra, dia efa notenenina mihitsy hoe "atsangano aloha ny fandaharana 4ans dia iny avy eo no tsinjaraina isan-taona"

ika> fa tsara ihany nge lay morse e! mahafinaritra ilay mampiasa saina kely amin'ilay izy. Ny any Dago lou dia tena mbola maisa aminy tsara daholo ny signe de piste sns...fa mbola hoela ny GPS vao tonga any e!
booboo> =D>
11. ikaretsaka ( 04/12/2008 19:43)
izay le nolazaiko hoe mila atao mifanaraka @ toetr'andro koa le izy fa tsy hoe ny zavatra mitranga t@ generation an'ny baby boomer (na nahomby aza0) no tohizana .. lasa tsy mety loatra intsony
ohatra izoa le skotisma fototra io, dia mba adaptena hifandraika @ izao vaninandro izao
12. nikah ( 05/12/2008 12:11)
Hoy xxx
izahay zanaky ny sahirana ka dia naka sisiny e ...

Izahay kou mba zanaky ny sahirana fa revenay @ hira fotsiny hoe
"mahita ny tary manao kiady
lazaina ny tary fa mafy ady
Sure fa tara ianao aaa
ao ambadik'i Sahondra ianao aaa!
De revena @ hirahira de mandeha foana ny fivoriana kou!

Fa nampalahelo ny nahazo an'ixxx zany alou e!Ilay mpiandraikitra anareo angamba no tsy mahay mitondra tanora.
Ny anay in-1 de tena ambiance be ho anay ny handeha hivory hanao scoute.Indrindra refa le handeha hilasy iny,ary tena mampihetsipo le hiakatra sampana....
Ny fanabeazana skotisma koa dia mampianatra ny zaza hahay hiavotra irery 2 fiainana fa tsy hiankindoha lava @ olona.Betsaka ny fampianarana ao,fa mety koa raha ampiarahana @ fivoatry ny zava-misy,nefa koa tsy hanariana ny efa nahazatra teo aloha.
13. booboo ( 05/12/2008 16:37)
Ilay ambiance rehefa mihira² iny kosa klou tena hafa mihitsy ao @ skoto. Midizina à fond mihitsy rehefa miainga ilay sareba :} . hafa mihitsy mitaha @ fivoriana hafa na samy tanora aza no tafaraka.

Nikah > dia rehefa hivory ve dia ilay fier(e) beee mihitsy ilay manao tenue ? hihihihihihi. Nampihomehy anà indray andro zay, fa handeha hody dia nandeha train, dia tsy nesoriko ny tenue-ko. Dia nisy ramatoa be zay dia noheveriny fa gendarme hono :-D :-D :-D . Satria mitovy² ny lobaka...
14. ikaretsaka ( 05/12/2008 17:27)
Fa mahagaga hoa fa ny scout aty tsisy tenue izany fa de foulard sy gilet kely iny fotsiny....

Ny anay taloha anefa mimenomenona ery rabaofy rehefa hoe hiova sampana de mividy tenue.
Sy le hatsiaka mamirifiry any Bira de mbola mi short. Avy eo mivalandrivotra fotsiny no atao any ampivoriana
15. booboo ( 05/12/2008 17:47)
Ny aty Fce indray, ny scouts catho no mitovy² ny any M/car ny fanarahana ny tenue ! indrindra ny scout d'Europe ! Na saison inona² dia ry zalahy dia miklôty fohy foana !
Tany @ Jamborée t@ herintaona no tena nahitako karazana tenue ! ry zareo avy any Inde, été beeeeeee mafana beee, fa chaussettes matevim-be ilay hatreny ambany genou no nanaovan-dry zareo ( tafiditra anaty tenue io ) !

Fa na izany aza toa ilay foulard tokoa sisa, na miampy ilay lobaka ny an'ny ankamaroan'ny scout tandrefana. Ny ambany dia zay ifampieran'ny groupe fotsiny.
16. nikah ( 06/12/2008 05:57)
ry zareo avy any Inde, été beeeeeee mafana beee, fa chaussettes matevim-be ilay hatreny ambany genou no nanaovan-dry zareo ( tafiditra anaty tenue io ) !
:-D :-D :-D
tapaka ny tsinaiko ry booboo a!
Tena mizesta be @ le tenue kou!Indrindra le refa mahazo insigne vaovao iny,zairina tsara apetaka @ akanjo.na ilay mibaby sac a dos miaraka @ vilany kely aza refa handeha hilasy mizesta be ery eran'analakely hihihi.
Imagineko hoe rah zao mou za no mibaby vilany eran'analakely,toa tsy ho sahy itsony kou!
Ny aty aminay kou de ohatry ny foulard sisa fa pataloha jean no anaovandry zareo.
17. veromahefa ( 06/12/2008 10:32)
Misy tena manara-dalàna tsara kah! fa ny skoto gasy aty France zao pataloha jeans ny ambany na vavy na lahy, dia iny no entina na ao am-piangonana aza...
Nikah> ka afenina ary ve lay vilany ? sa tsy hitondra ? hihihi
Ika> =)) =)) =)) mampihomehy koa ianao ! fa io resaka olana amin'ny fividianana tenue io aloha dia hatramin'izao e! na assurance ny ankizy 300Ar aza anie manahirana ny ray aman-dreny e!

Rehefa milasy indray dia hoe "lasy fihafiana" nefa ny tsapako, indrindra ho anay skoto tany ambanivohitra, dia hoe efa mihafy lava nge ny ankizy ka tsy tsara ampirevena ara-tsakafo ve rehefa any amin'ny lasy?
18. karinah ( 07/12/2008 00:51)
ny anay indray taloha tany amin'ny lsay dia saika tsara sakafo foana, ny cotisation atao mialohan'ny handeha hilasy angatahin'ny mpiandraikitra mba hisihisy ary dia tena tsara tokoa ny sakafo tany an-dasy taloha, hany ka tsy nampiferinaina , fa kosa ny kilalao sy ny karazany no somary mananon-tsarotra, ny fivoahana, etc.. ankoatr'izay dia fifaliana foana ny anay (fa mpirahavavy izahay zanakin'ny RAD nay no skoto tamin'izany) fifaliana foana isaky ny hoe hamonjy fivoriana na hilasy!!! Ary mahagaga ahy koa ny voalazan'i xxx etsy ambony hoe : tena nalaina fa zanakin'ny sahirana ka dia nakanaka sisiny! Ny tsikaritro taminay taloha anefa ny tany amin'ny skotisma indrindra aza no niady tamin'izany fifanavankavahana izany, anisan'ny tafiditra tamin'ny fanabeazana skotisma ny fivavahana, ka dia otomatika ny fitondran-tena dia zava-dehibe tamin'izany, ka tena gaga aho an!!! (...) Tena mamiko mihintsy tamin'ny nanaovako skoto ny Afon-dasy!! hummmm, taloha marina izany, izao ny zanaka indray no kasaina handimby sy halefa ho beazina any rehefa tonga ny fotoany! hummmm...:)
19. ikaretsaka ( 07/12/2008 01:39)
veromahefa:

Misy tena manara-dalàna tsara kah! fa ny skoto gasy aty France zao pataloha jeans ny ambany na vavy na lahy, dia iny no entina na ao am-piangonana aza...


Tsy azoko...za na tsy scout aza de mi jeans miangona!
Aiza ny olana
20. veromahefa ( 08/12/2008 09:32)
ika> aza alefa lavitra ny saina kah! tsy fanamarihana tena manan-danja be no nataoko...tsy maninn ny mitondra jeans miangona, tsy misy olana mihitsy!
fa ohatry ny mba tiako fotsiny raha mba jupe ohatra ny an'ny vehivavy...dia mba atao velon-drirana ny pataloha rehefa tsy hanao short ( resaka endrika mampivoaka ilay tenue zany no tiako holazaina e!) :wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2746