skotisma
22. sipagasy
(
08/12/2008 10:55)
eh! mampahatsiahy ny taloha ianareo rankizy hihihihi, hanitriniala tao @ Providence Amparibe aho fahiny, avy teo fanilo tao @ Ste Chantal, ary cheftaine niala tao avy teo, nahafinaritra ny fitaizana skouto kann, tena namolavola ahy ho olona ankehitriny, amiko dia tsy mba very ny fotoana niainako izany vanim-potoana izany satria dia mbola maro ny zavatra ampihariko @ fiainako ankehitriny. Ny tsaroako dia fony izahay vao nilasy voalohany, dia ilay @ hariva voalohany, smay nahandro ny sakafony ny sokajy avy hihihihh, nihinana vary manta moaka fa tsy mbola nahay t@ izany hihihihih, fa tsy nisy nimenomenona fa dia nohanina tamin-lemim-panahiny tao e!!!!!!
nahafinaritra kannnnnnn......
nahafinaritra kannnnnnn......
23. veromahefa
(
08/12/2008 14:21)
nahafinaritra ahy koa lay lay mamorona hiaka (sady misy mahay mampiady rima mihitsy an!); lay manangana valan-tsokajy (teo aloha moa azo tapahana tsara ny hazo fa zao efa sarotiny ny tompn'ny ala dia lasa mihafihafy rehefa manao koja ).
Lay manao exploration koa ... misy omen'ilay olona tsidihana mangahazo na sakafo kely ; misy indray iavonavoanan'ny olona sady mody amin'ny tanam-polo! zany hoe na mody amin'ny tanam-polo ary moa...efa nahavita asa soa dia izay no zava-dehibe.
Fa ny tena tsy voako dia ilay lavitra fantsakana rehefa any an-dasy, indrindra ka hoe ambony toerana no milasy...misohaka mihitsy vao tonga, hihihi

24. Lejoba
(
15/12/2008 13:26)
Izaho tsy notezaina t@ Skotisma fa tonga dia niandraikitra avy hatrany.
Henjana be rehefa milasy : ankodahoka, tsisy rano raha tsy lavitra be sady tsy azo antoka ny fahadiovany, ny sakafo ny deux premiers jours ihany no frais, matory anaty tente, mandavaka WC, mifampitady @ bibikely, main'ny masoandro @ antoandro dia jihitry ny hatsiaka @ alina, mahandro sakafo @ kitay; sns. Ankoatry ny responsabilités @ maha-mpiandraikitra. Ny saina no namboarina satria andro vitsy ihany no faharetan'ny lasy.
Saingy naha-matotra ilay izy. Ni-armé hiatrika fiainana sarotra taty an-dafy sy ny tokantrano.
C'était un dur moment à passer mais que des bienfaits. Sady tsara be ilay ambiance skoto : "mihira sy mitsiky raha sendra ny sarotra". Hatr@ izao, mbola manana joie de vivre foana na dia miara-miaina efa an-taona maro @ ireto vazaha be menomenona ireto aza.
tanana havia

26. ikaretsaka
(
15/12/2008 17:24)
Lejoba> de tsy ho missionera sy aventurier sy mpikarokamihitsy nareo izany ko,,,
27. Lejoba
(
16/12/2008 12:36)
ika: samy manana ny vocation-ny eh. Misy natao hamaky lay, misy tonga dia manolo-tena hiandry tanàna, misy indray mitaty reraka izay lalana voasokatry ny hafa eo. Izay koa ilay fiaraha-monina. Na tany @ skoto aza dia nahitana ireo karazan-toetra ireo ny ankizy notezaina
28. ikaretsaka
(
16/12/2008 13:30)
Za lo tsoriko fa raha tsy nanao skoto tsy ho nahay niaina ary tsy nahita fahafinaretana @ ilay manao experiment 3 volana any Perou sy Bolivie miaraka @ fakantsary sy sakado e
Teny espaniol @ io tsy aminakah
Teny espaniol @ io tsy aminakah
29. booboo
(
17/12/2008 06:28)
Veromahefa > ny anay jean bleu tokoa ny ambany fa iny ananan'ny be sy ny bobaka sy tsy lafo sady pratique.
Fa araka² ny groupe local ihany ny tenue ambany fa tsy voatery ho jean bleu. Misy na samy eeudf ( protestanta aty frantsa ) dia mi-short marron na bleu marine aby sns.
Ny ahy ny tena hitako henjana indrindra hatr@ zao mbola maha-skoto anà zao dia ilay tsy maintsy mameno ttsy bobaka be vao afaka manao raha. Dia ilay manao pré-camp aty ivelany koa, tsy mitovy ny any M/car fa tsy maintsy ny resps no manangana ny koja mavesatra ho an'ny kilonga aby aby : marabout glady beeeeeeeeee, douches 4 fara-fahakeliny, titas, sns dia tsy maintsy hatao aux normes tsara fa maha voasazin'ny fanjakana rehefa manao contrôle zareo ( sady miasa aby @ io na fantsika na tady mahazaka na tsofa nefa ny andro mingaina rehefa été iny ! ) . Na izany aza nampianatra anà ho " mahay mandamina " sy tsy hanao kinanga rehefa ampiandraiketana raha ilay izy
Ny isan'ny tena ankafizako ilay manao skoto indray dia ilay mampilalao sy manangana activités.

30. ravonjison
(
18/01/2009 09:03)
Tena efa somary tara kely aho fa hampidiriko ihany e. Izaho dia tily tao Toamasiana, tao @ fiangonana protestanta Salazamay : " Mihira sy mitsiky ny tily raha sendra ny sarotra ".
Ilay fikarakarana sy fiomanana handeha hilasy, na any an-trano na any ampiangonana aloha dia tsy manampaharoa e, tena maimay mihitsy ny tena. Efa voalaza etsy ambony daholo angamba ny zavatra mahaliana rehetra: ...ny fampianarana milomano ireo mbola tsy nahay, ny fanaovana hatsikana hoan' ny olona ( matetika dia tonga daho ny olona eto @ Tanana hijery tily) eo antoerana rehefa manao afon-dasy, ny fikotina sipa izay somary nafenimpenina mba tsy ho kobon'ny sasany...
Fa ny tena anisan' ny zavatra tsy hadiniko dia ilay "exploration", tena tanána kely tany @ dezaka be tany no nandehananay. Dia mijery ny zava-misy, miresaka @ olona eo antoerana, indrindra @ ilay lehiben' ny tanána, ny fahantran'ny olona , inona ny olana misy eo antoerana...sns. Dia rehefa mahita document na village mikasika an'i Dago aho atý andafy dia miverina ao antsaiko foana ilay " exploration".
Dia mbola toa ireny foana ve ny zavamisy any ambanivotritra any Dago @ izao fotoana izao ?
Fa tena tiako hiverenana kely, hojeréna, ilay tanána kely rehefa mandalo any Dago aho.

31. jgast
(
12/02/2009 14:23)
[quote=xxx]
Ny Fanilon'I Madagasikara dia fikambanana masina miorina eo anivon'ny fiangonana Katolika, mitaiza sy mokolokolo ary manomana zazavavy 6 taona miakatra ho tonga olombanona vanona sy vonona ary ho tia tanindrazana.
Saonjo iray lohasaha io ry xxx ka tsy mba hilaozany izay mamarara, bon ny tiako ambara dia izao tsara ny fanabeazana skotisma indrindra fa ny Fanilo. Betsaka ny zavatra hita ao indrindra amin'izao toetr'andro efa mivoatra izao, efa ambin-javatra zany morse zany fa misy fianarana mamboly tsy ilaza fotsiny aho amin'ny fananan'ny Fanilo SAHA fambolena iray ngezabe ao SADABE Tana ny any Majunga koa efa manana ao MAROMIANDRA ary mianatra resaka momba ny Projet koa ny ao fanabeazana ara-pinoana dia efa tsy lazaina intsony ka tsy itanisa ny lahasa ny Fanilo eto aho fa ty no afatra, Manentana atsika rehetra zay manan-janaka vavy izay mbola tsy ao anatin'ny fikambanana masina mba ampiditra ny zanany ao amin'ny Fanilo fa tsara ao.