Antoko Pôlitika - Fitsipika - Anjara birikintsika;

1. tenagasy ( 29/11/2008 11:49)
Mankamamy!

Izay tsy mihetsika naman'ny tsy mandroso! Ny isavorovoroan-kilantoana!Taotrano tsy efan'ny irery! Asa vadi-drano tsy vita tsy ifanankonana! ... ... ...
Aza mitsiriritra ny karatra an-tanan'olona fa ny anao ketrehina hahomby!

Ho kanakana mitety asa eto fotsiny ihany i Gasikara malalantsika raha tsy isika rehetra sy tsirairay avy no miara-mientana sy mihetsika; eny fa na dia hanao fefy ihany aza mba tsy hivaralila ny dia. Indrindra moa @ fandraisana anjara mivantana sy mavitrika.

Araka izany, mba tsy ho mpitsikera sy mpitsaingoka fotsiny ihany isika, tsy mety ve hoy aho raha samy mandroso ny heviny mikasika izao fivoarana goavana manangasanga izao ?
Ny hevitry ny maro mahataka-davitra !
Mety ho io hevitrao koboninao tsy hivoaka ao io no tsara indrindra, na hanampy @ fanatsaràna izay hatao! ( effet papillon)
Arosoy fa hitan’ny olona hatrany izy ireny!

Mirary soa!
novalian'i tenagasy ny 18/12/2008 00:30
2. tenagasy ( 29/11/2008 13:09)
Mankamamy!

Indro ary tsimoka kely ho fanombohana:

1 - Azo atao ny tsy mandrava na manafoana ireo antoko sy fikambanana samihafa efa misy:
toko - mitsitokotoko ==> Antoko Politika

2 - Azo avondrona kosa izy ireny arakaraky ny firehana (tanjona izay tsapa fa ironan'ny eritreritry ny fitondràna) ==> Vondrona Politika

3 - Atao sokajy 4 izy ireo no mety:
- Tena Mpiandany - Mpiandany an'ivo - Mpianila an'ivo - Tena Mpianila
Mpiandany sy mpianila = mpiara-dia; fa tsy mpomba sy mpanohitra = mpifandrafy

4 - 4 satria voaporofo ara-tsiantifika fa ahafahana manavaka tsara any andaniny roa rehefa feno (tsy dongana) ny safidy, sady mailaka hatrany ny mpisafidy maka ny an’ivony (izay miendrika tsy fahatokisan-tena, tsy fahasahiana manapakevitra).
Izany hoe: ny fisian’ny ivo = “centre” (misalasala – tsy manana safidy mazava) dia tsy ahafahana mahazo antoka tanteraka hoe iza ilay be sy ny maro.
Azo lazaina koa etoana hoe voatery ankolaka avy hatrany ny tsirairay hisafidy mazava hoe andaniny izy sa anilany.

5 - Misafidy sy misoratra anarana araka izany ireo antoko araka izay laniny metimety aminy.

6 - Ny vondrona tsirairay dia miezaka mandravona ny tsirin-kevitry ny mpikambana ao aminy, ary misafidy ny olony hiaro sy hitantana ary hanatontosa izany.
Matotra sy mafonja kokoa amin'izay ny hevitra ijoroana sy ny olona aroso.

7 - Hevitra “”4”” no aravona sy ikaonan-doha fa tsy “”180””
Olona efatra raha be indrindra no isafidianana fa tsy am-polony toy ny fahita.

8 - Azo heverina arak’izany ny famatsian’ny fanjakana vola ny fampielezan-kevitra
(oh: Manonta Sary – Bileta - … - toy izao isa isaky ny Kandida ny fanjakana - mitovy habe - mitovy kalitao ……
(((dinihina lalina ny momba ny loharanom-bola manokana sy ivelany))

9 - Ireo vondrona politika misokajy 4 ireo no vatsian’ny fanjakana ara-bola sy fitaovana arakaraky ny isan’ny mpifidy sy ny salan’isa azony @ fifidianana atao.
Mazava loatra fa eo ampanombohana dia hafa aloha ny fomba hamatsiana izany (fanombohana io = fametrahana ny rafitra)

10 - … … … … … …

11 – Azo heverina avy eo ny fananganana sehatra iray isian’ny ady hevitra pôlitika - demokratika ranoray tsy tapaka, andeha hantsointsika ohatra hoe: FARIBOLANA POLITIKA (atao mivantana @ haino aman-jery ohatra isan-telo volana)
Hevitra masaka sy voasedra ary azo ampiharina avy hatrany amin'izay no tanterahin'izay lany hitondra fa tsy eo amperiny vao sedraina sy andramana, iandrasana mpitsikera.
Amin'izay koa ny mpiandraikitra pôlitika isantsokajiny manampy ny vahoaka @ fahazoana (compréhension) ny hevitra voizin'ny trirairay ka mba tsy hisafidy bika aman'endrika sy izay mahatolotolotra intsony izy ireo fa tena hevitra marina no ho fidiany.
Azo lazaina koa amin'izay hoe nandray anjara t@ famolavolana ny hevitry ny andaniny ny anilany, izany hoe misy azony andraisana anjara @ fampandrosoana na tsy izy ireo aza no voafidy.

Sao lava loatra! Aza tsiny indrindra e!
Hevitra fanombohana ny dinika ihany ireto aroso ireto.
Ao anatiny manantevina miaraka raha sitrakao – sitrakareo –sitrantsika rehetra!

Mirary soa!
3. Annie2006 ( 29/11/2008 13:46)
Misy lojika ny zavatra atao fa tsy manaraka ny zay saim-patanay.
Raa tsy misy cohérence ny zavatra atao dia ho hitanareo eo fa hivaralila indray io zavatra ataon'ny fitondrana io.
Tadidio fa "Omeko" famatsiana ny antoko politika hoy Ra8. Io dia efa porofo fa tena diso lalana indray ny malagasy satria lalàna fa tsy "izy" no tokony mamaetra sy manome ny vola ,atokana hoan'ny mpanao politika.
Ato aloha raha hijery ny tokony atao ary io no nilazan'ireo mpamatsy vola an'i ra8 nahatonga azy miteny io "zavatra teneniny io" fa tsy ao am-po'ny akory izy io. Tena miandry mafy ny famatsiana ingahy ra8 ka manaraka ambokony izany lazain'ny mpamatsy.

Saingy, tsy misy cohérence ny zavatra lazain'ny fitondrana sy ny zavatra ataony.

Ato aloha jerena (Vakio pejy 43) : http://www.madagasikara-soa.com/index.php/Tribunes-politiques/Soritr-Asa-Hoan-i-Madagasikara-Madagascar-Societe-d-Avenir.html
dia hita fa tara taona maromaro raha ny fitondrana @ "hevitra aloha".

Azonao telecharger-na izy io ary hanampianao ny fahalalanao @ resaka politika indrindra ahitanao ny maha tsy cohérent ny zavatra ataon'ny fitondrana.

Miomana @ 2012.
4. naughtyboy ( 29/11/2008 15:16)
mafinaritra zany resaka ato zany, tonga de mivoaka ny fangaro iketrehana ny nahandro ...
Tsara ho tsindrina kely fotsiny ngambany dia ny antony ilana ireo rafitra nolazainy tenagasy ireo @ zvmisy iainany firenentsika ,mizara 3 ny ankolafy mitazona andraikitra lehibe ao anaty fanjakana
1. Fanelanelanana sy fandravonana reo hery roa lehibe ao anatiny fiarahamonina izay mamaritra @ alalany volavolandalana manakery izay miankina tanteraka @ reo fitsarana faratampony ary vondrona mamaritra ny fahefana ananany lafiny2 eto ambany tokony ho ao anaty lalampanorenana
2. Filoha sy fitondrana miaramiasa aminy
3. vahoaka rehetra isan\'ambaratongany (hery mamokatra)
Ny tsy fanajana lalana sy rafitra manasaraka izay no nahatonga ny fanamparampahefana na atr@ olompirenena izay fototra tsotra sy ny rafitra antonantonany atr@ filoha ho baikony vahiny ..
fifanakalozankevitra @ fanelanelanana sy fandravonana rafitra politika,amahana olana ny olana atrehina @ misy zao fotoana ary fanatsarana ny lentany fianampirenena de hevitra sy soritra ahitana izany rehetra izany fa tsy hanao jamba mifampitantana lava..

5. naughtyboy ( 29/11/2008 15:16)
mafinaritra zany resaka ato zany, tonga de mivoaka ny fangaro iketrehana ny nahandro ...
Tsara ho tsindrina kely fotsiny ngambany dia ny antony ilana ireo rafitra nolazainy tenagasy ireo @ zvmisy iainany firenentsika ,mizara 3 ny ankolafy mitazona andraikitra lehibe ao anaty fanjakana
1. Fanelanelanana sy fandravonana reo hery roa lehibe ao anatiny fiarahamonina izay mamaritra @ alalany volavolandalana manakery izay miankina tanteraka @ reo fitsarana faratampony ary vondrona mamaritra ny fahefana ananany lafiny2 eto ambany tokony ho ao anaty lalampanorenana
2. Filoha sy fitondrana miaramiasa aminy
3. vahoaka rehetra isan\'ambaratongany (hery mamokatra)
Ny tsy fanajana lalana sy rafitra manasaraka izay no nahatonga ny fanamparampahefana na atr@ olompirenena izay fototra tsotra sy ny rafitra antonantonany atr@ filoha ho baikony vahiny ..
fifanakalozankevitra @ fanelanelanana sy fandravonana rafitra politika,amahana olana ny olana atrehina @ misy zao fotoana ary fanatsarana ny lentany fianampirenena de hevitra sy soritra ahitana izany rehetra izany fa tsy hanao jamba mifampitantana lava..

6. kidoropamba ( 29/11/2008 18:19)
Ny mam-pihomehy ahy kely fotsiny aminareo ange ity nareo mihevitra fa tena sErié be ity filohan-tsika ity e. Mafy ange raha tsy manam-bola ka dia miondrikondrika dolidoly @ ireto vazA ireto. Nefa ny kobay dia an-kelika ihany.

Iady hevitra amin'adala aloha dia mandany fotoana e. spesialista aho amin'izany. Ka raha hilaza hoe "inona no anjara birikintsika", esy e, fandanian'andro fotsiny io satria raha vao azony ny vola dia hifirany any io.
Mora very tadidy ange nareo zany e. Iza tsy nahatsiaro t@ MAP, aleo, projet e, tetik'asan'ny fampandrosoana e...katsaka voanjobory e, namorian olona tany Iavoloha, nanentanana ady hevitra isan-karazany tany ivelany dia io izy sahala @ lelon-jaza io: tsy hay atao azy.

Iza koa tsy nahatsiaro ilay "referendaomy" izay hannateraka ny MAP hono e. Dia nitanisaina indray ny katsaka sy voanjobory dia io indray niafarany fa lasa valalan'alika na izy tompony aza tsy mandraharaha azy.

De izao indray, lany vola rangahy ka mitady vola de teren'ny mpamatsy vola hanaraka ny hevitrin'ny mpanohitra....dia "sErié marina ve ity levalo ity? izahay samy adala mifankahafantatra tsara e.
Lany andro eo nareo. Aleo ahay mba manararaka moramora ato aorin'ireto ramatoa annie reto sao dia mba misy saosy koa any, fa raha i levalo dia taolan-kena maimbo aza tsy hitanao ao satria noraofin'ny lery dolidoly. 8O 8O 8O 8O
7. naughtyboy ( 30/11/2008 10:31)
zao zany le izy ry kidiro a ,ra resaky ny samy adala otranao de tsy ho azonay fa aleo ho samy manana ny spesialite io ka aleo izany ho anao irery any fa ny olona manakevitra mijoro sy soridalana @ zvmisy tsy ho voasakanao fa tsy maintsy itohy ny tafa :lol:
8. naughtyboy ( 30/11/2008 11:23)
eo tko zao no ilana rafitra goavana sy fanatanterahana
-national reconciliation(reform social & economy plan,cultural,agriculture..)
-Mediation(psychosocial)
-Execution master plan
ialana @ hatsan nahatafalatsaka antsika atr' zao..
9. tenagasy ( 30/11/2008 14:50)
Mankamamy sy mankasitraka ny mpandray anjara rehetra!

- Tsy misy na iray aza tongalafatra! Mihinam-bary aza misy latsaka!
Tsy tsara aza ve izy afaka miova hevitra? (fa tsy miolonolona?) Mihaino!
Ary tsy olana na iza no nanery na iza no nibaiko:
Moa tsy tsara - ilaintsika sy notakiana ve io fanovàna rafitra io? Izay mazava ny tohiny dia ny fanovàna ny lalam-pifidianana (ohatra)? Ary tsy izany ihany anefa fa anisany ohatra iretsy sntionany natsidika etsy ambony. Tadidio fa noventesina isa-minitra hoe maika io!

- Ny hoe resaka fotsiny izao fa tsy ho tanterahina indray avy eo: Izaho kosa manao hoe efa tafiditra lalina ito ka mahakely finoana ny mbola hampibolisatra azy indray, indrindra moa ny hoe mbola hiverenany (((verifiable @ situation rehetra tonga ao antsaina! Hi Hi hi))) ;-)
Ary eto indrindra no ilàna ny fandraisantsika rehetra – tsy ankanavaka - andraikitra araka ny nolazaiko tery aloha hoe: “…eny fa na dia hanao fefy ihany aza tsy hivaralila ny dia…”
Andeha tsy ho jerena maso fotsiny izay hataony, fa hatao izay hahatonga azy hanatanteraka tokoa izay nambara! Io ilay mba ezahintsika voizina ombieny hoe :
VAHOAKA MIFEHY MPITONDRA fa tsy MPITONDRA MIFEHY VAHOAKA!
[Gouvernant(s) dirigé par Le Peuple, mais non pas Peuple dirigé par Le(s) Gouvernant(s)]

- Koa raha izay ambolen-tsy avela haniry, izay asosoka vonoi-maso = raha izay atao kiviana hatrany, izay aroso tsy ezahina tanterahina aloha, dia eto isika no raisina eto.
Hitavandra lava ny hafa mbola tsy hay any, ny eo ampelatanana anefa tsy tefena mafy mba ho hita aloha ny endriny - raha sanatrian’izany efa azo antoka fa tsy hanjelatra !
Izaho dia tena tsy mpankasitraka ny manova am-panidinana isaky ny taitra lava izao.

- Eto dia mankalaza ny fahavononan-dr’I Annie2006 sy ny namany mandray anjara mavitrika. Mendrim-pideràna tokoa izany. Mankasitraka koa @ fifampizaràna. Haka fotoana hamakiana azy ireo.
Tadidio fa izay tsy manao ihany no manenina, fa izay manao tsy maty antoka izany mihitsy na tsy tojo fahombiazana aza.
Ary dia ikitihana kely ny namana izay nisafidy sy namoy tena hiraviravy tanana - tsy misy lany andro izany - hanala azy hitogaigy sy hidanàka aza hatao, koa maika ve misy zavatra toy izao hanalàna andro eny fa na dia atao hoe ho fanazarana ihany aza?

- Na mpiandany isika na mpianila: io aloha no eo izao dia kotrohana sy atosika ary fehezina h@ farany araka izay tratra sy mampety azy indrindra.
Ovaina indray izy rehefa tonga ny fotoana fanaovana izany ka misy maharesy lahatra ny be sy ny maro fa hahavita tsaratsara sy bebe kokoa.

- Farany:
Tsy ho hay moa ny tsy hanoina ny fanehoan-kevitre, nefa raha mba sitrakao – sitrakareo - sitra-tsika – aleo moa mba tsy ovaina – avaona – avily ny lohahevitra dinihina e!
FITSIPIKY NY RAFITRA POLITIKA no mba irina hifampidinihana etoana. Tahatahaka ny ahoana no mety sy tokony ho endrik'izany?
Anokafantsika lohahevitra hafa indray raha misy hafa manitikitika!

Mirary soa!
10. Annie2006 ( 30/11/2008 15:16)
Mankasitraka ny lazainao ry tenagasy. Tsy misy azo aroso intsony fa dia mahereza @ ady hevitra.
11. naughtyboy ( 30/11/2008 16:26)
ny fotodrafitrasa de betsaka no azo avoitra tsisy hafa @ reo mpandrebireby hatr2 zay io no tokony hahamailo ny malagasy voalohany satria io foana no fintana najonoany reo mpanao politika atr@ zay ary tsy hitsahatra izany nefa efa mino aho fa mihamatotra na de mbola misy fitsilovana aza ny sainy vahoaka rehetra ,fombany mpitady seza za manokana de izay hahavita azy sy tena tia tanindrazana no jereko fa tsy demagogy satria efa leo ny malagasy mahantra rehetra
12. penguin ( 01/12/2008 07:12)
I naugthyboy no tena ilaina izao ééé. Miandrya anao izahay fa ny rehetra fandrebirebena ry notti be loha aaaa
13. naughtyboy ( 01/12/2008 09:59)
aleo ihany i pengy no andimby an'i le8 ka ,hevitra tena tsara:lol: ..tsy ilainy notty izany fa olompirenena manana ny anjarantoerana eo @ fiainampirenena fotsiny izy tsy manaiky rebirebeny politisiana
14. penguin ( 01/12/2008 11:05)
Aza miala pas ra-notti fa io fitsongolohana lava ny mpitondra ataonao io anie no hiantsoana anao noho ny lobenao éééé :-D :-D :-D
15. naughtyboy ( 01/12/2008 14:24)
iverenako ny matoakevitra nentiny tenagasy eto ary isaorana azy,ny zvdehibe tsy azo adino dia Ny VAHOAKA NO TOMPONY SAFIDY ,ny fahafahana ny zo sata sy ady @ fahantrana no zv takiany @ mpitondra nofinidiny izy ireo(na tao aza reo tsy voafidy fa nifidy tena..)ka tsisy afaka anala izany aminy mila jerena ny zvbita lasa,ankehitrio ary ny tanjona sy ny faniriany vahoaka malagasy miandrandra vokatra t@ reo fitondrana nifandimby ary ny olana hita sy atrehina @ zao fotoana angalana lesoka sy anorenana rafitra mahomby ho any ho avy.Topimaso indray mijery reo repoblika nifandimby @ fomba nitondrana ny fiainampirenena ao anaty fanjakana mandala ny lalana manakery.
- rep.1 Pdt Tsiranana (pisodia)de lasitra frantsay daholo no nananganana ny rehetra ary mbola niadana ny olona t@ zany
- rep2.D.I. Ratsiraka(arema) de mbola nandala ny rafitra ny fahefana ambaratongany @ alalany boky mena nifotra t@ sosialisma sy fahavitantena ary tsy fiankinandoha @hafa(non alignement,bilateral economy)izy no nanao ny lalampanorenana malagasy voalohany @ tenygasy sy reo vondrondalana samihafa(constitution/legal system:executive branch,legislative,judicial branch)) ...hitohy
16. penguin ( 01/12/2008 15:30)
Amin'ny 2012 lasitra notti no aroso. Amin'izao fotoana izao misy voafidim-bahoaka ary FILOHA ara-dalàna dia RA8. Ny Mpitondra miaraka aminy mandinika ny zava-misy miaraka amin'ny vahoaka ary mamoaka ny hevitra ho an'ny vahoaka. Mahaiza manomana ary aza zatra mijapy "train" ra-notti
17. naughtyboy ( 01/12/2008 17:37)
tsy ilaiko izany fa ny fitondrana nomeny valala be mandry andraikitra de manitsakitsaka @ mahaolompirenena sy ny zo ary satany malagasy ...Heloka be vava izany aiza ny fahafahana,fitovianjo,fitiavantanindrazana...mahasarotiny ahy sy ny rehetra ireo satria anisany fototra kely indrindra ary andry lehibe iorenany fiarahamonina ny fanajana ny zon\'olombelona
18. naughtyboy ( 01/12/2008 18:01)
...tohiny etsy ambony...
- rep 3.Atoa Zafy Albert tena nananany ny fitiavantanindrazana nefa ny traikefa sy ny andrana eo sehatra avo @ fianampirenena no tsy nananany na manana ny mahaizy azy aza izy @ sehatry ny fitsaboana,mbola tsy tafavoaka ny ala fantsy nanany vahoaka alahelo na de nisy aza reo antokon'olona vitsy nanodidina azy nanararaotra ihany ko de niafara t@ impeachment zany
- taorinany fiverenany deba de tafakatra t@ coup d'etat le mpanao bizna yaorta
avy any imerikasinina .Tsy nitondra vokatra mazava nandritra ny efataona fa nanamafy ny sezany sy nampiasa herimpamoretana @ vahoaka isanambaratongany
natao veloma atreo ny fanjakambahoaka/demokratien,nitombo ny trosa misesika ny vahiny mpamatsy vola androba ny fananany malagasy,nopotehina tsy nisy fepetra fiarovana ny tontolo iainana ao amintsika/biodiversity,ampitomboina ny trosa ary famatsiambola eo antoerana sy fampandrosoana ny soa iombonana noviraviraina ...de eo isika izao...
19. tenagasy ( 02/12/2008 12:28)
Mankamamy!

Eto ihany fa somary sahirana kelikely fotsiny aloha!

Aiza daholo ny namana rehetra e?
Sa mbola miandry baolina mitontona indray?
Samia moa mandray anjara e!

Sa?

Mankasitraka indrindra ireo efa mazoto!
Ho ambinina koa ho tahiany e!

Mirary soa indrindra!
20. Fanjaibe ( 03/12/2008 03:01)
Alohan'ny hivoahan'ny lalana dia tokony hisy fanapariahana hatrany @ Fokontany ny atao hoe Politika.

Ny zavatra niainana hatramin'izay mantsy dia raha vao tsy mitovy hevitra na firehana @ Fitondrana dia jery vilana, an-jorombala sy tondro-molotra no mahazo anao

na aiza na aiza ny sehatra misy anao.
Hatrany @ Fokontany anie dia izany e, tsy soratako ato anaty liste electorale ialahy fa MPANOHITRA na antoko hafa
hany ka tsy mety mivoaka tsara ny hevitra hampandrosoana ny tanana fa dia SAMY MIHATSARA IVELA-TSIHY EO daholo.

Raha tsy ny vahiny no miteny tsy sahy hanao zavatra

Noho aleo aloha hisy fotoana teteza-mita ary io ihany no vatsian'ny Fanjakana satria ny fitaizana politika dia manomboka hatrany ifotony

Dia izay vao hatao ny lalan ka ny fifidianana manaraka no hampihaharana azy voalohany.

Satria izao no tonga dia hampiharina ny TIM efa tafapetraka ka tsy te ho resy an-daharana intsony.

Politika anie dia fanarahana hevitra hanamboarana ny Tanana

Alao hery e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0486