Antoko Pôlitika - Fitsipika - Anjara birikintsika;

21. penguin ( 03/12/2008 14:59)
Lero amin'ny fanjaibe izay miteniteny foana ary tandremo sao ny tena no voa voalohany. Mitanisa ny fandresen'izany Obama izany ry manandoha rehetra ka ahoana misy antoko 200 mahery sahalan'ny hiainan'ny Malagasy ve any ? Sa antoko politika miforona tampoka ary mahazo ny fon'olona totraky ny vitan'ny teo aloha dia miantsambotra amin'izay hita ?...
Mahalala ny rehetra fa misy ny tokony hamboarina koa inona indray no tsy handrosoana ny fanatsarana azy ary ? Sa izay ao antsainareo ihany no nahasoa ary mendrika ho tohizana ho an'ny Malagasy ?
MBA MAHALALA MENATRA OOOOO
22. nikah ( 04/12/2008 08:45)
Hoy pengy
Sa antoko politika miforona tampoka ary mahazo ny fon'olona totraky ny vitan'ny teo aloha dia miantsambotra amin'izay hita ?...
:-D :-D
Avadibadiho impito ihany re olona ty lela vao miteny eee! :idea: :idea: :idea:
23. penguin ( 04/12/2008 15:07)
Iza no tena tsy mamadimadika vao manoratra ? Mahatsapa mihintsy ny lesoka ny olona matoa manamboatra fa ianareo mahatsapa ny mety no mihevitra ny hampiasa ny fihetsika sy fiasa teo aloha.
24. kidoropamba ( 04/12/2008 15:48)
Ny filohantsika ange tsy manamboatra fa manimba zavatra fotsiny e. Jerevo fa miandry vola zao ny filoha satria efa vita ilay taratasy nagatahan'ireo mpamatsy vola.
Hividy raopilanina izy izao satria efa lafo any @ Daewoo, ny tanindrazana. Manimba ny Tanindrazana izany fa tsy manamboatra ka.
25. bazylou ( 05/12/2008 00:00)
tonga dia arodany any rangahy , olona tsy manao hafa tsy ny mangataka etsy sy eroa ve lee.
Ilaina ny fitsipika ho an'ny antoko polifika, fa ny tsy azo atao dia ny anerena azy ireo ho antoko roa na iray ihany ao Madagasikara.
Aleo vrala be foana e.
Raha tsy misy hafa tsy ps sy democrate na republicain foana manko dia handreraka . Ny eo ihany no mivadibadika.
26. Annie2006 ( 05/12/2008 08:35)
Ity misy resadresaka manamafy ny zavatra nolazaiko tetsy ambony @ hilana ny fisianan'ny HEVITRA alohan'ny hanaovana zavatra.

Misaotra.

*********
Questions à… Toavina Ralambomahay
« Un parti doit former ses sympathisants à ses idées »
Diplômé en droit public et en science politique, propose une réduction du nombre des partis politiques par les idées.


A quoi peut servir le tableau recensant les idées politiques que vous avez élaboré ?- La Friedrich Ebert Stiftung a proposé une réduction du nombre des partis par le financement. J’espère que le pouvoir n’adoptera pas une telle approche coercitive comme ce fut le cas sous la deuxième République avec le Front national pour la défense de la révolution (FNDR). Moi, je propose un regroupement par les idées. Le but de ce tableau recensant les valeurs politiques est donc d’obliger les partis politiques à révéler leurs idées avant que l’on vote pour eux. C’est bien de dire qu’on veut développer le pays, mais il faut surtout parler de ce qu’on veut faire quand on sera au pouvoir sur la question du droit à l’avortement par exemple, sur le système économique qu’on veut mettre en place : le parti adoptera-t-il le système libéral ou le système à caractère social, sera-t-il plutôt laïc ou théocrate etc .

Le tableau ne servira-t-il qu’aux partis politiques ?- Le citoyen doit aussi savoir ce qu’il exige et quel est le parti qui répond à ce qu’il veut. Aujourd’hui, le vote ne se fait pas sur la base des idées, mais sur des critères comme l’apparence physique, les tee-shirts ou l’argent.

Mais n’est-ce pas les réalités d’un pays, où le taux d’analphabétisme est encore élevé, qui fait qu’il en soit ainsi ?- Peut-être. D’où la nécessité de faire des efforts pour l’éducation citoyenne et civique. Le parti doit former ses membres et ses militants à ses idées, et la loi sur les partis qui va être adoptée devra faire de la formation des sympathisants une priorité. Le tableau devrait concourir à cette formation.

Le clivage gauche-droite est-il adapté aux réalités malgaches ?- Pas forcément. Il s’agit d’une invention française qui est devenue universelle. Mais si on ne peut pas classifier les partis suivant ce clivage, ce n’est pas grave. Le plus important, c’est la révélation des idées, c’est de donner aux électeurs quelles sont les idées du parti par rapport à un sujet précis.

Propos recueillis par

Lova Rabary-Rakotondravony
Date : 05-12-2008
27. tenagasy ( 05/12/2008 10:02)
Mankamamy!

Maneho fankasitrahana manokana ho an'i Annie2006 @ fifampizaràna! Hahomby hatrany @ izay itsembohana anie ianao.

Zava-dehibe ny toy izao ataonao izao indrindra ho an'ny toa anay izay tsorina fa tsy dia mpahay lalàna sy pôlitika (tsy manana antoko akory) fa dia mba entanim-po mafy te-hanao ka miezaka mampihiratra izay kely ananana sy manefy azy araka ny fahitan'ny tena ny zava-misy.
Mandray anjara!!!

Mba nibitaka ambony ihany anefa ny tena mahita fa hay mba tsy dia mivaona ihany ny zavatra mba ventsoventsoina eto ambony seza eto, anisan'izany iretsy naroso etsy ambony iretsy:

- Azo tsy foanana ireo antoko Pôlitika, mahazo manangana izay te-hanangana. Afaka eto ny olana aroson'ny sasany hoe mifanohitra @ Lalampanorenana ny kasaina hatao;
(Fmr: Lalampanorenana izany tsy avy any an-danitra fa isika ihany no nanao azy, ka raha hitantsika hoe misy manembatsembana ny soa sy tsara tiana hatao, dia amboarina koa e! Ara-tsiansa: raha vao mikitika singa iray ao anaty "système" dia tsy maintsy mikitikitika - raha tsy izy rehetra - dia ny ankamaroan'ny singa manorina io système io isika vao mahita "équilibre indray. Rehefa atao dia atao!)


- Mba haha tsotsotra ny fisafidianana (pour anticiper en klk sorte) dia avondrona sy sokajiana 4 izy ireo. Ny mpiandany sy Mpianila dia fomba fiantso rehefa mandavan-taona ihany, hampazava ny raharaha @ vahoaka, fa araka io voalaza eo ambony io dia hevitra anie no fototra ijoroan'ny vondrona eh!

- Ka sady efa ho vatsiam-bola rahateo ireo vondrona koa dia adidin'izy ireo ny mandinika - mandravona - mandrindra - mampitaha - mandanjalanja - mijery izay mety sy tsy mety - ... ... ..., ary dia mampisongadina sy maneho izay mafonja sy tsara tefy indrindra.

- Raha tena atao matotra izany rehetra izany, tsy hisy hevitra ampolony hivoaka izany eo ( GAUSS ) , ary azo antoka aza fa tonga dia ho roa hatrany no tena hisongadina, saingy mba hanomezana fahalalahana (marge) bebe kokoa, indrindra mba hisorohana ny "manjaka tokana" ao anivon'ny samy andaniny na samy anilany, dia avela izy ireo samy handroso roa avy
==> Tena Mpiandany - Mpiandany an'ivo - Mpianila an'ivo - Tena Mpianila

- Manaraka izany koa: dia hoy izy hoe fanofanana ny mpiray hevitra: "...faire de la formation des sympathisants ..."
Aiza ny toeran'ny Demokrasia amin'izany? Na ny tsy sympatisant aza tompoko dia ilaina sy mila mahalala koa.
Izany indrindra no tanjona amin'ilay nantsoina hoe FARIBOLANA POLITIKA :
azo atao ohatra ny manokana ao anatin'izany:
** fotoana hamelabelaran'ny vondrona iray ny heviny fotsiny,
** fotoana amakafakana ireo hevitry ny vondrona iray, andraisan'ny vondrona rehetra anjara,
** fotoana tena GRAND MATCH be, ampiadiana hevitra tokoa

Izany rehetra izany mivantana @ haino aman-jery rehetra ho hitam-poko hitam-pirenena. Raha tsy ho voaofana amin'izany ny vahoaka, tsy haiko intsony.
Afaka eto ny eritreritra hoe tsy mandre afa-tsy feon-dakolosy tokana ny vahoaka satria ny vondrona sasany tsy tonga tatsy na tary nanazava ny heviny.
==> AFAKA MISAFIDY TSARA amin'izay isika mianakavy.

Mbola misy saika hambarako fa nisy goaka kely ny fitadidiana. Aroso manaraka, sady lava loatra.

Mirary soa!
28. penguin ( 05/12/2008 14:40)
Variana manazava be fotsiny ve ry FOZA ORANA ireto a ? Bazylou é, naughtyboy fozaorana ééé =)) =)) :p :p
29. Fanjaibe ( 06/12/2008 04:56)
Tadidio aloha fa ny Antokon'ny eo @ ny Fitondrana no mbola manana ny tombon-dahiny satria izy no manana ny Fahefana.

Dia meteza fotsiny ianao @ toerany hoe izay rehetra ho avy eo ny antoko dia hifaninana aminy izany.

Ho anao izay te-hiditra dia tsotra be ny eritreritra hoe : Apetraka any @ fokontany sy ny Communes ve ny taratasy manambara fa misy antoko izao na izatsy eto @ ny Tanana ka hametraka azy ho ara-dalana izahay.

Rehefa niaina ny fanaovana ny lisi-pifidianana ianao dia mahita fa hatrany no manomboka ny fingapingana rehetra e.

Toy izay mahazo an'ilay eto Tana @ izao fotoana izao nefa mbola association ny azy fa tsy Antoko Politika.

Dia averiko indray fa raha vao manana hevitra hafa ianao any @ Fokontany any dia atao an-jorom-bala.

Ka ny ilay fiainana politika mihintsy aloha no alamina vao sedraina ny antoko.
Ohatra omena fe-potoana ny Antoko 3 na 4 hanao fampielezan-kevitra ka io ihany no vatsian'ny Fanjakana vola

Rehefa avy manao fifidianana vao arakaraka ny isan'ny olom-boafidy no fanampiana azo. Ankoatra ny vola voangona avy @ ny Mpikambana

Dia izay aloha e
30. penguin ( 08/12/2008 10:48)
Ka elah FOZA ORANA koa inona no tsy hananany tombondahiny ?
31. xxx ( 10/12/2008 11:12)
ra ny zavtr hita maso s iainnn alou zao de ts thalall ze fahorin pokna any r8
fa mates mora2 any ze kel vovkain,le gasy kou anef ts mahtrk kely akory na mba upercut iray aza ts tafiditr,fa miaritr mindr gong fotsn,ka rehf itntsk reetr kos alou fa tsy mamel i8 de aleo izy omena rouge de mba ze mahavit ndray no hanarin aingan ty tanindrazan malala ty fa ra mboul i8 kos alou no eo mety ho vizana daoul ny gasy afaka 15ans eo,ka ny azy hatramin vely kofafa sy kaiktr alefan daoul ahafaty haingan ny gasy tsy ahatraka itsony ijery ny fikabean itondrany ny tanindrazan, ko mietse zany ry akama am eleksio manarak fa hofaty eto iany any isik !!!
32. xxx ( 10/12/2008 11:18)
hi!hi!hi! ko ra mively kifafa sy manaikitra ra8 de iantsoako an'i deba fotsiny asaiko bangoin'ideba alo iny sangany tsy mety mpetraka iny satri any ampaosin'ideba misy fihogo foana,itanareo iny volony malama tsara fa tsy mikorotatsanga otran ' an ra8 iny!! de asian deba amle tehina kely iny fotsiny izy de voky ronono
33. penguin ( 10/12/2008 15:45)
Sao miteniteny foana ka tsy mahalala ny sanga malama sy apetaka. =)) =)) =))
34. tenagasy ( 10/12/2008 16:27)
Mankamamy!

Inona no ifandraisan'ny Antoko Politika sy ny Fitsipika amin'izany kay?
Mba ataovy matotra moa e!


Hiverenana @ tena resaka!
Ary toa be indray ireo lasa niahotra? Manao ady varotry ny mananon-tena?

Sa kosa tahatahaky ny tsy hisy hihoriranana (toy ny mahazatra) izy ity raha tanteraka eo tokoa ka tadiavina daholo indray izao atsanga tsy aman'orana rehetra izao?
Aza afangaro moa ny akoho sy ny vorona eh!
Aza mand... resaka hoy ny havako izay!

Ny zavatra hita koa dia ao ireo mpanao Politika; milaza fa vonona ny handray anjara @ ady hevbitra; saingy hoy izy ireo: alefaso aty aminay aloha izay vinavina vitanareo any dia omeo fotoana izahay handinihana azy kely dia izay vao miady hevitra isika!

- F'angaha mieritreritra ny hamantam-bonona fotsiny?
- Tsy porofo ve izany fa vavany fotsiny fa rehefa takiana hoe manaova tokoa dia AOTRA?
- Tsy tokony samy hitondra ny azy ve dia samy ampiadiana eo?

Mirary soa!
35. andrywui ( 11/12/2008 12:02)
o ry tenagasy a!! nakaia oa le oe DSRP nodradradradraina taloha iny tokou e!!!
toa nanjary oe zany MAP,MAP zany ndray ange le izy e de aon ny vola lany tamin'ny tetikasa DSRP sy fiofanana arakasa tetsy sy teroa taminireny??volambahoaka daoul ane reny e ary aminanjatony miliara nefa natao tsapatsapa fotsiny fa tsy tafita akour de ty ndray ny sakafo vaovao fa le teo zany nasiso???MAP ndray de laniana aamin fiofanana etsy sy eroa ndray ny arivo miliara.nefa hatramzao to mbola tsy manombok akour on le MAP fa vo eo ampanomanana azy(antsoina ao iavolha daoul rehef mety ho oul na depute na maire na chef fokotany na mpivarotra...)haninona ?????hanomana ny MAP oun! de lasa fiteny ao dago ao zao ny hoe:MAMETRAHA PAPA HAMPANDEHANANA NY MAP A!!! ny hevitro de zao e!!efa nahazo carton jaune tamin peuples Tananariviens niaviany ra8 tam eleksio maire teo!! ka tsaratsara
aminy ny miala mialou mba tsy hosaritahan'ny vahoaka eo ny TIKO sy ny MAGRO rehefa tonga ny tsotsorimamba!! sa aona ry tena gasy??? de azafadyyy oooo!!!!
36. xxx ( 11/12/2008 12:05)
iza no malama in ry penguin de iza no mipetaka aiza????!! amin'in
37. penguin ( 12/12/2008 07:30)
Hanjaranao ny mahalala ny voajanahary. Saingy tsy izany no ahasoa sy ho velarina eto satria ny saina no miasa fa tsy ny ivelany.
38. tenagasy ( 18/12/2008 00:30)
Mankamamy!

Tontosa ary iny aloha ilay nanangasanga sy nandrasana!
Hoahy manokana dia omem-pankasitrahana arahim-pankaherezana hatrany izay mihetsika sy manao - na tojo fahombiazana izany na tsia!

Ny hany azo ambara aloha hatreto dia ny hoe: ao ny nandray anjara, ao ny tsy nandray anjara t@ famolavolàna izany!
Ny tsy nandray anjara moa, asa fa toa nanadino ny fitenin'ny vazaha hoe: "les absents ont toujours tort!" ((même si les présents ne doivent pas toujours avoir raison))
Asa anefa raha mbola ho marina io fitenenana io?

Mino aho fa ho maromaro kokoa amin'izay isika no haneho hevitra amin'izay ho tohiny!

Mirary soa!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0616