Visa etudiant hianatra aty Frantsa

1. olivar66 ( 21/11/2008 17:26)
Voaray hianatra teto amin'ny oniversité aty frantsa ny zandriko hanao 3è cycle. Araka ny fomba ankehitriny moa dia dia tsimaintsy misoratra anarana sy mametraka antontan-tarasasy momba ny diplôma efa azo sy ny fianarana efa natao ao amin'ny Campus de France, arahina fanadihadiana am-bava de avy eo vao afaka mangataka visa etudiant ao amin'ny Consulat.
Noresahin'i anadahiko tamiko ary fa nagatahan'i lol gasy nanao fanadihadiana tsolotra izy ary nampitahorin'io gasy io fa manana fahefana hanome "avis defavorable" hono izy. Maro ny resaka fanambanimbaniana nataon'io ol gasy io azy. Andro vitsivitsy taorinan'ny nametrahana ny fangatahana visa tao amin'ny consulat de, tsy nivoaka foana ny visa. Voatery nankeny amin'ny oniversite eto Perpignan aho nanadihady. Gaga sy nalahelo ary aho raha nampisehoan'ilay secreteran'ny oniversite anà tamin'ny alalan'ny solosainany teto Perpignan ny antony tsy mahatafavoaka ny Visa n'ny zandriko: "l'étudiant a toute les capacités de suivre ses études, mais après entretien il y a une suspicion de regroupement familiale; conclusion= avis défaforable" sonia sy anarana eo ambany Rakoto... C... (anaran'i le ol gasy).
Amin'izao fotoana anoratako izao dia nolavin'ny consulat ny Visa n'i zandriko. Malahelo aho satria tsy mitombina velively io hoe " suspicion de regroupement familiale" io satria:
1) Malagasy mizaka ny zom-pireneha frantsay aho ary efa 10 taona latsaka kely no nipetrahako teto Frantsa. Tsy mbola nisy fianakaviako na 1 aza nafarako taty, izahay mivady foana no mankany madagasikara isakin'ny vakansy.
2)Mba fonksioneram-bazaha ihany ny tenako, na dia mahantra aza ny firenena nihaviako, ary vozongo mahavelon-tena ihany koa ny vadiko ary afaka miantoka soa aman-tsara ny fianaran'ny anadahiko izahay mivady, ary tsy mananjanaka rahateo izahay. Ny fianakaviako any Dago koa tsy dia hoe mahantra fadiranovana na tsy manana tanindrazana ka ho- regroupé-ko aty an- dafy lavitra aty. Tiako ny fireneko ary filàna ravin'ahitra no antony ipetrahako aty an-dafy, fa raha ny safidiko dia ny hionona sy hipetraka any Madagasikara, hanampy ny gasy toa ahy (eo am-pitadiavana lalana ho amin' izany zà'zao)
3) Inona ny antony nangatahan'ny consulat antontan-taratasy rehetra momba ny karamako sy ny karaman'ny vadiko, ny certficat d'hébergement, ny taratasina hetranay mivady, taratasy fiantohana sns... izay nalefako par chronoposte, raha ny fanapahan-kevitr'io gasy tao amin'ny Campus io no mana-danja kokoa???
Tena very hevitra sy malahelo aho satria ankoatr'izany rehetra izany dia efa novidiko ny billets d'avion n'ilay anadahiko (Madagasikara - Paris sy Paris - Perpignan) Billets open, very fotsiny...
Amin'ny maha frantsay anà aloha dia efa nandefa taratasy fitarainana sy fangatahana fanazavana tany amin'ny Commission de Recours any Nantes zà de ny double nalefako any amin' Andriamatoa consul de France. Nalefako taratasy tsy very mandeha miaraka amin'ny porofo voaray.
De izay ary ry havana, namana sy tapaka ny momba an'io tantarana visa io. Ka hono hoà, mba rariny sy mateti-pitranga ve io olana visa any Dago io???
Misaotra mialoha anareo rehetra mamaky sy hamaly ahy.

novalian'i tolipy ny 25/01/2009 18:12
2. xxx ( 21/11/2008 18:09)
ankaneso any dago le zalahy rakotoblal....le nitady tsolotra io tonga de tairo ao @ biraony ao. Enao milaza fa manana zo-pirenena vazaha ka de tairo faza manaiky lembenana.
:evil: :evil:
3. heidi ( 21/11/2008 18:22)
sendra ny olona krapilo ianareo izany , ary olona efa mpanao afera sy lava tanana izy matoa mahavita manao izany, ny tsara hatao amin'ny manaraka dia alefa normale ny tts rehetra fa tsy mande amireny olona mitady afera ireny fa raha vao tsy mifanakara amin'ny ilainy azy ny vola omena azy na mila vanona izy dia sabôtény ianao, ka mahereza e! akory atao fa efa nolavina lay visa manandràma indray hoe lalana hafa tsy mandalo mpanelanelana
4. heidi ( 21/11/2008 18:26)
3) Inona ny antony nangatahan'ny consulat antontan-taratasy rehetra momba ny karamako sy ny karaman'ny vadiko, ny certficat d'hébergement, ny taratasina hetranay mivady, taratasy fiantohana sns... izay nalefako par chronoposte, raha ny fanapahan-kevitr'io gasy tao amin'ny Campus io no mana-danja kokoa???

io kosa aloha dia ilaina na visa inona na visa inona no alaina e! raha jereny ka tsy azo antoka ny fidiram-bola na kely ny vola miditra dia efa refuser ihany koa izay aloha...
FA NY FAHITAKO ny cas nareo dia no sabôteni'lay rangahy ny dossier fivoahana rehetra....LAZAINY ZAO FA hanao regroupement familiale fotsiny fa tsy fianarana akory
5. olivar66 ( 21/11/2008 18:39)
Tsy ny zandriko anie ry Heidi no nisafidy an'io olona nanadihady azy tao amin'ny Campus io fa ny campus no manome rendez-vous. Ilay zandriko angamba no tsy nanana chance nitotona tamin'io gasy nila tsolotra io. Amin'ny maha gasy ahy aloha dia mampalahelo ihany ny toe-tsainan'io ol io.
6. olivar66 ( 21/11/2008 18:45)
Ieny e, zà ndray aloha tsy hanaiky ho gisitra hanaiky an'io fanapaha-kevitra tsy mitombina io e, ny tiko ho fantatra fotsiny dia mba efa naheno olana visa ôtran'io nanjo anay io ve nareo? Sa misy numérus clausus ny fanomezana visa ho an'ny mpianatra gasy?
7. fijo ( 21/11/2008 21:58)
efa fahenoko matetika io,ny zanaky ny zaodahiko koa dia voasakana toa io,ary tsy tafavoaka mihintsy,efa 5 taona izao.
8. diamondra27 ( 21/11/2008 23:28)
tena siora ve enao fa mitady tsolotra le ol , ra zany de tsotra no atao manatona bianco de balancer-o any io fa nareo ko , samy ho ratsy loha ihany koa
9. Ralay ( 22/11/2008 15:11)
Arakay ny hevitro dia tokony nolazainao t@ ilay olona ny tany Perpignan ny zavanisy izany hoe nagataka tsolotra io olona manome avis io ka tsy nanaiky ny zandriko dia namoronany an'io dia mety afaka hanampy anao izy.
Ataoko fa tsy misy porofo aloha izany fa dia parole'ny zandrinao sy ny an'ilay olona no miady ka tsy afaka hitory azy @ bianco ianao.
Ny mety dia mangataka RV @ consul dia manontany hoe inona no antony ilazanareo fa mitady hanao regroupement familliale ny zandriko .
Raha te hanao izany izahay ve tsy efa ela no nanao.
Mahaiza miady fa aza manaiky lembenana @ zavatra tsy marina.
:lol:
10. olivar66 ( 22/11/2008 15:47)
Marina ny teninao ry Ralay, nohon'io zava nitranga tao amin'ny Campus tany Dago io dia nankeny amin'ny oniversité teto Perpignan mihintsy izahay mivady, ary notantaraiko tamin' ny tomponandraikitra institut d'aministration tao io olana io raha mitombina na tsia ny teny nolazain'i zandriko tamiko. De io institut d'adminitration io no nampiseho tamiko tamin'ny alalan'ny ordinaterany rehefa nomeko azy ny numero d'identification Campus n'i zandriko. De teo no nahitanay mivady ny marina: "Etudiant capable de poursuivre ses études mais après entretien...suspicion de regroupement familiale: Conlusion AVIS DEFAVORABLE. Sonia sy anarana Rakot... C... Hitan'ny voamasoko roa izao ny anaran'io oll io sy ny teny nataony. De ahoana ary hoy ianao no tsy inoako ny tenin'ilay zandriko amin'izany.
Nanampy ahy sy nanao an'izay azony natao tokoa io madame teny @ oniversité io (nandefa mail manamafy fa miandry an' io Etudiant (zandriko) io ry zareo, sady nomeny anà ny doublen'ny courrier rehetra nalefany tany amin'ny campus.
Sady naharary aho no menatra an'ilay vadiko, hoe mba gasy ihany no nandray azy tao amin'ny campus, kanefa de mahasahy miteny zavatra tsy mitombina otran'izany...
11. olivar66 ( 22/11/2008 16:19)
fijo:

efa fahenoko matetika io,ny zanaky ny zaodahiko koa dia voasakana toa io,ary tsy tafavoaka mihintsy,efa 5 taona izao.


Bezoro Fijo,
Misaotra anao namaly ny dinika. Henoko fa mateti-pitranga ao Dago ao io olana visa Etudiant io. Tsy hoavelako ho vitavita mora aloha ity tantara ity e, tsy hoe nohon'ny amin'ny maha zandriko ny victime fa amin'ny maha gasy mizaka ny zom-pirenena frantsay anà. Ananako porofo ny zavatra rehetra lazaiko. Raha resaka ara-bola, na fiantohana, na fanamarinana ny fidiram-bola sy trano fonenana tsy ara-dalàna no antony nandavana ny visa, dia tsy azoko ekena. Indrindra koa moa ny hoe Regroupement familiale, satria tsy mbola nanao certificat d'hébérgement izany aho hatramin'izay 10 taona nipetrahako taty an-dafy izay.
Tsy ny mpianatra manampahaizana malagasy mihintsy no miteraka olana momba ny problème d'immigration eto Frantsa.
Ankoatrin'ny taratasy fitarainana nalefako tany Nantes sy tany @ consulat any Dago, dia nanantona juriste teto Perpignan zà, ary rehefa notantaraiko sy noporofoiko taminy ny zava-misy dia nanaiky nanampy ahy izy, hitady ny marina amin'ny alalan'ny Association HALDE (Haute Autorité de Lutte contre les Discriminations et l'Egalité) ao Paris ny siège social.
Holazaiko anareo eo ihany ny tohiny.
Misaotra betsaka.
12. Ralay ( 22/11/2008 16:38)
ollivar66> Mino aho fa marina ny zavatra nolazain'ny zandrinao anao fa ny porofon'ilay hoe mangataka tsolotra io olona io no sarotra no anaporofoana azy raha misy ankety fa handà avy hatrany io olona io.
Aza avela fa ataovy mahalala ny anaranao ilay olona :-P
13. olivar66 ( 22/11/2008 16:38)
xxx:

ankaneso any dago le zalahy rakotoblal....le nitady tsolotra io tonga de tairo ao @ biraony ao. Enao milaza fa manana zo-pirenena vazaha ka de tairo faza manaiky lembenana.
:evil: :evil:


bezoro XXX,
Misaotra namaly ny dinika. Miombon-kevitra aminao aho. Tsy ho avelako amin'izao ity tantara ity. Ny olana fotsiny dia amin'ny taona hoavy vers mois d'octobre any aho vao afaka mametraka congé 4 semaines ho any Dago. Ananako ny porofo rehetra, satria narahiko maso akaiky ny evolution'io dossier n'i zandriko io (Par son numéro d'identification Campus) surtout rehefa notantarain'ilay zandriko tamiko ny zava-nitranga nandritran'ny entretien sy ny fanabatibatian'io oll io azy. Ananako ihany koa ny taratasy porofo teny amin'ny oniversité nomen'ilay madama institut d'administration anà, misy ny anarany io oll io, sy ny mail rehetra nalefan'ny oniversité tany amin'ny Campus manamafy fa voaray hianatra ny zandriko. (Après la réunion des commissions Pedagogique 1 ère session 2008-2009)
Tsy hanaily lembenana arakin'ny voalazanao aho ary vonona hiady hatramin'ny farany hiarovana ny futur victime ndry zareo tia tsolotra ao Dago, sy hanaporofoana amin-dry zareo vozongo ao @ consulat fa na dia firenena mahantra aza i Madagasikara, dia vitsy ny gasy handao tanindrazana hionona aty an-dafy mandrak'izay na hanao regroupement familiale.
Misaotra betsaka.
14. xxx ( 22/11/2008 18:13)
izahay aza moa nanafatra ny reninay, matanjaka be ny hebergeur (1er conseiller-ny ambassadera ao roma) nanome note verbale io 1er conseiller io, fa narirarirany i mamanay (tsy haiko aloha fa ny filazan'i mamanay dia ramatoa somary ôtran'ny vieille fille zany hono no nanao entretien an'i mamanay). ny zandrinao aza mba nisy soratra zany tao anaty pasiporiny hoe visa refusé fa ny an'i mamanay tsisy soratra refusé na hoe nekena ny visa, fa dia hoe, alefaso any pretoria ny demande d'explications fa tsy @ ressources-nay ny dossiers-nao! pfffff! saika hande ho any italy ny reninay mantsy donko tsy maintsy mandalo ambassady de france ra hanao tourisme any
15. heidi ( 22/11/2008 19:36)
4. Mpandefa : olivar66 [ Valio ] 21-11-2008 19:39:00
Lohateny : Re : Visa etudiant hianatra aty Frantsa
Tsy ny zandriko anie ry Heidi no nisafidy an'io olona nanadihady azy tao amin'ny Campus io fa ny campus no manome rendez-vous. Ilay zandriko angamba no tsy nanana chance nitotona tamin'io gasy nila tsolotra io. Amin'ny maha gasy ahy aloha dia mampalahelo ihany ny toe-tsainan'io ol io.


izaho koa efa tratran'io tamin'izaho hivoaka voalohany ka! ary tsy izaho irery fa olona maro, izy tena mangataka kadô mitsy dia tsy maitsy manome ianao izany raha te ho vita ny tts, taty aoriana resaka vola mitsy no nangatahiny, olona hafa no omena vola am tts hoatra izao, olona hafa ny omena vola am tss otran'itsy, ka izay tsy manana dia tavela, ny tena gravy dia izaho izany mba saika hande hitory mivantana ao amin'ilay consul mitsy hay lery mitsy koa no tena mpanao afera miaraka amin'ilay madama sekretera :x tsssssss
16. olivar66 ( 22/11/2008 20:52)
Ralay:

ollivar66> Mino aho fa marina ny zavatra nolazain'ny zandrinao anao fa ny porofon'ilay hoe mangataka tsolotra io olona io no sarotra no anaporofoana azy raha misy ankety fa handà avy hatrany io olona io.
Aza avela fa ataovy mahalala ny anaranao ilay olona :-P



Narahiko maso akaiky ny dossié n'ny zandriko (T@ alalan'ny numéro identification Campus, de hitako par internet ny evolution'ny dossier).Payement inscription Campus Validé le 14/08/2008, Deposition de dossier complet le 16 aout 2008, Nanao entretien ny andron'iny ihany Asabotsy 16 aout 2008 à14h, nefa taorinan'ny entretien dia tsy ni-validé n'io oll nanao entretien anazy io ny statut Campus n'ilay zandriko. Ny 2 septembre 2008, dans la journée no natsoin'ny Consulat par téléfone ny zandriko hoe tsy afaka manome visa satria tsy validé ny statut Campus. Teo ary vao nino izahay fa tena ni-sabôté n'i le oll tao @ campus. Nasaiko naka rendez haingana t@ Mr GALY Philipe vazà direkteran'ny campus ny zandriko, nila fanazavana. Sadaikatra be hono ilay gasy Rakot.. C..., ary nihidy tao amin'ny biraon'ilay vazà de nody niala tsiny rehefa avy eo hoe "nisy probléma-na conexion" hono ary izany no tsy nahavitany azy. De ilay vazà ary avy eo no ni-validé ny Statut ny 3 Septambra 2008. Ananako ato daholo ny porofon'izany (Entretien effectué le 16 aout 2008, statut validée le 3 septembre!!!!). Tamin'io fotoana io dia mbola tsy fantatray hoe nanome decision DEFAVORABLE loll, satria tsy accessible à partirn'ny ordinateur normal ny decision campus. Teny amin'ny ordinateran'ilay madame institut d'administration teny @ oniversite no nahitako ny marina rehetra sy ny anaran'i lé oll, satria na ny zandriko aza tsy nahalala ny nom de famille-ny hoe Rakot...
Izay ary no antony ninoako fa:" il y avait quelque chose qui ne tourne pas rond" hoy ny vazaha.
17. olivar66 ( 22/11/2008 21:15)
heidi:

4. Mpandefa : olivar66 [ Valio ] 21-11-2008 19:39:00
Lohateny : Re : Visa etudiant hianatra aty Frantsa
Tsy ny zandriko anie ry Heidi no nisafidy an'io olona nanadihady azy tao amin'ny Campus io fa ny campus no manome rendez-vous. Ilay zandriko angamba no tsy nanana chance nitotona tamin'io gasy nila tsolotra io. Amin'ny maha gasy ahy aloha dia mampalahelo ihany ny toe-tsainan'io ol io.


izaho koa efa tratran'io tamin'izaho hivoaka voalohany ka! ary tsy izaho irery fa olona maro, izy tena mangataka kadô mitsy dia tsy maitsy manome ianao izany raha te ho vita ny tts, taty aoriana resaka vola mitsy no nangatahiny, olona hafa no omena vola am tts hoatra izao, olona hafa ny omena vola am tss otran'itsy, ka izay tsy manana dia tavela, ny tena gravy dia izaho izany mba saika hande hitory mivantana ao amin'ilay consul mitsy hay lery mitsy koa no tena mpanao afera miaraka amin'ilay madama sekretera :x tsssssss



Nohon'ny maha Frantsay anà aloha dia ho hataoko ho maivoka ity raharaha ity e.Mba olona nahita fianarana ihany ny tena. Hampisehoako an'io gasy mitetika hanao afera io fa sendra taolana izy tamin'ity indray mitoraka ity. Raha tsy nanana ny zo-pirenena frantsay aho dia mety ho nangina ihany, satria fantatro fa ny atody tsy hiady amim-bato. Tiako haseho ny coté frantsay koa fa na dia mahantra aza ny firenena nihaviako dia tsy hanori-ponenana aty an-dafy ny fianakaviako. On choisie pas sa famille, on choisie pas son origine, mais... on peux choisir l'endroi où on veux vivre, on peux choisir aussi ses amis, ses amants, son mari... Tiako ny fireneko ary izany no mampifofotra anà hitady ny marina. Izaho sy ny zandriko no tra-boina androany, malagasy iray rà amiko no mety ho tra-boina rahampitso raha havelako hangina fotsiny amin'izao ity raharaha ity. Mety ho rano indray mitete ao anaty ranomasina ny vokatr'izao ezaka hataoko mitady ny marina izao, kanefa
ça me soulage et je dis ce q je pense car je dois rien à personne!!!!
18. heidi ( 22/11/2008 21:30)
ka ilay mpangataka tsolotra izay anie ka presk mafia mitsy e! ka na vazà na in tsy de misy irarahiany anao...izy mitsy no nilaza izany teo imasoko hoe izaho indray tsy miraharaha izay vazaha any.... :)
19. olivar66 ( 22/11/2008 22:19)
heidi:

ka ilay mpangataka tsolotra izay anie ka presk mafia mitsy e! ka na vazà na in tsy de misy irarahiany anao...izy mitsy no nilaza izany teo imasoko hoe izaho indray tsy miraharaha izay vazaha any.... :)


Ieny ry Heidi, raha mihevitra azy tsy ho tratran'ny aloka ny mpanao tsolotra gasy ao Dago, zo-ko amin'ny maha olompirenena frantsay anà ny mahazo valin-teny amin'ilay taratasy fitarainana nalefako tsy very mandeha any @ commission de recours any Nantes sy any @ consulat any Dago. Tsy vitan'izany fa mbola ni-contacté ny association miady momba ny discrimination HALDE zà de nalefako any daholo ny porofo rehetra.
Eo am-piandrasana ny valiny moa zà zao fa raha tsy mahazo valin-teny aho atoato de hiakarako amin'ny zanatohatra frantsay ambonimbony kokoa. Ny vadiko rahateo koa mba manampy anà.
20. heidi ( 23/11/2008 08:50)
Mety ka! aza amelàa mihintsiny.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9206