"Daewoo to cultivate Madagascar land for free"

1. ratonga ( 21/11/2008 13:05)
http://www.sobika.com/madagascar-informations/news_1067.php?subaction=showcomments&id=1227200993&archive=&start_from=&ucat=&
novalian'i Fanjaibe ny 08/12/2008 21:53
2. tenagasy ( 21/11/2008 15:24)
Mankamamy!

Tena tongatonga mihitsy ato Ratonga aaaaaa!
Mangetaheta fanazavàna avy @ mpitondra mihintsy.
Tsy ny amin'io ihany fa ny amin'ireo sasany ihany koa izay efa nampitsobohana ny malagasy sy ny taranaka faramandimby. Satria marina fa mivaingana be ity iray ity, saingy raha atambatambatra koa anie iretsy sasany dia tsy ho latsak'izany e!

Tena avy @ fiteny tokoa ity hoe:
- ataony miteny irery
- misavorovoro zary maloiloy any anaty any
- "" ... dia ahoana ireto zanako ireto? ... ""

Mba omeo fanazavàna re ry mpitondra hajaina isany, raha sitrakareo, raha toa ka marina tokoa izao.
Ary na tsy marina aza, hazavao fa aza avela hilona maharitra ao am-po sy sain'ny vahoaka ny toy izao satria mamela soritra (trace) anie ireny e!

Mirary soa!
3. fijo ( 21/11/2008 20:45)
vao nijery sobika koa aho ary gaga nahit aity resaka ity.

ny tokony ho jerena di ahoe misy tombony ve sa tsia.

le tany mantsy ,tsy hoe lasan'ny koreanina,fa hampiasainy mandritra ny 99 taona.
ny fanontaniana dia izao.
-io tany io ve ,raha tsy nomena hoampiasainy,moa vitantsika ny manajary azy?
-ary izy mampiasa azy io ve,inona no tombony hoantsika?

raha zavatra mety hovitantsika mantsy,dia "heloka" ny fanomezana azy ny vahiny hampiasa azy.

rah atoa kosa ,ka tsy hovitantsika ny hampiasa azy,mety hisy soa ve ny hamelana azy hoampiasain'ny vahiny?
4. kidoropamba ( 21/11/2008 20:45)
Hoy ra-xxx izay hoe: Amboaro ny taratasy vazaha.
Mbola ho aiza anefa isika e? mbola any koa ilay tetik'asa hivarotana zaza gasy @ karana mba hanaovana fanadramana @ SIDA sy ny homamiadana, ka ny vola azo hividianan'ny TIKO ny airmad;
Mbola any koa ny tetik'asa izay hivarotana ireo gasy kilemaina ka hamidy antsinjarany (don d'Origany) ka ny vola azo hividianana ny helikaoptera an'i TIKO.

Mbola vao manomboka ange ny lanonana e. 8O 8O 8O 8O
5. kidoropamba ( 21/11/2008 20:52)
fijo:

vao nijery sobika koa aho ary gaga nahit aity resaka ity.

ny tokony ho jerena di ahoe misy tombony ve sa tsia.

le tany mantsy ,tsy hoe lasan'ny koreanina,fa hampiasainy mandritra ny 99 taona.
ny fanontaniana dia izao.
-io tany io ve ,raha tsy nomena hoampiasainy,moa vitantsika ny manajary azy?
-ary izy mampiasa azy io ve,inona no tombony hoantsika?

raha zavatra mety hovitantsika mantsy,dia "heloka" ny fanomezana azy ny vahiny hampiasa azy.

rah atoa kosa ,ka tsy hovitantsika ny hampiasa azy,mety hisy soa ve ny hamelana azy hoampiasain'ny vahiny?



Ohatrinona moa no hivarotan-dry sobika an'i dadabe-any sy neny-be-any fa vonona hividy aho na miliara mba atao tsakitsaky hena manta?

Amin'izay koa mba ahafahan-dry sobika manan-karena tsara satria dolara no handoavako azy.
Tsy vitan'ny sobika mantsy ny mikarakara an'ireo be antitra ireo ka aleo omena anay satria misy soa kokoa izy raha izahay no mikirakira azy satria tonga dia ataonay tsaky ka amidinay @ tsena iraisam-pirenena @ antsinjarany ireo dada-be-any sy nenybe any. Izany ange ny atao hoe mondialisation e.

8O 8O
6. fijo ( 21/11/2008 22:11)
tsy ita izay tian alazain afa toa rediredy ity kle???
7. cutie ( 22/11/2008 02:56)
shhhhhhhhhhh
tezitra mitsy za naheno an'ty vao2 ty t@ BBC, sady @ zay koa toa mbola we hanafatra mpiasa avy any Afrika ry zareo, vo maika loza :-D
8. xxx ( 22/11/2008 08:12)
Waaa...gravy! Tena noheveriko fa resaka mananihany le izy t@ facebook kay tena izy...mampalahelo!
9. xxx ( 22/11/2008 12:58)
Fa izao koa ny fanontaniana mipetraka : i Ravalomanana irery ve, na filoham-pirenena aza, mahavita manampakevitra izany? ary ny mpanao politika (opposition, sns...) , ny fikambanan'ny tia tanindrazana rehetra, mijery bôlina fotsiny fa angaha dia ny filoha irery no tompon'ny teny farany.?
Ny tantara no hitsara an'izay nahavanona izao, indrindra raha miafara amin'ny fanjanahana ara toekarena an'i Madagasikara ity resaka ity.
Raha mbola Malagasy koa mba matahora ny todin'ireo martiora tia tanindrazana maty noho ny fahaleovan-tenan'i Madagasikara.
Masina ny tany na mahantra azy fa sao dia lasa JAMBA noho ny ratsy atao ohatran'ilay raikalahy taloha, vesaran' ny alahelon'ny razana sy ny vahoaka e!
10. badboy ( 22/11/2008 18:27)
angry
Manaitra be ilay vaovao, fa mahatalanjona ihany koa ilay fihetsempo an'ny tsirairay!!

Marina tokoa fa tsy azo eritreretina hoe lasan'ny koreanina indray ny tany malagasy mba hamboleny ho an'ny vahoakany. Tsy hisy ampahany ho an'ny malagasy akory izany ny vokatra. Ity izy koa mbola maimaimpoana!! Tena tsy azo ekena raha jerena akaiky!! Rariny izany raha mampikotaba ilay resaka!!

Fa ny fanontaniana mipetraka koa anefa dia hoe "Ireo mikotaba ireo ary ve aloha mba misy hahavita hanao io fambolena io hoa n'ny malagasy sy ho ahondrana???" Ireo koreanina raha hanao io fambolena io dia hitondra ny traikefa avy any aminy!! Ankoatr'izay izireo no hizaka ny fampandrosoana ny toerana hamboleny @ alalan'ny fanomezana asa ny eo antoerana (ka mety hampihena ny fiakarana andrenivohitra izay mampitombo ny isan'ny 4mi) ary koa ny fampidirana ny herinaratra, ny fanitarana ny lalana .....

Ka raha misy 1 @ ireo miakatrafo ireo (izay matetika ny volamaika no tena talentan'ny gasy tsirairay avy) mahasaky milaza hahavita ny hanao io hevitry ny koreanina io dia mino aho fa tsy ny fanjakana no hanakana izany!!! angry
11. kidoropamba ( 23/11/2008 11:10)
Efa nolazaiko ange e. Tsy misy olona hanome baojo raoppilanina anao izany fa tsy maintsy misy takalony io.

Ahoana ny dia tany toulouse ry filoha Ravalomanana ô? efa vita ve ilay kaontra @ airbus 380 sa nitsefotra indray @ ity tratra be tany kaorea ity?
Mbola ao ange i sheritt, QMM, madagascar Oil, total e. Samy manome 10 milions dolara ireo dia raikitra ny raopilanina e.

Inona indray ny kaontra hafa mbola tsy heno hatramin'izao? hin!hin!hin!hin! sanatrian'ny vava ka nomen'i lery an'i sinoa i ANALAKELY hanaovana ozinina mpanao ronono (misy poizina) na koa io Betsimitatra io nomena an-dry zareo malaziana hambolena vary aondrana any Azia....Dray dray dray! 8O 8O 8O 8O
12. xxx ( 24/11/2008 10:32)
badboy:

angry
Manaitra be ilay vaovao, fa mahatalanjona ihany koa ilay fihetsempo an'ny tsirairay!!

Marina tokoa fa tsy azo eritreretina hoe lasan'ny koreanina indray ny tany malagasy mba hamboleny ho an'ny vahoakany. Tsy hisy ampahany ho an'ny malagasy akory izany ny vokatra. Ity izy koa mbola maimaimpoana!! Tena tsy azo ekena raha jerena akaiky!! Rariny izany raha mampikotaba ilay resaka!!

Fa ny fanontaniana mipetraka koa anefa dia hoe "Ireo mikotaba ireo ary ve aloha mba misy hahavita hanao io fambolena io hoa n'ny malagasy sy ho ahondrana???" Ireo koreanina raha hanao io fambolena io dia hitondra ny traikefa avy any aminy!! Ankoatr'izay izireo no hizaka ny fampandrosoana ny toerana hamboleny @ alalan'ny fanomezana asa ny eo antoerana (ka mety hampihena ny fiakarana andrenivohitra izay mampitombo ny isan'ny 4mi) ary koa ny fampidirana ny herinaratra, ny fanitarana ny lalana .....

Ka raha misy 1 @ ireo miakatrafo ireo (izay matetika ny volamaika no tena talentan'ny gasy tsirairay avy) mahasaky milaza hahavita ny hanao io hevitry ny koreanina io dia mino aho fa tsy ny fanjakana no hanakana izany!!! angry



Izany hoe izany tianao lazaina dia tsy afaka hanana fihetseham-po raha toa ka tsy afaka manao zavatra ?

Ny fanontaniana @ mpitondra izao dia hoe tsy maintsy ohatr'izao ve no lalana fa mba misy zavatra hafa azo atao mihintsy

Matoa aho tsy mpitondra dia satria tsy vitako izany, matoa ny mpitondra eo , dia satria nametrahan'ny vahoaka fitokisana izy , kanefa ve dia toy izao no ataony ny vahoaka , sady tsy misy fanazavàna na kely aza

d'accord aho @ ity tany ngazana etsy andrefana etsy hoe mety tsy ho vitantsika mihintsy fa SAVA ve ray olona dia mila hajariana manokana manakory a, tsy efa mandeha ihany ve
13. Annie2006 ( 24/11/2008 12:10)
Tsy misy olona tsy azo ho soloina. hoy ny fiteny.
Maro dia maro ny olona afaka hampivoatra n'i Madagasikara io. Raha te hahita an'izany dia apetraho ny demokrasia ahafahan'ny tsirairay mandray anjara ary atsaharo ny hala-bato @ fifidianana.
Maro ny malagasy afaka mampandroso an'io madagasikara io ary manana tetik'asa amin'izany.

Maro koa ny olona tsy mila ny mpitondra @ izao izay manao varoboba ny firenena na koa tsy hiandry ny "olona tondroina ho mpanohitra" @ izany fanovana rafitra sy olona hitondra fanjakana izany.
Diso ary tena diso ny fiheveranao fa ity fitondrana ity ihany no azo henoina, azo handrasana na koa azo hianteherana ka hanilihanao ny olona hafa hitsikera ny adalany na koa hikiaka ny fahatezerany satria noviraviraina ny tanindrazany.

Raha hevitra aloha, dia ity misy anankiray ka raha mba manana tsara mihoatra azy ianao dia azafady mba arosoy eto: http://www.madagasikara-soa.com/index.php/Tribunes-politiques/Soritr-Asa-Hoan-i-Madagasikara-Madagascar-Societe-d-Avenir.html

Fa raha olona sy fikambanana hanantateraka azy kosa dia miomana tsara ianao fa sao dia taitra sy tara raha toa ka tonga izany fotoana izany.

Toe-tsaina ambany dia ambany ny fiheverana fa tsy azo tsikeraina ny fanjakana izay manabotry vahoaka sy mivarotra tanindrazana.
14. badboy ( 25/11/2008 13:01)
Raha resaka sy eritreritra no resahina dia manakarena isika malagasy!! Tsy nisy, na 1 aza ireo candidat, hatramin'ny nahazoana ny fahaleovantena, no tsy nilaza ny hanafongana ny fahantrana, hampandroso ny fiainampirenena ary hametraka ny fahefany eo anatrehan'ny fitsarambahoaka. Mino izay voalzan'izireo ny vahoaka ka mifidy azy. Rehefa tonga eo antoerana anefa izireo dia adinony tanteraka izay nolazainy!! Ny antony dia satria tsy ampy ny fahafahamanao eo anatrehan'ny fanapahankevitry ny mpamatsivola!! Eny aza adino fa ny pôlitika mihatra ao Madagasikara dia mbola miankina @ faneken'ny mpamatsy vola na tsia!! Efa nanadrana daholo ireo filoha nifanesy teo ny hitady fika hafa hanatanterahana ny pôlitikany fa tsy lasa lavitra!! Toy ny malagasy rehetra ihany izy ka na dia tsy amboa aza dia miverina amin'ny naloany!!

Ka ho an'ireo izay milaza fa manana hevitra tsara dia omemboninahitra, saingy aza adino fa mbola misy mpitsara ivelan'ny malagasy, manapaka ny hanomezana na tsia fanampiana @ fanatanterahana ilay soritrasa!!!

Raha misy ny heverinao ho azo atao dia aza miandry ny ho tonga filoha na minisitra, fa ataovy izay hitanao fa mety!! Maninona ireo ONG na Père PEDRO no tsy filoha na minisitra nefa mahavita zavatra mivaingana????

Ka raha mbola hiandry ho lasa filoha ianao vao hanao zavatra dia tsy mbola vonona ny hanao ilay tianao ho atao izany ianao fa hanao kabary fotsiny!! Ka avelao ireo izay afaka ny hanao ny tsy ho ataonao hanao raha izay no hahafahana miala @ fahantrana sy hampivoatra ny fomba fiasa sy ny farimpiainana!! Aoka izay ilay kabary fa tsy asa!!! ;-) ;-) ;-)
15. xxx ( 25/11/2008 13:12)
Henoko tany @ ministera tany fa vaovao tsy marina loatra io e, toa nanao démenti aza i daewoo
16. tataka ( 25/11/2008 15:11)
Aleo izy hamoaka fanaporofoana feno ahitana ny marina ary ééé.
17. Annie2006 ( 25/11/2008 17:25)
badboy:

Raha resaka sy eritreritra no resahina dia manakarena isika malagasy!! Tsy nisy, na 1 aza ireo candidat, hatramin'ny nahazoana ny fahaleovantena, no tsy nilaza ny hanafongana ny fahantrana, hampandroso ny fiainampirenena ary hametraka ny fahefany eo anatrehan'ny fitsarambahoaka. Mino izay voalzan'izireo ny vahoaka ka mifidy azy. Rehefa tonga eo antoerana anefa izireo dia adinony tanteraka izay nolazainy!! Ny antony dia satria tsy ampy ny fahafahamanao eo anatrehan'ny fanapahankevitry ny mpamatsivola!! Eny aza adino fa ny pôlitika mihatra ao Madagasikara dia mbola miankina @ faneken'ny mpamatsy vola na tsia!! Efa nanadrana daholo ireo filoha nifanesy teo ny hitady fika hafa hanatanterahana ny pôlitikany fa tsy lasa lavitra!! Toy ny malagasy rehetra ihany izy ka na dia tsy amboa aza dia miverina amin'ny naloany!!

Ka ho an'ireo izay milaza fa manana hevitra tsara dia omemboninahitra, saingy aza adino fa mbola misy mpitsara ivelan'ny malagasy, manapaka ny hanomezana na tsia fanampiana @ fanatanterahana ilay soritrasa!!!

Raha misy ny heverinao ho azo atao dia aza miandry ny ho tonga filoha na minisitra, fa ataovy izay hitanao fa mety!! Maninona ireo ONG na Père PEDRO no tsy filoha na minisitra nefa mahavita zavatra mivaingana????

Ka raha mbola hiandry ho lasa filoha ianao vao hanao zavatra dia tsy mbola vonona ny hanao ilay tianao ho atao izany ianao fa hanao kabary fotsiny!! Ka avelao ireo izay afaka ny hanao ny tsy ho ataonao hanao raha izay no hahafahana miala @ fahantrana sy hampivoatra ny fomba fiasa sy ny farimpiainana!! Aoka izay ilay kabary fa tsy asa!!! ;-) ;-) ;-)


Ny tsy fahombiazan'ny hafa dia tsy tokony ho lazaina fa "tsy misy intsony "ny azo atao. Raha misy hevitra diso, dia tsy midika fa tsy misy "intsony" ny hevitra tsara ary tokony aroso.
Raha milaza ireo "hevitra" izay nolazaiko io ianao dia lazao eto izay ireo mpilatsaka ho fidiana, na ireo mpanao politika ka mba nanolotra ny "heviny" mazava ary nanaovana ady hevitra t@ vahoaka. Aza afangaro ny "hevitra voarakitra ho tetik'asa" sy ny "hevitra vohizin'ny fampanantenana amina kabary".

Tsy misy "asa" azo tanterahina raha toa ka "foana" ny hevitra tokony ipoiran'izany tetik'asa izany. Tsy avy any an-danitra akory ny asa fa nipoitra avy amina hevitra mazava.

Raha resaka asan'ireo fikambanana sy ny hafa dia tsy azonao atao mihitsy ny milaza fa tsy manao an'izany ny tenako na dia tsy manao propagandy aminao amin'izay zavatra natao, na resaka sekoly io, na resaka fanantanjahan-tena io. Fa aza toherina kosa ny hetahetan'ny sasany te hanao politika tsara ary manohitra izay adalàna misy amin'izao.
Fiheverana tsy mendrika ny filazana fa tsy tokony hitady ho filoham-pirenena ny malagasy tsotra. Avelao ny olona malalaka hanao izay heveriny mahasoa ny tanindrazana ary tohero izay mamotika azy.
Raha niheno anao i Obama dia mety lasa mpivarotra rongony ny niafarany.
18. badboy ( 25/11/2008 17:49)
Adalana ny anao izany raha manao zavtra nefa afenina!! Sa zavatra maizina???
Tsy tadidinao angamba fa ny antony nahalany andravalomananan dia satria izay nijery rehetra ny zavabitany teo tana dia nanaiky avokoa hoe satria izy nahavita izao dia ny hampandroso ny firenena ve no tsy ho vitany!!

Ka raha toa ianao manana hetaheta handray ny fitondrana, dia ataovy hitan'ny gasy rehetra ny kely vitanao @ izay hitany hoe miasa ianao fa tsy kabary fotsiny dia ho ianao indray no hiandrinan'y fanantenany!! ;-) ;-)
19. Annie2006 ( 26/11/2008 16:10)
Sa adalàna kosa ny anao izay manao zavatra ka mila aseho serasera vao hita ary vao azo ekena fa misy. Hafahafa indray raha izany fisainana.
20. badboy ( 26/11/2008 20:41)
Aiza ary enao zany!! Mba olona lalitsaina ihany de manao valiteny kitanitany tahaka io!!

Tsy eto @ serasera akory ianao no ho lany filoha, raha tsy hoe filoha virtoaly angaha, fa any dago no tokony hampisehoanao ny malagasy ny zavabitanao!! Eto fampitana hevitra ho an'ireo izay manana solosaina sy aterineto fotsiny!!! Ravalomanan raha nampiseho ny zavabitany dia t@ izy lany maire!! Nampisehony avy @ propagandy sy ny radio sy télé hoe izy no nanadio ny tanàna, nanamboatra lalana etc... Ka dia manaova ohatr'azy fa efa @ andron'ny fampisehoankevitra sy ny zavabita tsika zao satria efa tsy ho ela 2012!!!;-) ;-) ;-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1018