"Daewoo to cultivate Madagascar land for free"

21. Annie2006 ( 26/11/2008 21:20)
badboy:

Aiza ary enao zany!! Mba olona lalitsaina ihany de manao valiteny kitanitany tahaka io!!

Tsy eto @ serasera akory ianao no ho lany filoha, raha tsy hoe filoha virtoaly angaha, fa any dago no tokony hampisehoanao ny malagasy ny zavabitanao!! Eto fampitana hevitra ho an'ireo izay manana solosaina sy aterineto fotsiny!!! Ravalomanan raha nampiseho ny zavabitany dia t@ izy lany maire!! Nampisehony avy @ propagandy sy ny radio sy télé hoe izy no nanadio ny tanàna, nanamboatra lalana etc... Ka dia manaova ohatr'azy fa efa @ andron'ny fampisehoankevitra sy ny zavabita tsika zao satria efa tsy ho ela 2012!!!;-) ;-) ;-)


Izany mihitsy ilay alalinan-tsainao. Raha i Ravalomanana no alainao ohatra dia io ny vokany ka tsy te hampi-te-hidera: varotra tanindazana no niafarany. Safidin'ny vahoaka izay safidiny fa ny ahy dia olona manana koltiora politika no safidiko ary manana tetik'asa ALOHAN'NY HITONDRANA fa tsy izay foronina ao "amperin'asa" ary novolavolain'ny vahiny.

Raha zohina io lojikanao io dia ireny fitokanana lava-piringa ireny no ho raisinao fa mpitondra mahay. Tsy miom-bon-kevira amin'izany aho.
Raha ny ho filoha indray dia mahagaga ahy ny mahita anao mitonantonana manontany ny kandida izao kanefa ny fifidianana @ 2012. Raha te ahafantatra ny atanay dia ho hitanao @ 2012 ka handraso io fotoana io.

Hevitra no aroso eto, hevitra no hiadiana eto, hevitra no iarahana mandinika eto fa tsy fanamboaran-dalana sy fanaovana lava-piringa. Na mbola @ 2012 ny fifidianana dia azo atao tsara ny miady hevitra @ tetik'asa ampandrosoana an'i Madagasikara fa tsy haneho anao eto aiza ny lalana namboarina sy ny lava-piringa vita. Lalintsaina loatra nareo ka io no hiafarany.

22. kidoropamba ( 26/11/2008 22:09)
Izay no atahorako amin'ity TGV ity satria ataondry zalahy fa Ravalomanana-bis indray lery. Tena tsy ao e.
Hitanareo fa tsy nihemotra indray ange ny ministera izay saika hanao lavAnty an'ireny bois de rose ireny e. Tsy nilaza ny antony fa efa fantatray ny antony: EFA lafo namidin'ny dolidoly ireny bois de rose ireny ka tsy misy zavatra atao laVAnty intsony ao. hin!hin!hin! sinema be fotsiny e.

Soly any izany ry annie fa avelao mba vehivavy indray hitondra ny firenena @ 2012 e.

8O 8O 8O 8O
23. badboy ( 26/11/2008 23:45)
Ozy Schumann rehefa hamorona ny firaisana artsaribao sy vy tao eropa izy : " Tsy ny mitady hevitra tsara sy marina no sarotra fa ny fanantanterahana azy"!!! Ary dia marina be io satria ny hevitra efa napetrany t@ 1951 no mbola ezahan'ny faramandimby eropeanina tanterahana hatr@ izao!!

Ka raha manana hevitra tsara hahatafavoaka an'i dago ianao dia arahabasoa!! Saingy dia efa homany ny 50 taona manaraka @ fiainanao hanantanterahana azy!! Izahay moa izany dia miandry ilay fanantanterahananao izany hevitrao izany!!! Ianao rahateo efa manambara fa hanao zavatra @ 2012!! ;-) ;-)
24. Annie2006 ( 27/11/2008 10:15)
Marina fa ilaina ny fahaizana manantanteraka ny hevitra. Fa kosa mila miposaka aloha ilay hevitra vao azo tanterahina.
Amin'ny fanantanterahana an'izany kosa dia hoy aho hoe: avelao ho tonga ny fifidianana mba hiakaran'ny manan-kevitra sehatra ary hifidianan'ny vahoaka azy na tsia. Eo amperin'asa izy vao azontsika tsikeraina ilay asa.
25. penguin ( 28/11/2008 13:11)
Dia efa misehoa fa akaiky ny 2012 sao lany andro manaratsy ny hafa fotsiny ééé. Tsy hasian'ny olona sira akory.
26. naughtyboy ( 02/12/2008 11:55)
voalaza teo
"" Tsy ny mitady hevitra tsara sy marina no sarotra fa ny fanantanterahana azy"!!!
tsy iadinkevitra io fa marina ..efa LEOMBOANANA NY MALAGASY KA TSY TIA ZAVABORIBORY...
Demagozia no nilofosany politisiana malagasy nandritra ny 48 taona fa tsy politikany fanajana lalana velona sy manakery ,famokarana,fanajariana,fampandrosoana ary fitiavantanindrazana
Amiko ra olona vonona handroso soritra sy lasitra @ politika de tsotra asehoy ny
malagasy @ fandraisana andraikitra ao anatiny fiarahamonina sy anjra biriki @ olana atrehiny firenena fa tsy iandry 2012 androso eny ambony latabatra,miatomboka @ zao fotoana @ fanatsarana sy fiantsorahana adidy tandrify ny mpifaninana fa tsy antontandrafitrasa any anaty birao ary ra misy izany de tsy tokony ahamenatra azy reny ny ampiseho reo bainga voavadika refa tonga ny andro ifidianany vahoaka..jereo nge i Pdt Obama BARAK ny bekintana lasitra modely tsy zamerika fotsiny fa erantany ny zvbitany teo anivony fiarahamonina alohany nilatsahany ra manaraka ny kariera politikany
ny maso rehetra..
ny marina leony mpandrebireby ny vahoaka sy ny firenena malagasy ao anatiny taona maro lasa izay de ataoko fa tsy latsaky ny 20 ny olona faka manao rafitra sy sori dalana nefa tsisy nazava ny fanatanterahana ny famatsiambola ary ny fipakany tombony tany @ vahoaka,za de mamporisika ze ilatsaka nefa mila miroboka ao anaty rano izy reny misikimponitra @ fiainampirenena fa tsy eny ambonyn latabatra fotsiny otrany mahazatra
27. penguin ( 03/12/2008 14:52)
Ka izay indrindra no nilazako hoe taiza ny zava-vitanareo hatramin'izay sa faly mitanisa izay fahasahiranana sy tsy mety? Leomboananana ny Malagasy ka azo hiantsapazana ve izany NAUGHTYBOY izany sa mpitaty rà-kena fotsiny ? Fa tsy ny mpitondra ankehitriny ihany indray angaha no lazaina fa tsy mamokatra no miseho miresaka ity 48 taona izato izy ra-notti ? Aza miresaka Obama mihintsy fa sehtra hafa ary tantara lavabe no nilalovan'izany Amerika izany. Ny resaka andriana reraka sy andevo poakaty tsisy loha no manavanana anareo angamba ary asesik'areo hatrany nohon'ny maha-panavakavaka anareo. Ka aza hidirana mihintsy ny fisian'izany Obama izany ho filoha Amerikana ankehitriny. Na mpihira mainty hoditra na mpanao boxe na basket-ball na miaramila sns nanao be an-taonany maro ary izao vao faly arahan-tomzny nohon'ny mahalany izany Obama izany. Tsy ny enjika havia sy havanana ataonareo mihintsy no lesona sahalan'ny vitan'ny olona taona maro.
Avy Kenya lasa président any zamerika koa inona no maha-osa raha vahiny koa no manasoa ao Madagasikara satria ry notti mbola variana milelaka an-dafy? Daewoooooo owa owa sherittttttt, QMMMMM makatsy makaro lasa mivaha notti :-P :-P :-P :-P :-P :-P
28. Fanjaibe ( 08/12/2008 21:53)
Ka efa lasa nividy an'ilay avion presidentiel 30 millions de dollars ny olona fa ianareo no tara
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0295