Passport biometrique

1. iiinnniav ( 20/11/2008 14:00)
Mba saika hanontany ny hevitrareo, ahoana kay raha ohatra ka tsy afaka manova ny passport taloha ho vaovao @ daty voatondro (31 Dec 2008), de tsy maintsy any Madagascar ve no afaka manova an'ilay passport?
Misaotra anareo mialoha e
novalian'i xxx ny 15/12/2008 02:44
2. Lejoba ( 20/11/2008 14:24)
Izany mihitsy. Mankany @ ambassade ianao dia omeny "laissez-passer" fotsiny entinao mandray fiaramanidina. Tonga any Dago vao afaka manova ilay passeport.
Raha ho any ny antondianao moa maninona, fa raha avy eto France ianao, ho any Japon, ohatra, nefa tsy manana zom-pirenena afa-tsy Malagasy, dia tsy maintsy mandalo Dago aloha. Dia any mihitsy no karakaraina ny passeport Malagasy sy ny visa ho any Japon. Dia avy any indray no mandray voromby mankany na miverina eto raha tsy misy "ligne directe"
Ny tena raharaha raha mipetraka aty ivelany ianao, ho any @ tany tsy manana masoivoho any Dago (oh: Israël), dia miala any @ misy anao miaraka @ laissez-passer, manao passeport any Dago (frais 1.000€), dia lasa indray mankany @ izay toerana ahitanao masoivohon'ilay toerana tena hitodiana. Dia mandray avion hafa koa rehefa tena handeha.
Sady lany fotoana no lany vola.
Araka ny fanazavàna azo dia tsy manana afa-tsy fitaovana tokana anaovana io passeport biometrique io ny Malagasy. Dia atao aloha ny any M/kara.
Mahereza eh, atao ahoana fa avy any @ "moramora" ny tena
:°) :°) :roll:
3. ni81 ( 20/11/2008 14:30)
Araka ny fanazavàna azo dia tsy manana afa-tsy fitaovana tokana anaovana io passeport biometrique io ny Malagasy. Dia atao aloha ny any M/kara.
koa ilay teo alohaloha teo nisy niresaka teto fa hoe ho tonga ny fitaovana volana oktobra mantsy kou :roll: hay tsary mbola tonga!
4. booboo ( 20/11/2008 15:04)
ié, mbola tsy tonga ilay masinina hatr@ zao nefa novambra ity efa misasaka !
5. ni81 ( 20/11/2008 15:05)
ié, mbola tsy tonga ilay masinina hatr@ zao nefa novambra ity efa misasaka !
dia miandry zany ka inona moa no ambara!
6. hery ( 20/11/2008 15:27)
IO ange ilay fitenenan'ny gasy hoe. Robarobain'ny manana ny tsy manana ka ny tsy manana avy no manao inona moa. Mizesta mihitsy ny Gasy hoe hanao passeport biometrique, voalohany eran'i Afrika, kanefa ny fitaovana toa tsy vonona, ary tsy mahita vahaolana.

Misy koa ny sosokevitra hoe mindrana ilay fitaovana amin'ny polisy aty ivelany (ohatra hoe entina @ ambassade malagasy isanisany) dia antsoina mandeha any ny Malagasy hanao passeport.

Tsy aleonay indray miantoka ny frais-n'ny mpiasan'ny MIN-INTER iray mandeha isaky ny ambassade, sy ny hofan'ny fitaovana, toa izay ho any Dago daholo izahay?

7. diamondra27 ( 20/11/2008 16:10)
lafobe ny pasiporo gasy ra zany kle

a voir ko we mahazo conge sa tsia

8. fahamarinana ( 20/11/2008 16:17)
:arrow: raharaha be tokoa izany raha tsy misy afatsy ny pass gasy...tsy rariny ntsony.Dia aleo indray zany karakaraina taona 1 aloha..tss.. (l)
9. iiinnniav ( 20/11/2008 17:22)
Misaotra t@ valiny samihafa fa hono ho'ah, apres ny 31 Decembre izany tsy miasa intsony le passport taloha ve sa ahoana, de alohan'io daty io koa zany maka an'ilay laisser passer sa...?
10. Papoose ( 20/11/2008 19:27)
Tsy aleonay indray miantoka ny frais-n'ny mpiasan'ny MIN-INTER iray mandeha isaky ny ambassade, sy ny hofan'ny fitaovana, toa izay ho any Dago daholo izahay?


io no tsara indrindra raha te hanamboatra passport gasy!

fa raha manana passport hafa ka tsy mandeha Dago matetika dia tsy pratique le passport gasy fa aleo mampiasa ny passport na pays hafa ananao dia mandoa visa rehefa tonga eo ivato....satria valide pour 5 ans le izy dia raha tsy mandeha any mihitsy mandritry io 5 ans io dia tsy ho nampiasaina akory le izy!
11. booboo ( 20/11/2008 19:35)
Ny fahazoako ny raha nolazain'ny tao @ ambassade anà :

- après 31 déc n'ity taona ity, dia tsy miasa intsony ilay passeport taloha na mbola @ 2010 et plus aza vao tapitra ny ain'ilay taloha.
- raha toa ka mila mivezy² ilàna passeport alohan'ny 31 déc n'ity taona ity, dia manao prorogation ry zareo ao @ ambassade
- raha toa ka tsy hivezy² mila passeport dia miandry début 2009 manova an'azy tsy quoi
- raha toa ka mila mivezy² tampoka sy maika afaran'ny 2008 nefa mbola tsy voaova ilay taloha, dia cf ilay nolazain'i Lejoba ery ambony beeee ery hoe omen-dreo laisser-passer dia any M/car no manova ho biométrique sns.
- Hatreto dia tsy hain-dreo mazava hoe rahoviana vao tonga ilay milina na alohan'ny 31 déc n'ity taona na @ taona vao² ho avy mihitsy ...

Donky...miandry dia miandry dia miandry fa na zareo any an-dreniny aza tsy mahafantatra akory izay tena tokony hatao sns :^) :^)
12. zandikely ( 20/11/2008 20:13)
Tena mandreraka mihitsy!
Tokony najanona ho manankery iany ange ilay taloha raha mbola valide fa rehefa tapitra manova avy eo vao tokony tsy maintsy ho biometrique.
Zareo tompon'Andraikitra io ve olona tsy mba mandefa fisainana lavitra e! Ny fitaovana anefa tsy hananao...Tsy fahaizana ve sa tsy fisainana no mahatonga manao zavatra tsy voahevitra io e?


13. Papoose ( 20/11/2008 20:30)
le izy koa aloha tsy mitombina ihany ny tsy fananandry zareo an'le masininina maromaro...raha ny vola azony @ le reo zay efa nanamboatra be tsy mba efa nisy azo nividianana maromaro le!
14. Zazabe ( 20/11/2008 23:58)
iiinnniav:

Mba saika hanontany ny hevitrareo, ahoana kay raha ohatra ka tsy afaka manova ny passport taloha ho vaovao @ daty voatondro (31 Dec 2008), de tsy maintsy any Madagascar ve no afaka manova an'ilay passport?
Misaotra anareo mialoha e


anontanio ao amin'ny ambassade Paris, fa raha efa tonga ilay fitaovana dia tsy voatery manao passeport any Dago intsony fa aty ihany dia efa azao atao tsara.


15. fahamarinana ( 21/11/2008 04:36)
:arrow: k'efa hoe mbola tsa manana milina ao paris kouh...voalaza ao ambony ao.
iiinnnniav :dia "laisser-passer " sisa no mety azonao atao fa mahereza,dia omano ny paps mety ilaina any dago. (l)
16. iiinnniav ( 21/11/2008 11:50)
Dia misaotra anareo ry zareo fa de misy tsakotsakoana tsara ireo valiteninareo ireo, moa milaza ihany raha misy vaovao hafa.
De mazotoa daholo mikarakara ny passeport biometrique-ny e.
17. fahamarinana ( 21/11/2008 11:52)
:arrow: da hazoto tokoa moa sady tokony hatao rahayeo...soava dia e! (l)
18. fijo ( 21/11/2008 22:03)
ny pasipaoro vazaha nefa anie tsy voatery hovana rah atsy lany ny daty teo aloha e???hafa koa ity antsika ity
19. fahamarinana ( 22/11/2008 05:43)
:arrow: fijo : ny antsika somary compliqué zay foana... :? (l)
20. iiinnniav ( 22/11/2008 17:30)
Fanontaniana ndray e,
Fa rehefa manova ilay passeport taloha ve de mbola mila taratasy bedabe koa, sa.....? De raha tsy afaka manova aloha zaho zao, de ahoana le Visa ohatra hoe maharitra 1 taona mipetaka ao @ passeport taloha, tsy manankery koa ve?
Misoatra antsika mialoha @ valiny
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2765