Hianao koa ve mba mitovy hevitra amiko e ?

1. niryna ( 10/11/2008 02:29)
Tamin'izaho tonga voalohany dia malahelo ery rehefa misy sakafo tsy lany izany ka ariana,.Dia tonga daholo ireo sentiment kely hoe raha mba any dago izao mba mihinana ny havana .
Dia avadika vola gasy ilay vola ka na dia kely aza dia toa vola be .Fa ny tena manahirana tamiko dia raha vao avadiko vola gasy ilay izy dia tsy sahy mividy zavatra aho .Ankehitriny aho tsy mieritreritra izany intsony fa lany eo ny androko raha izany no sady marary eo ny an-dohako.
Dia rehefa mijery akanjo indray dia toa lafo kanefa na manjaitra aza ny tena mahavita an'ilay izy ...dia teo ka teo ka teo kanefa tsy manam-potoana anjairana akory.Dia vidina daholo ity machine e ,ireny zavatra mba nahafinaritra kely ireny kanefa toa tsy nitovy ilay fitiavana azy tany amintsika e.
Dia rehefa misy zavatra fanampiana na zavatra ataon'ny fanjakany ny ankizy ohatra (sakafo omena fotsiny any am-pianarana) ,ny boky zaraina fotsiny kanefa dia maro anie izany e,dia tena malahelo ny any amintsika aho ka miteny foana izahay hoe "raha mba any amintsika moa no mba mahazo ireo boky ireo ny ankizy angamba asa fotsiny "
Hianao koa ve mba mitovy hevitra amiko sa ny alahelon-kavana no betsaka ?

Inona ary ny anao e no mba hetahetakelinao mety ahasoa ity tanindrazantsika ity e !

(l) niryna
novalian'i niryna ny 14/11/2008 19:34
2. Papoose ( 10/11/2008 03:02)
Zah koa dia nandalo an'ireo satria izay no anisan'ilay hoe "culture shock"
Tadidiko zah nandeha nanao vacances tany @ iny golf du mexique iny dia mba nividy short kely zay fa hanao beach volley, dia narary kely miinnts ny saikol hoe short kely tsisy dikany ty dia vidikol $7 dia hoe 70,000Fmg t@ zany (dia mbola anaovako ato nefa le izy@ zao an, :-D) le mamadika vola iol
Ny ahy fotsiny ny teo @ fividianana akanjo mahafinaritra ahy mihitsy satria betsaka ny safidy azo ividianana moa zah rahateo tsy manana patience manjaitra dia ilay miandry azy fa vao hita ny tiana eny @ mpivarotra dia vidiana raha takatra.
Ny sakafo fotsiny zah no miezaka ny tsy manary mihitsy rehefa aty an-trano fa ampirimina ny ambiny moa mahandro zay ho lany. Fa ny tany am-piasana taloha tena mila tsy hozaka satria ny tena mihitsy no manary azy satria tsy azo tehirizina fa tsy maintsy ariana...zareo rahateo koa tsy mba misy toerana azo anomezana azy... ny aty rahateo koa raha vao mihanjakanjaka ela ny kaly de mora simba.
Io resa-boky io dia tena hitako hoe tsara raha mba nisy dumpster dia shippena dago le! matetika mihitsy ny any am-pianarana le tsy voavarotra back lay izy fa efa version aloha dia efa mamoaka version vaovao zareo .... dia na ariana na atao don na tehirizina....t@ voalohany aloha mba nitahiry fa tsy ho ary ho zaka mody aby ty rehetra ty!
Tsy zah ndray ty fa be ny ol le tia mitahiry fa sitrany ahay mbola azo ampiasaina any an-tanana fa plus enao mipetraka aty dia plus mitombo lavitra ny tsy foy ariana dia lasa mameno trano....dia farany ariana ihany na atao don ihany
3. tywa68 ( 10/11/2008 08:14)
Ie tena marina dhl ireo voalazanareo 2 ireo ! manangona foana au cas où misy afaka mitondra any ! mandalo eo daholo kosa raha mbola tia havana e ! farany mikipy manary tsikelikely (atao anaty sac madio ho raofin'olona), d ny sakafo koa ezahana mba tsy asiana ambiny loatra, raha te hiova laoka matetika :°)
4. Lejoba ( 10/11/2008 13:00)
Tena marina daholo izany.
Ny ankizy (sy ny lehibe) no ampianarina tsy hanao fandaniam-poana (gaspillage).
Izao manjary manana projet hanampy ny any @ tanàna raha tsy nieritreritra afa-tsy ny hamoky tena tany.
Ny eto France misy ilay asso Les enfants de Madagascar. Dia omena azy izay mameno trano : akanjo, kiraro, fitaovan-tsekoly (fournitures scolaires) ets. Raha ianao ihany no mitondra azy mantsy, marina fa azo antoka fa lasan'izay tianao homena, nefa mameno droits- n'entana @ fripy. Raha alefa fret, tsy mahaleo ny sarany, ny sambo moa dia lasan'ny ao Toamasina fotsiny sns.
Dia rehefa misy possibilités dia andefandefasana zavatra kely ny any Dago fa faly be. Izao aho vao kôpy hoe maninona no mahazo crunch foana rehefa misy tonga t@ mbola kely : hay ireny no mora aty hahaha :oops:
5. vale ( 10/11/2008 21:04)
Ny eto France misy ilay asso Les enfants de Madagascar

lejoba: mba omeo ny adresse na tel an'izany oe azafady :wink:
tsy maintsy malahelo reto rehefa voatery manary sakafo ireny ah, tsy vitan'ny sakafo ihany fa ny akanjo e, ilay izy mbola tsara anefa dia tsy azo anaovan intsony @ ty lamody miova isa-taona ity, de ts maintsy oe aterina eny @ reny collecte ireny, fa za lo marary andoha mihintsy manary le izy e.Ho alefa any tanàna anefa lafo, anefa ts azo tehirizina ftsn ao ,mameno trano, hmmm..
6. Papoose ( 10/11/2008 22:15)
alefaso aty kia vale a ! :D
7. vale ( 11/11/2008 01:52)
:-D :-D :-D hein hanadala anah ndray ah!!! :-D
8. niryna ( 11/11/2008 05:02)
Papoose:

Zah koa dia nandalo an'ireo satria izay no anisan'ilay hoe "culture shock"
Tadidiko zah nandeha nanao vacances tany @ iny golf du mexique iny dia mba nividy short kely zay fa hanao beach volley, dia narary kely miinnts ny saikol hoe short kely tsisy dikany ty dia vidikol $7 dia hoe 70,000Fmg t@ zany (dia mbola anaovako ato nefa le izy@ zao an, :-D) le mamadika vola iol
dia eo foana tokoa aky no mahavoa a
fa tsara kosa ilay hoe mividy zavatra hianao dia azo averina rehefa tsy tiana dia miverina ny volanao tsy misy fanontaniana .
Fa ny mahavoa ahy rehefa misy zavatra tena tiako ka tsy azoko dia toa eritreretiko hoe lasan'ny olona io ,hi,hi :D
Fa raha lafo be indray dia miandry kely aloha aho dia adinoko ilay fitiavako iny zavatra iny dia tsy miverina intsony aho hoe hividy an'iny an.

Ny ahy fotsiny ny teo @ fividianana akanjo mahafinaritra ahy mihitsy satria betsaka ny safidy azo ividianana moa zah rahateo tsy manana patience manjaitra dia ilay miandry azy fa vao hita ny tiana eny @ mpivarotra dia vidiana raha takatra.
dia io koa aky tsara a,mividy izay takatry ny vola ary tsy maintsy mahita foana e

Ny sakafo fotsiny zah no miezaka ny tsy manary mihitsy rehefa aty an-trano fa ampirimina ny ambiny moa mahandro zay ho lany. Fa ny tany am-piasana taloha tena mila tsy hozaka satria ny tena mihitsy no manary azy satria tsy azo tehirizina fa tsy maintsy ariana...zareo rahateo koa tsy mba misy toerana azo anomezana azy... ny aty rahateo koa raha vao mihanjakanjaka ela ny kaly de mora simba.
ny aty indray dia toa kamo ny olona mitondra sakafo fa mividy foana kanefa lafobe izy ao am-piasana no aleoko ihany vary sy laoka

Io resa-boky io dia tena hitako hoe tsara raha mba nisy dumpster dia shippena dago le! matetika mihitsy ny any am-pianarana le tsy voavarotra back lay izy fa efa version aloha dia efa mamoaka version vaovao zareo .... dia na ariana na atao don na tehirizina....t@ voalohany aloha mba nitahiry fa tsy ho ary ho zaka mody aby ty rehetra ty!
sady mafonja be tokoa aky a dia jerem-potsiny .

Tsy zah ndray ty fa be ny ol le tia mitahiry fa sitrany ahay mbola azo ampiasaina any an-tanana fa plus enao mipetraka aty dia plus mitombo lavitra ny tsy foy ariana dia lasa mameno trano....dia farany ariana ihany na atao don ihany
hitako,asa aky fa tena feno fakofako ny trano a,misy izany hoe hoentiko mody ny ahy ity hi,hi . Farany dia asiana soratra hoe mba hoento mody aho e .Dia misy maka tokoa ny zavatra ,ny aty aminay na TV na ordi mbola mandeha dia misy manary na ny fiara aza dia omena ireny toerana mitaiza kamboty ireny dia izy ihany no maka azy ao amin'ny tena .Tsy dia atao lavitra intsony ny saina hoe tsy
misy very itony raha any amintsika fa manjara marary an-doha
:D
9. niryna ( 11/11/2008 05:05)
tywa68:

Ie tena marina dhl ireo voalazanareo 2 ireo ! manangona foana au cas où misy afaka mitondra any ! mandalo eo daholo kosa raha mbola tia havana e ! farany mikipy manary tsikelikely (atao anaty sac madio ho raofin'olona), d ny sakafo koa ezahana mba tsy asiana ambiny loatra, raha te hiova laoka matetika :°)

ny ahy indray dia lasa izaho irery sisa no mihinana azy @ farany :cry: dia ny anaovaka azy aty aoriana dia ampangotrahiko dia rehefa mangatsiaka dia ataoko ao anaty freezer ary rehefa ahandro aho vao avoakako,andramo anie a na ny voatabia na ireny tongolo maintso ireny raha be dia be loatra fa manampy no sady tsy lo :cry:
10. niryna ( 11/11/2008 05:10)
Lejoba:

Tena marina daholo izany.
Ny ankizy (sy ny lehibe) no ampianarina tsy hanao fandaniam-poana (gaspillage).
Izao manjary manana projet hanampy ny any @ tanàna raha tsy nieritreritra afa-tsy ny hamoky tena tany.
Ny eto France misy ilay asso Les enfants de Madagascar. Dia omena azy izay mameno trano : akanjo, kiraro, fitaovan-tsekoly (fournitures scolaires) ets.

miteny izany hianao fa tamin'izay nody tany dago dia nasehoko ny zanako ireny olona mahantra kely tsy mba manana trano ireny,ireny ankizy mitsimpona sakafo ireny dia farany vaky vava ny zaobaviko hoe ary tsy mba misy zavatra tsara mba aseho azy io ve fa dia ny fahorian'ny olona daholo no asehonao azy =))


Dia rehefa misy possibilités dia andefandefasana zavatra kely ny any Dago fa faly be. Izao aho vao kôpy hoe maninona no mahazo crunch foana rehefa misy tonga t@ mbola kely : hay ireny no mora aty hahaha :oops:

marina izany ary na ny tena aza tamin'ny vao tonga ,ahitra kely dia mahavariana ary mahafaly daholo ,fa araky ny ipetrahana ela no lasa miova ny saina dia mividy izao karazan-javatra tsy dia ilaina izao


:cry:
11. niryna ( 11/11/2008 05:17)
Ny eto France misy ilay asso Les enfants de Madagascar
vale:

lejoba: mba omeo ny adresse na tel an'izany oe azafady :wink:
tsy maintsy malahelo reto rehefa voatery manary sakafo ireny ah, tsy vitan'ny sakafo ihany fa ny akanjo e, ilay izy mbola tsara anefa dia tsy azo anaovan intsony @ ty lamody miova isa-taona ity, de ts maintsy oe aterina eny @ reny collecte ireny, fa za lo marary andoha mihintsy manary le izy e.Ho alefa any tanàna anefa lafo, anefa ts azo tehirizina ftsn ao ,mameno trano, hmmm..

dia ny ankizy koa dia tsy mionona fa toa mitady izao rehetra mipoitra izao ,marina tokoa fa tena lafo ny mandefa enta any amintsika ary ela koa ny sasany vao tonga,nisy entana nalefako fa nisy olona teraka ,tsy antonona an'ilay zaza intsony hono ilay akanjo fa elabe vao tonga tany ,tssy
Tamin'ity herinandro ity izao nivarotra ny tao amin'ny fiangonanay dia amin'ireny koa ny tena no mitondra zavatra izay atao fanampiana ny fiangonana amidiny, akipy ny maso fa mbola tsy ilaina na tsy anaovana intsony na mameno ny trano ireo zavatra omena ny fiangonana dia mba tsy maninona ny fon'ny tena manome ilay entana fa fanasoavana e
:D
12. Bita ( 11/11/2008 14:49)
Maninona moa raha mba manao izay handefasana containere nyserasera e? Toa raha fikambanana mahazo mandefa maimaim-poana koa sa misy lalana azo aleha hafa.? Tena betsaka ny zavatra tsara sy mahasoa an'ireo havantsika any.
Ny zavatra tena halako anefa ny mieritreritra azy dia ireo mba mahazo fanampiana avy @ fiangonana na toy izany dia amidin'ny sasany eny @ sisiny indray ary tena mamaky fo.
Izany no nahatonga anay tsy nandefa intsony fa raha mba afaka mandeha dia mitondra izay zaka. Saingy tsy zaka daholo.......
Ka aiza hoa ilay Elefon ny asso les enfants de Madagascar e? tena mba namaky aho fa tsy hitako.....
13. Papoose ( 11/11/2008 16:38)
vale:

:-D :-D :-D hein hanadala anah ndray ah!!! :-D

anaovantsia bizna!:-P
14. vale ( 11/11/2008 17:05)
:-D ...aia miteniteny fona eo ah, na i clorophila aza ve ho tia anle izy tsotry ii? :°)
15. Lejoba ( 13/11/2008 16:16)
Slt daholo eh
Azafady fa hay nisy fanontaniana napetraka t@ko tato. Tena miala tsiny ry Vale fa tsy dia norarahiako loatra ny adiresin'ilay asso ah.
Mpangataka dons t@ quartier nisy anay taloha ilay izy no nahalalako azy. Mametaka affiche ao @ hall -n'ny immeuble izy dia aterina eo ny entana, alainy avy eo @ ilay daty voalazany.
Andraso anontaniako ilay namanay nandimby anay ao raha mbola mandalo ilay asso dia asaiko alainy ny adiresy @ ilay affiche
Ary ahoana ilay soso-kevitr'i Bita? Fa tena mahasosotra tokoa anie ilay misy mamily eny am-panidinana ilay zavatra dia ol efa manana no mi-zesta @ zavatra ho an'ny mahantra eh
16. vale ( 13/11/2008 16:50)
lejoba: no problem, sotra mialoha eeee ;-)
17. niryna ( 14/11/2008 19:34)
Bita:

Maninona moa raha mba manao izay handefasana containere nyserasera e? Toa raha fikambanana mahazo mandefa maimaim-poana koa sa misy lalana azo aleha hafa.? Tena betsaka ny zavatra tsara sy mahasoa an'ireo havantsika any.
hevitra mety tokoa izany e,ary

Ny zavatra tena halako anefa ny mieritreritra azy dia ireo mba mahazo fanampiana avy @ fiangonana na toy izany dia amidin'ny sasany eny @ sisiny indray ary tena mamaky fo.
ka efa ela io ka ,ny fiangonana aty dia manangona ireny entana ho an'ny mahantra ireny ary nisy sasany alefa any amin'ny hoe "salvation Army" saingy ary mahazo tonga ao an-trano mihitsy aza izy maka ny entana na fanaka rehefa tsy zaka ...

Izany no nahatonga anay tsy nandefa intsony fa raha mba afaka mandeha dia mitondra izay zaka. Saingy tsy zaka daholo.......
izaho tena nisy fotoana nitondra marobe mihitsy ary tena nandoa vola be na taty na ny valizy tsirairay fotsiny ihany aza saingy tena tsy vita intsony no efa misy fetrany ny entana ho entina na dia mangataka mialoha aza hianao no ilay mandefa azy koa manaraka ny arabe ny valizy iray ($ 125)

Ka aiza hoa ilay Elefon ny asso les enfants de Madagascar e? tena mba namaky aho fa tsy hitako.....

izay mahita an'io info io izany mba mizara e

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5371