Teny inona marina no ampiasaina?

1. ikaretsaka ( 06/11/2008 23:51)
fanahy iniako natao ato ity mba tsy hibahanan'ny resa-pivavahana be aminy ..na somary mifandraika kely ihany aza!

Mba lasalasa ny eritreritro ny amin'ny hoe teny inona tokoa moa no hifaneraserana rehefa any @ fiainana sy tontolo any an-koatra any? na rehefa hoe "lasa fanahy"

Izao mantsy, misy ireny hoe rehefa entanin'io fanahy io.. tromba ohatra na ilay hoe hidiran'ny fanahy (na masina io na maloto tsy asiako resaka lavitra ny amin'iny) dia hoe miboredika @ teny tsy fantatra hono!

Misy indray anefa ilay hoe rehefa miseho ilay olona efa lasana tany aloha tany dia miteny dia ilay teny fantany hono: ireny le hoe nanonofy an-draibeny hoe mila fonosina lamba ireny, na ireny nilaza fa nahita fahitana nisehoan'izao sy izao ireny.

Misy indray ireo lazaintsika ho extra terrestre: izay misy milaza fa miteny @ tenin-jareo ..misy milaza fa mindrana ny fitenintsika (tsy haiko aloha fa vetsaka ihany ireo UFOlogiste sy siantifika milaza izany)


dia mba lasa saina aho hoe ity tenintsika eto an-tany ity ihany izany ve izany no entintsika any @ ze mety misy antsika any rahatrizay sa rehefa mila mifanerasera @ olombelona eto @ ity tontolo ity ihany vao mampiasa io teny io?

ny hevitrao?
novalian'i xxx ny 14/05/2009 14:35
2. caprio ( 07/11/2008 05:13)
voalohany aloha dia tsy voasoratra ao anaty baiboly we inona ny teny ampiasaintsika refa miala ety,ary ny faharoa dia izay lasa tany tsy mbola nisy niverina ka sarotra be mintsy ny mamaly ny fanotanianao :lol: :lol: :lol:
3. finoanaranoray ( 07/11/2008 07:24)
any mifampiresaka raha mifankahita...
4. ikaretsaka ( 07/11/2008 15:07)
caprio sy finoanaranoray> tsy le hoe any loatra ange fa le heo rehefa miresaka aminao ireny zavatra ireny e..
atsy misy milaza fa nisehoan'i anona sy anona dia miteny gasy na vazaha (azony tsara)tsara izao hono ireny miseho aminy ireny
ny atsy indray milaza fa idiran'ny fanahin-dranona sy ranona dia hoe miteny @ teny tsy fantatra

dia ahoana ihany?
5. gasyjean ( 07/11/2008 20:20)
Teny angelicale mbola tsy takatry ny fisainana @ ny maha-olombelona no hiasa any ee.mbola mistery zany raha eto an-tany ka raha izaho ianareo tsy dia izany loatra no idirana lalina,A/tra dia A/tra mety efa vita homana avokoa ny @'izany,ka raha te hahita
izany dia mibebaha eee. :D
6. cutie ( 07/11/2008 21:18)
Mba lasalasa ny eritreritro ny amin'ny hoe teny inona tokoa moa no hifaneraserana rehefa any @ fiainana sy tontolo any an-koatra any? na rehefa hoe "lasa fanahy"

miteny nga ny fanahy??
7. fijo ( 07/11/2008 22:03)
hihihihi izany hono ko.
mitombona tokoa it yloahevitra ity,ary tokony nentin'ialahy tary amin'ny sehatra fifanakalozantsika tary ka.
8. ikaretsaka ( 07/11/2008 22:48)
sa inona ireny mifaneraserasera amintsika hoe "entanim-panahy" ireny ry cutie?
na hoe misy tromba e..nisehoan-dranona sy ranona e... maison hantee e!
9. rafitia ( 08/11/2008 03:04)
:) ka ety an-tany tahaka ny any an-danitra
10. finoanaranoray ( 08/11/2008 06:31)
ao amin'ny baiboly aloha dia misy milaza hoe miteny amin'ny teny tsy fantatra e...anisan'ny fampisehoan'ny Fanahy io ao...

Ka fantantsika ihany ny toerana nisy ny Devoly taloha dia hain'io...dia alainy tahaka...satria ry zalahy mpanao piraty ny asan'Andriamanitra fotsiny
11. cutie ( 08/11/2008 15:42)
zany an :wink:
12. Noue ( 08/11/2008 15:47)
ikaretsaka:

Mba lasalasa ny eritreritro ny amin'ny hoe teny inona tokoa moa no hifaneraserana rehefa any @ fiainana sy tontolo any an-koatra any? na rehefa hoe "lasa fanahy"
andraso aloha ho any aho dia lazaiko anao eto io eeeee


:-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D
13. cutie ( 08/11/2008 16:05)
Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 07-11-2008 23:48:41
Lohateny : Re : Teny inona marina no ampiasaina?
sa inona ireny mifaneraserasera amintsika hoe "entanim-panahy" ireny ry cutie?
na hoe misy tromba e..nisehoan-dranona sy ranona e... maison hantee e!

ampitenenen'le fanahy zany le oul fa tsy le fanahy no miteny koa :-D
14. sitlo ( 08/11/2008 18:25)
Raha ny Baiboly aloha dia aza eritreretina be loatra ny any aoriana any fa na ny liona aza lasa miaraka amin'ny zanak'ondry. Izany hoe na tsy mihinan-kanina, na tsy lasa mihinam-bilona. Raha ireo no jerena dia hiova ny physiologie. Ny vantana koa moa efa tavela eto ihany. Ka iza no mahalala raha mifampijery fotsiny dia kopy ela.
15. ikaretsaka ( 08/11/2008 18:32)
za hoa manahy sy tsy mahatoky ny olona tsy mi se referer afa tsy @ boky tokana
16. naughtyboy ( 08/11/2008 18:57)
tsy ny teny ihany akory no afaka ifandraisany rehetra sy ny manodidina fa mety misy ko fifandraisana tsy loabava(oh.telepathy,trans,nofy,itoeranjavatra ozy ny fiteny refa ampiasainy hery tsy hita maso ilaza na hanao zv tsy eritreretiny sainy ny olona 1...)
ny oe tsy mbola nisy nahita izay ao ankoatra aloha de tsy marina loatra satria misy efa nahita ny atsasadalana ary niverina indray satria tsy mbola androny(maty siantifikaly ny ol de velona ndray avy eo) nitovy2 daoly zv notantarainy izy reo mandrapahatonga azy atreo @ ilay hazavana tsy manampetra mitondra fahafana sy fahasambarana,betsaka de betsaka no tantara marina oh.@ izy reny erantany fa tsy ao amintsika ihany,efa nolazaiko mo 1 mande fa na i C.Jung aza de efa niaina izany andrana izany...ny tena siora de samy mbola ahita daoly fa mandrasa tantana fotsiny :-D
17. sitlo ( 08/11/2008 18:58)
Raha ny finoana malagasy indray no raisina dia tsy mitombina loatra ilay hoe "lasa fanahy".

Amin'ny malagasy mantsy ny fanahy no maha-olona, izany hoe na mbola velona aza dia efa misy ny fanahy. Ny vantana (ny sofina sy ny atidoha) no maheno, ary ny fanahy no mahazo.

Ny finoana dia hoe rehefa maty dia maheno ihany koa ny fanahy. Ary ireo fanahy ireo dia tsy mandeha alavitra fa mitahy ireo taranany ihany. Ka noho izany ny teniny ihany no ampiasainy.
18. naughtyboy ( 09/11/2008 12:22)
ie ny finoana malagasy anie maro2 reo tsy mitombina ary vitsy mila trandrahana ny fahendreny satria tsy nisy famaritanana mazava fa lovatsofina no betsaka e ,tsy nazava tamiko ny tiny sitlo lazaina @ \"lasa fanahy\" lasa taiza ,lasan\'iza...tsara2 ra asina jiro kely azafady..
oh. efa henoko @ reny de ny very fanahy mbola velona izay samy hafa @ very saina zany oe mbola velona le olona fa nandao azy ny mahaolona azy/fanahy ary foana na ko nosolonjavatra hafa mandritra ny fotoana vitsy...
tantara reo akaiky amiko itako maso no oh.@ zany tao tana no niseho, 6 mianadahy izy reo nisaratoerana ny RARny..nony nananika ny 20 taonany 1 @ reo ankizy de niharany aretina zay niatomboka otrany epilepsy le izy(marihina fa mbola 30% ihany any @ tany mandroso no voatsabo @ io aretina io)ary nitadiavana hevitra itsaboana azy fa nihanihombo aza dia niafara t@ fanapahankevitra fa ijerena mpimasy satria tsy aretina biolojika le izy..bandy izy io ary ny zandriny vavy ko de tratra ny aretina ratsy koko izay tsy nilana ijerevana dokotera fa tromba no azo ilazana azy,nanana mpanampy vhv izy reo
izay niasa tao aminy taona vitsy ary nahiana refa avy nolazainy dadarabe reo toerana fanafenany ody sy ny zv nataony(anisany zany mo no nanasiany maloto ao anaty sakafon\'izy dahy reo..)ary niaky ty farany fa nahavanona loza de natao ny fifampiraharahana analana ilay ody ratsy fa tsy vitany le nanome azy ,nentina tany @ mpiandry sy izao isankarazany zao fa toa ody gasy ihany no nahafaka azy ny farany..mitantara izy dahy zay tsaroany refa mihetsika le aretina de milaza fa tsisy tadidiny satria ny 1 mo dia afaka nilaza ny ampitso sy zv tsy ho fantatry olona tsotra zao,ny tiako lazaina eto de tsotra samy manana ny toerany eo @ fiarahamonina ireny antsoina oe ,mpisikidy mpimasy,dadarabe,mpanandro,tsy mpanao ratsy daoly na de misy
aza izany araky ny eritreritry ny olona hafa daoly akory izy ireny
fa tsisy hafa @ reo meduim,parapsychologist,astrologer sns..
na tsy ho voazava eto aza ny fisiany teniny fanahy de azo antoka fa tsy teny ihany no ifandraisan\'izy reny amintsika fa reo fifandraisana tsy loabava any antay eritreritra miafina any voarainy fanahy
19. soanja ( 09/11/2008 14:22)
Raha amin'ny Silamo izao dia mazava ny azy hoe ny teny ARABO no ampiasain'Andriamanitra hifampiresahana amindry zareo. Izany no mahatonga ny Mpino Silamo rehetra hianatra ny teny Arabo satria io no teny ampiasain'Andriamanitra raha niresaka tamin'ny Mahometa izy.

Misy namako izay Katolika iringiriny ary Malagasy. Miteny Tsimihety. Nifoha tao anaty torimaso izy indray andro dia ny teny Arabo no nameno ny vavany. Tsy nisy nahazo ny teniny. Niresak taminy hono Andriamanitra. Imam izy izao ary miroborobo ny finoana ao aminy. Marihako fa tsy nianatra teny Arabo izy na indray mandeha aza.

Efa niresaka tamiko ny raiko izay lasa any ankoatra ary teny GASY no nampiasiny tamin'izay. Hihihi Mino aho fa izay ifandraisain'ny saina ka manamora ny serasera no heveriko fa mety ampiasain'Andriamanitra.

Ny saina no mitondra ny zava-drehetra. Mitodika aiza ny sainao ary ahoana ny manamora ny serasera ny sainao sy vatanao ary ny fanahinao. Io fifandraisana io no ifandraisan'Andriamanitra aminao. Misy koa anefa ny teny/serasera tsy resahina na ampiasaina ny vava. Na ny nofy aza indraindray dia io hetsika io no ifampiresahina fa ny actions na hetsika no be dia be.

Ny any ankoatra mistery tanteraka amiko.
20. naughtyboy ( 09/11/2008 17:09)
seho efa nitranga tamiko manokana io nolazainy soanja io saingy tsy niteny fa vinitra ny raiko t@ zany ra nifamaly izaho sy ny anabaviko,nefa ra iverina ny finoana malagasy isika de mbola betsaka no zvmiafina tsy mazava toy ny misy erantany ao izany avelo ,ambiroa, fa tsy ny fanahy fotsiny ihany..zvmiafina erantany ireny fa tsy ao amintsika ihany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1395