Teny inona marina no ampiasaina?

21. sitlo ( 13/11/2008 09:53)
tsy nazava tamiko ny tiny sitlo lazaina @ "lasa fanahy" lasa taiza ,lasan'iza...tsara2 ra asina jiro kely azafady..

Ny tiako holazaina dia "lasa" midika hoe "mivadika" fa tsy "lasa" midika hoe "mandeha".

Ny tiako tenenina izany dia hoe: amin'ny finoana malagasy dia misy fanahy ny olona tsirairay. Misaraka tsara amin'ny vatana izy io, ary indraindray dia fanahy hafa no miditra ao amin'ny vatana fa tsy ilay tena anao. (tromba). Amin'ny malagasy ihany dia tsy maty io fanahy io na maty aza ilay olona. Fa dia eny ho eny, tsy hita maso eny izy ireo no mifamoivoy. Eny amorom-pasana matetika. Tsy izaho no mamorona fa tena eny amin'ny fasana mihitsy ny malagasy mino ny razana no mivavaka.
Raha ilay tantarain'i Soanja io indray dia efa nisy tahaka an'io tamin'ny film. Ary nosintonina tamin'ny tantara tena izy ilay film. Denzel Washington no ni-jeu azy, ary tao am-pigadrana ilery no nisehoan'ilay hoe avelo (kay olona manana pouvoir), dia nanoro azy ny lalan'ny Silamo. Dia tena lasa nivadika activiste silamo mihitsy lery. Fa taty aoriana nivadika ny tantara fa kay ratsy loha ilay olona dia mampiasa an'ilery fotsiny.
22. ikaretsaka ( 13/11/2008 23:00)
ny fahazoako ny hoe lasa fanahy io dia hoe lasa..mitovitovy @ mifindra....
iznay hoe ny olombelona vatana sy fanahy dia mijanona ilay vatana fa le fanahy no ..."lasa"...
23. naughtyboy ( 14/11/2008 10:03)
zany oe ra mbola velona le ol de very fanahy mbola velona izany ,ra maty kosa de nifindra toerana ilay fanahy satria tsy miasa intsony ny vatana..
24. ikaretsaka ( 14/11/2008 18:15)
miaraka mamindra ka.. fa rehefa maty le olona de mijanona @ izay le vatana fa le fanahy sisa mirevy seul any @ ze alehany any (tsy haiko hoe aiza fa ny ahy mbola miara mamindra)
25. naughtyboy ( 15/11/2008 18:17)
ekeko ko izay na de tsy mazava tsara amiko aza oe miaramamindra @ iza sy iza ,ho aiza?..
ny fahalalako azy de ny fanahy mo de tsy azo porofoina @ hita sy re fotsiny fa miseho ary tsy voafehiny tontolony hita maso tsapa any anaty @ alalany zv hafa na olona na manodidina azy,izay ol henoko atr@ zay de milaza matetika oe tafahoana t@ ranona t@ nofy aho na nisehoan'izao fa tsisy niteny oe hitako sy niaranimotika tamiko ny fanahy... ary ny avelo de ilay vatana tsy mivaingana refa miseho fa hita maso(tsy feno otrany ol 1 fa matetika tsisy tongotra fa mitsingevana)ireny ilay mihaodihaody eny rehetra eny n tsy tazana aza fa ireo ol tiny isehoany ihany no mahita ary ny ambiroa de le antsoiny vaza oe body astral zay azo fehezina ny fampiasana azy na mbola velona azy...eritreritro ireo fa ny marina de fisaka..
26. ikaretsaka ( 16/11/2008 03:44)
ny antsika gasy moa efa nisy teny maro samihafa nilazana sy nanavahana ireo .. fanahy e, avelo e, ambiroa e....

fa dia avy eo dia nifangaro voraka aby dia tsy hay intsony hoe ny inona no iza
27. naughtyboy ( 17/11/2008 17:16)
ny anavahako azy araky ny fanazavako de,
- fanahy ilay mifandray miafina indrindra any anaty eritreritra sy reo rafitra amboniny mahaolona(consciousness + supreme being) izay ao anaty fisehoanjavatra matetika tsy takatry ny saina no ifandraisany(paranormal phenomenon)oh.ilay havana lehibe nandalo teo mahamasina t@ famonoana reo maritiora malagasy t@ androny Ranalavalona liandra sy ny hirany anjely nanakoako avy any andanitra t@ io fotoana io(ao anatiny rakitra ny tantarany Rasalama maritiora izany fa tsy angano na izaho no namorona..)
-ny avelo de reo fanahy izay nilaozany vatana(efa maty..) nefa mbola mihaodihaody ety antany satria mbola misy adidy tsy vita..oh.nisehoany avelondranona aho fa izao na izao...
-ny ambiroa anisany singa toy ny aloka afaka miala ao olona 1(body etheric) ary afaka baikona izay alehany zany oe afaka miseho @ toerana 2 ny ol 1(body astral travel)
araka ny fantatra de misy any @ reo sivilizasiona sy firenena samihafa ny zv toy izany na tsisy nifandraisany aza fotoana sy ny manodidina ,tsy anganonganony malagasy ihany fotsiny ny zv nolazainy reo taloha fa misy any ankafa ko ary erantany..
28. naughtyboy ( 19/11/2008 12:08)
..ny angatra sy ny matotoa mo de ao anatiny karazany avelo..
29. Ratoa ( 14/05/2009 14:22)
Ho avy izao ny pantekôsitra, andro nidinan'ny Fanahy Masina teto an-tany. Olona sesehena no nivory, samy nivavaka tamin'ny teniny avy , teny samihafa koa. Kanefa nifankahazo daholo izy ireo.

ny tenin'ny fo sy ny tenin'ny finoana no iresahana any.

Ka inona ny tenin'ny fonao sy ny finoanao?
30. xxx ( 14/05/2009 14:35)
Tsy ilay but final ve no zava-dehibe : niseho taminao i Anona dia namela hafatra, dia azonao (comprendre) ilay hafatra , dia izay , fa inona no hitadiavana zavatra sarotsa be
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1537