Fialana amin' ny fisotroan-toaka

1. rafangotsohana ( 21/10/2008 08:42)

Miahaba anareo rehetra eto @ ny forum ny tenako. Izaho dia olona maniry koa raha maniry ny ma hiala @ toaka nefa dia tsy mety afaka mihitsy, ka na ny tokantranoko, na ny ankohonako dia tsapako ho mitondra fangirifiriana mihity raha vao mamomamo aho. Koa mba milela-paladia anareo aho : mba ampio aho fa tena andevozin'io zavatra io mihitsy. efa nisy fotoana nahafahako teo @ erin-taona teo fa tafaverina ihany ! Tena mahatsiaro ho mijaly aho e!! Mba ampio aho ry ireto a! Izay manana toro hevitra dia alefaso eto fa vonona aho hanaraka azy an-sakany sy an-davany. Atoroy fa zizaho koa etsy an-daniny hivavaka mafy mihitsy :(
Asa raha misy dokotera afaka hanampy ahy @ izany eto na tsia?
Izay fa dia manantena indrindra e!

2. xxx ( 21/10/2008 09:02)
ka sitraponao ny isotroanao toaka fa tsy sitrapon'ny mpisera ko. Tsy noterena ianao nisotro ka ho azo baikona koa tsy hisotro fa hakamoantsaina no mahatonga anao tsy vonona tena hiala @ fahalemenao

raha hivavaka ianao na hihinana fanafody dia ampio fahavononantsaina sy finiavana izany, fa tsy miandry fahagagana hilatsaka avy any andanitra hoe efa nivavaka aho dia miandry vokany eo ampitaninanandro eo fotsiny

manatona Croix bleue na fikambanan'ny mpisotro toaka fa mety hanampy anao ireny, dia aza hadino, manàna finiavana sy herintsaina fa tsy hisy hanampy izay tsy manampy ny tenany akory
3. rafangotsohana ( 21/10/2008 12:45)
xxx:

Misaotra anao ihany aloha amin'ny toro hevitra na dia somary mankarary fo aza ilay teninao e! Misy ho eritretina tsara io ka! Tsy fidny ahy anie ila tafiditra lalina @ ilay izy e! Izany hoe efa tafalatsaka ka tena fanina! Eny e! Fa mba omeo adiresy @ io croix bleue io àry aho raha mba manana ianao e!

4. xxx ( 21/10/2008 13:04)
Fa mba omeo adiresy @ io croix bleue io àry aho raha mba manana ianao e!

ka zay ilay fahavoazana, omeo omeo fotsiny, nefa ianao manana aterineto, atao inona io fa ampiasao, izao no tena ilana azy. Mba mijoroa mitady zay mahasoa fa tsy hiandry hotolorana fotsiny, mariky ny finiavana koa ny fitadiavanao samirery izany tsy miandry fanampiana avy etsy na avy ery. Izay no ataoko hoe aza miandry fahagagana hilatsaka avy any ambony fa ianao irery no lakilen'ny fiainanao

Tsy fidny ahy anie ila tafiditra lalina @ ilay izy e!

fa iza no nanery ???
5. dalie ( 21/10/2008 13:10)
Mba mivavaha e!!!! matahora an'Andriamanitra. tohizo ny fivavahana dia amboary ny saina fa ny saina ihany no mitondra anio.
6. zoara ( 21/10/2008 13:19)
ny fisotroana toaka diso tafahoatra dia aretina toy ny aretina rehetra,ary azo sitranina,fa miankina @ heritsaina, no hahantotosa ny fahasitranana tanteraka. misy centre fitsaboana an'ireny maro raha eto frantsa.ny medecin traitant no manoro lalana anao,ka izy no itarainana voalohany indrindra.2 semaines ou plus eo ho eo ny hospitalisation,avec une sortie week end test,ary matetika dia tsy misy vola aloa fa prise en charge à 100%.
de rehefa mivoaka hopital de fadina ireny karazana pastis na biere sans alcool ireny fa vetivety foana de tafaverina ny rechute.
de mahereza ary tadidio fa misy olona iray mivavaka ho anao.jereo ny vady aman-janaka.
7. orchidah ( 21/10/2008 13:28)
Tena marina mintsy ny evitry dalie fa mahereza ianao. Betsaka tokoa mantsy ny voka-dratsin'io toaka io na amin'ny tenanao na amin'ny fiaraha-monina... indrindra fa ny vady aman-janakao.
8. rafangotsohana ( 21/10/2008 13:38)
dalie:

Mba mivavaha e!!!! matahora an'Andriamanitra. tohizo ny fivavahana dia amboary ny saina fa ny saina ihany no mitondra anio.

Misaotra indrindra Dalie a! Tena mila volonté be ilay izy fa tsy maintsy mivoaka mpandresy aho ary ianao no ilazako voalohany raha omenao ahy ny adiresinao! THANKS!!!!! ^:^
9. notron ( 21/10/2008 13:54)
Tena sarotra ny miala @ toaka saingy izao :
- Vitsy ny olona no misotro toaka irery, tsy maintsy misy namana hatrany izy ka ireny namana ireny aloha no tokony hidifiana voalohany.
- Maro ihany koa ny antony mampisotro toaka ny olona ka fantaro io antony ary hezaho vahana fa ho afaka ho azy ianao.
- Ny fisotroana toaka dia natao antonony (avec moderation) fa ny tsy manalala honony no tena manimba tena. Misy olona misotro isan'nandro mba ho fitaizam-batana (consom) fa tsy natao hanimba azy izany. (Ny vazaha ohatra)
- Ny fandaniam-bola tafahoatra @ toaka, indrindra raha matetika dia hadalana be mihintsy ka tokony hasiana fiheverana.
- Misy karazany ny toetran'ny olona rehefa avy misotro toaka ka sao dia ilay mila vaniny ilay toetranao ka anjaranao ny mandini-teny dieny mbola tsy mamo. Ary mino aho fa tsy mamo ianao io manoratra eo io. Hoy ny Soratra Masina hoe : "Misotroa fa aza mimamo".
- Ny fanoratanao io lohahevitra io dia efa dingana voalohany (1er pas) hialanao @ toaka raha tianao tokoa ny hiala ka tohizo ary hidiro @ lalindalina hatrany.
- Mila finiavana ny fialana @ mahazatra fa raha tsy izany dia ho blabla fotsiny eto isika.

Misaotra anao ary aho namaky hatramin'ny farany. Ary mirary anao mba ho afaka tanteraka raha irinao tokoa izany.
10. ainaheri ( 21/10/2008 18:06)
Za toa naheno fa tsy haiko oe mandaitra ilay izy; refa mamomamo iny hono ilay mpisotro dia omena ranon-trondro lena,afangaro toaka kely mba tsy aheno loatra ilay fofon-trondro....Marainan'iny hono tsy te hierika toaka itsony ilay oul

Ny tena marina dia ny saina no mitondra azy!!!Raha tsy manana finiavana ianao na toroana hevitra sy totofana fanafody amantaonina aza,tsy ho afa mihitsy!! Ouzy ilay fitenenana zay:"aide toi et le ciel t'aideras"
11. Veloo ( 21/10/2008 18:15)
Tsy fidny ahy anie ila tafiditra lalina @ ilay izy e!

Aza manaiky an'io mihitsy ianao io no tokiny ho edinao indrindra. Ny sainao sy ianao ihany no afaka mamaha ny olana ary indrindra moa fa ampinao vavaka tena @ fonao manontolo...

Mahereza fa tsy misy zavatra tsy hain'Andriamanitra. Izy no azo iankinana
12. ikaretsaka ( 21/10/2008 18:50)
ainaheri:

Za toa naheno fa tsy haiko oe mandaitra ilay izy; refa mamomamo iny hono ilay mpisotro dia omena ranon-trondro lena,afangaro toaka kely mba tsy aheno loatra ilay fofon-trondro....Marainan'iny hono tsy te hierika toaka itsony ilay oul

Ny tena marina dia ny saina no mitondra azy!!!Raha tsy manana finiavana ianao na toroana hevitra sy totofana fanafody amantaonina aza,tsy ho afa mihitsy!! Ouzy ilay fitenenana zay:"aide toi et le ciel t'aideras"

miombon-kevitra
13. niryna ( 22/10/2008 04:39)
notron:

Tena sarotra ny miala @ toaka saingy izao :
- Vitsy ny olona no misotro toaka irery, tsy maintsy misy namana hatrany izy ka ireny namana ireny aloha no tokony hidifiana voalohany.
mitovy hevitra aminao koa aho.Tsy ny namana no tsy tiana fa teneno azy fa tsy mety amin'ny fahasalamako intsony.Dia manaova fandavan-tena tsy hampiditra toaka ao an-trano na tsy misotro raha asain'ny olona fa jus na soda sotroina.

- Maro ihany koa ny antony mampisotro toaka ny olona ka fantaro io antony ary hezaho vahana fa ho afaka ho azy ianao.
toy ny fahazaran-dratsy rehetra dia misy antony tokoa ao ka hianao irery no mandalina an'io,mety noho ny namana nanasa ve ? mety misy pain na ratra ve ao anatinao aho ka tsy mety mamela ny tenanao hianao na ny an'ny hafa..diniho daholo fa manampy anao ilay famelan-keloka.Ny dikany mila mivavaka fa tsy misy tsy vitan'ny vavaka raha mino fa manasitrana Atra.Finoana kely toy ny voatsiperifery fotsiny dia efa manova ny fiainanao iray manontolo(ny tokantrano ,ny ankizy ,ny manodidina ary indrindra ny tenanao).
Miampy izany hoe mikasi-tanana izany moa dia tena mety misy ratra tsy mety sitrana ao anatinao ao ka heverinao fa ny fisotroana toaka no manafaka azy.

- Ny fandaniam-bola tafahoatra @ toaka, indrindra raha matetika dia hadalana be mihintsy ka tokony hasiana fiheverana.
Marina izany fa mora resahina raha toa ka tsy isika no voa e.Nisy olona mpifoka sigara be izay ,rehefa nataony ny kaonty dia naka boite kely izy dia narotsany tao ilay vola laniny isan'andro.Tonga ny herintaona,vola betsaka no voaangony,ny tenany salama,izy koa nanana fo nizara ilay vola kely ho an'ny mahantra . Diniho kely anie raha tsy mahatonga saina amin'ny zavatra andaniana vola e,maro ny olona manary dia amin'ny zavatra nahazo azy taloha ary miteraka fangirifiriana amin'ny ho aviny izany raha tsy mahay mamela ny tenany izy.
- Misy karazany ny toetran'ny olona rehefa avy misotro toaka ka sao dia ilay mila vaniny ilay toetranao ka anjaranao ny mandini-teny dieny mbola tsy mamo.
hi ,hi ka mbola tsy mamo izy ve dia hieritreritra izany eo.Misy ao anatin'ny hamamony mihitsy izy vao sahy miteny ny alahelony sy mahavoaka fiteny
Ary mino aho fa tsy mamo ianao io manoratra eo io. Hoy ny Soratra Masina hoe : "Misotroa fa aza mimamo".
- Ny fanoratanao io lohahevitra io dia efa dingana voalohany (1er pas) hialanao @ toaka raha tianao tokoa ny hiala ka tohizo ary hidiro @ lalindalina hatrany.
dia isaorana tokoa izy fa afaka mivavaka ho azy koa isika mba omen'Atra hery anohatra ilay herin'ny filan'ny nofo-

14. rafangotsohana ( 22/10/2008 05:42)
niryna:

:snif:
Misaotra betsaka daholo ry reto a! Aza adino ny mivavaka ho ahy fa izao aho dia efa tapa-kevitra!
Misaotra daholo!!!
15. ni81 ( 22/10/2008 05:55)
Tsy tokony ataonao koa ny manatonatona ny namana mpiara-misotro taloha. Izany akory tsy midika hoe hiavona aminy ianao, fa kosa mba tsy ahavoasarika anao intsony @ io toaka io.
Tokantrano maro no mitondra faisana noho io resaka toaka io...
Manana fianakaviana maro aho tena andevozin'io. Fa nisy iray t@ izy ireo tena afaka noho ny herin-tsainy fotsiny, ary tonga dia tsy nisotro intsony na dia zavatra kely misy alkôla fotsiny aza (divay ohatra).
Ny tena mahavoa mantsy indraindray rehefa misy fanasàna dia ilay hoe: mandray fa fahalalam-pomba e! dia lasa tafaverina indray na dia efa nijanona nandritra ny volana maromaro, eny fa na dia efa nijanona mihitsy aza an-taonany vitsivitsy.
Koa dia efa hita aloha fa manana finiavana ianao eto e! Tohizo
16. rafangotsohana ( 22/10/2008 08:48)
ni81:

=D>
Enga anie ka mba ho marobe ny olona hanaraka ny diako ka hahita soa @ fialana amin'io sy ny sigara.
17. ni81 ( 22/10/2008 09:06)
Enga anie ka mba ho marobe ny olona hanaraka ny diako ka hahita soa @ fialana amin'io sy ny sigara.
:-*
18. sakaizakely ( 22/10/2008 09:34)
Enga anie ka mba ho marobe ny olona hanaraka ny diako ka hahita soa @ fialana amin'io sy ny sigara.

ny anao aloha no ataovy izay mahasoa ny tenanao fa mbola lavitrezaka be izany, de andraso any aorina be any vao mitady mpanaraka fa raha aloha loatra dia efa mitady mpanaraka ndrao miverindalana dia miverina koa ry zareo :°)
19. kaboushna ( 22/10/2008 20:11)
ny fialana am fisotroan-toaka dé mazava ho azy fa tsy maintsy miainga am finiavana aloha ... avy eo dé fifehezan-tena feno ...
nefa zà aloha dé misotro ihany e .... io sisa no fialam-boliko ankoatran'ny milalao am zàzà-ko ato an-trano ...
20. ni81 ( 22/10/2008 20:12)
nefa zà aloha dé misotro ihany e .... io sisa no fialam-boliko ankoatran'ny milalao am zàzà-ko ato an-trano ...
:lol: :lol: :lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.266