Mba zavatra hafahafa.

1. tsikiowa ( 29/09/2008 15:57)
Indraindray aho misy zavatra miseho amiko anio anefa dia efa hoatran'ny zavatra niseho tamiko tsy misy valaka ilay izy.
Ianareo koa ve efa sendra izany????
Dia raha sendra miseho ilay zavatra efa nihainanao na nandalovanao dia manontany tena hoe: "ary hoatran'ny efa niseho tamiko izao zavatra izao".
Indraindray raha eritreretina be dia hoatran'ny mahalasa adala.
2. naughtyboy ( 29/09/2008 16:17)
deja-vu sa premonition.. :D
3. Noue ( 29/09/2008 16:36)
tsikiowa:

Indraindray aho misy zavatra miseho amiko anio anefa dia efa hoatran'ny zavatra niseho tamiko tsy misy valaka ilay izy.
inona ilay izy ohatra?


4. tslem ( 29/09/2008 18:22)
tsikiowa >>> zah koa manao an'izany dia ny ao anatin'ny saiko hoe:sao d efa olona efa maty taloha be aza zah no naterak'i mamanay ndray taty aoriana ,mety misy mieritreritra angamba ny mpi-forum eto oe tena lasa i tslem zany nefa tena mahafanina ilay izy kah!
5. ssendra ( 29/09/2008 18:51)
1. Mpandefa : naughtyboy [ Valio ] 29-09-2008 18:17:59
Lohateny : Re : Mba zavatra hafahafa.
deja-vu sa premonition..


izaho efa tratran'io otran'ny zavatra efa niseho dia mbola niseho....

3. Mpandefa : tslem [ Valio ] 29-09-2008 20:22:17
Lohateny : Re : Mba zavatra hafahafa.
tsikiowa >>> zah koa manao an'izany dia ny ao anatin'ny saiko hoe:sao d efa olona efa maty taloha be aza zah no naterak'i mamanay ndray taty aoriana ,mety misy mieritreritra angamba ny mpi-forum eto oe tena lasa i tslem zany nefa tena mahafanina ilay izy kah!


:-D MBA lasa alavitra b koa ilay eritreritr'i tslem amin'ilay hoe sao dia olona efa maty hihihih

ny indray ohatra hoe nandalo tamin'ny lalana iray aho anefa mbola tsy nandalovako mihintsy fa anefa dia otran'ny efa nandalovako mihintsy ilay lalana ary haiko tsara
6. fahamarinana ( 29/09/2008 18:54)
:arrow: he ! matahotra aho miaraka aminareo roa ry ssendra sy tslem... :{ :wink: (l)
7. ssendra ( 29/09/2008 19:03)
i fahamarinana ve mbola tsy sendra inzany mihintsy????
izaho anefa dia matetika no mahazo an'io....fa tonga saina ihany ndraindray rhefa miseho ilay izy.
8. ni81 ( 29/09/2008 19:06)
i fahamarinana ve mbola tsy sendra inzany mihintsy????
izaho anefa dia matetika no mahazo an'io....fa tonga saina ihany ndraindray rhefa miseho ilay izy.
zà ry reto tsy mahatadidy hoe efa voa toy izany!
9. fahamarinana ( 29/09/2008 19:12)
:arrow: tsy tsaroako koa ry reto,marina... :) (l)
10. gasyjean ( 29/09/2008 19:17)
Izaho koa efa efa tratran'izany ary tsy in-dray mandeha ihany anefa, dia tsy hay intsony ee miandry fanazavana scientifique indray raha mi sy mahita.
11. caprio ( 29/09/2008 19:20)
Tena marina mintsy io fa noheveriko fa za rery no tratran'io,fa zay ndray tsy mitantara @ olona fa fantatro fa tsy hisy hino,de gaga mintsy za nahita an'ito dinika ito,ary za koa ary mieritreritra we:sao dia fanahin'olona efa maty tany aloha be tany ary za,tena hoatra ny tsy mampino izy zany
12. ni81 ( 29/09/2008 19:24)
Tena marina mintsy io fa noheveriko fa za rery no tratran'io,fa zay ndray tsy mitantara @ olona fa fantatro fa tsy hisy hino,de gaga mintsy za nahita an'ito dinika ito,ary za koa ary mieritreritra we:sao dia fanahin'olona efa maty tany aloha be tany ary za,tena hoatra ny tsy mampino izy zany
dia ahoana no fisehon'izany taminao?
13. ssendra ( 29/09/2008 19:24)
brrrrrrr! mampatahotra ahy indray izy izany.... :{
14. gasyjean ( 29/09/2008 19:26)
Tsy haiko na fitandrifin-dravatra va no nisian'ity resaka ity fa vao omaly mihintsy aho no nisehoan-dravatra tahaka izany, ary avy eo tonga dia ohatra ny natahotra izany aho, mila fanazavana izay mba afaka mamaly izany amin'ny fomba matotra.
15. ssendra ( 29/09/2008 19:27)
dia tantarao hoe izany zavatra mampatahotra izany ry gasyjean!!!!
hay trsy izaho ihany koa no mahazo an'io....resaka siantifika marina angamba
16. sakaizakely ( 29/09/2008 20:11)
ny finoana hindou hono (fa tsy dia haiko loatra) dia mino fa ny oul tsirairay dia valopy fotsiny ihany ary ny valopy nofo amandra no maty, fa ny "fanahy" mbola velona eny ihany ary miovaova sy mitety valopy ampolony na amanjato ambiarivo mandrampahatapitrohatra azy
zany oe samy efa niaina hatramboalohan'izao tontolo izao ny oul rehetra, ka arakaraky ny ezaka vitan'ny "fanahiny" no ipoirany indray anaty valopy hafa tsaratsara kokoa na oe mitovy ihany, na mety mivarilavo raha toa ka nanao ratsy taloha.

reny ermite ireny oun de oul efa nahavita nitety valopy bedabe ary nanao ny tsara foana, dia tapitrohatra izy ireny ary vonona hiditra any amparadisa. Dia izany no anajandry zareo azy ireny tahaka ny olomasina. resaka vie antérieure zany e ! raha toa kosa ka ratsy foana no vitanao de mety hateraka indray anaty ny valopy nofo amandra faran'izay ratsy ianao.

ka raha izay no zohina, dia mety ohatra hoe tsy formaté tsara ny disque dur :°) de misy tsy voasivana ny fahatsiarovana taloha, ary eo no mahatonga ilay oe "hoatran'ny efa nandalovako teto na koa oe otra efa niainako ity tranganjavatra ity" ...
17. ni81 ( 29/09/2008 20:16)
:{ :{ :{ zay ny anareo ireo ary :{ :{
18. ssendra ( 29/09/2008 20:59)
mazava tsara aky ry sakaizakely fa misaotra ah!

ni81: = de mampitahotra mafy mitsy indry eto 8)
ka efa mimbetsaka ihany aho no manao anzay asa raha ny fahatsiarovako dia inefatra no taididiko, ka de tsy voafafa tsara izany lay disk dur :roll: :{
19. gasyjean ( 29/09/2008 21:01)
ssendra ilay izy tsy hoe mampa-tahotra ,fa ny mampa-tahotra dia ny miheritreritra azy avy eo hoe( ity otrany ny efa zavatra niseho tamiko nefa tsy preciser hoe oviana )nefa dia miverina indray .
20. gasyjean ( 29/09/2008 21:06)
Fanitsiana : tsy zavtra niseho fa arakaniny voalazan'i sakaizakeli ;tsangan-dravatra izay no tena mahafehy ilayteny.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.151