Hatraiza ny tena fandeferana!

1. xxx ( 28/09/2008 08:04)
Nisy mpivady, nanana zanaka anankiroa. Ny voalohany 10 taona ary ny faharoa 5 taona. Samy miasa izy mivady ireo fa ny karaman-dramatoa ihany no hanina ao an-trano fa ny an-drangahy dia tsy hita fa omeny ny sipany daholo...
Nanao sipa mantsy ity rangahy ary isan'andro izy dia mody ao @ ireto vady aman-janany ara-dalàna ihany, fa rehefa Zoma dia lasa any @ ilay anankiray ary Alatsinainy hariva vao miverina .
Rehefa ela niarahana izy ireo dia niteraka t@ io sipany io (mitovy taona t@ ty zanany faharoa).
Fa ny tena raharaha dia ity: narary tampoka rangahy dia naiditra hopitaly, ary dia tsy maintsy nilaza t@ ilay tena vady. Niara-nitontona tao @ hopitaly izy roa vavy. Dia tsy tahotra tsy henatra ity sipa niaraka t@ ireo rahavaviny sy reniny tao koa...
Zakanareo ve raha toa ka ianareo no teo @ toeran'io vehivavy tompom-bady io? Zà manokana aloha dia tsy mahazaka an'izay raha toa ka sanatria teo @ toerany e!
Samia mamoaka ny hevitra dia ho lazaiko ny niafaran'ny tantara rehefa @ manaraka.
2. xxx ( 28/09/2008 08:13)
Zakanareo ve raha toa ka ianareo no teo @ toeran'io vehivavy tompom-bady io? Zà manokana aloha dia tsy mahazaka an'izay raha toa ka sanatria teo @ toerany e!
Samia mamoaka ny hevitra dia ho lazaiko ny niafaran'ny tantara rehefa @ manaraka. Miverina


samy manana ny fahamafiasam-pony ny vehivavy tsirairay..
Misy ny mahazàka ny zavatra faran'izany mafy misy tsy mahazàka
fa ny ankabeazany aloha tsy hisy vehivavy hahazàka izany e!
tena atao hoe rare ny vehivavy manana toetra hahazàka ny zavatra tsy amin'ny rariny toy izany, ary ny fitiavana be loatra indraindray mahajamba ka tsy hita ny haratsin'lay zavatra hataon'ni vadiny aminy...tiana loatra ilay vady dia tanterahana izay tiany rehetra, ekena izay tiany rehetra satria matahotra ny ho ariany .....
raha ny hevitro manokana, tsy izy irery ny lehilahy eto an-tany...
mba manana droit hanana bonheur ny olona tsirairay...ka aleo dieny mbola tanora mety ahita ny chance-ny any ho any dia miala fa tsy efa antitra be taona vao hoe hisaraka...izay ny toro-hevitro
milaza io aho satria misy couple fatako izay, niaritra foana izy tam vainy hono...niandry izay hahalehibe ny ankizy hono izy vao hisaraka, efa feno manodidina ny 20 taona mahery eo daholo ilay zanany mianadahy vao nangataka divorce izy...
anefa izy izao efa ho dimampolo taona mahery, otran'ny tratran'ny deprime izany izy fa sarotra ny hitady fitavana amin'izany taoana izany indrindra ianao efa somary manao toetra n'antitra izay, ny lehilahy mitady ny tanora lalandava.

Ka raha ianao namany mba hanimpazo hevitra ihany izy hitsinjo ny tenany sy ny ho aviny fa tsy iny irery no lehilahy eto antany ;-)
3. xxx ( 28/09/2008 08:16)
mbola tsindriko ihany koa fa raha izaho no tamin'ny toerany , nahafantatra ny zavatra nafeniny ahy hatrizay sy ny fitaka be nataony...dia tsy hitsabo azy akory aho fa mahavita azy angamba ilay vehivavy nafenina ary sakanako tanteraka ny volako tsy ho hararaotiny ahy itsony.
4. fahamarinana ( 28/09/2008 09:46)
:arrow: zà manokana ihany koa aloha dia efa miala pas satria vao misy ny finjangajangana dia misy ny fahalotoana eo amin'ny fanambadiana (amiko io sao ndray misy mandika vilana an..).Tonga dia halako avy hatrany ilay olona ary na tiako be tahaka ny ahoana aza dia vita ho azy eo koa ny aminy e...tsy misy alahelo,tsy misy henatra sns..sns..tsy misy fifonana akory aza fa io manko mazana no mampihemotra ; hoe afa-baraka amin'ny fiaraha-monina,fiangonana,mijaly ny ankizy,etc...Misy solution foana raha resaka ankizy fa aleo aza hitany fa misaraka toy izay hitany fa maloto ny tena,lasa mampianatra diso ho azy ho amin'ny fiainan-tokatranony any aoriana.
Dia na firy taona moa no misaraka dia ho avy eo ny anjara,raha tsy tonga dia amboarina koa ny fiainana e fa tsy atao mampisy aretina : sarotra tanterahana sy mora lazaina ohatr'izao indrindra tsy ny tena no voakasika manokana. :( (l)
5. karinah ( 28/09/2008 20:32)
xxx:

mbola tsindriko ihany koa fa raha izaho no tamin'ny toerany , nahafantatra ny zavatra nafeniny ahy hatrizay sy ny fitaka be nataony...dia tsy hitsabo azy akory aho fa mahavita azy angamba ilay vehivavy nafenina ary sakanako tanteraka ny volako tsy ho hararaotiny ahy itsony.



^:^ ^:^ ^:^ Miombon-kevitra tanteraka. ^:^
6. ni81 ( 29/09/2008 05:42)
Raha araka ny hevitro dia menatra ny fianakaviana sy ny mpiara-monina ilay ramatoa tompom-bady dia tsy sahy nisaraka ary dia naleony niaritra tao foana. Tena fanaovana tsinontsinona azy mihitsy no nataon'ilay lehilahy.
7. fahamarinana ( 29/09/2008 06:33)
:arrow: mbola hitako mazana izay fisainana izay eo amintsika gasy (misy koa ny vazaha fa gasy no tiako resahana aloha eto...) ,eny na aty ampita aza...Tsy partisan loatra ny divorce aho spécialement fa kosa amiko rahavao resaka fikasihan-tanana,inceste amin'ny ankizy,fijangajangana dia tokony hampieritreritra na dia fahamenarana aza...matetika ilay olona concernés mbola afaka mi-envisager an'izay fa ilay fianakaviana koa manao préssions be aty aoriana.Nefa anie tsy anjareo ny caca e,ary raha misy olana be tsy zareo no iharany 1er!!!Asa anefa fa mety extreme be koa ny ahy fa tsy mahita solutions hafa tsinona.Ilay mijanona ka afaka manadino tanteraka no mety ho hety nefa misy mahavita izay ve fa tsy harary fo na hiahiahy lava ? :( (l)
8. ni81 ( 29/09/2008 06:46)
mbola hitako mazana izay fisainana izay eo amintsika gasy (misy koa ny vazaha fa gasy no tiako resahana aloha eto...) ,eny na aty ampita aza...Tsy partisan loatra ny divorce aho spécialement fa kosa amiko rahavao resaka fikasihan-tanana,inceste amin'ny ankizy,fijangajangana dia tokony hampieritreritra na dia fahamenarana aza...matetika ilay olona concernés mbola afaka mi-envisager an'izay fa ilay fianakaviana koa manao préssions be aty aoriana.Nefa anie tsy anjareo ny caca e,ary raha misy olana be tsy zareo no iharany 1er!!!Asa anefa fa mety extreme be koa ny ahy fa tsy mahita solutions hafa tsinona.Ilay mijanona ka afaka manadino tanteraka no mety ho hety nefa misy mahavita izay ve fa tsy harary fo na hiahiahy lava ?
Dia samy manana ny sainy ny olona ry fahama, ary angamba koa tsy eo amin-tsika ilay izy dia mahita solution isika hoe zao sy izao.
9. fahamarinana ( 29/09/2008 11:48)
:arrow:Ka zay manko ilay voalazako ery ambony ery hoe : sarotra tanterahana sy mora lazaina ohatr'izao indrindra tsy ny tena no voakasika manokana. .Eny e,assumer-na tsara angamba ilay situation no tsara fa raha sady eo no himenomenona sy hitaraina dia izay ilay tena tsy azoko loatra... (l)
10. ni81 ( 29/09/2008 11:55)
Ohatry ny hoe hotely fotsiny ange izany ilay tokantrano sisa e! Rehefa te hody dia mody. 8O
11. tsiambaratelo ( 02/10/2008 10:28)
xxx:
Nisy mpivady, nanana zanaka anankiroa. Ny voalohany 10 taona ary ny faharoa 5 taona. Samy miasa izy mivady ireo fa ny karaman-dramatoa ihany no hanina ao an-trano fa ny an-drangahy dia tsy hita fa omeny ny sipany daholo... Nanao sipa mantsy ity rangahy ary isan\'andro izy dia mody ao @ ireto vady aman-janany ara-dalàna ihany, fa rehefa Zoma dia lasa any @ ilay anankiray ary Alatsinainy hariva vao miverina . Rehefa ela niarahana izy ireo dia niteraka t@ io sipany io (mitovy taona t@ ty zanany faharoa). Fa ny tena raharaha dia ity: narary tampoka rangahy dia naiditra hopitaly, ary dia tsy maintsy nilaza t@ ilay tena vady. Niara-nitontona tao @ hopitaly izy roa vavy. Dia tsy tahotra tsy henatra ity sipa niaraka t@ ireo rahavaviny sy reniny tao koa... Zakanareo ve raha toa ka ianareo no teo @ toeran\'io vehivavy tompom-bady io? Zà manokana aloha dia tsy mahazaka an\'izay raha toa ka sanatria teo @ toerany e! Samia mamoaka ny hevitra dia ho lazaiko ny niafaran\'ny tantara rehefa @ manaraka.
jerena ny côté positive sy négative ny situation zay vao afaka mahafantatra ny tokony sy ny tsitokony.Ekena fa fijangajangana ny fanitsakitsahana tokan-trano,tsy misy koa anefa ny tonga lafatra fa ny fiezahana ny hanatratra izany no tanjona. Inona mou no tombotsoa azonao raha ny fisarahana aminilay vady maditra no tanjonao?Ny zaza ve avela hahita ratra-po dieny mbola kely?Ny kamboty ray sy ny vhv voafitaka mitaiza irery ny zanany aza efa tsy fidiny ny mahazo azy ireny,voapetraky ny fanontaniana andro amanalina;mba hono ho aho ry Neny,fa mba aiza wa i Dada e? Oviana wa za vao mba afaka mahita azy?Maninona kay izy no tsy mba mamangy atsika akory? Ny valinteny mety hapionina azy ireny angamba,(mety hoy aho) Efa maty izy anaka!!!! Raha zah manokana alou dia tsy mahataty ary tena tsy mahataty,fa saingy kosa;rehefa mahalala mandray ny adidiny izy @andro sarotra de BRAVO. Entina am-pahendrena lay atao hoe tokan-trano,indrindra mou wé efa misy zaza. Efa fantatra izy wé,manao sipasipa,mou ve io sipany io mahalala wé efa vadinolona ity hiarahako ity sa tsia?Raha tsy nahalala izy tsy azo tsaraina mintsy,satria vhv koa ny tena.=D=D=D
12. ni81 ( 02/10/2008 11:24)
Efa fantatra izy wé,manao sipasipa,mou ve io sipany io mahalala wé efa vadinolona ity hiarahako ity sa tsia?Raha tsy nahalala izy tsy azo tsaraina mintsy,satria vhv koa ny tena.
Efa fantany satria hitany tao @ hopitaly
Niara-nitontona tao @ hopitaly izy roa vavy. Dia tsy tahotra tsy henatra ity sipa niaraka t@ ireo rahavaviny sy reniny tao koa...
13. ari.malala ( 02/10/2008 12:29)
moramora amindry tsiambaratelo ery ny mamaly! fomba ahoana aky no handeferana amizany hoe ny karamandramatoa irery no iainana ao antrnao zany oe mahazo amle karamandramatoa kou zan le ranga, ny anazy nefa laniny any am sipany ftsn! za klou ts mahazaka izany e! refa le sipany no andaniany ny karamany d any iz zany ko! sady he izany izy efa nentina tao am hopitaly hatram renin'le sipa sy ny rahavavinle sipa! zany hoe efa fianakaviany mintsy zany reo oul reo fa za mamelona ny zanako ra za no sanatria eo amle toerana!
14. fahamarinana ( 02/10/2008 12:52)
:arrow: tsy letie,ny any tsiambara koa tena lasa lavitra : mba misy koa anie ny garde alternée ary applicable tsara na aty na any dago ,misy anie ny jours de garde ihany koa,azo atao ny mahita ny zanaka na isan'andro aza fa kosa tokony ho olon-kendry 2 mitsinjo ny zanany no hanao azy.Raha samy miseho milay moa dia mazava ho azy fa hisy fiantraikany any amin'ny zaza.Aza tonga dia atao anaty sobika daholo fa raiso cas par cas :misy tokoa effet-ny ratsy raha misy ny fisarahana,fa misy koa azoazo fa tsy dia hoe mijaly daholo ny zaza rehetra...
Ary tsy misy resaka fitsarana fa mbola adihevitra aloha...mahazaka nareo kah,sambatra nareo mahazaka an'izany sady en plus tsy dia hitako hoe inona no fahasoavana azo amin'izany ao anaty tokatrano ankoatran'ny fihatsaram-belatsihy..na ilay zanaka ahita ny moovs sns...aza mampieritreritra ihany hoe aiza ho aiza ny crédibilité-nao rar nefa ny fiainanao aza mikorontana tsy voavahanao.Maloto anie zany ra-tsiambara e,fitiavana maloto beuhhhh! Ekeko aloha fa samy manana ny zakany fa dia rehefa izay koa ilay safidy dia TENA assumer-na tanteraka koa fa lasa marary fo hieritreritra an'iry kala iry sy ilay vady tiana.:roll:
ari :mitovy hvtr aminjy aho akia...dadany koa ny fitiavana mbola misy amin'izany tantara izany an... (l)
15. ni81 ( 03/10/2008 06:29)
Ilay henatra ny mpiara-monina sy ny fianakaviany angamba no antony tsy nisarahany raha ny fahazoako azy. Satria talohaloha tena misompirana mihitsy ny fijerin'ny sasany raha mandre fa hoe vehivavy nisaraka ny olona iray. :(
16. ari.malala ( 03/10/2008 06:59)
ni81, tena ra za aky ts asiko henatra ny fiarahamonina izany refa ts zaka fa miala ah kle!! za manoratr zao tena zany ny cas ko, naleoko niala fa ts zaka intsony ny atmosfera niarahana niaina! aleoko mandeha irery miaraka am zanako d manao ze mahazoa azy ireo, toy izay hampijaly ny zanako am fiatsaram-belatsihy sns hoe hiara miaina ao nefa ny fo efa ts any tsony d le zaza no mijaly! za rahateo ts mahay ani'lay miatsaravelatsihy fa refa ts mety d ts mety e! na ny ankizy aza efa mahalala ny situation amizao!
17. ni81 ( 03/10/2008 07:10)
ni81, tena ra za aky ts asiko henatra ny fiarahamonina izany refa ts zaka fa miala ah kle!! za manoratr zao tena zany ny cas ko, naleoko niala fa ts zaka intsony ny atmosfera niarahana niaina! aleoko mandeha irery miaraka am zanako d manao ze mahazoa azy ireo, toy izay hampijaly ny zanako am fiatsaram-belatsihy sns hoe hiara miaina ao nefa ny fo efa ts any tsony d le zaza no mijaly! za rahateo ts mahay ani'lay miatsaravelatsihy fa refa ts mety d ts mety e! na ny ankizy aza efa mahalala ny situation amizao!
Ka izay ange e! lasa fihatsaram-belatsihy sisa ilay izy, satria misy hitan'ny rehetra ihany ny zava-misy ka tsy aleo ve tonga dia aseho mibaribary.
18. tiff ( 04/10/2008 11:35)
vao teraka ka mandrapafaty ny olona de mitady fitiavana daolo. rehefa vonona anome enao de enao zay no sambatra, fa haazo ny fiainana mandrakizay zay loharanon tena fitiavana, any bobaka be ny fitiavana zay nirinao fatratra ety antany, tsy nofinofy fotsiny zany fa any no tena fiainana fa eto fikatsahana azy fotsiny, ny fitiavana dia mandefitra, miaritra, maaritra @ zavatra rehetra, vonona hanome sy hizara tsy mitady na miandry valiny. Refa vitanao t@ olotinao reo dia efa anao zay ny fahasambarana fa omena anao ny fitiavana zay nirinao fatratra tety antany. Atraiza no fetrany, refa manda tsy andray ny fitiavanao tsony ny olotinao fa nifindra nitady fitiavana any @olokafa, atrany no fetrany, ra mbola miverina aminao aza izy de raiso satria ny fitiavana de miaritra @zavatra rehetra nefa tandremo ra efa nisy firaisana t@olokafa izy efa betsaka zao ny aretina mila miaro tena enao tsy anao firaisana aminy tsony, tsy mafaty ny tsy manao firaisana, arovy ny tenanao, afaka mizara fitiavana tsy misy firaisaina enao, tsy ny firaisana no atao oe fitiavana fa ny fizarana zay ananana (fifaliana, tsikitsiky, harena, vola, ny mafinaritra sy ny mapalaelo). Andramo ka zahao fa tsara ny miaritra atramin ny farany ny manome fitiavana, Andriamanitra dia fitiavana.
19. Herimiafina ( 04/10/2008 15:34)
Baoridelina be izy izany ka tena tsy afaka mamoaka hevitra aho klou! :^)
20. ragabany ( 07/10/2008 08:14)
ny hevitro aloha de izao e,tsy zakako raha za no sanatria teo @ toerany,na de tia tahaka ny inona aza ve de ho zakako ny mijery azy isakin\'ny week end tsy ao antrano izany , @ izay ny karama tsy mba hitako akory, sanatria ohatrany hoe vhv manamby lahy sa tsy misy lhl hafa tsy iny eto antany ?, raha za manokana aloha de aleoko mamelona ny zanako sy manao izay hatafita azy toy izay hanamby lahy izany e.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4034