hiala ho mpikambana

1. manuela ( 21/09/2008 16:16)
aona ny atao ra tsy te ho membre tsony?
2. ni81 ( 21/09/2008 16:24)
aona ny atao ra tsy te ho membre tsony?
tsy miditra serasera intsony, dia maty ho azy ao ny ps avy eo! :) sa ahoana ry sefo mpikarakara isany?
3. ainaheri ( 21/09/2008 16:28)
tsy te ho mpikambana sa hanova ps? Karefa tsy te ho mpikambana enao d tsy miditra sera² fotsiny d zay kou hihihi... Sa aona? :lol:
4. ainaheri ( 22/09/2008 04:49)
Fa maninn hono no hiala ee,tsy niverina tsony lay namana talou ve?? :lol: :lol:
Aza miala zany mou :D
5. Ralay ( 22/09/2008 06:12)
Raha tsy te ho mpikambana intsony ianao dia tsy miditra intsony ary ho faty ho azy ny ps-nao afaka 120andro araky ny fitsipi-pifehezana laharana faha-9 eto ambany.
Ny namana izay tsy mamangy ny takelaka mandritra ny 120 andro (efa-bolana) dia voafafa ho azy ao anaty lisitra. Tsy tompon'andraikitra amin'izay tahiry rehetra very amin'izany ny mpandrindra. Azony atao indray anefa ny misoratra anarana aorian'izay.
6. Papoose ( 23/09/2008 20:17)
miala otomatika v sa esorina?
7. nomenjara ( 23/09/2008 21:08)
tsy marina akory io 120 andro io dia voafafa ho vofafa ho azy ny ps fa manana ps elabe tsy nampiasaina aho mbola ao foana izy hattramin'izao :°)
tsy miasa tsara zany ny robot :°)
8. hery ( 24/09/2008 03:35)
10 isanandro ihany no fafain'ny robot satria mavesatra be :-)
Jereo ny olona tsy nampiasa ps ela indrindra 10 ato dia ivereno jerena rahampitso fa manjavona

Mba fantatrareo ve ny anton'io hoe tsy fafaina avy hatrany io ny namana?

Eritrereto hoe fafaina tanteraka ny momba anao androany. Ianao anefa vao avy nazoto be teto amin'ny serasera. Dia rahampitso misy olona vaovao manana eritreri-dratsy misoratra anarana sy mampiasa ny solonanaranao. Dia manao ny ataony. Amin'izay fotoana izay, ny olona rehetra dia mbola hieritreritra hoe ianao ihany io.

Fa rehefa tsy miditra ela be ianao, dia manomboka adinon'ny olona, ka na misy olona hafa mididtra aza dia fantatry ny olona hoe tsy ianao intsony iny.
9. nomenjara ( 24/09/2008 05:34)
vao nosokafako izao ilay ahy tsy nampiasaiko efa ho heritaona izao dia nosokatra omaly....

aiza no misy an'izany hoe: ny olona tsy nampiasa ps ela indrindra???
10. ainaheri ( 24/09/2008 08:34)
Ngah ilay izy ra hery tsy mety otran'ny taloha tsony?Ny tena ihany no mamafa raha te hiala,misy antony manokana ve namoanana an'ilay izy?
11. tsiambaratelo ( 24/09/2008 10:57)
Ny voasakana aza maniry ny iverina,de aona kou zany :D
12. hery ( 24/09/2008 13:41)
nomenjara> jereo @ tohin'ilay niditra farany

ainaheri> io ambony io ny antony manokana

Eritrereto hoe fafaina tanteraka ny momba anao androany. Ianao anefa vao avy nazoto be teto amin'ny serasera. Dia rahampitso misy olona vaovao manana eritreri-dratsy misoratra anarana sy mampiasa ny solonanaranao. Dia manao ny ataony. Amin'izay fotoana izay, ny olona rehetra dia mbola hieritreritra hoe ianao ihany io.


Nisy tezitezitra tampoka dia nanala tena dia avy eo nisy naka ilay ps dia avy eo nimenomenona indray hoe mangalatra ps hono ilay vao niditra tsss.

13. ainaheri ( 24/09/2008 17:15)
Merci t@ fanazavana,zay vô azoko tanteraka :D
14. tsiambaratelo ( 25/09/2008 05:50)
mmhhh,zah nefa saika hiova wé modi
15. nathie86 ( 25/09/2008 07:30)
ay v 3mois tsy mampiasa serasera d tsy mpikambana intsony eh, nefa za ôtrany efa ela b tsy nampiasa eh. D niverina indray fa mimanqué b anà lay izy hihihhihi :-*
16. xxx ( 25/09/2008 08:57)
Izà indray dia mangataka an'i noue hiala mangingina tsy ho mpinamana ato amin'ny serasera intsony. :wink:
17. Noue ( 25/09/2008 09:00)
xxx:

Izà indray dia mangataka an'i noue hiala mangingina tsy ho mpinamana ato amin'ny serasera intsony. :wink:
fa nahoana ??????????


:^) :^) :^) :^) :^) :^) :^) :^) :^) :^) :^)
18. Noue ( 25/09/2008 09:00)
xxx:

Izà indray dia mangataka an'i noue hiala mangingina tsy ho mpinamana ato amin'ny serasera intsony. :wink:
dia aza miafina milaza an'io


:^) :^) :^) :^) :^) :^) :^)
19. nomenjara ( 25/09/2008 09:24)
hery:

nomenjara> jereo @ tohin'ilay niditra farany

ainaheri> io ambony io ny antony manokana

[
Nisy tezitezitra tampoka dia nanala tena dia avy eo nisy naka ilay ps dia avy eo nimenomenona indray hoe mangalatra ps hono ilay vao niditra tsss.






:wink: :°)
20. ainaheri ( 25/09/2008 10:07)
xxx:

Izà indray dia mangataka an'i noue hiala mangingina tsy ho mpinamana ato amin'ny serasera intsony. :wink:


Aza manapa-tripe ry xxx aaaa :-D :-D :-D :-D


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2214