Fahitana,tsindrimandry,nofy ary feo.

1. niryna ( 04/09/2008 17:35)
Ny fahitana ,tsindrimandry,nofy ary ny feo dia voalaza ao anatin'ny soratra masina.Fomba anehoan'Atra ny olona amin'ny zavatra mety hiseho ,na hiraka ampanaoviny azy sns .

Nisy olona nijoro vavolombelona omaly ka zaraiko anareo ity tantara ity.
Nividy trano izy,tsy ampy $400 ny vola alohany(down payement no hilazana azy na 5,10,20% ny vidin'ilay trano no aloha mialoha).
Niasa aho hoy izy dia nahita vola be dia be(fahitana io an) ary dia hoy aho hoe raha ireo vola ireo izao no ataoko down payement dia azoko ilay trano.(eritreritra tao anatiny) Nisy feo anefa niteny taminy hoe "aza mieritreritra an'izany."
Nampanaovina asa hafa hoy izy ity rangahy namako izay tokony hiasa teo amin'ilay masinina iray ka izaho no nasian'ny lehibe-ko niasa teo.ta,ta,ta, feo hafakely no henoko ary nojereko ilay izy.
Vola $50 x 8 = $400.
Tena ireto vola ireto tokoa no ilaiko hoy izy. :roll: :roll: :D
Tonga tampoka tao an-tsainy ilay fahitana tsy nisy fotoana vitsy akory izay ary :oops: ary dia nitamberina ilay feo" aza mieritreritra an'izany"
Noraisiny ilay vola ary dia natolony ny mpampiasa azy.Variana ilay mpampiasa satria tsy fanta-pihaviana ilay vola.
Tonga ny fotoana fandraisana karama,inona no nitranga hoy hianareo ?
Nanaoa "suplementaire "izy ary nahazo $400 tsy nanasorana ,tsy nanalana ambonin'ny karamany.=D
Inona no mahasamihafa ireo :Fahitana,tsindrimandry,nofy ary feo ireo e ?
Efa nisy niseho tamin'ny fiainanare ve ny iray tamin'ireo?
Naheno aho hoe nisy izao nitranga tatsy na taroa,matetika rehefa miseho ny zavatra toa itony dia misy zavatra ao ambadika ao na fampitandremana na hiraka,na fanaovana asa ,na fampiononana mialoha fa tsy hoe niseho teo fotsiny ilay olona dia izay ,sa ahoana ho fieritreretanao azy ?
Ahoana hoy hianao ?

(l) niryna
novalian'i niryna ny 17/09/2008 17:29
2. ikaretsaka ( 04/09/2008 22:11)
dia nataonao ko ve le izy de nety taminao?
eo isika izao!
amiko io tsy misy hafa @ irney hoe fatima sy lourdes ireny, tsy heo nisy an zao nitranga hono e, de nananona hono eee loatra no important fa hoe raha nankany ianao nanao fivahinianana masina ohatra dia inona no azonao t@ nahalalana ilay tantara..inona ny miracle azonao, nentinao nanakmpy ny mpiara belona taminao ve le izy..

fa raha ny hoe "nananona hono ranona" dia aleon'ny olona mamaky gazety! na raha te hitantara izany ianao dia manaova mpanao gazety fa tsy mpitondra fivavahana
3. Rajim ( 05/09/2008 05:28)
Salama daholo e!
Tsy hoe ny mino sy tsy mino fa ny zava-dehibe de ny nanaovan'Atra ny olona no tokony hosaintsainina,tsy nofo fotsiny na saina fotsiny fa nomeny ny fanahiny koa ny olona(Genesisy) tanimanga nasiana fofon'aina(fanahiny) ary manana fifandraisana @ Atra foana @ alalan'ny feon'ny fieritreretana izay taizain'Atra @ fomba rehetra mety @ alalan'ny nofy,na bitsika mangina etsetra nefa @ ny zavatra tokony hotandremana de fantatry ny devoly dhl izany rehetra izany ka mba manao toa izany koa izy koa (araka ny jaona10/10 Atra= manome fiainana sy fiadana, devoly=hangalatra sy hamono hamitaka) izany hoe Atra manolo-tsaina sy manoro ary mananatra mihitsy @ alalan'ireny fomba rehetra ireny (nofy ,tsindry mandry) mba hanasoavana ny olona sy hiarovana ny fanahy izay nomeny ny olona ary ny devoly koa mba manao toa izany fa ny tanjony ahavariana ny olona @ nofo fotsiny ihany fa ny ao ambadika dia fanimbana sy famonoana ny fanahin'ny olona.
Mba iarovan-tena @ izany dia tsy misy afa tsy ny fametrahana ny fiainanao rehetra ampelan-tanan'JESUS(Atra no Mpamonjy) @ alalan'ny vavaka sy famakiana ny soratra masina @ fotoana rehetra mba hanomezany ny Fanahy Masina hitari-dalana sy hanampy anao(jaona 16/13-)@ izay manahirana rehetra na ny hoavy aza.
Fa ny olona manakina ny fiainany @ Atra d'efa homaniny @ fiatrehana ny zavatra rehetra eo @ fiainana na ho mora na ho sarotra ary tsy mahatsiaro irery fa omban'ny fanatrahan'ny Fanahy Masina sy ny heriny.
mazotou dhl e! Mmc

4. rijadolly ( 05/09/2008 17:17)
Misaotra betsaka ry Ika a!Dia misaotra betsaka an'Rajim koa :-*
Niryna>>Ty ny zv miseho amiko matetika izay tsy aiko azavaina tokoa.Miresaka amin'olona maromaro zao za dia efa oh efa film nande zany le izy,Na ny place le olona resahina na ilay resaka,de miverina ao antsaiko ka ra vao mihezaka ahalala ny suitiny sy ny fiafaran'ilay resaka za dia very tsy misy tadidiko tsony avy eo.Inoako fa tsy za irery angamba ny azon'io,ty ny zavatra tena nahagaga ahy indrindra,Niresaka ilay namako aho teny amoron'arabe de niverina tao antsaiko oe efa nande ilay izy dia oh nisitona azy zay aho iala ny arabe,dia iny nisy fiara fotsy nande mafy tampoka teo amin'ilay nialany.dia tena tantara efa nande mihitsy no niseho teo na ilay fiara fotsy aza,tena gaga aho marina e!
Inona kay zany Aminareo?
5. xxx ( 12/09/2008 05:11)
niryna:

Ny fahitana ,tsindrimandry,nofy ary ny feo dia voalaza ao anatin'ny soratra masina.Fomba anehoan'Atra ny olona amin'ny zavatra mety hiseho ,na hiraka ampanaoviny azy sns .

=D


6. niryna ( 12/09/2008 19:48)
ikaretsaka:

dia nataonao ko ve le izy de nety taminao?
eo isika izao!
amiko io tsy misy hafa @ irney hoe fatima sy lourdes ireny, tsy heo nisy an zao nitranga hono e,
dia ahoana ny momba an'io ry ika ? nametraka hafatra ve izy ?

de nananona hono eee loatra no important fa hoe raha nankany ianao nanao fivahinianana masina ohatra dia inona no azonao t@ nahalalana ilay tantara..inona ny miracle azonao, nentinao nanakmpy ny mpiara belona taminao ve le izy..

dia ahoana ?

fa raha ny hoe "nananona hono ranona" dia aleon'ny olona mamaky gazety! na raha te hitantara izany ianao dia manaova mpanao gazety fa tsy mpitondra fivavahana
dia anjaran'ny tsirairay io ry ika a,avereno foana ny fanontaniana ary izaho ity mba ahoana ?



:D
7. niryna ( 12/09/2008 19:52)
ikaretsaka:

dia nataonao ko ve le izy de nety taminao?
eo isika izao!



:roll: :D :D
8. niryna ( 12/09/2008 19:58)
Rajim:

Salama daholo e!
Tsy hoe ny mino sy tsy mino fa ny zava-dehibe de ny nanaovan'Atra ny olona no tokony hosaintsainina,tsy nofo fotsiny na saina fotsiny fa nomeny ny fanahiny koa ny olona(Genesisy) tanimanga nasiana fofon'aina(fanahiny) ary manana fifandraisana @ Atra foana @ alalan'ny feon'ny fieritreretana izay taizain'Atra @ fomba rehetra mety @ alalan'ny nofy,na bitsika mangina etsetra nefa @ ny zavatra tokony hotandremana de fantatry ny devoly dhl izany rehetra izany ka mba manao toa izany koa izy koa (araka ny jaona10/10 Atra= manome fiainana sy fiadana, devoly=hangalatra sy hamono hamitaka) izany hoe Atra manolo-tsaina sy manoro ary mananatra mihitsy @ alalan'ireny fomba rehetra ireny (nofy ,tsindry mandry) mba hanasoavana ny olona sy hiarovana ny fanahy izay nomeny ny olona ary ny devoly koa mba manao toa izany fa ny tanjony ahavariana ny olona @ nofo fotsiny ihany fa ny ao ambadika dia fanimbana sy famonoana ny fanahin'ny olona.
misaotra fa mazava tsara .

Mba iarovan-tena @ izany dia tsy misy afa tsy ny fametrahana ny fiainanao rehetra ampelan-tanan'JESUS(Atra no Mpamonjy) @ alalan'ny vavaka sy famakiana ny soratra masina @ fotoana rehetra mba hanomezany ny Fanahy Masina hitari-dalana sy hanampy anao(jaona 16/13-)@ izay manahirana rehetra na ny hoavy aza.
Fa ny olona manakina ny fiainany @ Atra d'efa homaniny @ fiatrehana ny zavatra rehetra eo @ fiainana na ho mora na ho sarotra ary tsy mahatsiaro irery fa omban'ny fanatrahan'ny Fanahy Masina sy ny heriny.
mazotou dhl e! Mmc
=D


9. niryna ( 12/09/2008 20:09)
rijadolly:

Niryna>>Ty ny zv miseho amiko matetika izay tsy aiko azavaina tokoa.Miresaka amin'olona maromaro zao za dia efa oh efa film nande zany le izy,Na ny place le olona resahina na ilay resaka,de miverina ao antsaiko ka ra vao mihezaka ahalala ny suitiny sy ny fiafaran'ilay resaka za dia very tsy misy tadidiko tsony avy eo

mitovy izany koa aho ,manofy toerana aho na zavatra hafa dia mipoitra tokoa ilay izy.
ary efa nahita fahitana koa ve rija ?
rijadoly:

.Inoako fa tsy za irery angamba ny azon'io,ty ny zavatra tena nahagaga ahy indrindra,Niresaka ilay namako aho teny amoron'arabe de niverina tao antsaiko oe efa nande ilay izy dia oh nisitona azy zay aho iala ny arabe,dia iny nisy fiara fotsy nande mafy tampoka teo amin'ilay nialany.dia tena tantara efa nande mihitsy no niseho teo na ilay fiara fotsy aza,tena gaga aho marina e!
Inona kay zany Aminareo?

Nofy ve io ? ny ahy indray dia nanofy ilay namako aho ka niaraka niampita taminy aho ary dia nisy kiraorao-bato,ary dia niampy arabe idray izahay sady nitantanako izy,farany dia niakatra ny tendrombohitra izahay ary dia nisotomiko ilay izy .Dia nifoha aho ary fantatro avy hatrany ilay dikany no sady nivavaka aho mba ampian'Atra ny amin'ilay asa omeNy ahy.
10. rijadolly ( 13/09/2008 12:31)
Itan\'Niryna le izy tsy fantatro hoe avy aiza na avy aiza na efa nofisiko na ahona fa dia miverina ao antsaiko.
11. niryna ( 16/09/2008 17:29)
rijadolly:

Itan\'Niryna le izy tsy fantatro hoe avy aiza na avy aiza na efa nofisiko na ahona fa dia miverina ao antsaiko.

rija a efa tratran'ity koa ve hianao,tao anatin'ny nofy ilay toerana no niseho dia hitanao ilay izy aty aoriana? Miampitan-dranomasina dia inona tokoa ? lavabe ilay izy fa misy famantarana omen'Atra fa hiova ny fianantsika na voaantso isika,na misy asa miandry antsika,ao anaty fahitana na nofy na tsindrimandry no asehony.
Ary ilay hoe maneno ny telefonina dia fantatra avy hatrany hoe i ranona izay miantso izay ? hmm!
12. rijadolly ( 17/09/2008 16:07)
Niryna a! lalina be,ary tena tsy takatry ny saina ra ny zavatra hita,nefa inoako fa tsy mbola fotoanany angamba zao,fa ny azo ambara aloha dia zao,
Betsaka tokoa r'Niryna ny zavatra efa nampifantarina antsika olombelona mialoha fa isika no mbola tsy miray amiNy tsara dia betsaka ny very satria ny zavatra ataontsika dia mahatonga ny falavitana amin'ANDRIAMANITRA.Na efa tokony atao zao aza ilay voaray avy any aminy,dia tsy atao satria tsy mino isika.JOBA 33 14 - 17 "14 Kanefa misy fanao iray itenenan'Andriamanitra,Eny, fanao roa aza, nefa tsy tandreman'ny olona izany,15 Dia ny nofy sy ny tsindrimandry amin'ny alina,Raha sondrian-tory ny olona Ka renoka eo am-pandriana,16 Dia manokatra ny sofin'ny olona Izy Ka manisy tombo-kase ny fananarany azy,17 Mba hampiala ny olona amin'ny fanaony,Sy hampifady azy ny fireharehana." Io zao dia hita hoe tena meteny avy amin'alalan'tsindrimandry sy nofy Andriamanitra tsy zaho irery na Niryna irery fa isika olombelona rehetra fa isika mitsiny no manadino noho ny fandrebirebena ataon'ny manodidina antsika mba tsy hifantoka na ahatsiaro ilay nofy na tsindrimandry avy any amiNY.
13. niryna ( 17/09/2008 17:29)
rijadolly:

Niryna a! lalina be,ary tena tsy takatry ny saina ra ny zavatra hita,nefa inoako fa tsy mbola fotoanany angamba zao,fa ny azo ambara aloha dia zao,
marina tokoa izany ,fantatra eny ihany koa ka

Betsaka tokoa r'Niryna ny zavatra efa nampifantarina antsika olombelona mialoha fa isika no mbola tsy miray amiNy tsara dia betsaka ny very satria ny zavatra ataontsika dia mahatonga ny falavitana amin'ANDRIAMANITRA.
ka io angamba no mahatonga ny hoe mahery ny filan'ny nofo kou !

Na efa tokony atao zao aza ilay voaray avy any aminy,dia tsy atao satria tsy mino isika.JOBA 33 14 - 17 "14 Kanefa misy fanao iray itenenan'Andriamanitra,Eny, fanao roa aza, nefa tsy tandreman'ny olona izany,15 Dia ny nofy sy ny tsindrimandry amin'ny alina,Raha sondrian-tory ny olona Ka renoka eo am-pandriana,16 Dia manokatra ny sofin'ny olona Izy Ka manisy tombo-kase ny fananarany azy,17 Mba hampiala ny olona amin'ny fanaony,Sy hampifady azy ny fireharehana." Io zao dia hita hoe tena meteny avy amin'alalan'tsindrimandry sy nofy Andriamanitra tsy zaho irery na Niryna irery fa isika olombelona rehetra
ary aza adino koa fa misy manan-tsofina fa tsy maheno na maheno aza be marenina ,ha,ha sa tsy fiteny izany ? bedy eto aho

fa isika mitsiny no manadino noho ny fandrebirebena ataon'ny manodidina antsika mba tsy hifantoka na ahatsiaro ilay nofy na tsindrimandry avy any amiNY.

marina izany


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.2223