hodim-potsy

1. Papoose ( 26/08/2008 10:25)
Sao de mba misy mahalala pommade na fanafody mety hahasitrana an'ireny?
novalian'i lala9 ny 13/10/2011 08:59
2. ni81 ( 26/08/2008 10:45)
Raha fantatra tsara ny fihaviany dia toa misy ihany fanafody mety. Misy mantsy milaza fa hoe mifindra izy ireny, misy koa milaza fa azo avy @ aretin'aty. Nefa zà niaraka nipetraka t@ cousine-ko taloha fa tsy nifindrany mihitsy na kely aza.
3. lemenakely ( 26/08/2008 11:52)
ni81:

Raha fantatra tsara ny fihaviany dia toa misy ihany fanafody mety. Misy mantsy milaza fa hoe mifindra izy ireny, misy koa milaza fa azo avy @ aretin'aty. Nefa zà niaraka nipetraka t@ cousine-ko taloha fa tsy nifindrany mihitsy na kely aza.




marina io

Fa andramo ity astuce ity fa nety tamiko ,isaky ny maraina osorana voasary makirana ilay faritra misy hodipotsy ,somary mangirifiry fa afaka raha toa ka vao miatomboka
4. ni81 ( 26/08/2008 12:02)
Matetika koa ny oul mipetraka any amoron-tsiraka no tena betsaka misy hodipotsy (tany zay sy io cousine-ko io, ary dia misy daholo izy mpiray tampo), asa na avy @ ranomasina no mahatonga izany na tsia.
5. lavatsofina ( 26/08/2008 12:30)
Za taloha voan'io hodi-potsy io ary tena feno ny vatako iray manontolo (aretin'aty e!) 9 taona lasa izay ,fa tonga dia fanafody henjana be no natoron'ny olona ahy ,ka asa raha ho mety aminao aloha ,fa tsy niverina intsony le izy hatramin'izao .

Vazelina sy vovoka sofra no afangaronao .Atao mifandanja tsara ny fatran'izy roa fa tsy misy atao mihoatra . Dia mandro alohan'ny hanosorana azy @ ilay faritra misy hodi-potsy . Somary manaikitra sy mamoaka fofona hafa mihitsy ny vatana rehefa miasa ilay izy .

Maharitra tapak'andro eo no hiandrasanao ny fiasany dia mandro ianao avy eo , fa tonga dia mandimandina be ny hoditrao .

Alohan'izay anefa dia anontanio ihany ny dokoteranao sao tsy zakan'ny hoditrao ilay sofra .

N.B : Raha hosorana @ tarehy anefa izy io dia somary ahena kokoa ny fatran'ny sofra fa tsy atao mitovy fatra @ vazelina . Manify kokoa ny hoditry ny tareha raha mihoatra @ vatana .

De zay ry Papoose
Mazotoa e!
6. fahamarinana ( 26/08/2008 12:54)
:arrow: moa raha aty ivelany dia manantona dermato fa efa nisy namako nisy hodi-potsy taty dia nahazo traitement fa tsy tsaroako mbanin'ny anarany koa ka aleo tsy hiteniteny foana eto aho fa afaka aloha ny azy e... :) (l)
7. ikaretsaka ( 27/08/2008 03:06)
toa aretin'aty tokoa io
8. fijo ( 27/08/2008 21:21)
taty aho"apaisyl" no nampiasaiko dia hafaka;
9. fahamarinana ( 27/08/2008 21:34)
:arrow: fijo :apaisyl koa ve tsy ilay fanao koa rehefa kaikerin'ny biby kely aloha ? tsaroako nampiasa an'izay tamin'ny ankizy aho taloha..
10. nikah ( 28/08/2008 06:23)
Inona kay ilay hoe sofra ????
Misy marina izy ireny mifindra ary misy tsy mifindra,satria ny ahy ny vadiko de misy ary de tena bdb,tsy mbola nifindrany aho hatr@ zao,fa ny mahasosotra fotsiny de ny mijery azy ilay mamoripotsy be iny in-1-1.In-1-1 anefa tsy hita.Efa mba nanao traitement ihany izy fa afaka kely de miverina in-1.Sady mahamenatr'olona koa fa refa mivoaka zay le izy .Ilay voasarimakirana efa nataonay fa misy ny afaka misy ny tsy afak'ireny.
11. ni81 ( 28/08/2008 06:31)
Misy marina izy ireny mifindra ary misy tsy mifindra,satria ny ahy ny vadiko de misy ary de tena bdb,tsy mbola nifindrany aho hatr@ zao,fa ny mahasosotra fotsiny de ny mijery azy ilay mamoripotsy be iny in-1-1.In-1-1 anefa tsy hita.Efa mba nanao traitement ihany izy fa afaka kely de miverina in-1.Sady mahamenatr'olona koa fa refa mivoaka zay le izy .Ilay voasarimakirana efa nataonay fa misy ny afaka misy ny tsy afak'ireny.
rehefa tena mivoaka tokoa izy dia ohatran'ny misy tsikoko be izany ilay olona na dia misasa tsara aza! Andramo koa fa ny an'ny zaodahiko dia lockeed no ataony kely @ coton dia kosehiny @ iny. Tandremo sao atao betsaka fa mandoro hoditra a!
12. endrika01 ( 28/08/2008 07:40)
Mifindra ny hodipotsy.Misy sipakely zay,taloha izy tsisy anreny fa hatr@nanaovany ny blouson sy ny lobaka ny sipany de feno ny sandrin-tanany sy ny tendany.Ho faly izy raha mahita ty dinika ty,izay misy ny toro-hevitry ny namana,efa nandefasako SMS izy sy ny sipany.Fa mba azo fantarina ve le sofra?Sa asidra ve izy io?De aiza no ahitana azy?Mila mitandrina ihany @le fitondrana ny akanjony namana misy anreny:-P
13. ni81 ( 28/08/2008 07:55)
Mifindra ny hodipotsy.
arakaraka ilay hoditr'olona io fa tsy mitovy. Zà tsy nifindrany mihitsy. Efa noresahiko tery aloha tery io, satria ilay cousine-ko misy hodi-potsy ary ny serviette famafana tanana aza niraisana fa tsy voa mihitsy aho.
14. fahamarinana ( 28/08/2008 08:17)
:arrow: oui,araka ilay olona tokoa io,araka ilay hoditra...any toamasina tokoa feno voa fa asa na avy amin'ny hafanana koa.Zahay aza milomano miaraka amin'ny namana tsy tratra akory...
ni:
lockeed no ataony kely @ coton dia kosehiny @ iny.

:arrow: tsy hamofona be ohatran'ny mecanicien ve zany?
nikah:
Sady mahamenatr'olona koa fa refa mivoaka zay le izy

:arrow: vazivazy zary tenany ihany fa raha hosorana fond de teint ve vao maika koa mivanditra ? mijereva ry nao dermato raha tanty ka efa niala nenina sao dia hosorana zao karazany zao ka hivadika maladie hafa koa... :( (l)
15. ni81 ( 28/08/2008 08:26)
tsy hamofona be ohatran'ny mecanicien ve zany?
:-D :-D
vazivazy zary tenany ihany fa raha hosorana fond de teint ve vao maika koa mivanditra ? mijereva ry nao dermato raha tanty ka efa niala nenina sao dia hosorana zao karazany zao ka hivadika maladie hafa koa...
ka matetika ny an'ny sasany iny @ tenda sy hatoka iny no tena feno! ka tsy ho telo andro dia ritra ny fond de teint :lol:
16. fahamarinana ( 28/08/2008 09:17)
:arrow: :-D :-D ,marina zany.. (l)
17. lavatsofina ( 28/08/2008 10:47)
Sofra izy @ teny gasy ,fa soufre kosa raha @ fiteny simika . Vovoka somary fotsy mavo izy io . http://fr.wikipedia.org/wiki/Soufre .

Tsy isalasalana aloha ny fahasitranany fa miankina @ fahazakan'ny hoditra fotsiny .

Tena mandimandina be ny hoditra avy eo .

18. fahamarinana ( 28/08/2008 10:55)
:arrow: aiza angaha ry lavatsofina (dadany koa ilay ps-nao an:) )...no ividianana ilay soufre raha aty frantsa oh no misy anay... (l)
19. lavatsofina ( 29/08/2008 15:09)
Tsy haiko hoe aiza aloha no ahitana azy ,fa produit chimique izy io de mety ho sarotra tadiavina ihany ,fa raha mahita olona miasa @ hopitaly ianao dia any aloha no mety mampiasa azy be @ ireny satria ampiasana @ fitazomana sy fitahirizana zavatra maharitra izy io .

Na andramo anontanio ihany eny @ pharmacie sao misy ny mitovy aminy .
20. Papoose ( 30/08/2008 18:55)
misaotra t@ hevitrareo rehetra fa tena aleoko ihany aloha manatona dermato fa sao dia mitsovaka eo ny hoditro vao hahita angano
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5037