parasy lafrika

1. ari.malala ( 21/08/2008 07:21)
Miarahaba e

Raha tongotra avy nalàna parasy lafrika, d le lavaka b reny kay d inona ny fiarovana tokony atao ankoatry ny fanaovana kapa foana? ts zany mants fa avy nilasy tany Tamatave ny zanako d feno mints ny tongony avy any :( d in ny fiarovana tokony atao mba ts idiran parasy tsony am manaraka?
novalian'i niryna ny 01/09/2008 21:51
2. yonikafopl ( 21/08/2008 08:12)
Slt njy ari
nenay tam le manao vakansy tany tamatavy reny de idiran'ny parasy lafirika, de aveo rarahana petrole le izy , ka asa ra mety aminjy :)
3. veromahefa ( 21/08/2008 08:23)
ie, raraho pétrole, dia tandremana fotsiny tsy ho tafiditry ny loto, fa za koa tamin'ny avy nilasy indray taona dia feno parasy lafrika ny tongotro , aza fonofonosina fa tsy mety
4. fahamarinana ( 21/08/2008 09:02)
:arrow: ny fiarovana aloha tsy dia haiko loatra fa ny ahy tamin'ny nipetraka tany dia tsy sasatra idirany foana,ny an'ny olon-kafa anefa tsy misy.Ny tena fanao hono ,vao manomboka mangididy iny dia efa jerena ilay tongotra dia alana ny atody :somary marary izay aloha ny fanalana azy am paingotra efa nodorana tam afo...sinon raha efa io an'ny zanaky ari io dia efa nandavaka tao ilay atody.Alana daholo iny aloha,sokirina raha sarotsarotra dia avy eo diovina tsara amin'ny alcool toa ny manao pansements ireny.Io no fanaonay fahiny,sady tsy nandeha dr no tsaboina eny ihany,somary maharitra raha saroti-pery...sinon aleo koa manantona dr rahatoa tsy mahavita misikotra azy,sady mety mba mahazo fanafody efficace koa.
Ny ahy moa taty aoriana rehefa miverina any dia tsy miala basket sy chaussette,ary na miditra rano aza dia mbola manao kiranil sauf hoe any amin'ny piscine ihay vao pieds nus...eny na mafana be aza ny andro e...natao viloma ny scoubidou. :) (l)
5. ari.malala ( 21/08/2008 11:33)
misaotra anareo aloha nanoro e! ka tena feno lavaka mitnsy ny tongony any ko! 3 ao anaty rantsantongotra 1 henjana b! vao ny ankihikely aza izany no afaka hahahaha
6. fahamarinana ( 21/08/2008 14:17)
:arrow: ny ahy tamin'izany io ankihibe-tongotra io satria nafenina fa marary dia ny niafarany niala hatramin'ny ho fa vao maika loza satria lasa nisy nana avy teo...elabe vao sitrana nohon'ny hadalàna dia fay maty ka naleo nanao kiraro sisa..tsy mba afaka mi-geste manao kapa fa toa zà foana no tratra.. :( (l)
7. malala1 ( 21/08/2008 17:56)
tena efa niparitaka any amin'ny frontiera ilay parasy lafrika :D
3 be izao ve, alefaso any amin'ny douane
8. ikaretsaka ( 22/08/2008 02:41)
raraho petrole rehefa avyy voasikotra ..
9. malala1 ( 22/08/2008 10:47)
tandremo sao adino ny miteny azy tsy hanakaiky afo rehefa avy norarahana petrole izany sao dia lasa jeanne d'arc eo
10. endrika01 ( 22/08/2008 19:33)
ari.malala:
Miarahaba e Raha tongotra avy nalàna parasy lafrika, d le lavaka b reny kay d inona ny fiarovana tokony atao ankoatry ny fanaovana kapa foana? ts zany mants fa avy nilasy tany Tamatave ny zanako d feno mints ny tongony avy any :( d in ny fiarovana tokony atao mba ts idiran parasy tsony am manaraka?
Ny nataony Mamanay talou de lay avy esorina iny ny takalany de maka tapa-damba de dorana.De lay setroka miakatra iny atao mifanandrify tsara @iny lay lavaka vao avy nisokirana an le parasy iny!Fa mihaina lay fanaitainana no mora mikatona lay fery.Tena nijaly mintsy zah t@zany,satry zah foana no mampiditra ny akohonay! :-P
11. ikaretsaka ( 27/08/2008 03:12)
ny ahy aloha raha vao hoe handeha @ tany misy aretina hafahafa io hoe lagaly e..parasy lafrika e ..de petrole ihany no atao akaiky e
12. fijo ( 27/08/2008 21:26)
ie io petrole io mety aminy tsara
13. niryna ( 01/09/2008 21:51)
Ireo voalazan'ny ankizy ireo izany ry ari-malala no atao a,mila dorana ny afo tsara fotsiny ny fanjaitra vao ampiasainao ilay izy ,diovy amin'ny alcohol aloha ilay toerana nisy ilay parasy.Efa nahita aho fa na ny tanana aza feno ilay ankizy kely nilalao teo amin'ny fasika .Dia araho koa asalisaly amin'ny tapa-damba ,tandremo sao asiana petrole raha ohatra asalisalinao fa may eo ny tongo-jaza. Tsy fantatro ny anarany aty amintsika fa peroxide miaraka ny Vitamine E no asiana ireny maratra na fery ireny fa vetivety dia sitrana.Fafana amin'ny peroxide aloha dia vakiana ilay Vit E (ilay ohanina ) na ilay Vit E menaka ,dia osorana kely e.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1704