Tsiky ho an'ny rehetra ...

1. SHOAN ( 11/08/2008 09:13)
tsy haiko hoe aiza no tokony apétraka dia ataoko eto
Salama va ?
Ito misy clip nataoko fa nisy hira tiko bé dia nataoko niaraka aminy
hiran'i Rija Rasolondraibé izy io
Ny sary dia mba fomba filazàko hoe tena marina no lazain'ni Hery hoe TSIKY DIA AMPY
Marina fa tsy mahasitrana aretina ny tsiky fa tena manampy é !
io zany lé clip
http://www.dailymotion.com/video/x6e18g_vivre-et-sourire-pour-survivre_people
shoan
novalian'i SHOAN ny 20/08/2008 18:57
2. diamondra27 ( 11/08/2008 10:55)
tena manampy be amin'ny fiainana ny tsiky akia a.
Ny olona tsy mitsiky izany dia tsy manana fifaliana ao anatiny.
http://www.topchretien.com/toptv/view/1477/joyce-meyer_joyce-meyer-la-joie.html
3. fahamarinana ( 11/08/2008 10:58)
:arrow: dia mirary soa ary misaotra nizara... (l)
4. diamondra27 ( 11/08/2008 11:21)
ty ny fizarana 1

http://www.topchretien.com/toptv/view/1312/joyce-meyer-la-joie.html

henoy hatramin'ny farany e
5. SHOAN ( 11/08/2008 13:11)
valiny
http://ucmr.free.fr/
6. endrika01 ( 11/08/2008 14:04)
SHOAN:

tsy haiko hoe aiza no tokony apétraka dia ataoko eto
Salama va ?
Ito misy clip nataoko fa nisy hira tiko bé dia nataoko niaraka aminy
hiran'i Rija Rasolondraibé izy io
Ny sary dia mba fomba filazàko hoe tena marina no lazain'ni Hery hoe TSIKY DIA AMPY
Marina fa tsy mahasitrana aretina ny tsiky fa tena manampy é !
io zany lé clip
http://www.dailymotion.com/video/x6e18g_vivre-et-sourire-pour-survivre_people
shoan



Misaotra mizara e,:-D:-D:-D
7. Zozoro ( 11/08/2008 16:29)
Ny fitsikina dia manambara ny fahatsoran'ny fo
Milaza koa ny hatsarana tsy manam-paharoa
Ny fitsikina dia lazaina, fa fifalian'ny tena
Raha sosotra, hono, maraina
Ny hariva dia sitran'ireny.
Izy io koa, hono, maha ela velona
Hoy ny filazan'ireo taloha.
Mitsikitsikia lalandava
Fa sady ho sambatra no ho finaritra
Na iza na iza eto an-tany
Ka manome toetra ny fitsikina
Dia azo tsorina avy hatrany
Fa olona manana fahamboniana.
8. ni81 ( 11/08/2008 16:33)
merci zozoro @ hira io!
9. ramistiana ( 15/08/2008 10:53)
TSIKY ho an'ny rehetra.
Sao dia mba A ary lay I zany hoe TSAKY.(Tsaky hoanin'ny rehetra)
na mety hoe tsy ampy A zany hoe TSAIKY(viavy kely).
na angamba E lay izy zany hoe TSEKY(tsekôslôvaky).
Zany hoe mba tsy hisy ho very zany izay voasoratra dia arafitra frazy lay izy.
Ilay TSAIKY TSEKY feno TSIKY zany nitondra TSAKY hoanin'ny rehetra.

10. SHOAN ( 15/08/2008 23:44)
TSIA TOMPOKO
diso heritreritra ianao Tompoko fa TSIKY no resaka eto fa tys tsaky na tsaiky na tseky na izay heritretra tsy mihaja na tsy maotina any an-tsaina any Tompoko

ramistiana:

TSIKY ho an'ny rehetra.
Sao dia mba A ary lay I zany hoe TSAKY.(Tsaky hoanin'ny rehetra)
na mety hoe tsy ampy A zany hoe TSAIKY(viavy kely).
na angamba E lay izy zany hoe TSEKY(tsekôslôvaky).
Zany hoe mba tsy hisy ho very zany izay voasoratra dia arafitra frazy lay izy.
Ilay TSAIKY TSEKY feno TSIKY zany nitondra TSAKY hoanin'ny rehetra.





11. ramistiana ( 16/08/2008 06:36)
Shoana>
Vazivazy natao hampitsiky no natao teto ramama fa tsy misy hoe mieritreritra tsy maotina na tsy mihaja zany kosa e!
Tena mba tsy nampitsiky ahy indray iny valinteninao iny a!.
Tsy lasa hoe tsiky hoan'ny rehetra indray lay izy fa lasa hoe tsiky hoan'ny sasany .
12. ramistiana ( 16/08/2008 06:39)
Azafady fa Shoan kay fa tsy Shoana,diso fanoratra azafady.
Sao mahazo valinteny hafahafa eo indray.
13. SHOAN ( 20/08/2008 18:57)
ary isé toa tezitra ramistiana ?
aza manao anizany hoah
TSIKY foana é !
ary ny soratra diso tsy hifanomezantsiny fa mihinambary aza misy latsaka koah !
sa ahoana ?
TSIKY FOANA Ê ! :lol: :lol: :lol: :lol: :lol:
ramistiana:

Azafady fa Shoan kay fa tsy Shoana,diso fanoratra azafady.
Sao mahazo valinteny hafahafa eo indray.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.172