tody

1. diamondra27 ( 07/08/2008 11:05)


Hoy ny ntaolo:"ny tody tsy misy fa ny atao no miverina"
Misy tokoa ve izany tody izany dia fomba ahoana no fisehony?
novalian'i nacl ny 14/08/2008 07:36
2. ainaheri ( 07/08/2008 12:27)
Mety ho hisy io ka,arakaraka ny fiaingany zany ee,zay ny mahatonga ny fiainan'ny sasany mitsipozipozy ireny angamba....Ny tena marina d aza manao ratsy olona ,avelao izy hanao izay saim-pantany aminao fa indray andro any hizaka ny vokany izy,ary tadidiny ny tsy nety nataony!!
3. simplex ( 07/08/2008 12:46)

http://www.telegraph.co.uk/telegraph/multimedia/archive/00442/news-graphics-2007-_442034a.jpg 8)
4. fahamarinana ( 07/08/2008 12:57)
:arrow: :-D :-D simplement simple hatrany ilay valiteny an... :wink: (l)
5. Herimiafina ( 07/08/2008 13:11)
Ny Ntaolo:
Ny tody tsy misy

Tsy misy izany hono ny tody.
Ny Ntaolo:
Ny atao no miverina.

Raha nitifitra totohondry ilay bandy tatsy ampita ianao dia mety andrasany any ankodimirana dia tifiriny totohondry koa indray andro any. :-D

Izany eo ihany fa ny tena dikany angamba dia ny hoe "aza atao amin'ny hafa izay tsy tianao atao aminao". :^)
6. hery ( 07/08/2008 17:33)
diamondra27:



Hoy ny ntaolo:"ny tody tsy misy fa ny atao no miverina"
Misy tokoa ve izany tody izany dia fomba ahoana no fisehony?



Tsy misy tody kah... ny atao ihany no miverina :-)
7. cutie ( 07/08/2008 17:35)
mampatsiahy hira ny" valin'ny natao" :-D
8. ikaretsaka ( 08/08/2008 01:49)
tsy misy mpiantso tody sy sakaiza manody izany ny serasera ko...
9. nacl ( 08/08/2008 06:37)
sali doly a
ra ny nenaranay tany @kilasy famaranana de we zany tody zany de fiverenan'ny nataonao. ra ny fahazoako azy de ze natao rehetra na tsara na ratsy. de ny fitrangany ndray tsy voatery mitovy t@le zvtr nataonao akory fa mety we mivaly@njavatra hafa.
ohatra we nangalatra zao le olona, de mety afaka 2 jours de tafitohina izy de nenjera de vaky loha de niditra hopitaly. zany we tsy tena exactement pareil t@zavatra nataony ny sazy nahazo azy.
de mitovy @zay ihany ra nanao tsara, mety we nanampy olona enao de niala avy teo de nahita vola
otran'zany ihany le we "soa atao levenam-bola, ratsy atao loza miantona"
zay klo ny fahazoako azy fa asa na ahoana marina :roll:
10. nacl ( 08/08/2008 06:39)
le izy zany tsy voatery mivaly @le olona nanao an'le acte fa mety mivaly @taranany aty aoriana, mety immédiat zany le izy a, nefa koa mety taona maromaro aty aoriana voa mivaly.
11. ravatorano ( 08/08/2008 07:16)
ny tody v fanafohezana ny teny hoe todika satria toa mitovitovy ihany ny heviny
ny tody dia efa voalazan i nacl io ny tena dikany ary ny todika sia izay fijerena ny zavatra lasa sy izay vita ary natao.
Ny tody dia hevitra iray nentin'ny malagasy nilazana fa tsy maintsy misy valiny foana izay ataonao aman'olona fa ilay tody resahana eto dia amin'ny lafiny ratsy foana toy ny hoe" todi-pitia manodiava " ..... sns.....
Misy anefa ny tody amin'ny lafiny tsara izany hoe ny soa ataonao aman'olona sy eo amin'ny fiaraha monina dia hivaly aminao ihany any aoriana ary izay no nahatonga ilay fitenenana hoe "soa atao levenam-bola"
:wink:
12. ainaheri ( 08/08/2008 09:09)
Asakasaky ny zay manao ratsy zany ee,nefa d inona mou no vokany? Izy sy ny taranany no hibaby azy :cry:
13. diamondra27 ( 08/08/2008 11:44)
ainaheri: ka izay izany no tsy hanaovandratsy e, ny taranaka no tsinjovina.

simplex: :-D :-D :-D ny atody no nisy dia ny akoho no miverina :lol:

HM: izay tokoa angamba no hevitra hafa azo ilazana azy.

hery: dia ahoana le fitenin'olona we aza manody ny goavy manta?

nacl: merci akia nanazava a, io hevitra tam terminale io ndrindra no tiako tadidiana fa efa adino.


ravatorano: tadidiko tam le nanao SN le manao todika ivoho= demi tour, dia sahala amin'izay koa zany ilay todika voalazanao eto hoe: tody=todika dia miverina aminao ny nataonao.
dia ahoana io todim-pitia io , f'angaha raha nisaraka dia tsy maintsy misy ozona fa tsy afaka misaraka tsotra.
tsy misy ny tody hoy nareo nef miasy milaza ny olona we; tody, manody aza manody, manodiava sns...
14. xxx ( 08/08/2008 11:53)
Amiko aloha de misy ny tody fa ny tsirairay no miezaka manao ny marina sy ny hitsiny tsy ho voany.
Isan'ny hery iray tsy azo sakanana izy io eo amin'ny fiainan'ny zanak'olombelona ka izay no nahatonga ny olona hatahotra azy io. Porofo'izany ireo oha-pitenenana maromaro voatanisanareo eo ambony ireo. Izy io de iray lalana @ tsiny ka izay koa no tena itandremana mafy.
15. SHOAN ( 08/08/2008 20:13)
saly !
asa akia raha tena misy ny hoe ny tody tsy misy fa ny hatao no miverina
Toa hotrany fijeriko azy dia misy iahny angamba ndraindray , Sa ?
ny hitako fotsiny aloha dia rehefa misy olona tezitra bé dia miteny hoe Aza manody
ka misy ihany zany ny tody
Ary côté négatif foana angah moa ilay izy ?
fa maninona ianao réfa manao soa toa tsy miverina aminao lé izy fa réfa manao ratsy iany vao hoe tsy misy ny tody fa ny hatao no mivérina ?
ka asa ?
biz ary é !

diamondra27:



Hoy ny ntaolo:"ny tody tsy misy fa ny atao no miverina"
Misy tokoa ve izany tody izany dia fomba ahoana no fisehony?




:-* :* :* :* :*
16. nacl ( 09/08/2008 06:21)
SHOAN< sali sali a!aiza kosa de we ze soa rhtr nataonao de tsy nahitam-baliny e, le izy nge mety we tsy mivaly eo no eo e!fa tsikelikely oatra ny fomba ivaliany, sady mety @fomba hafa ny ivalian'le izy fa tsy we mitovy@iny.
oatra zao enao mba namonjy olona iray(ara-bola io), de ho valin'izay oatra de we manana image tsara eo @fiara-monina enao...sady atokisan'le olona ra tsy we mivadika izy.. :lol: de zay nge zao de efa tsara e so...? zany we ny tody manana caractère bdb, mety dans l'immédiat ny valiny ary mihatra @tena, mety aty@taranaka aty aorina koa...!!!
hihihi de zay fotsiny ny tsy mahadakôro a @nao, misy valiny ny zava-tsoa atao fa saingy we tsy eritreretina we iny le izy fa ny ratsy no tena asian'ny ol considération
zay fa kiss hihiihih
:wink:
17. sff ( 09/08/2008 06:33)
nacl:

le izy zany tsy voatery mivaly @le olona nanao an'le acte fa mety mivaly @taranany aty aoriana, mety immédiat zany le izy a, nefa koa mety taona maromaro aty aoriana voa mivaly.


tsy mety izany ry blok tratra amorti :-D

Izao mantsy. Voalaza fa kodiaran-tsarety ny fiainana. Indrindra fa raha itarina hatramin'ny taranaka any aoriana izany. Tsy maintsy misy fotoana mahaory foana, dia tsy maintsy misy fotoana hifaliana.

Dia tonga avy any amin'izay ary ilay mpanohana ny fisian'ny tody hoe: tsy efa niteny ahhhhhhh
18. nacl ( 09/08/2008 08:00)
sff
19. SHOAN ( 09/08/2008 08:05)
>>> coucou nacl
misaotra t@ fanazavàna
hay vé zany lé izy é ! Izaho aloha dia manao soa foana refa misy okazion é ! izany hoe tsy fanahy iniako lé izy fa tonga ho azy amizao ! hihihihi
izay angamba no tsy mapisy rétourou azy hihihihhi
ohatra >>> efa namonjy olona arabola aho , ozizy hoe mba apindràmo vola à shoan fa avériko ny anao dia nony nomeko azy lé izy dia tsy nivérina tsony hihihhihi, donc eto zany tody
ohatra ray koa >>>> indray mandeha aho niteny zavatra ka nanao vava nihoatra ny saina >>> ny valiny ? saika voahozon'ilay olona ! donc eto aho dia d'accord hoe ny atao no miverina
ary hoy ianao hoe mety any amy tarànaka any aoriana vao mivaly ... Ka efa tsy ho eo tsony aho dia tsy hitako zany hihihihi
momban'ilay hoe :
"... de ho valin'izay oatra de we manana image tsara eo @fiara-monina enao...sady atokisan'le olona ra tsy we mivadika izy.. :lol: "
ilay tsara image angamba aloha dia jemenfou satria raha mirendre service aho c'est pas du tout ds le but hoe ahatsara ny image-ko
de toute façon ny image-ko na efa ratsy aza dia c'est moi, JE SUIS CE QUE JE SUIS
ilay hoe atokisan'ilay olona ... Tssssss .... tu parles !!!!! en général ny olona rehefa mahazo ilay service aminao dia adinony ianao hahahhaha
hozizy papanay zay, tahio izy f"efa lasanko razana, hoé : manao tohatra fiakarana !
ka hitako misy fahamarinany io (en ce qui concerne les services que j'aurai pu rendre aloha é !)
tsisy retour zany
ny olona mi-calculer daholo rehefa mila zavatra aminao
mody ataony namana ianao dia avy eo refa azony ny ilainy dia atsipiny ianao
donc tody vé ? en tout cas tsy ny atao no miverina
asa aloha é ?

nacl:

SHOAN< sali sali a!aiza kosa de we ze soa rhtr nataonao de tsy nahitam-baliny e, le izy nge mety we tsy mivaly eo no eo e!fa tsikelikely oatra ny fomba ivaliany, sady mety @fomba hafa ny ivalian'le izy fa tsy we mitovy@iny.
oatra zao enao mba namonjy olona iray(ara-bola io), de ho valin'izay oatra de we manana image tsara eo @fiara-monina enao...sady atokisan'le olona ra tsy we mivadika izy.. :lol: de zay nge zao de efa tsara e so...? zany we ny tody manana caractère bdb, mety dans l'immédiat ny valiny ary mihatra @tena, mety aty@taranaka aty aorina koa...!!!
hihihi de zay fotsiny ny tsy mahadakôro a @nao, misy valiny ny zava-tsoa atao fa saingy we tsy eritreretina we iny le izy fa ny ratsy no tena asian'ny ol considération
zay fa kiss hihiihih
:wink:



20. nacl ( 09/08/2008 10:46)
SHOAN< :lol: mlay kosa ny valiteninao a!tiko be le fomba fisainanao menfoutist ty @nazy tsara hihihihi!!
fa kalam iany eo na zany aza fa ohatra iany iny :lol:
fa marina le lazainao reo ka maro mitsy ny ol toa 'zany fa bon ino atao...!!!???

ny tody tsy haiko na misy na tsis, fa ny fiverenan'ny natao no haiko fa misy je parles en connaissance de cause de zay....!!!ary efa taon-jato aty aoriana vo hitako le izy hahahaha
mais bon !!!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1877